Seminera
Lesona 147: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135: Ny famonoana ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith


“Lesona 147: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135: Ny famonoana ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 147: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135

Ny famonoana ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith

Sarivongan’i Joseph sy Hyrum Smith tao Cathridge

Taorian’ny taona maro nitarihany ny Olomasina dia nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Carthage ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny. Tamin’ny 27 jona 1844 dia nisy andian’olona nanafika ary novonoina ho maritiora izy roa lahy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy.

Sahanasa fianarana azo atao

“Ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo”

ny Mpaminany Joseph Smith

Hevero ny hampiseho ny sarin’i Joseph Smith ary asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa hiresaka amin’ny olona iray izay tsy mahalala na inona na inona momba azy izy ireo. Angataho izy ireo hanao lisitra ireo zavatra efatra na dimy izay heveriny fa manan-danja indrindra nataon’ny Tompo ho antsika tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nisy ireo fitahiana nomen’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Ahoana no nanovan’i Joseph Smith sy ny asa faminaniana nataony ny fahalalanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fifandraisanao amin’Izy Ireo?

Hazavao fa ato anatin’ity lesona ity ny mpianatra dia hianatra momba ny famonoana an’i Joseph Smith ho maritiora sy ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ny alalany. Rehefa mandalina izy ireo dia asao mba hikatsaka ny hahatakatra kokoa ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ilay Mpaminany.

Ny lalana mankany amin’ny Fonjan’i Carthage

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, dia hevero ny hamintina ireto andiam-pehezanteny ireto amin’ny teninao manokana.

Niaina tamim-pilaminana tao Illinois i Joseph Smith sy ireo Olomasina nandritra ny telo taona teo ho eo. Tamin’ny 1842, dia nanomboka niharan’ny fanoherana indray izy ireo. Nanambatra ny ezaka nataon’izy ireo hanohitra ny Mpaminany sy ny Olomasina ireo mpiendaka avy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra tany ivelan’ny Fiangonana. Nanomboka natahotra sy nankahala ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina ny olom-pirenena sasany tao Illinois. Ny hafa indray dia lasa nihanialona ny firoboroboana ara-toekarena tao Nauvoo. Ny fanenjehana ireo Olomasina ihany koa dia vokatry ny fahadisoan-kevitra mikasika ireo fomba fanao, toy ny fampakarana vady maro, izay novan’ireo mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany izay nihemotra. Tamin’ny fahavaratry ny taona 1844 dia nihamafy tokoa ny fankahalana ny Fiangonana.

Tamin’ny 7 jona 1844 dia nanao pirinty ny laharana voalohany tamin’ny gazety iray antsoina hoe Nauvoo Expositor mba hahatezitra ny vahoaka tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana i William Law, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, sy ireo mpikambana hafa izay nihemotra. I Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo dia nihevitra ilay gazety ho toy ny fanakorontanana ny vahoaka ka dia nanome baiko Izy ny handravana ilay Nauvoo Expositor. Io baiko io dia nifanaraka tamin’ny lalàna tamin’ny andron’i Joseph Smith.

Nanohitra ny Olomasina sy ny famotehana ilay orinasa fanaovan-gazety ny mponina sasany teo amin’ny faritra manodidina. I Thomas Ford izay governoran’i Illinois dia nanoro hevitra an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba handeha ho any amin’ny tanànan’i Carthage ary hamaha ny olana araka ny lalàna. Nampanantena azy ireo fiarovana tanteraka sy fitsarana ara-drariny ihany koa izy raha toa ka tonga an-tsitrapo izy ireo. Na dia teo aza izany fampanantenana izany, dia resy lahatra ny Mpaminany fa ho faty izy raha nandeha tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4). Kanefa tamin’ny 24 jona 1844 dia nandao an’i Nauvoo nankany Carthage i Joseph sy i Hyrum Smith ary ireo olona vitsivitsy hafa mba hiezaka hiaro ny Olomasina amin’ny herisetran’ny mpihetraketraka.

Rehefa nijanona andro vitsivitsy tany am-ponja i Joseph sy i Hyrum dia nisy andian’olona nanafika.

Ny famonoana ho maritiora

Alohan’ny hamakian’ny mpianatra ity andalan-tsoratra masina manaraka ity dia angataho izy ireo mba hizara izay mety ho efa fantany momba ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, izay navoaka voalohany telo volana latsaka taorian’ny ilay famonoana ho maritiora, dia nilazalaza ny zava-nitranga. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2, ka tadiavo ny antsipiriany momba ilay famonoana ho maritiora sy izay nanatri-maso izany. (Raha mila antsipiriany kokoa ianao dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–7.)

  • Inona no hitanao?

  • Inona no mety ho noeritreretinao na tsapanao raha toa ianao ka vavolombelona nanatri-maso an’io zava-nitranga nahatsiravina io?

13:9
62:4

Raha ilaina dia hazavao fa ny Loholona John Taylor (1808–87) dia iray tamin’ireo vavolombelona nanatri-maso ilay famonoana ho maritiora. Sitrana tamin’ny ratra nahazo azy tamin’io andro io ihany izy ary nanohy nanompo ho Filoha fahatelon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, ka tadiavo ny sasany amin’ireo fomba nitahian’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianaranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireny.

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja aminao? Nahoana?

Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ireo fahamarinana manan-danja avy amin’ny andininy 3 eny amin’ny solaitrabe ary hizara ny eritreriny momba izany.

Mety hampiasa teny hafa izy ireo, kanefa fahamarinana iray izay mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe nahavita mihoatra noho ny rehetra, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’izao tontolo izao i Joseph Smith. Hevero ny hanoratra fahamarinana tahaka io eny amin’ny amin’ny solaitrabe. Mety ho zava-dehibe ny manazava fa tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Mpamonjy ny olombelona rehetra, no ahazoana famonjena. Na izany aza, dia niasa tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith i Jesoa Kristy mba hanomezana ireo fitahian’ny Sorompanavotany ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra amin’izao fotoampitantanana izao.

Asao ny mpianatra haka fotoana kely sy hisaintsaina ny lanjan’io fahamarinana io eo amin’ny fiainany manokana.

Na dia nifarana tamin’ny 27 jona 1844 aza ny fiainan’i Joseph Smith teto an-tany dia nanampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra an-tapitrisany hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray ireo fitahian’ny famonjena ny asany sy fijoroany ho vavolombelona ary ny hery mitaona nananany.

“Ny iraka nampanaovina azy sy ny asany”

Mba hanampiana ireo mpianatra hahafantatra kokoa ny fomba nampiasan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith mba hanampiana antsika hanakaiky kokoa Azy Ireo, dia asao ireo mpianatra hanao ireto dingana telo manaraka ireto. Amin’ny endrika sora-mandry ny ny ohatra sasany.

sary famantarana ny fifehezana ny fiofanana Asao ny mpianatra hizara hevitra: Raha te hianatra kokoa momba ny fanasana ny hafa mba hizara hevitra dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny fahatsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao “Mamoròna fehezan-teny famporisihana mba hanampiana ny mpianatra hilaza ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.”

  1. Soraty eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao ny hoe “Ny asan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith.”

  2. Soraty na ataovy sary manodidina io andian-teny io ny zavatra 4-5 nampianarin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na nataony tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Raha azo atao dia asio andinin-tsoratra masina ho an’ny fomba tsirairay. Ohatra: “Ny Fahitana Voalohany” (Joseph Smith—Tantara 1:17–19).

  3. Ampidiro ao anatin’izany ny eritreritrao sy ny fahatsapanao mikasika ny fomba nanampian’ny zavatra tsirairay notanisainao anao hanatona kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ohatra: Mahatakatra kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’i Joseph Smith. Fantatro fa hamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra ary olona roa samy hafa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Raha mila fanampiana ny mpianatra hieritreritra ohatra fanampiny momba ny zavatra hosoratana na ny sary hatao, dia afaka mandinika ireto lohahevitra sy andininy manaraka ireto izy ireo: fisoronana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1); ny Bokin’i Môrmôna (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:5–6; 135:3); asa fitoriana ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4; 110:11); herin’ny famehezana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16).

Rehefa misaintsaina sy manoratra ny mpianatra dia azonao alefa ny raki-peon’ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100). Hazavao fa io hira io dia nosoratan’i William W. Phelps taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany ho fanomezam-boninahitra azy.

Manasà mpianatra maro araka izay tratra mba hizara ny eritreriny mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary hevero ny hanao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe. Rehefa mizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny lohahevitra iray ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy ny hoe “Moa ve nisy olon-kafa nieritreritra izany fitahiana izany ihany koa? Manana hevitra hozaraina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataontsika ve ianareo?” na “IMety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanareo raha tsy nisy izany fitahiana izany?” Asao ny mpianatra hizara momba ireo fitahiana maro. Hevero ny hizara ihany koa ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao.

Mba hamaranana ny lesona dia azonao atao koa ny mizara ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Ny Filoha Ballard dia zafindohalik’i Hyrum Smith.

2:3
Filoha M. Russell Ballard

Isika dia tokony hahatsiaro lalandava ilay sarany nefain’i Joseph sy i Hyrum Smith, miaraka amin’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahatoky hafa, ho fanorenana ny Fiangonana mba hahafahanao sy izaho mandray ireo fitahiana maro sy ireo fahamarinana nambara rehetra izay ananantsika ankehitriny. Tsy tokony hohadinointsika velively ny fahatokian’izy ireo! (M. Russell Ballard, “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?,” Liahona, mey 2020, 11)

  • Raha misy olona te hahatakatra kokoa ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia inona no hatoronao azy ireo?

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 ary avereno jerena amin’ny lesona manaraka izany. Ny andian-teny manan-danja ao amin’io andinin-tsoratra masina io dia ny hoe “namoaka ny Bokin’i Môrmôna [i Joseph Smith], izay nadikany araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra,” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia hita ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana ao anatin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”