“Lesona 155: Filazana Ôfisialy 1: –Nasehon’ny Tompo ahy, tamin’ny fahitana sy ny fanambarana,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Filazana Ôfisialy 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 155: Ireo Fanekem-pinoana sy Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2
“Nasehon’ny Tompo ahy, tamin’ny fahitana sy ny fanambarana”
Nandritra ny 50 taona teo ho eo dia nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany ny fampakarana vady maro ho setrin’ny didy iray avy amin’ny Tompo. Tamin’ny taona 1890 dia nandidy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) ny Tompo mba hanambara ny fiafaran’ny fampakarana vady maro ao amin’ny Fiangonana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy omeny ireo mpaminaniny ny Tompo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny didin’ny Tompo ho an’ny Olomasina mba hanatsahatra ny fanaovana fampakarana vady maro. Alohan’ny hampianarana ity lesona ity dia mety hanampy ny mamerina mijery ireo loharanom-pitaovana avy ao amin’ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–66 ” mba hanampiana ireo mpianatra izay mety mbola manana fanontaniana momba ny fampakarana vady maro.
Ambaran’ Andriamanitra amin’ireo zanany ny sitrapony
Amporisiho ny fandinihan-tena sy ny fanaovana fanombantombanana. Mba hahitana fampiofanana misimisy kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo ,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy . Hevero ny hanao fanazaran-tena hamorona fanombanan-tena ho an’ny mpianatra momba ny fotopampianarana, ny fahamarinana, na ny fitsipika iray.
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray hamaky na hitanisa ny Fanekem-pinoana 1:9 . Avy eo dia ampio ny mpianatra hanombantombana ny finoan’izy ireo momba an’ Andriamanitra izay manambara ny sitrapony amin’ireo zanany amin’ny alalan’ireo mpaminany. Azonao aseho ity manaraka ity ary omeo fotoana ireo mpianatra hieritreretana mangina ny valintenin’izy ireo.
Ho an’ireo fehezan-teny etsy ambany dia safidio ny safidy (Fantatro fa; Inoako fa; Somary inoako ihany fa; Tsy fantatro raha) izay mahalaza indrindra ny fomba hamenoanao ny banga: “ marina izany.”
N ambaran’ Andriamanitra tamin’ireo zanany tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny sitrapony.
M anambara ny sitrapony amin’ireo zanany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Andriamanitra amin’izao fotoana izao .
Mbola h anambara ny sitrapony amin’ireo zanany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Andriamanitra.
Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony namaliany toy izany. Afaka manasa olona vitsivitsy hizara ianao.
Hazavao fa ny lesona anio dia hifantoka amin’ny ohatra iray avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay maneho ny fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy izay omeny ireo mpaminaniny. Amporisiho izy ireo hihaino tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay afaka manampy azy ireo hamantatra ny fitahiana avy amin’ny fananana fanambarana mitohy avy amin’ny Tompo.
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny Filazana Ôfisialy 1 dia mifandray amin’ny didin’ny Tompo ho an’ny Olomasina mba hampitsahatra ny fampakarana vady maro. Asao ny mpianatra hitady ny andiam-pehezan-teny fampidirana any amin’ny fiandohan’ny Filazana Ôfisialy 1 ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Raha ilaina dia omeo ny tahadikan’ilay teny fanolorana ny mpianatra izay manana edisiôna efa tranainy kokoa.
Vakio ny teny fanolorana ny Filazana Ôfisialy 1 , ka tadiavo ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fanaovan’ireo Olomasina ny fampakarana vady maro.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa momba ireo fahasarotana ireo dia hevero ny hamaky na hamintina ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto. Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray hamaky izany amin’ny iray kilasy.
Taorian’ny nanorenan’ireo Olomasina fonenana tany Utah tamin’ny taona 1800 tany ho any dia maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nanao fampakarana vady maro ampahibemaso. Taty aoriana dia nandany lalàna izay nahatonga ny fampakarana vady maro ho tsy ara-dalàna tany Etazonia ireo mpitarika tao amin’ny governemanta. Ireo lalàna ireo dia nitarika tamin’ny fisamborana sy ny fanagadrana ireo lehilahy Olomasin’ny Andro Farany maro. Ny sasany dia niafina mba tsy ho voasambotra (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days , vol. 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 [2020], 142 , 408–9 , 518–20 ).
Tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo dia nikatsaka ombam-bavaka hahazo fitarihana avy tamin’ny Tompo ny Filoha Wilford Woodruff, ka dia nahazo izany izy. Nahatsapa ho nentanim-panahy izy hanome torolalana ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hanatsahatra ny fampianarana ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Tamin’ny volana septambra 1890 ny Filoha Woodruff dia namoaka manifestô (fantatra ankehitriny amin’ny hoe Filazana Ôfisialy 1 ). Tao amin’ilay manifestô, ny Filoha Woodruff dia namaly mikasika ireo tatitra diso fa ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia mbola namporisika ampahibemaso ny fampakarana vady maro (jereo ny Olomasina , 2:584–85 , 597–601 ).
Io manifestô io dia fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Filazana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Omeo fahafahana ny mpianatra handalina ny sasany amin’ireo torohevitra sy torolalana nomen’ny Filoha Woodruff ho an’ny Olomasina. Raha ilaina dia asehoy ny mpianatra hoe aiza ao amin’ny soratra masina no ahafahan’izy ireo mahita ireo andiam-pehezan-teny hohalalinin’izy ireo.
Halalino ireto lahatsoratra manaraka ireto ka tadiavo ny torohevitry ny Filoha Woodruff ho an’ny Olomasina:
Raha ampy ny fotoana dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra handalina andiam-pehezan-teny bebe kokoa avy amin’ireo ampahan-dahateny ireo. Azonao atao ny manome andrakitra vondrona kely maromaro ahitana mpianatra vitsivitsy handalina andiam-pehezan-teny vitsivitsy ka hitady ny zavatra nianaran’ny Filoha Woodruff avy amin’ny Tompo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamintina izay zavatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy.
Manampy anao hahatakatra inona momba ny fomba itarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany ireo andiam-pehezan-teny ireo?
Omeo fahafahana hamaly ny fanontaniana teo aloha ny mpianatra maromaro. Mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Tsy hamela ny Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana ho any amin’ny lalan-diso velively ny Tompo. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy omeny ireo mpaminaniny ny Tompo.
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo mitahy na mitondra akony eo amin’ny fiainanao?
Inona no ampianarin’ireo fahamarinana ireo anao mikasika ny Mpamonjy sy ny zavatra iriny ho antsika?
Fanambarana mitohy ankehitriny
Nizara izao fijoroana ho vavolombelona manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:
4:27
Fantatro tsara fa mitarika ny raharahan’ny Fiangonany ny Tompo. Hoy Izy, “Hasehoko [anao] fa mahavita ny asako ihany Aho” [2 Nefia 27:21 ].
Matetika izaho sy ireo mpanolotsaiko no nahita tamin’ny masonay manganohano raha iny Izy niditra an-tsehatra tamin’ny toe-javatra faran’izay nanahirana rehefa avy nanao izay rehetra azonay natao izahay ka tsy afaka nanao mihoatra intsony. Tena talanjona marina tokoa izahay! (Russell M. Nelson, “Fiarahabana tonga soa ,” Liahona , mey 2021, 6)
Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amina namana iray na vondrona kely rehefa avy mizara ilay teny nambara teo aloha. Afaka mankeny amin’ny solaitrabe ny mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay dia manoratra ny valintenin’izy ireo.
Mampiseho ny fahatakarana
Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho ny fahatakarany momba ny zavatra nianarany androany dia zarao ity rafi-tantara manaraka ity:
Sorena amin’ireo fanovana sasany hitany tao amin’ny Fiangonana i Sofia. Manontany tena izy hoe nahoana ny sasany amin’ireo zavatra asain’ny mpaminany ataontsika ankehitriny no tsy mitovy amin’izay nisy tamin’ny fahazazany.
Azon’ny mpianatra atao ny mamaly izany ao anatina fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasy, na azonao atao ny manasa azy ireo hilalao an-tsehatra io rafi-tantara io miaraka amin’ny namana iray.
Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany. Amporisiho ny mpianatra hiaiky fa ny fitarihana mitohy avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia afaka ny ho fitahiana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
“Le Messager et le Manifeste ,” Révélations dans leur contexte , 323–331
“Le mariage plural et les familles plurales dans les premiers temps de l’Utah ,” Essais sur des sujets de l’Évangile
“Le Manifeste et la fin du mariage plural ,” Essais sur des sujets de l’Évangile
Nanazava izao ny Filoha Russell M. Nelson:
2:3
Rehefa nivory amin’ny maha-Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izahay, dia lasa efitranon’ny fanambarana ny efitrano fivorianay. Tena tsapa fa eo ny Fanahy. Rehefa sahirana mafy tamin’ireo toe-javatra sarotra tokony ho vahana izahay, dia misy zavatra mampientanentana mitranga rehefa milaza amin-kalalahana ny eritreriny sy ny heviny ny Apôstôly tsirairay. Na dia mety ho tsy mitovy aza ny fomba fijerinay any am-boalohany, dia tsy miova mihitsy ny fifankatiavana tsapanay. Manampy anay hamantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany ny firaisanay hina.
Mandritra ny fivorianay dia tsy misy mihitsy izany hoe ny hevitry ny antsasa-manila no ampanjakaina! Mifampihaino amim-bavaka izahay ary mifampiresaka mandra-piray saina anay. Ary rehefa samy manaiky tanteraka izahay, dia mampientanentana ery ny fitaomana mampiray avy amin’ny Fanahy Masina! Miaina ny zavatra fantatry ny Mpaminany Joseph Smith isika rehefa nampianatra izy hoe: “Amin’ny alalan’ny fahatsapana fiombonana no ahazoantsika hery avy amin’ Andriamanitra” [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 393–94]. Tsy misy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay handray fanapahan-kevitra ho an’ny Fiangonan’ny Tompo kanefa miankina amin’ny fahaizany mitsara manokana! (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika ,” Liahona , mey 2018, 95)
Nampianatra izao ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy:
Sambatra isika noho ny fanambarana mitohy raisin’ireo mpaminany velona. …
Ny fanambarana sasany dia tena manan-danja loatra, ary ny hafa kosa dia mampitombo ny fahatakarantsika ireo fahamarinana manan-danja avy amin’ Andriamanitra ary manome fitarihana ho an’ny androntsika. (Quentin L. Cook, “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika ,” Liahona , mey 2020, 97)
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny fanambarana mitohy avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia azonao omena rafi-tantara toy izao manaraka izao izy ireo:
Alaovy sary an-tsaina ny namanao milaza hoe, “Fantatro fa nino an’ i Joseph Smith ho mpaminany ianao, saingy vao haingana aho vao nahafantatra fa mino ianao hoe niantso mpaminany hafa Andriamanitra taorian’i Joseph Smith. Nahoana Izy no nanao izany?”
Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manao fanazaran-tena mamaly ny fanontaniana ao amin’ilay rafi-tantara. Amporisiho izy ireo hanome ohatra mazava tsara miisa iray na roa mikasika ny fomba hanohizan’ Andriamanitra manambara zavatra manan-danja amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny.
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra fanampiny momba ny mpaminany iray izay nikatsaka sy nandray fanambarana avy tamin’ Andriamanitra momba ny zavatra sarotra iray, dia hevero ny hamaky momba ny zavatra niainan’i Almà Rainy ao amin’ny Môzià 26 . Azonao fintinina ny Môzià 26:1–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia voatariky ny tsy mpino hanao fahotana. Nanome toromarika an’i Almà ny Mpanjaka Môzià mba hiara-hiasa amin’ireo izay nanota. Avy eo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Môzià 26:13–14 mba hamantarana ny zavatra nataon’i Almà.
Azon’ny mpianatra atao ny mitady ny valin’ireo fanontaniana toy ireto manaraka ireto eo am-pamakiana ny Môzià 26:32–36 :
Inona no fanambarana nomen’ Andriamanitra an’i Almà?
Inona no nataon’i Almà tamin’ilay fanambarana noraisiny?
Tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ilay fanambarana?
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra iray mikasika ny fomba itarihan’ny Tompo amim-pahavitrihana ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana, dia hevero ny hijery ny “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao ” manomboka amin’ny mari-potoana 11:13 hatramin’ny 13:08. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny antony mahatonga ny fanambarana mitohy manome fahafahana ny asan’ny Tompo handroso manerana izao tontolo izao.
18:59