Seminera
Lesona 164: Hamafiso ny fototra ara-panahinao


“Lesona 164: Hamafiso ny fototra ara-panahinao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Hamafiso ny fototra ara-panahinao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 164: Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako

Hamafiso ny fototra ara-panahinao

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Fanorenana ny tempolin’ny SLC

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika amin’ny andro farany dia miatrika loza sy zava-tsarotra ara-panahy maro isika. Mba hijoroana ho matanjaka manoloana ny fitaoman’ny fahavalo dia tsy maintsy manorina ny fiainantsika eo amin’ilay hany fototra azo antoka isika, dia i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana mitahy ny fiainan’izy ireo sy manampy azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia azo ampiasaina hampahafantarana ny mpianatra ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana. Azo ampiasaina ihany koa izany mba hampahatsiahivana ireo mpianatra izay mahafantatra tsara ny fifehezana fotopampianarana mikasika ny lanjan’io ampahany lehibe amin’ny fianaran’izy ireo ao amin’ny seminera io. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity amin’ny fiandohan’ny taona vaovao ao amin’ny kalandrie, kanefa azonao atao ihany koa ny mamerina mijery izany indray raha toa ka mampianatra vondrona mpianatra vaovao ianao.

sary famantarana ny fanofananaNy “Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana” ho an’ny mpampianatra dia afaka ny ho loharano manampy mba hahatakarana ny fomba hampiharana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fampianaranao. Io fiofanana io dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny fototra ara-panahintsika

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanorenana ny fototra ara-panahiny eo amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake, ka anantitranterana ny asa natao mba hanamafisana ny fototra hiadiana amin’ny horohoron-tany sy ireo loza hafa mety hitranga. Azonao atao ny mampiseho sary. Azonao aseho koa ny “Filoha Nelson: Fototra iorenan’ny tempoly” (2:03).

2:3
Fanorenana ny tempolin’ny SLC 1
Fanorenana ny tempolin’ny SLC 2
Fanorenana ny tempolin’ny SLC 3
Fanorenana ny tempolin’ny SLC 4
  • Nahoana araka ny eritreritrao no betsaka ny fotoana sy loharanom-pitaovana nolaniana tamin’ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake sy ny fanatsarana ny fototra iorenany?

  • Ahoana no azontsika ampitahana ny zavatra natao tamin’ny tempoly sy ny fiainantsika manokana?

Vakio ny Helamàna 5:12, ka tadiavo ireo fahamarinana sy fitsipika izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny antony ilana fototra ara-panahy miorina eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no lasa takatrao momba ny antony ilantsika ny hery avy amin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’io andinin-tsoratra masina io?

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io andininy io mikasika ny zavatra mety hitranga rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy isika?

    Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratra ny zavatra nianarany ao anaty fehezan-teny iray eny amin’ny solaitrabe. Azonao omena fahafahana hanazava ny valin-teniny izy ireo avy eo. Mety hiteny zavatra toy izao izy ireo: raha manorina ny fototra ara-panahintsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hianjera mihitsy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototra ara-panahintsika eo amin’i Jesoa Kristy?

Azon’ny mpianatra atao ny mizara hevitra toy ny fampifantohana ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany, ny fanarahana ny ohatra nasehony ary ny fibebahana tsy tapaka.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia namariparitra ny antony ilantsika manorina ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy:

Ny Filoha Russell M. Nelson

Fotoana ho antsika izao mba handraisana fepetra tsy mahazatra—angamba fepetra mbola tsy noraisintsika mihitsy taloha—entina hanamafisana orina ireo fototra ara-panahintsika. Mitaky fepetra tsy manam-paharoa ny fanamby tsy manam-paharoa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika. …

Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93)

  • Inona no lasa takatrao momba ny antony ilanao fototra ara-panahy matanjaka avy amin’io teny nambara io?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra misy eo amin’ny fiainany izay manampy azy ireo hahafantatra ny antony ilana ny fanorenana ny fototra iorenany eo amin’ny Mpamonjy. Avy eo dia asao izy ireo handinika ny tanjaky ny fototra ara-panahy ananany. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana ity fanombanan-tena manaraka ity, izay mifandray amin’ny vokatra samihafa azo avy amin’ny fifehezana fotopampianarana izay hianaran’ny mpianatra ato amin’ity lesona ity. Afaka manomban-tena mangina na manoratra ny valiny ao amin’ny diary fandalinany ireo mpianatra.

Ho an’ny tsirairay amin’ireto teny ambara manaraka ireto dia tombano ny tenanao amin’ny maridrefy 1 (tena tsy manaiky) hatramin’ny 5 (manaiky tanteraka).

  1. Miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany aho rehefa alaim-panahy na taomin’ny fahavalo.

  2. Haiko ny fomba handraisana ny valin’ireo fanontaniako momba ny fotopampianarana, na ny fanontaniako manokana, na mahakasika ny fiarahamonina, na momba ny tantara.

  3. Afaka manazava ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa aho.

  4. Afaka mahita andalan-tsoratra masina manan-danja izay mirakitra fotopampianaran’i Kristy aho.

  5. Miantehitra amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany aho mba hanampy ahy amin’ny fanaovako safidy isan’andro.

Fifehezana fotopampianarana

Hazavao fa ny iray amin’ireo fomba ahafahan’ny mpianatra manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny traikefany ao amin’ny seminera ny fifehezana fotopampianarana. Raha manana mpianatra efa nandray anjara tamin’ny seminera ianao dia angataho izy ireo mba hanazava ny zavatra fantany momba ny fifehezana fotopampianarana. ChurchofJesusChrist.org

4:3

Vakio ny fizarana “Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny fifehezana fotopampianarana manampy anao hanorina fototra mafy orina eo amin’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hiara-hamaky ao anaty vondrona kely. Ny mpianatra iray dia afaka miandraikitra ny fanendrena ireo mpianatra ao amin’ny vondrona hamaky andiam-pehezan-teny isan-karazany, ny iray hafa dia azo tendrena hanao lisitra ireo zavatra manan-danja izay hita, ary ny iray hafa dia afaka mitatitra ny zavatra hitan’ilay vondrona amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo vokatra roa lehibe azo avy amin’ny fifehezana fotopampianarana?

    Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ireo vokatra ireo dia ny (1) fianarana sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy, ary ny (2) fifehezana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianariny.

    Mety hanampy ny manazava fa handray anjara amin’ny lesona mandritra ny taona izay mifantoka amin’ireo vokatra andrandraina ireo ny mpianatra. Hanana fahafahana izy ireo hanazava ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny teniny manokana, sy hitadidy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mba hampiharana ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fifehezana fotopampianarana manampy anao hanorina ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hiarovan’ny fandraisana anjara amin’ny fifehezana fotopampianarana anao amin’ireo fanamby ho avy sy ny fanafihan’ny fahavalo?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny ezaka amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy azy ireo hitodika amin’i Jesoa Kristy amim-patokiana kokoa. Angataho ireo mpianatra izay efa nandray anjara tamin’ny fifehezana fotopampianarana teo aloha mba hizara ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy izy ireo dia ho afaka hiatrika ireo olana mihatra aminy ankehitriny sy hiomana amin’ireo izay ho tonga amin’ny hoavy.