Lesona 166—Manao asa am-pinoana mba hahitana valiny
“Lesona 166—Manao asa am-pinoana mba hahitana valiny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Manao asa am-pinoana mba hahitana valiny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 166: Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako
Manao asa am-pinoana mba hahitana valiny
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha 2
Manasa antsika hitodika Aminy sy hanao asa amim-pinoana mandritra ny fiainantsika i Jesoa Kristy. Manan-danja ny hifantohantsika amin’ny Mpamonjy, indrindra fa rehefa tsy afaka mamaly mora foana ireo fanontaniana na mamaha ireo toe-javatra iainana isika. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ity lesona ity rehefa mikatsaka valiny amin’ny fanontaniany izy ireo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nametraka ity fanontaniana manaraka ity:
Mety ve ny manana fanontaniana mikasika ny Fiangonana na ny fotopampianarany? (Dieter F. Uchtdorf, “The Reflection in the Water” [Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], thechurchnews.com)
Ahoana no hamalianao izany fanontaniana izany? Nahoana no izany no hamalianao azy?
Rehefa mamaky ny ambin’ny teny nambaran’ny Filoha Uchtdorf ianao, dia tadiavo ny fomba azo ampitahana ny valin-teninao amin’ny azy.
Ry tanora namako, olona mpametram-panontaniana isika … satria fantatsika fa mitondra any amin’ny fahamarinana ny fametrahana fanontaniana. Izany no fomba niantombohan’ny Fiangonana—avy tamin’ny zatovolahy iray izay nanana fanontaniana maro. Raha ny marina dia tsy azoko antoka hoe afaka mahita ny fahamarinana ny olona iray raha tsy mametraka fanontaniana. …
… Ny fametrahana fanontaniana no hiavian’ny fijoroana ho vavolombelona. … Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana. (Dieter F. Uchtdorf, “The Reflection in the Water” [Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], thechurchnews.com)
Inona avy no ohatra hitanao tao amin’ny sorara masina, na ny tantaran’ny Fiangonana, na ny fiainanao manokana ka maneho fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hametraka fanontaniana isika?
Mety hahita fampahalalana vaovao momba ny fotopampianarana, ny fomba fanao, na ny tantaran’ny Fiangonana izay toa saro-takarina isika indraindray. Mety hanana fanontaniana sarotra valiana ihany koa isika. Tsy mitovy ny hoe manana fanontaniana sy ny misalasala. Afaka mampitombo ny fahatakarantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny fametrahana fanontaniana amim-pahatokiana. Mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny finoantsika Azy ny fanomezana vahana ny fisalasalana (jereo ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Famaliana fanontaniana momba ny filazantsara,” topics.ChurchofJesusChrist.org).
Mamaly fanontaniana sarotra
Nianaran’i Madison nandritra ny seminera fa nanao fampakarana vady maro i Joseph Smith. Nisy fanontaniana vitsivitsy tonga tao an-tsainy rehefa avy nandre izany izy.
8:35
Inona avy no zavatra ratsy sy tsara azon’i Madison natao teo anatrehan’ny fanontaniany?
Nahoana ianao no mahatsapa fa ho tsara na ho ratsy izany fomba izany?
Inona avy no teny na andian-teny ao amin’io andininy io afaka manampy an’i Madison na ny hafa izay manana fanontaniana momba ny filazantsara sy ny Fiangonana?
Nahoana no mety hanampy ireo teny na andian-teny ireo?
Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, hitadiavana ireo fomba ahafahanao manao asa amim-pinoana rehefa manana fanontaniana ara-panahy ianao.
Iza amin’ireo teny nambara avy ao amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo no tsapanao fa mety hanampy ny olona iray tojo fanontaniana sarotra? Nahoana?
Ohatra amin’ny fanaovana asa amim-pinoana
8:35
Nanatona ny mpampianany i Madison rehefa nirava ary nanontany ny antony nampakaran’i Joseph Smith vady maro. Namporisihin’ny mpampianatra azy izy hanohy hiaina ny filazantsara sy hanolotra vavaka amin-kitsimpo eo am-pitadiavana valiny. Naharay fitariham-panahy i Madison fa hahazo valiny amin’ny fotoanany, rehefa nivavaka sy nanadihady ny soratra masiny izy. Nanohy nanao asa tamim-pinoana i Madison ary niantehitra tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny, dia nanomboka nahazo valiny tsikelikely izy izay nanampy azy hahatsapa fiadanana. Nahatsapa i Madison fa nitombo ny fifandraisany tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ilay dingana. Lasa fantany fa hanome ny valinteny sy ny fiadanana katsahintsika Andriamanitra, rehefa manao asa amim-pinoana isika .
Ahoana no nanehoan’ny asa nataon’i Madison ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra niainan’i Madison?