Seminera
Lesona 167—Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay


“Lesona 167—Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera, (2025)

“Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 167: Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako

Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-3

I Jesoa Kristy mitazana avy eny amin’ny lavitra

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy ny mpianatra ho zatra an’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy, mba hahafahan’izy ireo mampiasa izany mandritra ny fiainan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary hahita izany mitovy kokoa amin’ny ahitan’i Jesoa Kristy izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny masom-pinoana

Asehoy ny sary eo ambany ary asao haka sary an-tsaina ny zava-misy ny mpianatra.

Alaovy sary an-tsaina hoe mankao amina tranombakoka iray ianao ary mahita zavatra aranty toy ity. Ahoana no hamaritanao ny zavatra hitanao?

fiovam-pahitana nataon’i Michael Murphy
  • Inona no mety hoeritreretinao raha misy olona iray mijery io zavatra aranty io ka milaza aminao fa mahita endrika mason’olombelona?

Hazavao fa raha avy amin‘ny toerana hafa ianao no mijery, dia milahatra mampiseho sarina mason’olona ireo teboka ireo. Asehoy ity sary manaraka ity. Azonao atao ihany koa ny mandefa ilay horonan-tsary, izay maneho ny fiovam-pomba fijery mandra-pahita ilay maso.

hosodoko mampiseho mason’olona
0:37
  • Inona no azontsika ianarana momba ny toerana ijerena amin’io hosodoko io?

  • Inona avy no lesona ara-panahy mety ho azon’izy io anampiana antsika mba ho takatsika?

Rehefa avy mizara ny hevi-baovao hitan’izy ireo ny mpianatra, dia ampio izy ireo hianatra avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

2:3
Loholona Neil L. Andersen

Jereo ity sary nataon’i Michael Murphy ity. Raha jerena amin’izao ahitantsika azy izao dia sarotra aminao ny hino hoe fanehoana mason’olombelona iray amin’ny alalan’ny haikanto izy io. Kanefa rehefa jerenao avy amin’ny toerana hafa ireo teboka ireo dia hitanao ny hakanton’ny sangan’asan’ilay mpahaikanto.

Tahaka izany koa, mahita ireo fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fijerin’ny masom-pinoana. (Neil L. Andersen, “Ny masom-pinoana,” Liahona, mey 2019, 35)

  • Inona no eritreretinao ho dikan’ny hoe mahita fahamarinana ara-panahy amin’ny “masom-pinoana”?

  • Inona no mety hanasarotra ny fahitantsika fahamarinana ara-panahy amin’io fomba io indraindray?

Mahita amin’ny fomba ahitan’ny Tompo

Rehefa mila fanampiana amin’ny fahitana fotopampianarana, fanontaniana, na olana ara-piarahamonina amin’ny fomba fijerin’ny finoana isika, dia azontsika atao ny mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy:

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Hifantoka amin’ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika ato amin’ity lesona ity.

Asao hanazava ny fahatakaran’izy ireo momba ny dikan’ny hoe mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny mpianatra.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8–10 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) mba hahitana ny zavatra azonao atao mba hananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fihazonana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no afaka manampy anao hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Hevero ny hanisy marika ity andian-teny ao amin’ny andiam-pehezan-teny 8ity: Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana ireo zavatra amin’ny fomba hahitan’ny Tompo azy ireny.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no mety ho tombontsoa amin’ny fiezahana mijery ny fanontaniantsika na fanahiantsika ara-panahy amin’ny fomba ahitan’ny Tompo izany?

Mitadiava soratra masina roa na telo afaka manampy anao hahatakatra ny lanjan’ny fomba fijerin’ny Tompo.

Afaka manomboka amin’ny fitadiavana soratra masina mikasika ny fahalalan’ Andriamanitra eo ambanin’ny hoe: “God, Omniscience of” ao amin’ny the Topical Guide.

Ireto misy andininy vitsivitsy hodinihina:

Angataho hanoratra famintinana ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’ Andriamanitra ireo mpianatra mba hanampiana azy ireo hieritreritra ny zavatra novakin’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo na mangataka ny mpianatra hizara amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba an’ Andriamanitra ka mety handrisika antsika hijery ny zavatra amin’ny fomba fijeriny?

Fomba fijery samy hafa

Afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fampitahana ny fomba fijerin’izao tontolo izao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ity sahanasa manaraka ity. Hevero ny hampiditra rafi-tantara toy ity manaraka ity sy hanampy ny mpianatra handinika an’ireo fomba fijery roa.

Vao haingana no nahazo diplaoma avy tao amin’ny lisea i Ryan. Nanomboka niaraka tamina ankizivavy iray izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Nihamatotra ny fiarahan’izy ireo, ka vao haingana ilay ankizivavy no namosa-kevitra hoe afaka miara-mipetraka izy ireo fa tsy mivady.

Asao hifanakalo hevitra amin’ity fanontaniana manaraka ity ny kilasy ary hanao lisitra ireo valiny eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe “Fomba fijerin’izao tontolo izao.” Hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra an’ilay sary naseho tany am-panombohan’ny lesona. Azonao atao ny mampiseho ny fahitana avy any amin’ny sisiny an’ilay sarina maso mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Raha nanana fomba fijery voafetra na araka izao tontolo izao i Ryan, dia inona no antony mety haha-hevitra tsara izany ho azy?

Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana antony ny mpianatra, dia azonao atao ny mizara ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Mety hahita tombontsoa amin’ny hoe hiara-mipetraka izy sy ny olon-tiany fa tsy hivady, i Ryan, raha nijery io fanapahan-kevitra io tamin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao. Mety hieritreritra izy hoe hitsitsy vola satria tsy handany vola amina peratra lafo vidy sy ny fampakaram-bady. Mety hieritreritra izy fa hihena ny rarin-tsainy satria raha manambady izy dia hitaky fanoloran-tena feno izany. Afaka mivady izy ireo any aoriandriana raha mandeha tsara ny zava-drehetra.

Rehefa avy nijery ilay zava-misy tamina fomba fijerin’izao tontolo izao ny mpianatra, dia ampio hijery izany amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’izay izy ireo. Asehoy amin’izay ilay sary ahitana miharihary ilay maso, raha nasehonao ny fahitana avy amin’ny sisiny azy nandritra ilay fifanakalozan-kevitra farany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe “Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” ary asao ny mpianatra hanoratra ny valin’ity fanontaniana manaraka ity eo ambanin’io lohateny io. Hevero ny hampijery ny mpianatra ny loharanom-pahalalana toy ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” na ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022).

  • Inona ilay antony tsy hisafidianany ny hifindra hiara-mipetraka amin’ny olon-tiany raha manana ilay fomba fijery mibanjina ny mandrakizay i Ryan?

Azonao atao ny mizara ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha mila fanampiana amin’ny famaliana ilay fanontaniana ny mpianatra. Mahita valiny azy ireo manokana ny mpianatra, no tena tsara, rehefa mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra.

Mety hihevitra ireto zavatra manaraka ireto i Ryan raha mijery io fanapahan-kevitra io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: Avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy fiainana ny fampianarany ny fahasambarana. Tsy te “hanota amin’ Andriamanitra” (Genesisy 39:9) amin’ny alalan’ny fandikana ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena i Ryan, tafiditra amin’izany ny fisorohana ny firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana. Mampianatra ihany koa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa manana zo ho teraka ao amina fianakaviana misy ray sy reny vita fanambadiana sy voafatotry ny voady ny zanaka. Takatr’i Ryan fa afaka manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tempoly izy mba hahatonga ny fifandraisany ho mandrakizay.

Afaka maneho ny fahazavana mety ho azontsika amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ity horonan-tsary fohy manaraka ity, rehefa mijery ireo fanontaniana sy olana ara-piarahamonina amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika.

0:22

Mety ho azonao atao amin’izay ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra mombana toe-java-misy hafa, samirery na anatina vondrona kely maromaro, rehefa vitan’ny mpianatra ilay rafi-tantara. Azon’izy ireo atao ny mijery fanontaniana na olana ara-piarahamonina hafa amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao sy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Mety ho afaka mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny lanjan’ny fampitahana ny fomba fijerin’izao tontolo izao sy ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay:

  • Inona no zavatra nianaranao tamin’ny alalan’ny fampitahana ny fomba fijerin’izao tontolo izao sy ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona avy no tombony mety ho azo avy amin’ny fahitana ny safidintsika na ny fanontaniantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Oviana ianao no nahita ny fitahian’ny fahitana ny zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany. Amporisiho ny mpianatra hanohy hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniany izy ireo.