Seminera
Lesona 165—Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako


“Lesona 165—Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 165: Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako

Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1

zatovo misaintsaina

Tia ny zanany ny Ray any An-danitra ary tiany ho tonga tahaka Azy isika. Nampanantena ny Ray any An-danitra fa hanambara fahamarinana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, rehefa mikatsaka ny hianatra misimisy kokoa momba Azy isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2; Môrônia 10:5). Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mijanona ho velona ara-panahy

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanaovana sarin’olona tsotra eny amin’ny solaitrabe izay maneho zatovo iray. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mandika io sarin’olona tsotra io ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety ho tian’ny mpianatra ny hamorona anarana ho an’io sarin’olona tsotra io, eo ihany koa ny toetoetra fototra sasantsasany toy ny taona sy ny fialam-boly ary ny sakafo tiana indrindra.

Soraty manodidina an’ilay sarin’olona tsotra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo, rehefa mamaly ny voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireo ny mpianatra.

sarin’olona tsotra
  • Inona no mety hahasarotra ny hijanona ho velona ara-panahy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny amin’ny zatovo?

  • Inona no afaka manampy antsika handresy ireny fanamby na fitaomana ireny?

Nizara fomba iray ahafahantsika hijanona ho velona ara-panahy amin’ireo fanamby sy fitaomana atrehintsika ny Filoha Russell M. Nelson:

2:3
Filoha Russell M. Nelson

Ny fahafahana mampiasa tsy tapaka ny tambajotran-tserasera sy ireo vaovao mandeha ao anatin’ny 24 ora isan’andro dia manototra antsika amin’ireo hafatra tsy an-kitsahatra. Raha te-hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana. …

… Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

  • Inona avy no teny na andian-teny avy amin’io teny nambara io izay hitanao fa nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena ilaintsika ny mandray fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahatonga antsika hijanona ho velona ara-panahy eo amin’ny tontolo misy antsika?

Asao hisaintsaina ny filan’izy ireo manokana fanambarana ny mpianatra. Mety ho azonao atao ny manasa azy ireo hirakitra ao amin’ny diarin’izy ireo ny fanontaniana ananan’izy ireo na ny antony ilan’izy ireo fanambarana amin’izao ankehitriny izao eo amin’ny fiainan’izy ireo. Na, azonao atao mihitsy aza ny manasa ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo na ny fanamby natrehin’izy ireo rehefa nikatsaka fanambarana izy ireo tany aloha tany.

Amporisiho hitady fampianarana sy fanasana izay afaka manampy azy ireo hiomana handray fanambarana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny fiainan’izy ireo rehefa mandalina izy ireo anio.

Mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra

Vakio ny Môzià 4:9 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3, hitadiavana ireo toetoetra momba an’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika haniry hahazo ny fitarihany.

  • Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo anao momba an’ Andriamanitra?

    Omeo fahafahana hamaly ny fanontaniana teo aloha ny mpianatra maromaro. Mety hilaza fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra ao anatin’ireo valin-teny maromaro mety homen‘izy ireo: Andriamanitra dia manana ny fahendrena rehetra ary mahalala ny zavatra rehetra.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo toetoetran’ Andriamanitra ireo miantraika amin’ny fanirianao Azy hitari-dalana sy hampianatra anao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity lohateny manaraka ity: Ahoana no ahafahako mandray valiny avy amin’ Andriamanitra?

Halalino ny andiam-pehezan-teny 1–3 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Tsipiho ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra azonao atao mba handraisana valiny avy amin’ Andriamanitra amin’ireo fanontaniantsika ara-panahy.

Ankoatra ny fandalinana ny ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, dia azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatrao hitady ao amin’ny soratra masina ireo fampianarana izay mamaritra ny zavatra azontsika atao mba handraisana valiny avy amin’ Andriamanitra. Ny ohatra amin’ny soratra masina mety ho azonao anasana ny mpianatra mba hohalalinin’izy ireo dia ahitana ny 2 Nefia 32:3–5; Môrônia 10:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9; 42:61.

  • Inona no nianaranao momba ny zavatra azontsika atao mba hampitomboana ny fahafahantsika mandray valiny amin’ny fanontaniantsika avy amin’ Andriamanitra?

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo.

    Azonao atao ny mangataka mpianatra samihafa hisafidy anankiray amin’ireo teny na andian-teny eny amin’ny solaitrabe izay toa manan-danja indrindra amin’izy ireo, ho solon’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity. Azon’izy ireo atao avy eo ny manazava ny antony ahatsapan’izy ireo fa fomba manan-danja iray hiomanantsika handray valiny amin’ireo fanontaniantsika izany teny na andian-teny izany.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no fomba manan-danja hanomanana antsika handray fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo zavatra atao ireo?

  • Inona no zavatra niainanao mikasika ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana? Inona no zavatra nataonao ka nanampy tamin’ny fanomanana anao handray izany?

Ampio hahatakatra ny mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika ny tenan’izy ireo manokana na masina loatra izy ireo, na inona na inona. Azonao heverina ihany koa ny hizara zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao.

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Asao hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo androany ka afaka manampy azy ireo amin’ny fanontaniana ananan’izy ireo ny mpianatra. Zarao ireto manaraka ireto avy eo mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fampianarana nianaran’izy ireo androany.

Tsarovy ilay torohevitra avy amin’ny Filoha Nelson nohalalininao tany am-piandohan’ny lesona hoe: “Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” 96).

Hevero ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka afaka hanampy anao hanaraka io torohevitra io. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra hataonao mba hampitomboana ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Hevero ny hangataka mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny drafitr’izy ireo amin’ny kilasy rehefa avy manoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao ny mampahafantatra ny mpianatra fa hianatra momba ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy izy ireo amin’ny lesona manaraka, izay hanampy azy ireo handray valiny amin’ny fanontanian’izy ireo ihany koa. Mety ho efa misy amin’ny mpianatra ao aminao mahalala ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy. Hevero ny hangataka azy ireo hizara raha fantatr’izy ireo izany, na hanasa ny mpianatra hitady izany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Omeo toky izy ireo fa ahanana fahafahana hampitombo ny fahafahan’izy ireo mandray fanambarana izy ireo ao amin’ny seminera.