Seminera
Lesona 170—Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina: mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika


“Lesona 170—Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina: mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 170: Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Mitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina

Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika

manisy marika ireo andininy ao amin’ny soratra masina

Nitahiry ireo fahamarinan’ny filazantsara, ny fotopampianarana sy fitsipika mandrakizain’ny filazantsarany, izay mitondra antsika hanakaiky kokoa Azy ary tena ilaina amin’ny fivoarantsika sy ny famonjena antsika ny Tompo ao amin’ny soratra masina. Afaka manampy mampitombo ny fahaizanao mamantatra ny fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina sy manatona kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fanoharana momba ireo vatosoa

vehivavy misava fasika
mikaroka vatosoa anaty fasika

Azonao atomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fampisehoana ireo sary etsy ambony ary asaivo maka sary an-tsaina olona iray mikaroka sy mahita vatosoa anaty fasika eny amoron-dranomasina ny mpianatra raha toa ka tsy misy ity horonan-tsary manaraka ity. Anontanio hoe: “Inona no mety ho mampitovy ny fikarohana ao anaty soratra masina amin’ny fikarohana vatosoa anaty fasika?”

Jereo ilay horonan-tsary hoe “The Parable of the Gems“ (6:47; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 2:13 ka hatramin’ny 4:20) ary saintsaino hoe inona no mampitovy io tantara io amin’ny fandalinantsika soratra masina?

19:24

Dingano ilay fanontaniana voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, raha toa ianao ka tsy afaka nampiseho ilay horonan-tsary. Azonao ovaina koa ilay fanontaniana farany ka lasa hoe: “Inona no azon’ny olona iray atao mba handinihana sy hahazoana fahafinaretana amin’ireo vatosoa?”

  • Inona no nanaitra anao tamin’io horonan-tsary io?

  • Mety haneho inona ny fasika? Mety haneho inona ireo vatosoa?

  • Inona no nataon’ilay zazavavy mba hianarana misimisy kokoa sy hahazoana fahafinaretana amin’ireo vatosoa hitany?

Hevero ny hanazava ity manaraka ity amin’ny alalan’ny teninao manokana:

Ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia mety ho tahaka ireo vatosoa ao amin’ilay fanoharana. Iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay tsy miova, ny fotopampianarana. Torolalana mifototra amin’ny fotopampianarana izay azon’ny tsirairay raisina mba hanampiana azy ireo handray fanapahan-kevitra ny fitsipiky ny filazantsara . Manampy antsika hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahatakatra ny fomba hiverenana eo anatrehan’ Izy Ireo ny fotopampianarana sy fitsipika manan-danja indrindra ianarantsika avy amin’ny soratra masina.

Hahita fanasana ho an’ny mpianatra mba hamantatra “fahamarinana” ao amin’ity boky torolalana ity ianao indraindray. Fomba tsotra kokoa hilazana fitsipika na fehezan-teny milaza fotopampianarana izany. Asao ny mpianatra hanombantombana ny fahafahan’izy ireo mamantatra mora foana ireo fahamarinana (fitsipika na fehezan-teny milaza fotopampianarana) avy ao amin’ny soratra masina.

  • Iza amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto no maneho indrindra hoe hatraiza ny fahatokian-tenanao amin’ny fahaizanao mitady ireo fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina?

    • Tsy matoky tena mihitsy

    • Matoky tena kely ihany

    • Tena matoky tena

Henoy tsara ny valin-teny izay aroson’ireo mpianatra. Anontanio ny antony mahatonga azy ireo mahatsapa ny zavatra tsapany. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo, mandritra ny lesona, mba hatoky tena kokoa rehefa miezaka mitady ireo fahamarinan’ny filazantsara izy ireo.

Mamaritra

sary famantarana ny taratasy zaraina Omeo tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra tsirairay. Iaraho vakina amin’ny iray kilasy ity. Manomeza fanazavana fanampiny izay heverinao fa ilaina mba hamaritana io fahaiza-manao io.

Mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika

Voalaza mazava ao amin’ny soratra masina ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara sasany. Mety ho voafono ao amin’ny fizotry ny tantara kosa ireo fotopampianarana sy fitsipika hafa, ary tsy hita raha tsy mandalina ny bokin’ny soratra masina iray manontolo, ny toko iray na ny andininy iray. Afaka mampihatra ireto dingana manan-danja manaraka ireto ianao isaky ny mandalina ny soratra masina mba hanampiana anao hamantatra ireo fahamarinan’ny filazantsara:

  1. Mamaky moramora sy amim-pitandremana.

  2. Mitady ireo fahamarinana voalaza mazava. Miseho indraindray ireo rehefa mampiasa teny toy ny hoe “toy izany no ahitantsika,” na “noho izany,” “koa,” na “indro” ny mpanoratra.

  3. Tadiavo ireo fahamarinana voafono. Afaka mahita ireo fahamarinana ireo ianao amin’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao amin’ny tenanao:

    1. Misy hevitra na teny na andian-teny manan-danja ve—indrindra fa izay manampy anao hahafantatra kokoa ny Ray any An-danitra sy ny drafiny na i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

    2. Inona avy no mety ifandraisan’ny antony sy ny vokany ato amin’ity tantara ity?

    3. Inona no soatoavina, na lesona avy amin’ny tantara?

    4. Nahoana no nampidirin’ny mpanoratra ao ireo zava-nitranga na andinin-tsoratra ireo araka ny eritreritrao?

  4. Soraty amin’ny teninao manokana ny zavatra hitanao ary asio marika ireo teny ao amin’ny soratra masina izay mampianatra izany.

  5. Saintsaino hoe nahoana no zava-dehibe aminao ilay fahamarinana. Nampianatra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

    Loholona Jeffrey R. Holland

    [Saintsaino], … [diniho] ny teny tsirairay sy ny zavatra sarobidy ara-tsoratra masina tsirairay. … [Tarafo] amin’ny hazavana [izany] sy [hahodinkodino], [diniho] sy [jereo] hoe inona no hita taratra tsara ao ary inona no hita taratra mivilana. … Ny fanaovana fanadihadihana toy izany dia mety ahafahana mahita zava-tsoa miafina ao amin’ny saha iray: voahangy lafo vidy iray; voahangy sarobidy iray. (“Students Need Teachers to Guide Them” [address to Church Educational System religious educators, June 20, 1992], 4)

Lamina hakan-tahaka

Manaova ohatra maneho ny fomba ahafahan’ny iray kilasy manao izany amin’ny alalan’ny fanarahana ireo dingana ao amin’ilay taratasy zaraina. Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana fahafahana hanandrana izany samirery izy ireo aoriana kely. Manaova sarina vatosoa eo amin’ny solaitrabe. Soraty eo anilan’izany ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra. Ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra dia fomba tsara hanamafisana ny fatokian-tenany amin’ny fandraisana anjara ao an-dakilasy.

vatosoa
  1. Vakio miadana sy amim-pitandremana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 .

  2. Tadiavo ireo fahamarinana voalaza mazava.

    Mety hahita fotopampianarana toy ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitraireo mpianatra.

  3. Mitadiava fahamarinana voafono amin’ny alalan’ny fametrahana ny sasany amin’ireo fanontaniana ao amin’ilay lisitra anatin’ilay taratasy zaraina.

Ho valin’ilay fanontaniana voalohany ao anatin’ilay taratasy zaraina dia mety hahita ity fahamarinana ity ireo mpianatra: Afaka mibebaka sy manatona an’i Kristy isika satria nijaly noho ireo fahotantsika sy ireo fanaintainantsika Izy ary maty ho antsika nony farany.

Raha mahatsikaritra ny antony sy ny vokany ao amin’ny andininy 10 sy 11ireo mpianatra dia mety ho afaka ny hahita izao fahamarinana izao: Nijaly an-tsitrapo i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mibebaka sy manatona Azy, satria tena sarobidy eo imason’ Andriamanitra ny fanahintsika.

’Mety hahita izao fahamarinana izao ireo mpianatra raha toa ka ilay fanontaniana farany no nodinihan’izy ireo: Tian’i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika ny hahalalantsika fa manan-danja Aminy isika.

Soraty eo amin’ny taratasy iray ny fahamarinana hitanao, na eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, na ho toy ny zavatra nalaina an-tsoratra ao amin’ny appli Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao koa ny manisy marika ireo teny izay mampianatra izany ao amin’ny soratra masina.

Makà fotoana hisaintsainana hoe nahoana no manan-danja na mihatra aminao ny fahamarinana hitanao. Makà fotoana hisaintsaina ny fahamarinana hitanao. Mety hanampy ireto fanontaniana telo manaraka ireto:

  1. Nahoana no azo heverina ho vatosoa io fahamarinana io?

  2. Inona no ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  3. Ahoana no anampian’izany anao androany?

Manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo. Mety hamporisika azy ireo hieritreritra lalindalina kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina izany, rehefa mandre ny zavatra eritreretin’ireo mpiara-mianatra aminy sy saintsaininy izy ireo.

Fanazaran-tena

Asao ny mpianatra mba hanao samirery ity sahanasa manaraka ity. Azon’ireo mpianatra atao ny mamita ilay sahanasa ao amin’ny diary fandalinany, na ao anaty taratasy kely misaraka raha tianao ny hizaran’izy ireo amin’ny mpianatra hafa ny zavatra hitany ao amin’ilay sahanasa etsy ambany. Afaka mampiasa ilay taratasy nozaraina izy ireo mba hanampiana azy ireo.

Ho fanazaran-tena dia ataovy izao sahanasa manaraka izao:

  1. Manaova sarina vatosoa anankiroa.

  2. Mitanisà “vatosoa” ara-pahamarinana iray hitanao ho an’ny tsirairay amin’izy ireo, rehefa mandalina farafahakeliny roa amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ianao na andalan-tsoratra masina hafa izay safidianao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 8:2–3; 18:15–16; 19:16–19; 21:4–6; 49:15–17; 58:42–43; 76:22–24; 131:1–4; 135:3.

  3. Soraty hoe nahoana no vatosoa ara-panahy ho anao ny fahamarinana tsirairay. Ampidiro ao anatin’izany ny zavatra ampianariny anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba ahafahan’izany manampy anao ankehitriny.

Afaka mifanakalo ny taratasiny amin’ny mpianatra hafa izy ireo ary mizara ny zavatra nianarany avy amin’izy samy izy, raha toa ka nataon’ny mpianatra tamin’ny taratasy misaraka ilay sahanasa. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manendry vatosoa ao amin’ny soratra masina izay tsapan’izy ireo fa manan-danja manokana ho an’ny tanora ankehitriny ary manao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe.

Raha araka ny zavatra niainanao androany, nahoana ianao no mety ho te hahita sy hisaintsaina fahamarinana mandritra ny fandalinanao?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fomba tianao hahitana fahamarinana rehefa mandalina ny filazantsara ianao. Mamantatra sy misaintsaina fahamarinana iray farafahakeliny isan’andro avy amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina no fomba iray azonao anaovana izany. Azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana hitanao ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina.

Hevero ny hanasa mpianatra iray isan’andro mandritra ireo lesona maromaro manaraka mba hizara vatosoa iray ao amin’ny soratra masina hitany nandritra ny fandalinany. Afaka manao izany amin’ny alalan’ny fizarana ny vatsim-panahy ny mpianatra. Mitadiava fahafahana hafa mandritra ireo lesona ho avy mba hahafahan’ireo mpianatra manohy mampihatra io fahaiza-manao manan-danja io.