Seminera
Tombano ny fianaranao, Tapany 2


“Tombano ny fianaranao, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Tombano ny fianaranao, Tapany 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; 84; 93; 110; 121–123

Ny fakana fotoana hamantarana ny fitomboana sy ny fivoarana ara-panahy dia afaka manamafy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mandrisika antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanombantombana ny fivoaranao ara-panahy avy amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; 84; 93; 110; 121–123. Mitadiava fotoana ahafahana mizara ny sasany amin’ireo valinteninao amin’ny mpianatra hafa na amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana: Alohan’ny hanaovana ity fanombantombanana ity dia ataovy izay hamitana ireo vakiteny takina raha toa ka tsy mbola nanao izany ianao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; 84; 93; 110; 121–123.

Mankasitraka ny fivoarana sy ny fandrosoana

zatovo mandeha an-tongotra
zatovo mitaingina bisikileta
zatovo mihazakazaka

Alaivo sary an-tsaina ny hazakazaka na fihanihana tendrombohitra na fitaingenana bisikileta lavitra be na tena sarotra iray.

  • Inona no azonao atao mba hankafizana ilay dia?

  • Ahoana no ahafahantsika mampitaha izany karazana dia izany amin’ny dingana arahina mba hahatongavana bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mankafy sy mankasitraka bebe kokoa ny dingan’ny fivoarana ara-panahy?

  • Ahoana no fahatsapanao ny fivoaranao sy ny fanakaikezanao kokoa ny Tompo?

  • Ahoana ny fomba anampian’ny Tompo anao?

Manazava ny ambaratongam-boninahitra telo

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana akaiky antsoina hoe Olivia ianao, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana saingy mino mafy an’i Jesoa Kristy. Indray andro dia nanatona anao izy ary nanontany hoe: “Inona no inoan’ny mpikamban’ny Fiangonanao momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana? Nampianarina aho fa na ho any an-danitra na ho any amin’ny helo ny olona rehetra, saingy reko fa ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny fisian’ny lanitra maro. Inona izany rehetra izany?”

Mandania minitra vitsivitsy hanoratana valinteny ho an’i Olivia izay manazava ny fahatakaranao sy ny fahalalanao momba ireo ambaratongam-boninahitra telo. Raha tianao dia azonao atao ny mampiditra sary hanampiana an’i Olivia haka sary an-tsaina ny zavatra hazavainao. Mitadiava olona iray ary manaova fanazaran-tena manazava ny valinteninao amin’izy ireo toy ireny hoe Olivia ireny izy ireo.

Hazavao ireo anjara asa, anarana fiantsoana ary ireo toetoetra mampiavaka an’i Jesoa Kristy

Ny iray amin’ireo fanasan’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny “ [mianatra Aminy] sy [mihaino] ny teni[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23). Miomàna hizara amin’olon-kafa ny zavatra nianaranao momba ireo anjara asan’ny Mpamonjy, na ireo anaram-boninahiny, na ireo toetoetrany amin’ny alalan’ny fanaovana ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

  • Manambàra lisitra iray ahitana ireo anjara asa, na anaram-boninahitra, na toetoetran’i Jesoa Kristy izay nohalalininao vao haingana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–7, 22–24; 93:1–10. Avy eo dia mifidiana iray na maromaro amin’izy ireo ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto: (1) Inona no ampianarin’io anarana, na anaram-boninahitra na toetoetra io anao momba an’i Jesoa Kristy? (2) Manampy anao hahatakatra inona momba ny fomba ahafahany manampy anao io anarana na anaram-boninahitra na toetoetra io?

  • Mamoròna fanehoana an-tsary ny iray amin’ireo anjara asan’i Jesoa Kristy na anaram-boninahiny na toetoetrany tianao indrindra. Mety ho rahona misy ny zavatra lazaina na sary izany. Ampidiro ao anatin’ny zavatra noforoninao ireo andinin-tsoratra masina azo ampiharina.

  • Manorata tononkalo na tononkira izay ahitana ireo anjara asan’i Jesoa Kristy na anaram-boninahiny na toetoetrany sasany izay tianao indrindra.

  • Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana hampianatra olona iray ianao momba ny hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no azony atao ho antsika. Manorata fanoritsoritana anaty andiam-pehezan-teny iray farafahakeliny, izay ahitana telo amin’ireo anjara asan’i Kristy na anaram-boninahiny na toetoetrany.

Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao, na amin’ny namana iray, na amin’ny olona iray ao amin’ny kilasinao ny zavatra nanapahanao hevitra fa ho ataonao.

Miomàna hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:5–10, dia mety ho tsikaritrao ny fomba ahafahan’ny fahamendrehana manampy antsika hahatsapa ho akaikin’ny Tompo ao amin’ny tempoliny.

Mikatsaha fanambarana ho an’ny tena manokana mba hitarihana anao rehefa mamaly ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao ianao:

  • Inona no fahafoizan-tena nataonao na ivononanao mba hatao mba hametrahanao ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly?

  • Inona avy ireo fitahiana azonao rehefa nisaintsaina ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao?

  • Inona no nataonao ka nahafahanao niezaka ho mendrika ny hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly?

Eritrereto ny fomba nitahiana anao noho ny ezaka nataonao. Inona no mbola hotohizanao na zavatra hatombokao mba hiomanana bebe kokoa amin’ny fitsaohana ao amin’ny tempoliny?

Mahatsapa fahatokiana bebe kokoa an’ Andriamanitra mandritra ny fitsapana

Afaka mianatra fahamarinana manan-danja momba ny fitsapana isika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–122.

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fitsapana avy tamin’ireo fizarana ireo?

  • Moa ve ireo fahamarinana ireo nanampy anao hahatsapa zavatra hafa mikasika ny fitsapana atrehanao? Ahoana izany?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa niaina fotoan-tsarotra ianao?

Soraty ao amin’ny diarinao ny fahatsapanao mikasika ny fomba nanohanan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao tao anatin’ny fitsapana nolalovanao. Eritrerito hoe nisy fiantraikany teo amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny zavatra nianaranao sy niainanao.