Seminera
Hevitra isan-karazany mba hampianarana


“Hevitra isan-karazany mba hampianarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Hevitra isan-karazany mba hampianarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Hevitra isan-karazany mba hampianarana

Hevitra isan-karazany mba hampianarana

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana fomba isan-karazany hanampiana ireo mpianatra handray anjara mavitrika amin’ireo lesona. Na dia ireo teknika fampianarana mandresy lahatra aza mety ho lasa tsy mahomby na mankaleo raha ampiasaina foana. Na dia tsy tokony hisafidy fomba fiasa mba hisian’ny karazany fotsiny aza ianao dia eritrereto ny fomba hanovaovana ireo fomba ampianaranao mandritra ny lesona tsirairay. Ny fampiasana fomba fampianarana isan-karazany dia afaka manampy amin’ny fisarihana mpianatra bebe kokoa. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy tokony hodinihina rehefa misafidy sahanasa mba hampidirina ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana:

  • Moa ve manamora traikefa mifototra amin’i Kristy sy mifototra amin’ny soratra masina ary mifantoka amin’ny mpianatra ilay sahanasa? Jereo ny Fiofanana momba ny manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba izany.

  • Manasa ny Fanahy Masina hampianatra sy hijoro ho vavolombelona ve ilay sahanasa? Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ilay sahanasa eo amin’ny tontolo feno fanajana izay ilain’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana ny anjara asany.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ilay fomba fiasa ny teny masin’ Andriamanitra? Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany dia ilaina aroso amin’ny fomba mendrika sy masina.

  • Moa ve ny mpianatra rehetra horaisina amim-pahamendrehana? Mikatsaha mandrakariva fahatsapana firaisan-kina sy fitiavana. Ialao ireo sahanasa izay mety hamela ny mpianatra iray hahatsapa ho tsy mahazo aina, kivy na atokana.

  • Moa ve mendrika handaniana fotoana ao am-pianarana ilay sahanasa? Fotoana sarobidy ny fotoana hiangonanao miaraka amin’ireo mpianatra ao amin’ny seminera. Mety hahomby ny asa atao na dia tsy maka fotoana be loatra aza.

  • Hafiriana ny fotoana ary manao ahoana ny habetsaky ny loharanom-pitaovana takin’ilay sahanasa mba hiomanana? Zava-dehibe ny mitantana tsara ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana sarobidy anananao.

Matetika ireo hevitra ireo no azo ampiasaina any amin’ny toerana maro mandritra ny lesona iray. Amin’ny tranga maro dia hanampy azy ireo hahomby kokoa ny fanomezana maodely ho an’ireo mpianatra momba ny zavatra asaina ataon’izy ireo. Makà antoka fa takatrao tsara ilay sahanasa ary afaka manome torolalana mazava sy maodely iray ianao, raha toa ka manampy izany, alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ilay sahanasa. Ireo sahanasa ireo dia alamina ao amin’ireto fizarana manaraka ireto:

  1. Halalino ny soratra masina mba hahatakarana ny fizotran’ny tantara sy hamantarana ireo fitsipiky ny filazantsara na fotopampianaran’ny filazantsara

  2. Ampitomboy ny fahatakarana amin’ny teny nindramina sy soratra masina

  3. Zarao ny zavatra ianarany

  4. Mamoròna fampisehoana ny zavatra nianarany

Mba hanomezana fanamarihana na hanolorana hevitra fanampiny dia mandefasa email amin’ny CES-Manuals@ChurchofJesusChrist.org azafady. Ampidiro ao amin’ny antony ny hoe “Hevitra isan-karazany mba hampianarana.”

1. Halalino ny soratra masina mba hahatakarana ny fizotran’ny tantara sy hamantarana ireo fitsipiky ny filazantsara na fotopampianaran’ny filazantsara

Matetika ny lesona dia ahitana sahanasa izay handalinan’ny mpianatra andinin-tsoratra masina maromaro mba hahatakarana tsara ny sahan-kevitra manan-danja sy ny fizotran’ny tantara ao amin’ny ampahany iray mba hahafahany mamantatra fitsipika na fotopampianarana. Fomba vitsivitsy mety hanampiana ny mpianatra hanao izany ireto sahanasa manaraka ireto.

Fanazavana ara-jazavakanto

Mampiasà zavakanto momba ny filazantsara mba hifanakalozana hevitra momba ny tantara iray. Mampisehoa sary iray avy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile an’ny Fiangonana ary asao ny mpianatra handalina ireo andininy aseho eo amin’ilay sary. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no mety hovanao?

  • Inona no dikan’ny hoe fanazavana ara-javakanto (tsy hita ao amin’ny lahatsoratra)?

  • Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no aseho?

Fanovaovana: Raha tokony hampiseho sary iray manontolo any am-piandohan’ny fotoam-pianarana mba hanombohana fifanakalozan-kevitra, dia tapatapaho ho lasa sombiny kely be dia be ilay sary. Mampisehoa sombiny iray isaky ny mandeha ary asaivo vinavinain’ny mpianatra ny zavatra miseho eo amin’ilay sary manontolo. Asaivo fariparitan’izy ireo ny zavatra hitany ary asaivo vinavinainy ny zavatra tsy hitany.

Fanovaovana: Misafidiana sarin’ny Mpamonjy vitsivitsy ary apetraho eny amin’ny solaitrabe izany. Asao ny mpianatra hijery miadana ny loko sy ny fifantohana ary ny endriky ny sary ary hamantatra ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’izy ireo momba ny hoe iza i Jesoa Kristy. Rehefa avy mamantatra fitsipika iray dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe:

  • Iza amin’ireo sarin’i Kristy no tsapanao fa maneho ilay fitsipika hitanao ary nahoana?

  • Iza amin’ireo sarin’i Jesoa ireo no manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe io fahamarinana io?

  • Inona no tianao ho fantatry ny namana iray momba an’i Jesoa Kristy rehefa mieritreritra momba io fahamarinana io?

Mampiditra fifampiresahana ao anaty sary

Mampiditra fifampiresahana ao anaty sary

Adikao ireo sary avy ao amin’ny Histoires tirées des Écritures ary apetaho ao anaty taratasy zaraina ho an’ny mpianatra izany. Mampidira faribolana izay azo ampidirana teny lazaina izay ahafahan’ny mpianatra manoratra ny zavatra lazain’ireo olona voalaza ao anaty tantara na ny zavatra eritreretin’izy ireo.

Famintinana ny zava-nitranga ao amin’ny tantara na tatitra momba ny boky

Famintinana ny zava-nitranga ao amin’ny tantara na tatitra momba ny boky

Omeo fizarana iray ao amin’ny soratra masina izay hohalalinin’izy ireo ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia omeo azy ireo ny zavatra takina amin’ilay famintinana ny zava-nitranga ao amin’ny tantara na tatitra momba ny boky (eo amin’ny taratasy iray na eny amin’ny solaitrabe). Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo olona fototra resahina, ny fizotran’ny tantara, ny lesona iray na roa izay nianarana (ka tanisaina ireo andininy niaviany), ary ny zavatra azo ampiharina ho an’ny zatovo iray. Omeo fotoana ny mpianatra hizarana amin’ny mpianatra iray hafa ny zavatra nomaniny.

Fanovaovana: Afaka maka ampahany iray amin’ilay tantara na boky ny mpianatra tsirairay ao anatin’ny vondrona kely iray: ireo olona fototra resahina, na ny fizotran’ny tantara, na ny lesona nianarana, na ny zavatra azo ampiharina.

Mamantatra fanontaniana

Rehefa avy mamaky andian-tsoratra masina iray ny mpianatra dia asao izy ireo hitanisa ireo fanontaniana izay mety ho voavalin’ireo andininy. Omeo fanamby ireo mpianatra mba hanoratra fanontaniana manan-danja sady miantefa amin’ny zatovo iray fa tsy fanontaniana fikarohana tsotra. Ohatra, raha tokony hanontany hoe “Inona no lazain’i Almà fa atao hoe finoana? Inona no lazainy fa tsy finoana?” dia azon’ny mpianatra atao ny manontany hoe “Inona no tokony hataoko mba hahafantarako manokana fa marina ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy?” Raha misy amboaran-tsoratra masina mihoatra ny iray mba hohalalinin’ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny manao lisitry ny fanontanian’izy ireo ary mizara amin’ny mpianatra iray izay nandalina amboaran-tsoratra masina hafa. Azon’ny mpianatra atao ny mitady sy mieritreritra ny valin’ny fanontanian’ny mpiara-mianatra aminy.

Manaova tafa sy dinidinika amin’ilay mpanoratra

Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe izy ireo no nanoratra tantara iray ao amin’ny soratra masina ary misy olona manao tafa sy dinika amin’izy ireo momba ny zavatra nosoratany. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny tantara ao amin’ny soratra masina ary mifandimby manao ny anjara asan’ilay mpanao tafa sy dinika sy ny mpanoratra. Ny fanontaniana sasantsasany azon’ilay mpanao tafa sy dinika apetraka dia hoe:

  • Inona avy ireo lafin-javatra sasantsasany ao amin’ireo andininy ireo izay tianao ho hitan’ireo mpamaky mihitsy?

  • Inona no holazainao fa hevitra fototra tianao hampitaina, na iray amin’ireo hevitra fototra tianao hampitaina?

  • Ahoana no fomba antenainao fa hampiharan’ireo mpamaky izany eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany avy tamin’ilay zavatra niainana. Ampiasao ny fanamarihana ataon’izy ireo mba hilazana ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina.

Fampifandraisana

Manomeza andinin-tsoratra masina maromaro ao amin’ny tsanganana iray ary fahamarinana mifandray amin’izany saingy mifangaro amin’ny tsanganana iray hafa. Afaka mandalina sy mampifandray an’izany ny mpianatra.

Fahamarinana manan-danja indrindra

Fahamarinana manan-danja indrindra

Rehefa mandalina toko iray ao amin’ny soratra masina ahitana fahamarinana maro izay mety ho hitany ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo hanomboka amin’ny alalan’ny fandalinana samirery. Ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka manapa-kevitra ny amin’izay inoany fa ireo fahamarinana na hevitra telo na efatra ireo no manan-danja indrindra ao amin’ilay ampahan-tsoratra masina ary manoratra izany. Avy eo dia azo alamina ho vondrona misy olona roa ny mpianatra ary mampitaha ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Ny vondron’olon-droa tsirairay dia mamaritra ny zavatra tsapany fa fahamarinana roa manan-danja indrindra ary mirakitra izany an-tsoratra. Fanamarihana: Mety tsy hitovy amin’ilay efatra tamin’izy ireo tany am-boalohany ireo hevitra ireo. Avy eo ny vondron’olon-droa tsirairay dia miara-mivondrona amin’ny vondrona iray hafa ka lasa vondrona misy olona efatra. Miaraka ireo mpianatra efatra mizara sy mampitaha ny heviny, ary miasa amin’ny maha-ekipa iray azy mba hamantarana ilay fahamarinana manan-danja indrindra ao amin’ilay lahatsoratra.

Sary maneho zava-nitranga ara-banim-potoana

Sary maneho zava-nitranga ara-banim-potoana

Mampisehoa sary maromaro izay maneho tantara iray ao amin’ny soratra masina izay hohalalinin’ny mpianatra. Asehoy ireo andininy hovakin’ny mpianatra. Asao ny ankizy handahatra ireo sary araka ny filaharany marina.

Fanehoana ny kisarin’ireo fizarana ao amin’ny tantara

Fanehoana ny kisarin’ireo fizarana ao amin’ny tantara

Ampio ny mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana na fitsipika ampianarina ao amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina miaraka amin’ilay kisarin’ireo fizarana ao amin’ny tantara. Farito ireo singa samihafa mandrafitra ilay fizarana ka anisan’izany ity manaraka ity:

  1. Ny toe-javatra misy voalohany (anisan’izany ny hoe iza, inona, taiza, oviana).

  2. Fifandirana mihombo na toe-draharaha mihamivoatra. Fantaro ireo fiovana izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ilay tantara.

  3. Fotoana mampientanentana indrindra. Izany no zava-dehibe indrindra avy amin’ilay tantara. Matetika dia misy fiovana lehibe, toy ny hoe olona iray mandresy sakana na lasa nahita zava-baovao.

  4. Firavonan’ny tantara. Ny vokatra aterak’ilay fotoana mampientanentana rehefa mihena ireo tranga miseho.

  5. Fiafaran’ny tantara. Izany dia mamaritra ny fahatakarana vaovao ananan’ny olona noho ny zavatra niainan’izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ho an’ny singa tsirairay mandrafitra ny fizarana. Asao ny mpianatra hamaky ireo andininy ho an’ny ho an’ny singa tsirairay mandrafitra ny fizarana na hanao sary ny zavatra vakin’izy ireo na hanoratra ny lisitr’ireo zava-nitranga manan-danja. Rehefa vitan’ny mpianatra ny dingana farany dia asao izy ireo hijery ilay tantara iray manontolo ary hanoratra fehezan-teny iray momba ny fahamarinana izay nianaran’izy ireo.

Piozila

Piozila

Manaova piozila tsotra avy amin’ny sary iray izay maneho ilay amboaran-tsoratra masina. Soraty ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay ireo andinin-tsoratra masina. Azo alamina ho vondrona maromaro ny mpianatra ary samy omena singan’ilay piozila ny tsirairay avy amin’izy ireo. Mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra ary miomana hamintina ireo andininy ireo. Rehefa mizara ny famintinany amin’ny iray kilasy ny vondrona dia azon’izy ireo apetaka eny amin’ny solaitrabe ireo tapa-taratasy mba hamoahana ilay sary feno.

Vakiteny lalaovina an-tsehatra

Ho an’ny tantara iray izay ahitana fifampiresahana be dia be ataon’olona, dia alamino ho lasa lahatsoratra vakina ilay andinin-tsoratra masina mba hahafahan’ny olona tsirairay mahita haingana ny anjarany. Mampiasà mpitantara mba hamaky ireo andininy izay tsy miendrika fifampiresahana ataon’olona. Azonao atao ny mandika ireo andinin-tsoratra masina ary manisy marika ny ampahany tsirairay amin’ny fampiasana loko samihafa. Fanamarihana: Tadidio fa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia tokony haseho mandrakariva amin’ny fomba feno fanajana lehibe. Raha misy mpikambana iray ao amin ’Ny Andriamanitra, anisan’izany i Jesoa Kristy, aseho ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izay tianao hanaovana ity sahanasa ity, dia asaivo mamaky ny teniny ilay mpitantara manao ny anjaran’ny mpitantara.

Mamaky soratra masina

Misy fomba maro isan-karazany hamakiana ny soratra masina ao am-pianarana. Samy azo ampiasaina amin’ny tanjona samihafa ny tsirairay avy amin’izy ireo. Eritrereto ny zavatra ilain’ny kilasinao rehefa misafidy fomba famakiana.

  • Vakiteny mangina: Afaka mamaky mangina samirery ny mpianatra. Izany dia manome azy ireo fotoana hisaintsainana ny soratra masina sy fahafahana hamaky amin’ny hafainganam-pandehan’izy ireo manokana.

  • Vakiteny ataon’olona tsiroaroa na ao anaty vondrona: Izany dia mamela mpianatra maro kokoa handray anjara sy tsy ho sahiran-tsaina loatra amin’ny famakiana mafy.

  • Mpampianatra na raki-peo: Afaka mamaky ny lahatsoratra ny mpampianatra na mandefa ilay raki-peon’izany ary manasa ny mpianatra hanaraka ny vakiteny.

  • Vakiteny mafy: Azo asaina miaraka mamaky andinin-tsoratra masina ny iray kilasy. Afaka mamaky mafy amin’ny iray kilasy ny mpianatra manolo-tena maro, na azo asaina mialoha izy ireo ary omena fotoana hiomanana hamaky. Omeo toky ireo mpianatra fa azo “dinganina fotsiny” izy ireo raha tsy mahazo aina mamaky.

Mandalina ny soratra masina

Manomàna fanontaniana maromaro momba ireo andian’andininy ao amin’ny soratra masina eo amin’ny taratasy kely maro misaratsaraka. Miantsoa mpianatra ho eny aloha ary omeo fanontaniana iray izy ireo. Asao izy ireo hiverina eny amin’ny latabatr’izy ireo mba hitady ny valiny. Raha vantany vao hitan’izy ireo ilay valiny dia mankeny anoloan’ny efitrano indray izy ireo ary mandray ny fanontaniana manaraka mba hovalina. Azo atao ao anatina vondrona kely maromaro ihany koa izany.

Fanehoana ny sarintsarin’ny toe-javatra iray

Amboary ilay efitrano fianarana amin’ny fomba izay maneho ny sarintsarin’ny toe-javatra ao amin’ilay tantara hovakina ao amin’ny soratra masina amin’io andro io. Ohatra, raha mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121, dia azo atao ny mandahatra seza mba hamoronana faritra iray mitovy haben’ny fonjan’i Liberty. Io fomba io dia manampy ny mpianatra hanana hevitra jeren’ny maso ny momba ny zavatra hianaran’izy ireo. Ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 dia azo alamina ho andiana mpisava lalana ny mpianatra ary afaka misafidy kapiteny iray ho mpitondrateny.

Famantarana ny fijanonana

Omeo ireo mpianatra ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina. Vakio miadana amin’izy ireo ny andininy vitsivitsy ary angataho izy ireo mba hanangana ny tanany na hiteny hoe “Ajanony” rehefa mahafantatra zavatra ao amin’ny andininy iray izay manampy amin’ny fampianarana izany fahamarinana izany izy ireo. Asao avy eo ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Famintinana avy amin’ny mpianatra

Alohan’ny fotoam-pianarana dia omeo sahan-kevitra na votoatin-kevitra momba ny soratra masina tianao hofintinin’izy ireo ho an’ny iray kilasy ny mpianatra iray na maromaro. Azo atao printy izany ary zaraina ny andro mialoha, na omena ny mpianatra rehefa miditra ao an-dakilasy izy ireo. Asao izy ireo hiomana hizara ilay famintinana rehefa antsoina amin’ny fotoana maha-mety izany ao an-dakilasy.

Manome ny dikantenin’ny andinin-tsoratra masina iray

Rehefa avy mamaky amboaran-tsoratra masina iray ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hisafidy andininy iray mba hadika teny na hanoratra ny andalana tsirairay amin’ny tenin’izy ireo manokana. Ampio izy ireo hampihatra ny fitadiavana famaritana na ny fampiasana soratra masina hafa sy fitaovana fandalinana soratra masina mba hahatakarana ireo teny sy andian-teny sarotra.

Marina sa diso

Manorata fanambarana marina na diso samihafa mikasika ireo antsipirian-javatra manan-danja ao anatin’ny amboaran-tsoratra masina iray. Asao ny mpianatra mba haneho raha toa izy ireo amin’ny voalohany ka manaiky na tsy manaiky ireo fehezan-teny. Asao izy ireo hitady porofo hanekena na hanoherana ireo fehezan-teny rehefa mandalina ilay amboaran-tsoratra masina. Avy eo dia averin’ny mpianatra soratana araka ny tokony ho izy ireo fehezan-teny tsy marina rehefa mamaky ilay andinin-tsoratra masina izy ireo.

Mampiasà sary

Asao ny mpianatra hisafidy sary iray izay manan-danja amin’izy ireo. Mety ho ao anatin’ny telefaoniny izany, na afaka mitondra iray avy any an-trano izy. Asao izy ireo hiomana hizara izao manaraka izao:

  • Ny zavatra fototra niseho, izay mamaritra ny zavatra nitranga nahatonga an’ilay sary.

  • Ny tian’ilay sary hampitaina na ny tanjon’ilay sary.

  • Antsipirian-javatra vitsivitsy izay manan-danja amin’izy ireo.

Rehefa avy mizara ny mpianatra dia afaka mamaky ny amboaran-tsoratra masina ho an’ny lesona izy ireo avy eo ary manomana ireo zavatra telo ireo ihany izay mifandray amin’ilay amboaran-tsoratra masina.

Fakana sary an-tsaina

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina tantara iray na ampahany amin’ny lahatsoratra nohalalinina. Afaka manakimpy ny masony ny mpianatra ary mifantoka amin’ny fakana sary an-tsaina ireo sary faritan’ny mpampianatra. Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe izy ireo no mpiandry ondry izay nanaraka ny fanasan’ilay anjely mba hitady ilay Kristy zazakely nandry tao amin’ny fihinanam-bilona. Avy eo dia azonao atao ny miteny zavatra toy ny hoe “Miditra ao an-tranon’omby ianao izay ahitana an’i Maria mitrotro an’i Kristy zazakely. Iza no hitanao ao? Inona avy ireo biby azonao eritreretina? Araka ny fakanao sary an-tsaina azy, Inona no fihetsika asehon’i Maria rehefa mahita ny fahatongavanao?” Tohizo ny fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ilay toe-javatra.

Rahona misy teny

Rahona misy teny

Asao ireo mpianatra hamantatra ireo teny sy andian-teny izay tsapany fa manan-danja ao anatin’ny andinin-tsoratra masina iray. Mamoròna rahona misy teny izay ahitana ireo teny sy andian-teny mahazatra na manan-danja indrindra hitan’izy ireo. Ny haben’ireo teny dia mety haneho ny halehiben’ny lanjan’izy ireo.

2. Ampitomboy ny fahatakarana amin’ny alalan’ny teny nindramina sy soratra masina

Matetika ny lesona dia ahitana andinin-tsoratra masina maromaro avy ao amin’ny soratra masina nankatoavina mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ilay fitsipika na fotopampianarana izay halalinin’izy ireo. Hisy ihany koa lesona izay ahitana teny nindramina maro avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ireto sahanasa manaraka ireto dia fomba vitsivitsy azonao anampiana ny mpianatra handalina soratra masina na teny nindramina isan-karazany ary hanome azy ireo fahafahana hahita ny fahamarinana ho an’ny tenany manokana.

Mamorona toby fandalinana

Mamorona toby fandalinana

Manorena toby fandalinana manerana ny efitrano fianarana. Ny toby tsirairay dia mety hahitana torolalana apetraka eo amin’ny rindrina na eo amin’ny latabatra. Ireo torolalana ireo dia mety hahitana soratra masina na teny nindramina hovakina, ary fanontaniana na asa atao hafa mba hovitaina. Azon’ny mpianatra atao ny mifamadibadika ao anatina vondrona kely maromaro, mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany isaky ny toby. Afaka manao izany samirery ihany koa izy ireo ary mikisaka amin’ny hafainganam-pandehany manokana. Afaka manisy taratasy lehibe ianao isaky ny toby tsirairay ho an’ny vondrona na mpianatra tsirairay mba hiraketana ny valintenin’izy ireo. Afaka mamaky sy misaintsaina ny zavatra nosoratan’ny hafa izy ireo.

Mamoròna fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ho anao manokana

Asao ny mpianatra hampiditra fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy amin’ny soratra masina izay halalinin’izy ireo. Izany dia azo ampidirina amin’ny alalan’ny famoronana rohy eo amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalinina sy ireo soratra masina hafa sy ireo teny nambara hafa avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina mifandray eo amin’ny sisiny na mampiasa ilay endri-javatra mampitohy izay mitondra any amina toerana iray hafa ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile . Azon’izy ireo atao ny mizara andinin-tsoratra masina fanampiny maro araka izay azo atao izay manome hevi-baovao bebe kokoa momba ilay lohahevitra. Fanovaovana: Afaka mampiasa mari-pamantarana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny mpianatra mba hampifandraisana ireo soratra masina sy teny nindramina isan-karazany avy ao amin’ny lesona iray.

Farito

Mahita teny na hevitra izay sarotra takarina ny mpianatra. Asaivo mitady loharanom-pitaovana izy ireo, ao anatin’izany ny soratra masina sy ny fitaovana fandalinana soratra masina (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Sujets et questions) mba hanampiana azy ireo hianatra bebe kokoa momba ilay teny. Asaivo faritan’izy ireo amin’ny teniny manokana ilay teny na andian-teny.

Fanamarihana amin’ny endrika soratsoratra tsotra

Fanamarihana amin’ny endrika soratsoratra tsotra

Rehefa mandalina ny mpianatra dia omeo taratasy misy faribolana hasiana eritreritra na fizarana izay ahafahany manoratra ny zavatra hitany.

Manam-pahaizana

Manam-pahaizana

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary ampiandraiketo lohahevitra iray mba hianarany. Omeo fotoana sy loharanom-pitaovana ireo vondrona handalinana ireo lohahevitra mba hahatonga ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay vondrona ho lasa manam-pahaizana mikasika ilay lohahevitry ny vondrona misy azy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asaivo mizara ho vondrona vaovao izy ireo mba hahafahan’ny vondrona tsirairay hanana “manam-pahaizana” mikasika ny lohahevitra iray hafa. Avy eo dia zarain’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny lohahevitra nomena azy ireo.

Fifandraisana ao amin’ny Ho zatovo mahery!

Misafidiana fizarana iray ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ary asao ny mpianatra hitady ireo fanambarana izay manamafy ny fahamarinana hitan’izy ireo avy amin’ny amboaran-tsoratra masina iray.

Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Manasà mpianatra hamerina hanoratra soratra masina iray ao amin’ny diary fandalinany ka andalan-tsoratra iray na fehezanteny iray isaky ny mandeha no hanaovany izany. Tokony hasiany faritra malalaka eo anelanelan’ny andalan-tsoratra na fehezan-teny tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina sy misaintsaina tsara ny teny tsirairay ao amin’io andalan-tsoratra na fehezan-teny io. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady andinin-tsoratra masina mifandray na fampahalalana hafa momba io andalan-tsoratra io ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Avy eo dia manaova toy izany koa amin’ny andalan-tsoratra manaraka ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Sary maneho ny ao an’eritreritra

Sary maneho ny ao an’eritreritra

Asao ny mpianatra hamorona sary iray maneho ny ao an’eritreritra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo tahaka ilay iray etsy ambony. Azon’izy ireo soratana eo afovoany ilay fitsipika na fotopampianarana hitan’izy ireo. Avy eo dia asaivo mitady soratra masina na teny nindramina fanampiny izay manampy amin’ny fahatakarany izy ireo. Afaka mampiditra ny heviny momba izany lohahevitra izany ao amin’ireo efajoro ivelany izy ireo. Asao ny mpianatra hampivelatra ny sary maneho ny ao an’eritreritr’izy ireo amin’ny alalan’ny fampidirana efajoro tsy tapaka ary hampifandray azy ireo amin’ireo zavatra ianarany.

Hevitra mifanindry

Hevitra mifanindry

Asao ny mpianatra hisafidy lohahevitra roa na maromaro avy ao amin’ny lesona izay mitovy amin’ny lafiny sasantsasany ary tsy mitovy amin’ny lafiny hafa. Mamoròna kisary mitovitovy amin’ilay sary etsy ambony izay toerana ahafahan’ny mpianatra manasokajy ny zavatra iraisan’ireo lohahevitra roa ireo sy ny zavatra tsy mampitovy azy ireo . Azo atao izany miaraka amin’ny olona roa ao anatin’ny tantara iray (ohatra, i Lamàna sy i Nefia) na lohahevitra roa (ohatra, ny paska sy ny fanasan’ny Tompo).

Mizara hevi-baovao

Omeo pejy voadika ao amin’ny amboaran-tsoratra masina iray ny mpianatra ary asaivo soratan’izy ireo eo ambony ny anarany. Omeo iray na roa minitra izy ireo hamakiana ilay ambaroan-tsoratra masina ary hanoratra hevi-baovao iray izay nianarany avy amin’ny fandalinany.

Tafiditra ao anatin’ireo ohatra amin’izany ny hoe: Azon’ny mpianatra atao ny manisy marika ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy, mizara teny nambaran’ny mpaminany, manipika ireo andian-teny manan-danja, manao ireto teny miavaka ao anatina faribolana, manoratra fitsipika ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hevi-baovao hafa eo amin’ny sisin’ny pejin’izy ireo.

Rehefa tapitra ny fotoana dia asaivo alefan’izy ireo any amin’ny mpianatra vaovao iray ny taratasin’izy ireo mba hanoratana hevi-baovao samihafa. Rehefa avy niampitapita tany amina mpianatra vitsivitsy izany, dia asaivo averin’izy ireo any amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ny taratasiny. Fanovaovana: Ho solon’ny amboaran-tsoratra masina iray, ny taratasy tsirairay dia manana fanontaniana mifono fampiharana hafa izay mifandray amin’ilay amboaran-tsoratra masina. Maro amin’ireo mpianatra no afaka mamaly ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina sy ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ilay lohahevitra.

Misafidiana teny nindramina iray an-kisendrasendra

Mametraha teny nindramina maromaro izay mampianatra fahamarinana iray avy ao amin’ny lesona ao anaty satroka na harona. Manasà mpianatra manolo-tena haka teny nindramina iray avy ao amin’ny satroka iray ary hizara ny fomba ifandraisan’izany amin’ny fahamarinana ianaran’izy ireo sy ny dikan’izany amin’izy ireo. Ataovy azo antoka fa omenao fotoana izy ireo hamakiana sy hiomanana hizara. Fanovaovana: Raha vantany vao avy nizara ny mpianatra dia ampifamadihiny ireo teny nindramina ary mitady mpiara-miasa vaovao izay hizarany ny teny nindramina vaovao azony izy ireo.

Fonon-teny ho an’ny soratra masina

Fonon-teny ho an’ny soratra masina

Misafidiana andinin-tsoratra masina miisa 16 ary soraty eo amin’ireo andalana miisa16 ao amin’ireo tsanganana ivelan’ny fonon-teny ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao ireo mpianatra izay nozaraina tsiroaroa na ao anaty vondrona kely mba hamaky ny soratra masina izay navondrona tsiroaroa ao amin’ny fonon-teny tsirairay ary hamaritra hoe inona no andinin-tsoratra masina manan-danja indrindra ho an’ny zatovo iray ankehitriny. Ny andinin-tsoratra masina nosafidin’izy ireo dia mankany amin’ny fonon-teny manaraka. Manohy mifanakalo hevitra momba ny tsirairay amin’ireo soratra masina navondrona tsiroaroa ny mpianatra mandra-pahitan’izy ireo ilay soratra masina iray izay tsapan’izy ireo fa manan-danja indrindra ary mifanakalo hevitra momba ny anton’izany. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ireo soratra masina ireo amin’ny iray kilasy.

Sahanasa fandalinana safidin’ny mpianatra

Ataovy lisitra ireo sahanasa fandalinana miisa enina. Rehefa nahita fahamarinana iray avy ao amin’ny amboaran-tsoratra masina iray ny mpianatra dia mampiasà fomba iray hisafidianan’ny mpianatra an-kisendrasendra izay sahanasa hotanterahina (mampiasa kodiakely, misintona karatra iray, maka taratasy iray, mampiasa mpamoaka isa an-kisendrasendra).

Tafiditra ao anatin’ireo ohatra amin’izany ny:

  1. Mizara tantara iray avy amin’ny fiainan’i Jesoa izay nampianarany na nanehoany ilay fahamarinana.

  2. Mitady andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andinin-tsoratra masina hafa momba ilay fahamarinana.

  3. Mitady ohatrana tantara iray ao amin’ny soratra masina momba ny olona iray izay niaina ilay fahamarinana.

  4. Mitady teny iray nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra ilay fahamarinana.

  5. Mizara zavatra niainan’ny olona iray manokana izay notahina tamin’ny alalan’ilay fahamarinana.

  6. Misafidy ohatra manokana avy aminao mikasika ny zavatra azontsika atao mba hiainana ilay fahamarinana. Mitady andinin-tsoratra masina izay mampianatra ilay ohatra izay zarainao.

Fandalinana miendrika bibilava

Fandalinana miendrika bibilava

Apetraho eo amin’ny latabatra na seza tsirairay ny karatra iray izay ahitana torolalana toy ny hoe “mamakia andinin-tsoratra masina iray na teny nindramina iray,” na “mamalia fanontaniana iray avy ao amin’ny lesona.” Azon’ny mpianatra atao ny mifamadibadika toerana ka manaraka ireo torolalana ao amin’izany karatra izany.

Tranonkalan’ny lohahevitra

toerana natokana ho an’ny toby fandalinana faha-7

Asao ireo mpianatra hamorona kisary tahaka ity anankiray ity izay manomboka amin’ny fahamarinana na lohahevitra nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina eo afovoany. Avy eo ny mpianatra dia manao tsipika mankeo amin’ireo faribolana ivelany ary manome anarana azy ireo hoe soratra masina, na fahamarinana, na singa mifandray amin’ilay lohahevitra fototra. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny fanasan’ny Mpanjaka Benjamina hoe “Minoa an’ Andriamanitra” ao amin’ilay faribolana eo afovoany miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina “Môzià 4:9–10.” Avy eo izy ireo dia afaka mitanisa ao anatin’ireo faribolana ivelany ireo zavatra izay anasan’i Benjamina Mpanjaka antsika mba hinoana momba an’ Andriamanitra.

Mampiato horonan-tsary

Mampiasà horonan-tsary izay maneho na mampianatra momba ny fitsipiky ny filazantsara iray. Miatoa eny antenantenany eny mba hamoronana fahalianana na hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny zavatra izay hitany. Afaka mametraka fanontaniana toy izao amin’ny mpianatra ianao:

  • “Inona no mety ho neritreretinao na ho tsapanao na inona no fanontaniana mety hanananao raha toa ka tao anatin’izany toe-javatra izany ianao?”

  • “Inona avy ireo soratra masina nohalalininao androany izay afaka manampy?”

  • “Inona no antenainao ho takatr’io olona io momba ny fahamarinana izay nianarantsika androany?”

  • “Aiza no ahitanao ny tenanao ao anatin’ity tantara ity ankehitriny?”

3. Zarao ny zavatra ianarany

Mandritra ny lesona dia asaina hizara ny eritreriny sy ny heviny ireo mpianatra. Rehefa manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona amin’ny mpiara-mianatra iray, na anaty vondrona kely, na amin’ny iray kilasy ny mpianatra dia matetika izy ireo voatarika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hahazo fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika ireo zavatra izay zarainy ihany. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ny teny lazain’izy ireo dia afaka ihany koa mitondra fiantraikany lehibe amin’ny fo sy ny sain’ireo izay mihaino. Na dia manan-danja aza izany dia mety ho sarotra ho an’ny mpianatra ny mizara noho ny antony maro. Aza hadino ny manao izay “handinganana” ny mpianatra soa aman-tsara raha toa ka tsy mahazo aina izy ireo mizara. Afaka manampy ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ireto hevitra manaraka ireto.

Mamakafakà andinin-tsoratra masina iray

8:12

Manorata andinin-tsoratra masina iray eo afovoan’ny taratasy lehibe iray (azonao atao koa ny mampiseho izany eny amin’ny solaitrabe). Makà antoka fa mety tsara ny haben’izany ka hitan’ny mpianatra tsirairay. Afaka mandany minitra vitsy hametrahana fanontaniana betsaka momba ilay andinin-tsoratra masina araka izay vitany ny mpianatra. Avy eo dia omeo minitra vitsy izy ireo fa mba hanao fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hamaliana ireo fanontaniana. Raha tsy izany dia azo atao printy amin’ny taratasy iray ilay soratra masina ary azon’ny mpianatra atao samirery ilay sahanasa.

Tabilao misy hevitra

Tabilao misy hevitra

Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa taratasy mandraikitena na taratasy kely mba hanoratana ny hevitr’izy ireo momba ny fomba hampiharana fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara ary mametaka izany eny amin’ny solaitrabe. Ohatra, azo angatahina ny mpianatra hanoratra ny heviny momba ny fomba hampiharana fitsipiky ny filazantsara iray. Ilay tabilao misy hevitra dia mety hanana hahitana sary lehibe momba ireo zavatra izay mifandray amin’ilay lohahevitra. Ohatra, raha mandalina ilay hazon’aina ireo mpianatra dia azon’ny mpianatra atao ny mitanisa ireo fomba hihinanana ilay voankazo ary mampiseho izany eo amin’ireo sampan’ny hazo iray eny amin’ny solaitrabe. Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana mijery ny zavatra nosoratan’ny hafa.

Fantaro ny olona kinendrinao

Asaivo misafidy ny mpihaino kinendriny ny mpianatra ary hizara ny zavatra ianarany amin’ny fomba izay ahatakaran’ireo olona kinendry izany. Azon’ny mpianatra atao miaraka amin’ny namana na vondrona iray ity sahanasa ity. Mety hahomby ny manome safidy maro ho an’ny mpianatra ary mamela azy ireo hisafidy izay olona tian’izy ireo hampianarina. Ireto misy hevitra vitsivitsy azon’izy ireo isafidianana:

  • Namana iray avy amin’ny antokom-pinoana hafa mandritra ny asa fitoriana ataonao.

  • Ankizy ao amin’ny kilasin’ny kilonga.

  • Namana iray any an-tsekoly.

  • Mpikambana iray ao amin’ny fianakavianao.

Tohizo ny resadresaka

tohizo ny resadresaka

Alohan’ny hiarahan’ny iray kilasy mifanakalo hevitra dia mety hanampy ny famporisihana ireo mpianatra hifampihaino tsara. Ireto hevitra manaraka ireto dia azo omena ny mpianatra alohan’ny fifanakalozan-kevitra. Izany dia afaka manampy azy ireo hifampihaino tsara sy hamorona fifanakalozan-kevitra mankahery izay ahitana mpianatra maro ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra. Azonao atao ny mampiseho azy ireo na manome ny mpianatra taratasy zaraina ahitana ireo hevitra ireo.

Ampio izany. Zarao ny zavatra tianao mikasika ny teny nambaran’ny mpiara-mianatra iray ary avy eo dia zarao ihany koa ny eritreritrao manokana.

  • “Izany dia mampahatsiahy ahy ny …”

  • “Manaiky aho satria …”

  • “Marina. Ny ohatra iray hafa dia rehefa …”

  • “Hevitra tena tsara izany….”

Fintino izany. Lazao amin’ny fomba hafa ny zavatra nolazain’ny mpiara-mianatra aminao ary avy eo dia manaova fanamarihana momba izany.

  • “Raha ny fahenoako azy dia milaza ianao fa …”

  • “Raha azoko tsara ny zavatra nolazainao dia …”

  • “Tiako ny fomba nitenenanao ny hoe …”

Manontania. Mametraha fanontaniana amin’ny mpianatra iray hafa momba ny zavatra nolazain’izy ireo.

  • “Afaka milaza amiko misimisy kokoa momba izany ve ianao?”

  • “Tsy azoko antoka hoe takatro … ?”

  • “Azoko ny tianao holazaina, saingy ahoana ny momba ny … ?”

  • “Moa ve ianao efa nieritreritra momba ny … ?”

Ampitapitao ilay taratasy

Ampitapitao ilay taratasy

Mamoròna taratasy ahitana toromarika maromaro izay mety hahitana soratra masina na teny nindramina mba hovakina sy hamaliana fanontaniana. Alaivo antoka fa ampy ny toerana hanoratan’ny mpianatra ny valinteniny. Omeo tapa-taratasy iray ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo mba hanoratra ny anarany eo amin’izany. Mamaly ny fanontaniana voalohany ny mpianatra. Avy eo dia aforeto ilay taratasy mba hanakonana ny valintenin’izy ireo. Alefan’izy ireo eny amin’ny mpianatra iray hafa izay mamaly ny fanontaniana na ny tari-dresaka manaraka ilay taratasy. Ny mpianatra tsirairay dia mamoritra ilay taratasy mba hanakonana ny valintenin’izy ireo ary mampita izany eny amin’ny mpianatra iray hafa. Any amin’ny fiafaran’ilay fampitapitana dia averina any amin’ilay mpianatra voalohany ireo taratasy ary vakiny ny zavatra nosoratan’ny mpiara-mianatra aminy.

Miomana hizara

Mizarà fanontaniana manan-danja iray izay tianao hovalin’ny mpianatra. Ataovy izay hizarana izany minitra maromaro mialoha ny hanasana azy ireo hamaly ilay fanontaniana. Ohatra, afaka miteny ianao hoe: “Afaka minitra vitsy manomboka izao dia tiako ny sasany aminareo raha mizara ny eritreritrareo momba ______________. Mba eritrereto azafady ny momba ny zavatra tianareo hozaraina rehefa mandalina ity andinin-tsoratra masina manaraka ity isika.” Azo asaina mba hizara amin’ny mpianatra miara-miasa aminy na ao anatina vondrona iray aloha ny mpianatra.

Hadihadio ny mpianatra rehetra

Manaova fanadihadiana eo anivon’ny mpianatrao amin’ny alalan’ny fanomezana taratasy kely ho azy ireo. Afaka mamaly tsy an-kitonona anarana ny mpianatra ary avy eo dia mametraka ny taratasiny ao anaty baoritra na satroka iray. Azonao atao ny manangona ny eritreritr’izy ireo momba ny fitsipika, na fanontaniana, na fanapahan-kevitra iray mety horaisin’ny olona iray ao anatin’ny rafi-tantara iray. Raha toa ka afaka mampiasa finday avo lenta ny mpianatra dia azonao atao ny mampiasa application fanaovana fanadihadiana izay maimaim-poana sy mora ampiasaina. Omeo andraikitra amin’ny fandalinana sy rohy ahitana fanontaniana iray ny mpianatra ary asaivo mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny findainy izy ireo. Ho afaka ny hahita ireo valinteny ianao ary afaka mampiseho izany ao an-dakilasy. Maro ireo applications fanaovana fanadihadiana izay afaka manamora izany.

Andian-teny mafonja

Mampiasà andian-teny mafonja mba hanofanana ny mpianatrao hizara sy hanentanana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.

Izany dia fitaovana tena manampy ho an’ireo kilasy izay mangina na tsy mahafantatra loatra ny fomba hizarana na ny zavatra hozaraina. Asehoy ny lisitr’ireo andian-teny etsy ambany mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra azon’izy ireo zaraina. Asaivo mandalina amboaran-tsoratra masina iray izy ireo ary miomana hizara andian-teny mafonja iray na maromaro. Hamorao ny fifanakalozan-kevitra na asaivo manamora izany ny mpianatra iray.

  • Ny andininy iray tiako dia…

  • Ny andian-teny iray izay nahitako hevi-baovao dia…

  • Ny lesona iray azo tsoahina avy amin’izany dia…

  • Nahita fitsipika iray aho…

  • Ny teny iray izay hitako fa mahaliana/mampisafotofoto saina dia…

  • Ny zavatra iray tokony ho fantatry ny zatovo iray avy amin’izany dia…

  • Ny zavatra fantatro fa marina avy amin’izany dia…

  • Ny zavatra izay mampiahiahy ahy dia…

  • Ny zavatra iray izay tsapako fa tokony hataoko androany dia…

  • Ny zavatra iray ianarako momba ny Mpamonjy ato amin’ity dia…

Karatra fandraisana anjara

Zarao ireo karatra izay azon’ny mpianatra tazonina ho valiny hita maso amin’ireo fanontaniana apetrakao. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo karatra mba hanehoana ny valinteniny, na rehefa vonona ny hizara na hifanakalo hevitra momba ny eritreriny izy ireo. Ohatra:

  • Maitso ho an’ny marina, mena ho an’ny diso

  • “Mbola mieritreritra” eo amin’ny lafy iray ary “Vonona ny hizara” eo amin’ny lafy iray hafa

  • Karatra misy tarehimarika na litera izay maneho safidy samihafa voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Manondro tarehimarika na litera ho an’ny valintenin’izy ireo ny mpianatra rehetra mba hahafahanao mahita ny valinteniny sy misafidy ny mpianatra hamaly.

  • Karatra misy valiny maro eo amin’ny lafy samihafa (jereo ny ohatra etsy ambany). Rehefa asaina mamaly ny mpianatra dia ny toerana afovoany ambony no toerana misy azy ireo. Avy eo ianao na ny mpianatra iray dia afaka miantso ny mpianatra miainga avy amin’ny toerana asehon’izy ireo.

Karatra fandraisana anjara

Fanombohana rafi-tantara

Omeo rafi-tantara tsy feno ny mpianatra ary asao izy ireo hanampy ireo antsipirian-javatra mba hahatonga izany ho manan-danja sy miantefa kokoa amin’ny zavatra iainan’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny miteny zavatra toy ny hoe “Andao isika hamorona rafi-tantara momba ny olona iray mitovitovy taona aminao, antsoina hoe Julia, izay miatrika olana vitsivitsy eo amin’ny fiainana. Mety ho inona ny sasany amin’izany olana izany?” Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hizara antsipirian-javatra mba ho toy ny olona tena misy i Julia, na ilay anarana hafa nosafidinao. Azonao atao ihany koa ny manampy antsipirian-javatra manan-danja mba hisy fiantraikany amin’ny fifanakalozan-kevitra, toy ny fanontaniana lehibe ananan’i Julia.

Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamorona ny rafi-tantarany manokana ary hanoratra izany amin’ny taratasy. Azonao atao ny mampifanakalo ireo rafi-tantara ireo ary manasa ny mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianarany.

Rafi-tantara misy fifampiresahana ataon’olona

Mamoròna rafi-tantara iray izay manomboka amin’ny hafatra an-tsoratra tokana, saingy aza lazaina amin’ny mpianatra ny toe-javatra izay nitondra tany amin’izany hafatra an-tsoratra izany. Azonao atao ny manome maodely tsy misy soratra toy ity manaraka ity ary asao izy ireo hamorona resaka ifanaovana ho an’ilay fifampiresahana ataon’olona.

Rafi-tantara misy fifampiresahana ataon’olona

Finamanana haingana

Finamanana haingana

Ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fifampizarana dia manomboka amin’ny fanampiana azy ireo hahafantatra ny mpiara-mianatra aminy. Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hifankahafantatra sy hizara zavatra momba ny soratra masina. Zarao ma hiara-hiasa tsiroaroa ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanamboarana laharan-tseza roa mifanatrika. Avy eo dia asao ireo mpianatra hanisy marika ny andinin-tsoratra masina iray nomena ary hamaly fanontaniana iray nomaninao momba io andinin-tsoratra masina io. Asao ny ekipa tsirairay mba hamaly fanontaniana mamboly finamanana iray izay nomaninao ka afaka manampy azy ireo hifankahafantatra bebe kokoa. Asao ny mpianatra miara-miasa mba hifamadika sy hamerina imbetsaka ilay dingana arahina amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana sy andinin-tsoratra masina samihafa. Mba hanasana ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny mpianatra rehetra dia tsy mifindrafindra ilay mpianatra mipetraka eny amin’ny iray amin’ireo seza eny an-jorony.

Solaitrabe ahitana taratasy mandraikitena

Solaitrabe ahitana taratasy mandraikitena

Apetraho eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana vitsivitsy mba hovalin’ny mpianatra na andininy nahitan’izy ireo hevi-baovao hozaraina. Ny mpianatra tsirairay dia manoratra ny anarany eo amina taratasy mandraikitena ary mametraka izany eo akaikin’ilay fanontaniana na andininy izay tian’izy ireo hovalina na horesahina.

Fanovaovana: Ireo loko dia afaka maneho ny zavatra tian’ny mpianatra hozaraina, izany hoe hevi-baovao, fanontaniana, soratra masina mifandray, sy ny sisa.

Mampiasà sary

Asao ny mpianatra hisafidy zavatra iray azo tsapain-tanana ao an-dakilasy na sary iray ao amin’ny findainy izay azo ampiasaina mba hanampiana amin’ny fampianarana fitsipika na fotopampianarana iray. Asao izy ireo hizara ny fomba hampianarany olona iray ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fampiasana ilay zavatra na sary.

Soraty alohan’ny hizaranao azy

Omeo fotoana ny mpianatra hiraketana an-tsoratra ny valin’ireo fanontaniana manan-danja ao amin’ny diary fandalinany mialoha ny hanasana azy ireo hamaly amin’ny feo mafy.

4. Mamoròna fampisehoana ny zavatra nianarany

Matetika ny lesona no manasa ny mpianatra hanao zavatra mba hanehoana ny zavatra nohalalininy. Mety hilana ny fampiasana fahaiza-mamorona izany. Fomba vitsivitsy mety hanampiana ny mpianatra hanao izany ireto sahanasa manaraka ireto.

Famoronana application

Famoronana application

Mamolavola ny application ho an’ny tenany manokana amin’ny taratasy iray ny mpianatra. Ilay application dia mety mampiseho fahamarinana iray ampianarina ao amin’ny soratra masina izay nohalalinina ary ahitana sahanasa, na sary, na soratra masina, na teny nindramina izay afaka manampy olona iray hampihatra izany eo amin’ny fiainany.

Kiasima (vadi-drafi-pehezanteny mifanaraka)

Ny kiasima dia sarin-teny ahitana ny antsasany faharoa amin’ilay fehezan-teny, na andiam-pehezanteny, na lahatsoratra izay maneho sy mamerina amin’ny filaharana mivadika ilay tapany voalohany. Hita eo afovoany ilay hafatra fototra (jereo ny Almà 36 ho ohatra amin’izany). Asao ny mpianatra hamorona kiasima avy amin’ny zavatra izay halalininy. Ireo mpianatra dia hametraka ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina eo afovoany ary hanampy andalan-tsoratra eo ambony sy eo ambanin’izany amin’ny alalan’ny soratra masina na fanambarana ara-paminaniana manohana izany. Mety hitovy amin’izao izany:

A – ny zavatra tsapan’ny mpianatra momba ny fahamarinana na ny zavatra niainan’izy ireo tamin’izany

B – ny zavatra takatry ny mpianatra momba ny fahamarinana

D – fahamarinana na fitsipiky ny filazantsara

D – fahamarinana na fitsipiky ny filazantsara

B – fahatakarana fanampiny momba ny fahamarinana

A – zavatra fanampiny niainan’ny mpianatra momba ny fahamarinana sy ny zavatra tsapany momba izany

Fandalinana amin’ny alalan’ny tantara mitohy an-tsary

Fandalinana amin’ny alalan’ny tantara mitohy an-tsary

Omeo boky fanaovana tantara mitohy an-tsary tsy misy na inona na inona ny mpianatra na asaivo mamorona maodely eo amin’ny taratasy iray izy ireo. Mamaky ilay amboaran-tsoratra masina ny mpianatra ary mamorona tantara mitohy an-tsary izay maneho ny fizotran’ny tantara ao amin’ilay amboaran-tsoratra masina. Asaivo ampiasain’izy ireo ilay mahitsizoro farany mba hizarana izay tsapany fa fahamarinana sarobidy indrindra tokony hianarana avy amin’ilay tantara. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny tantara mitohy an-tsary nataony amin’ny iray kilasy. Raha tsy izany dia azon’izy ireo atao ny mampiasa ity sahanasa ity mba hanehoana ny fampiharana ny fahamarinana na fitsipika amin’izao andro maoderina izao.

Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona

Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona

Mamoròna rindran-damina iray izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hanomanana lesona fohy, na lahateny, na hafatra, na fomba hizarana andinin-tsoratra masina iray. Azonao atao ny manome maodelina rindran-damina iray tsy misy na inona na inona izay hiraketan’ny mpianatra ny zavatra hitany. Azonao atao ny mampianatra ny mpianatra hampiditra fampahalalana samihafa ao amin’ny mahitsizoro tsirairay. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manoratra lohateny iray ao amin’ny mahitsizorovoalohany, mamintina andininy manan-danja ao amin’ny mahitsizoro manaraka, manoratra ohatra na tantara manokana ao anatin’ireo mahitsizoro lava anankitelo, ary manoratra fijoroana ho vavolombelona ao amin’ilay efajoro farany.

Mamorona boky kely

Mamorona boky kely

Omeo taratasy ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo mba hamoritra izany ho telo. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona pejin-dohateny izay ahitana ilay fitsipika na fotopampianarana hitan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona pejy manaraka izay ahitana lohateny sy antsipirian-javatra avy amin’ny zavatra ianarany. Azonao atao ny manasa azy ireo hitahiry toerana ao ambadiky ny boky kely mba hanoratana izay tanjona na drafitra ataon’izy ireo mandritra ny lesona.

Mandoko sokajin-javatra

Ataovy printy ny pejy voadika iray ao amin’ny amboaran-tsoratra masina ary manomeza pensilihazo miloko mba hanasiana marika ny soratra masina. Mamantara sokajy toy ny “Ireo fitahiana nampanantenaina,” na “Asa natao tamim-pinoana,” na “Didy.” Azo omena loko iray ny sokajy tsirairay. Asao ny mpianatra handalina ireo andininy ireo ary hanisy marika ireo sokajy miloko rehefa hitan’izy ireo izany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nasiany marika sy nianarany avy tamin’ity sahanasa ity.

Manombantombana drafitra

Manombantombana drafitra

Azonao atao ny mampiasa ny kisary maneho drafitra mba hanovana ny fihetsika mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny drafiny. Mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny fizarana tsirairay ao amin’ilay sary ny mpianatra.

Kisary maneho rindran-damina

Afaka mamorona kisary izay maneho ny fifandraisana misy eo amin’ireo fanapahan-kevitra na hevitra samihafa ao amin’ny lesona ny mpianatra. Ohatra, azo ampiasaina ny tabilao tahaka ireto manaraka ireto mba hanehoana ny toerana mety hitarihan’ny finoana na ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy.

Kisary maneho rindran-damina

Fanorenan-javatra azo tsapain-tanana

Omeo fitaovana azon’izy ireo ampiasaina ny mpianatra toy ny goba vita amin’ny hazo na pate à modeler mba hamoronana zavatra izay maneho ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mampiasa goba vita amin’ny hazo mba hanehoana ny manda nasain’ny Kapiteny Môrônia mba haorin’ny vahoakany (jereo ny Almà 48:7–9). Azon’ny mpianatra atao ny manisy anarana ny goba vita amin’ny hazo tsirairay amin’ny fomba ahafahantsika miomana ara-panahy mba hahatohitra ny fanafihan’i Satana.

Sary atambatambatra

Sary atambatambatra

Azon’ny mpianatra atao ny mitady sary ao amin’ny findainy na ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile izay mifandray amin’ny fahamarinana. Afaka mamorona sary nomerika atambatambatra izy ireo ary mizara izany ao an-dakilasy.

Mahafantatra – manontany tena – mianatra

Zarain’ny mpianatra ho tsanganana telo ny taratasy iray. Soratany ao amin’ny tsanganana voalohany ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny lohahevitra iray. Ao amin’ny manaraka izy ireo dia manoratra ny zavatra tian’izy ireo ho fantatra. Ny tsanganana fahatelo dia fenoina mandritra ny lesona sy aorian’izany amin’ny zavatra nianaran’ny mpianatra. Azo asaina izy ireo hamantatra hoe inona, raha misy, no nanampy azy ireo hianatra na inona no nisy fiantraikany teo amin’ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ny lesona.

Taratasy ho an’ny hoavy

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra taratasy ho an’ny tenan’izy ireo mba hosokafana sy hovakina amin’ny fotoana voafaritra tsara (rehefa manao asa fitoriana, manambady, manan-janaka voalohany). Safidy iray hafa azo atao ny manasa ny mpianatra hanoratra taratasy ho an’ireo olona ao anatin’ny fianakaviany any aoriana. Na azon’izy ireo atao ny manoratra taratasy ho an’ireo mpianatra any aoriana izay ho tonga ao amin’ny seminera ary hanazava ny zavatra nianarany sy ny zavatra tsapan’izy ireo.

Manaova mème

Manaova mème

Mamantatra fitsipika iray avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra tsirairay ary mamorona andian-teny manintona iray izay maneho ilay fitsipika. Angataho koa izy ireo mba hanao sary izay maneho ilay fitsipika. Makà antoka tsara fa tafiditra ao anatin’izany ilay andinin-tsoratra masina. Asaivo mizara sy manazava ny mème nataon’izy ireo izy ireo. Azonao atao ny mampiseho ohatra vitsivitsy avy amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! nivoaka vao haingana.

Manaova drafitra mba “handeha ary hanao”

Handeha ary hanao
Tondrozotra

Afaka manao drafitra ny handray andraikitra amin’ny fomba mahomby sy feno fahamarinana eo anatrehan’ireo zavatra ianarany sy tsapany mandritra ny lesona ny mpianatra. Mba hanaovana izany dia azonao asaina izy ireo hamantatra ny zavatra tiany hatao sy hamorona dingana manokana mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny drafiny. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny famantarana ireo sakana mety hatrehin’izy ireo sy ireo dingana manokana mba handresena ireo sakana ireo. Rehefa mamorona ny drafiny ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hizarazara izany ho dingana kelikely kokoa. Ny fanaovana fanovana kely amin’ireo zavatra ataon’izy ireo isan’andro dia afaka manampy azy ireo hahatsapa fahombiazana matetika kokoa.

Manaova drafitra iray hoe “hazo fanapahan-kevitra”

Hazo fanapahan-kevitra

Afaka mampiasa hazo fanapahan-kevitra ny mpianatra mba hanampiana amin’ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny alalan’ny fanaovana lisitra ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ireo fanapahan-kevitra samihafa. Afaka manomboka amin’ny fanontaniana iray momba ny fitsipiky ny filazantsara iray izy ireo ary aorian’ny fitanisana ireo lafy tsara sy lafy ratsy, dia manombantombana ny safidin’izy ireo handray izany fanapahan-kevitra izany. Mamoròna hazo mitokana ho an’ny fanontaniana sy fanapahan-kevitra tsirairay ao amin’ilay drafitra.

Ohatra: Manaova drafitra mba handalinana ny soratra masina.

Fanontaniana:

  1. Rahoviana aho no handalina ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra iray.)

  2. Aiza no handalinako ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra iray hafa.)

  3. Adiny firy aho no handalina ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra fahatelo.)

Any amin’ny fiafaran’ilay dingana dia miara-mandrafitra drafitra, na tanjona, miaraka amin’ny dingana manokana mba hanatanterahana izany ireo fanapahan-kevitra telo.

Andininy vaovao ao anatin’ny fihirana

Azon’ny mpianatra atao ny misafidy hira iray momba ny fahamarinana izay nianarana tao amin’ny lesona. Asao izy ireo hamorona andininy vaovao ao amin’ilay hira avy amin’ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Afaka misafidy andininy vaovao vitsivitsy ny mpianatra mba haseho sy hiraina.

Tetikasa mifototra amin’ny fianarana

Azon’ny mpianatra atao ny mamorona tetikasa maromaro izay hampidiran’izy ireo votoatiny ao anatin’ireo lesona/herinandro mifanarakaraka. Izany dia mety ho tononkalo, hira ao amin’ny fihirana, horonan-tsary, tetikasa fanaovana zavakanto, na fanehoan-javatra hafa izay foronin’izy ireo ao anatin’ireo lesona mifanarakaraka.

Avereno soratana ny fiafaran’ilay tantara

Asao ny mpianatra mba hamerina hanoratra ny fiafaran’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina na tantara iray izay nozarainao toy ny hoe nandray fanapahan-kevitra tsara kokoa/hafa ilay olona.

Fomba fahandroan-tsakafo

Fomba fahandroan-tsakafo

Mamorona fomba fahandroan-tsakafo ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra ianarany. Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana amin’izy ireo ohatra iray amin’ny fomba fahandroan-tsakafo izay ahitana ireo fangaro ilaina, ny fatran’ireo zavatra ilaina ary ireo torolalana. Avy eo dia ampio ny mpianatra hanaraka izany lamina izany mba handaminana ny zavatra ianarany. Azon’izy ireo atao ny miantso ny fomba fahandroan-tsakafon’izy ireo hoe “Fomba hahatongavana ho misiônera matanjaka” na “Fomba ahafahana mandalina soratra masina amin’ny fomba mahomby kokoa” ary avy eo mampiditra ao ny zavatra tsapany fa singa manan-danja amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina sy teny nindramina. Ohatra, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia azon’ny mpianatra atao ny mitanisa ireo fangaro ilaina, sy ireo fatran-javatra ilaina, ary ireo torolalana momba ny fomba hahatongavana ho olona selestialy. Amporisiho izy ireo mba hampiasa ny fahaizany mamorona ao anatin’ny fomba fahandroan-tsakafon’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manao sary izay maneho ny vokatra naterak’ilay fomba fahandroan-tsakafo any amin’ny farany.

Milalaova toe-javatra an-tsehatra

Manao tantara an-tsehatra ny mpianatra. Maro ny fomba azo anaovana izany. Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena ho eny anoloana mba hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny milalao an-tsehatra izany tsiroaroa na ao anatina vondrona kely. Na azonao atao ny milalao ny anjaran’ny olona iray izay manana fanontaniana ary asaivo mamaly ireo fanontaniana na olana anananao ny iray kilasy.

Horonan-tsary fohy

Asao ny mpianatra hanomana horonan-tsary fohy. Afaka mamorona lahatsoratra hovakina izy ireo ary manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanehoana ny zavatra nianarany avy tamin’ny lesona. Raha azo atao dia azon’ny mpianatra atao ny mamorona ilay horonan-tsary ary hizara izany ao an-dakilasy.

Zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera

Zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera

Asao ny mpianatra hamorona zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera mba hizarana ny zavatra inoan’izy ireo manokana na ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fitsipika noresahina tao an-dakilasy. Mety ho zavatra aelin’izy ireo an-jotra izany, na zavatra izay foroniny ao amin’ny diary fandalinany. Na azon’izy ireo atao ny maka sary an-tsaina olona iray mametraka fanontaniana mifandray amin’ny zavatra nohalalinina tao an-dakilasy sy manamboatra valinteny iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana norantovin’izy ireo. Na azon’ny mpianatra atao ny mandalina zavatra iray naelin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tao amin’ny tambajotran-tserasera vao haingana ary manoratra valinteny na hafatra mifono famporisihana eo amin’ilay zavatra naely.

Fanehoana an-tsary

Fanehoana an-tsary

Zarao ao anaty vondrona ireo mpianatra ka asaina mampiasa soratra masina, teny nindramina, ary loharanom-pitaovana hafa enti-mandalina mba hamoronana peta-drindrina ho an’ny efitrano fianarana. Ny peta-drindrina na ny fanehoana an-tsary dia mety hahitana andinin-tsoratra masina manan-danja, fanontaniana izay azon’ny tantara ao amin’ny soratra masina valina, fahamarinana mandrakizay, sary, sy ny sisa. Azon’ny mpianatra atao ny mifindrafindra sy mijery ny asan’ny vondrona hafa.

Manorata lahatsoratra iray ho an’ny gazetibokin’ny Fiangonana

Azon’ny mpianatra atao ny maka sary an-tsaina fa manoratra lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!, Namana, na Liahona izy ireo, mizara ny zavatra nohalalinin’izy ireo sy ny fomba ahafahan’izany manampy ny zatovo manerana izao tontolo izao. Azonao atao ny mampiseho lahatsoratra iray ho ohatra. Amporisiho ny mpianatra hampiditra sary sy tabilao ary kisary fanazavana.