Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera


“Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
Vehivavy iray mandalina

Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Maro ny fomba mahomby hiomanana hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany fiomanana izany dia ahitana foana ny fandalinana ombam-bavaka ny tenin’ Andrimanitra sy fikatsahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo izay ampianarinao hampiorim-paka ny fiovam-pony ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Ny fandaharam-pampianaran’ny seminera no loharanom-pitaovana azonao itokisana mba hitarika anao amin’ny fanomananao lesona sy hanampy anao hampianatra fotopampianarana marina. Rehefa mampiasa io loharanom-pitaovana io ianao dia katsaho aloha ny hampihatra izay ao anatin’ilay fandaharam-pampianarana ary avy eo dia saintsaino ny filan’ireo mpianatrao sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahatakarana hoe rahoviana ianao no mety hila hampifanaraka amin’ny toe-javatra misy ny sasantsasany amin’ireo soso-kevitra atolotr’ilay fandaharam-pampianarana.

Eritrereto ity torohevitra manaraka nomen’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity momba ny fampiasana ilay fandaharam-pampianarana hiomanana amin’ireo lesona seminera:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Manaraka aloha isika izay vao mampifanaraka. Raha mahafantatra tsara ny lesona nomena izay asaina ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakam-panahy mahazo antsika mba hanomboka amin’ny fampifanarahana ny lesona amin’izay ilaina fa tsy hanomboka amin’ny fanarahana izay efa misy ao. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka izay misy ao aloha vao mampifanaraka ny lesona amin’ny toe-javatra misy dia tena fomba tsara ahafahana mijanona amin’ny fototra azo antoka. (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 7 aog. 2012], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny manaraka izay ao amin’ilay fandaharam-pampianarana mialoha ny hampifanarahana izany amin’ny toe-javatra misy?

Manaraka ny fandaharam-pampianarana

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia ny “hanampy ny zatovo sy ny [tanora], hanao izay hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.” Manohy manambara izao manaraka izao momba ny fanampiana ny mpianatra hampiorim-paka ny fiovam-pony ilay tanjona:

Ny traikefa amin’ny fianarana tsirairay dia ampifantohantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony sy ny toetrany ary ny heriny manavotra. Isika dia manampy ny mpianatra hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Manampy ny mpianatra hanatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny fianarany samirery isika. Miezaka isika ny hanasa ny Fanahy Masina mba hanatanteraka ny andraikiny amin’ny traikefa fianarana tsirairay.

Novolavolaina tamim-pahamalinana ny fandaharam-pampianaran’ny seminera mba hanampiana anao hanome io karazana traikefa amin’ny fianarana io. Ny lesona tsirairay dia mampifantoka ny traikefa amin’ny fianarana eo amin’i Jesoa Kristy (mifototra amin’i Kristy) sy manampy ny mpianatra hianatra ny filazantsara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany (miainga avy amin’ny soratra masina) ary manome fahafahana ny mpianatra mba hanatontosana ny anjara asan’izy ireo ao anatin’ilay traikefa amin’ny fianarana (mifantoka amin’ny mpianatra). Manasa ny Fanahy Masina mba hanatanteraka ny andraikiny amin’ny traikefa amin’ny fianarana isika amin’ny alalan’ny fampitambarana ireo singa manan-danja telo ao amin’ilay tanjona ireo. Marihin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy fa “Ny Fanahy no tena mpampianatra ary tena loharanon’ny fiovam-po.” Rehefa eo ihany ny Fanahy vao afaka mitranga tokoa ny fampiorenam-paka ny fiovam-po ho an’ny Mpamonjy.

Sary
Fanehoana an-tsary ny traikefa amin’ny fianarana izay tarihin’ny Fanahy

Ito kisary ito dia maneho ny traikefa mifototra amin’i Kristy, miainga avy amin’ny soratra masina sy mifantoka amin’ny mpianatra izay manasa ny Fanahy Masina hanao ny andraikiny. Ny mavo dia manondro ny hatsaran’ny traikefa amin’ny fianarana izay manasa kokoa ny Fanahy Masina. Ny ivon’io kisary io no maneho ny fotoana hitarihan’ny Fanahy ny traikefa amin’ny fianarana sy fotoana anaovan’ny mpianatra izay hampiorim-paka ny fiovam-pony ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny. Mampitombo ny fahafahan’ny mpianatra hanana traikefa amin’ny fianarana seminera izay tarihan’ny Fanahy isika rehefa manaraka ny fandaharam-pampianaran’ny seminera. Nohamarinina sy narindra tamim-pahamalinana ihany koa ny fandaharam-pampianarana seminera mba hanampiana anao:

  • Haka antoka amin’ny fahamarinan’ny fotopampianarana.

  • Handinika ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy.

  • Hanana fomba fampianarana voalanjalanja izay manahaka ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy hita ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

  • Hanome traikefa amin’ny fianarana mba hahafahan’ny mpianatra mizara sy maneho ny fahatakarany ny zavatra ianarany.

  • Hampiasa fomba fampianarana isan-karazany.

Misy hevitra manan-danja maro mila atao ao an-tsaina rehefa manomana lesona. Afaka manampy mitarika anao amin’ny zavatra hampianarina sy ny fomba fampianarana ny fanarahana ny fandaharam-pampianarana. Afaka manampy anao haka antoka fa mampianatra fotopampianarana marina hatrany koa izy io.

Ireto misy fomba vitsivitsy azonao anarahana ny fandaharam-pampianarana:

  • Vakio tsara ny tanjon’ny lesona. Hita ao amin’ny tahirin-kevitra misy ny topimaso sy ao amin’ny fehezanteny farany amin’ny fampidirana ny lesona tsirairay izy io. Mifanaraka amin’io tanjona io, na ny vokatra andrasana avy amin’ny fianarana, ny votoaty sy sahanasa rehetra.

  • Vakio hatramin’ny farany ny lesona. Saintsaino hoe nahoana ireo soratra masina voafantina mba hovakin’ny mpianatra, ireo fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina, ireo teny notsongaina ary ireo sahanasa no mifanaraka amin’ny tanjon’ny lesona sy manolotra traikefa mifototra amin’i Kristy sy miainga avy amin’ny soratra masina ary mifantoka amin’ny mpianatra. Diniho akaiky ilay sahanasa fianarana any amin’ny faramparan’ny lesona izay manome ny mpianatra fahafahana haneho ny fahatakarany ny tanjon’ny lesona.

  • Hevero ny hamaly ireo fanontanina sy hanao ireo sahanasa ireo ary raiso ho toy ny hoe mpianatra ianao manao izany. Afaka manampy anao hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izany ka hahatsapa ho nahazo hery sy nohatanjahina ary vonona kokoa mba hanome traikefa sahala amin’izany ho an’ny mpianatrao ianao rehefa miditra ny efitrano fianarana.

  • Katsaho ny hahatakatra sy hampianatra ireo lesona isan-karazany hita ao amin’ny fandaharam-pampianarana, eny fa na dia vaovao aminao aza izany. (Ireo lesona isan-karazany dia ahitana Ireo lesona handalinana soratra masina, Ireo lesona fampiharana ny fifehezana fotopampianarana, Ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao ary Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.) Ny tsirairay avy amin’ireo traikefa amin’ny fianarana ireo dia mitondra anjara biriky amin’ny fomba miavaka amin’ny fampiorenam-paka ny fiovam-pon’ny mpianatra ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Mety ho manan-danja manokana amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ny fisafidianana ny hanaraka ny zavatra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana. Mifantoka amina lohahevitra isan-karazany izay manan-danja ho an’ny fiainan’ny mpianatra ireo lesona tsirairay ireo. Novolavolaina niaraka tamin’ny fanampian’ireo departemanta samihafa ato amin’ny Fiangonana sy ireo matihanina mombana lohahevitra hafa izy ireo. Mety hahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana amin’ny fampianarana ny sasany amin’ireo lohahevitra momba ny fiomanana hiatrika fiainana ny mpampianatra sasantsasany kanefa mahatsapa fa manana traikefa lehibe amin’ireo lohahevitra hafa momba ny fiomanana hiatrika fiainana. Amin’ireo tranga roa ireo dia mety ho fahendrena ho an’ny mpampianatra ny manaraka ny fandaharam-pampianarana mialoha ny hikatsahany hampifanaraka izany amin’ny toe-javatra misy. (Jereo ny fandinihana trangan-javatra momba an-dRahalahy Alvarez sy Rahavavy Sato etsy ambany.)

Fandinihana trangan-javatra ho an’ny fanarahana ny fandaharam-pampianarana

Rahalahy Alvarez—Mpampianatra iray izay mahatsapa ho tsy manam-pahaizana hoenti-mampianatra lesona iray momba ny fiomanana hiatrika fiainana

Olona niova fo ho an’ny Fiangonana Rahalahy Alvarez ary tsy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno. Mahatsapa tena ho tsy manam-pahaizana hoenti-mampianatra lesona fiomanana hitory filazantsara izy, satria tsy mbola nanao asa fitoriana na oviana na oviana, ka nihevitra ny handingana ilay fizarana Fiomanana hitory filazantsara ao amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Kanefa rehefa nanomboka nandinika ireo lesona izy dia tsikariny fa mifantoka amin’i Kristy ho toy ny ohatra tonga lafatra amin’ny fizarana ny filazantsara ireo fa tsy miankina amin’ireo traikefany manokana. Ahitana soratra masina manome hevitra sy sahanasa mampandray anjara hanampiana ny mpianany hiomana ho misiônera ho an’ny Tompo izy ireo. Tonga saina izy fa ireo lesona ao amin’ny fandaharam-pampianarana dia afaka hanampy ny mpianany hanana traikefa lehibe na dia eo aza ny tsy fananany traikefa amin’ny fanomanana hitory filazantsara.

Rahavavy Sato—Mpampianatra manana traikefa lehibe amin’ny lohahevitra iray momba ny fiomanana hiatrika fiainana

Miomana ny hampianatra lesona iray momba ny fiomanana hiatrika fiainana izay miompana amin’ny fitantanam-bola Rahavavy Sato. Mpandrindra matihanina momba ny fitantanam-bola izy ka dodona ery ny hizara ny fahalalany sy ny traikefany amin’ny mpianany ao amin’ny seminera. Rehefa nandalina nombam-bavaka ilay fandaharam-pampianarana izy dia niaiky ny fahatsoran’ilay fitaovana sy ny fanantitranteran’izany an’i Jesoa Kristy sy ny soratra masina. Tapa-kevitra izy fa ny fampianarana ilay lesona araka izay voalaza ao amin’ny fandaharam-pampianarana no hanampy ny mpianany hampahatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hanolotra azy ireo ireo fitsipika fototry ny fitantanam-bola sahaza amin’ny dingana misy azy ireo eo amin’ny fiainany. Nanapa-kevitra ny hifikitra akaiky amin’ny lesona ao amin’ny fandaharam-pampianarana Rahavavy Sato toy izay hanomana hampianatra fitsipika momba ny fitantanam-bola izay avo lenta kokoa.

Mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy

Amin’ny maha mpampianatra seminera anao dia manana anjara toerana manan-tombo ianao hanampy ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy. Lasa hahafantatra sy ho tia tsara ireo mpianatra ianao amin’ny alalan’ny fifaneraseranao tsy tapaka amin’izy ireo. Hampitombo ny fahafahanao handray fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina ny amin’ny fotoana sy ny fomba hampifanarahana ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy ny fahafantarana sy ny fitiavana ny mpianatrao. Rehefa manomana lesona ianao ka mampiasa ny fandaharam-pampianarana dia atombohy amin’ny vavaka ny fiomananao. Hanome fitaomam-panahy anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra ny amin’izay fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy tokony hataonao amin’ny votoatin’ny lesona, raha misy izany, mba hanomezana tsara kokoa izay ilain’ny mpianatrao sy ampifanarahana izany amin’ny fahaizan’izy ireo.

Mety ho isan’ny antony hampifanarahanao ny lesona amin’ny toe-javatra misy ny:

  • Fanampiana ireo mpianatra manana olana iainana sy fanontaniana ananana amin’izao fotoana izao. (jereo ny fandinihana trangan-javatra momba an-dRahalahy Jones.)

  • Fanaovana ny ampahany amin’ny lesona ho manan-danja kokoa mifototra amin’ny filan’ny mpianatrao, ny fahaiza-manaony, ny kolontsainy na izay loharanom-pitaovana misy. (Jereo ny fandinihana trangan-javatra momba an-dRahavavy Dube, Rahalahy Reyes, sy Rahavavy Rodriguez.)

  • Fampiasana teny nambara, toromarika, na loharanom-pitaovana vao haingana kokoa izay nomen’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana. (jereo ny fandinihana trangan-javatra momba an-dRahavavy Schmidt.)

  • Fitadiavana fomba tsara kokoa mba hamitana fizarana iray manokana ao amin’ny lesona. Ireo ohatra amin’izany dia mety hahitana ny fanamboaranna ny lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana iray izay mbola manomana hatrany ny fo sy ny sain’ny mpianatra ho ampianarina na manasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra ny tantara iray avy ao amin’ny soratra masina, fa tsy mijery horonan-tsary izay maneho ny tranga mitovy amin’izany fotsiny. (Jereo ny fandinihana trangan-javatra momba an-dRahalahy Li.)

Mialoha ny hampifanarahana ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy dia apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Moa ve ny fampifanarahana ataoko mbola manome traikefa amin’ny fianarana izay mifototra amin’i Kristy sy miainga avy amin’ny soratra masina ary mifantoka amin’ny mpianatra ihany?

  • Moa ve ny fampifanarahana ataoko mifanaraka amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ireo fitsipika amin’ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy izay hita ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy?

  • Moa ve ny fampifanarahana ataoko maneho ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy?

  • Moa ve ny fampifanarahana ataoko mifantoka amin’ireo fitsipika mitondra fiovam-po?

  • Moa ve takatro ny mety ho fiantraikan’ny fampifanarahana ataoko amin’ireo lesona manaraka sy ireo traikefa amin’ny fitsapam-pahaizan’ny mpianatro?

Fandinihana trangan-javatra ho an’ny fampifanarahana ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy

Rahalahy Jones—Mampifanaraka ny lesona amin’ny olana amin’izao fotoana izao sy mifanaraka amina vanim-potoana manokana

Niomana tamim-pahavitrihana Rahalahy Jones ny zoma nialoha ny faran’ny herinandro isian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hampianatra Lesona handalinana soratra masina izay hatao ny alatsinainy ho avin’io. Akory ny hagagany raha naheno ny mpaminany nanao filazana fa hisy tempoly vaovao haorina eo amin’ny faritra ampianarany. Fantany fa ho maika ery ny mpianany ho avy any am-pianarana hiresaka momba ilay tempoly ary maro no hanam-panontaniana momba izany.

Nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy Masina Rahalahy Jones hanova ny torolalana fandrindram-potoana mba hampianarana ny iray amin’ireo lesona momba ny Fiomanana ho any amin’ny tempoly avy ao amin’ny fizarana fiomanana hiatrika fiainana ao amin’ny fandaharam-pampianarana hatao ny alatsinainy toy izay ilay lesona Handalinana soratra masina.

Rahalahy Reyes—Mampifanaraka sahanasa iray mifototra amin’ny fahaiza-manaon’ny mpianatra

Raha teo am-pandalinana lesona iray Rahalahy Reyes dia tsikariny fa miankina be amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra ilay lesona. Hitan-dRahalahy Reyes fa matetika ireo mpianany no tsy be teny mihitsy ary tsy dia liana firy amina fifanakalozan-kevitra. Kanefa tena tian’izy ireo kosa ny manoratra ao anatin’ny diarin’izy ireo. Manapa-kevitra izy ny hanoratra fanontaniana roa avy ao amin’ny fandaharam-pampianarana eny ny amin’ny solaitra be sy hanasa ny mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo toy izay hanamora fifanakalozan-kevitra. Manao drafitra izy hanasa ireo mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Rahavavy Rodriguez—Mampifanaraka ny lesona mifototra amin’ny kolontsaina eo an-toerana

Miomana hampianatra lesona ahitana andinin-tsoratra masina momba an’i Maria Renin’i Jesoa Rahavavy Rodriguez. Misy kolontsaina hananana fahatsapana mafy sy finoana hafa momba an’i Maria eo amin’ny toerana onenan-dRahavavy Rodriguez. Maro mihitsy aza ny mitsaoka an’i Maria noho ny maha renin’i Jesoa Kristy azy. Rehefa mandalina ny lesona avy ao amin’ny fandaharam-pampianarana Rahavavy Rodriguez dia mitady hirika mety hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba an’i Maria. Manapa-kevitra Rahavavy Rodriguez hampifanaraka ny lesona amin’ny toe-javatra misy ka nanampy ireto fanontaniana roa manaraka ireto amin’izay efa misy ao amin’ny fandaharam-pampianarana:

“Manampy antsika hahatakatra inona momba an’i Maria ny Almà 7:10? Na manaja sy mitia an’i Maria sy ireo mpianatra mahatoky hafa ao amin’ny soratra masina aza isika, dia ahoana no anampian’ny Almà 7:11–13 antsika hahatakatra ny antony hitsaohatsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy irery ihany?”

Rahavavy Dube—Mampifanaraka ny lesona miainga amin’izay loharanom-pitaovana misy

Teo am-panomanan-dRahavavy Dube lesona iray dia tsikariny fa ny iray amin’ireo fanasana dia miompana amin’ny fikarohan’ny mpianatra ny razamben’izy ireo ao amin’ny FamilySearch.org. Fantany fa tsy mampiasa internet ny ankabeazan’ireo mpianany. Ampifanarahany amim-pahendrena amin’ny toe-javatra misy ilay fanasana ka asainy manomboka mameno taratasy ho an’ny vondrom-pianakaviana sy miresaka amin’ny mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasiny ny mpianatra mba hianatra ny fomba hahafahan’izy ireo mikaroka anaran’ny fianakaviana hafa.

Rahavavy Schmidt—Mampifanaraka lesona iray mba hampiasana teny nambara vao haingana kokoa avy amin’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana

Nandritra ny fanomanany lesona Rahavavy Schmidt dia namaky hatramin’ny farany ny lesona hampianariny ny ampitson’io. Raha namaky fanambarana avy amin’ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana izy tao amin’ilay lesona dia tsaroany ny teny nambara iray vao haingana kokoa izay afaka ny hanatratra io tanjona io ihany. Vao haingana izy no nandalina ilay lahateny nandritra ny fandalinany manokana ka tsaroany mazava tsara ilay izy. Manapa-kevitra izy ny hampiasa teny nambara vao haingana kokoa ao amin’ny lesony toy izay ilay teny nambara ao amin’ny fandaharam-pampianarana.

Rahalahy Li—Mampifanaraka sahanasa fianarana iray amin’ny toe-javatra misy mba hanatratrarana tsara kokoa ilay tanjona

Teo am-piomanana hampianatra lesona iray avy ao amin’ny fandaharam-pampianarana Rahalahy Li no namaky soso-kevitra iray mba hitondra baolina kitra iray ao an-dalikasy. Tsikariny fa ny tanjona amin’ilay lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia ny hanampy ny mpianatra hahita fa ny hasarobidin’ny baolina kitra iray dia mety hiova noho ny fahafantarana misimisy momba ny tantaran’izany.

Raha naniry ny hanatanteraka io tanjona io amin’ny fomba tena mahomby indrindra ho an’ireo mpianany izy dia misaintsaina kely ny amin’izay zavatra azony entina any an-dakilasy ka ho mora voarain’ireo mpianany. Manapa-kevitra ny hanamboatra ny lesona izy amin’ny fitondrana firavaka tsotra ao an-dakilasy. Rehefa avy mizara izay eritreretiny fa ho vidin’ilay firavaka dia hozarainy hoe iza no nanamboatra an’ilay firavaka ary nahoana ny fahalalana ny tantarany no mahatonga izany hanana vidiny betsaka kokoa aminy raha mihoatra amin’izay tokony ho vidiny.

Sosokevitra ho an’ny fanarahana sy ny fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy

Na dia azo ampifanarahana amin’ny toe-javatra misy aza ny fitaovana rehetra ao amin’ny fandaharam-pampianarana dia ity kisary manaraka ity dia maneho amin’ny fomba maro ny fomba mety kokoa hanamboarana ny fizarana sasany amin’ny lesona iray raha oharina amin’ny hafa.

Ohatra, ny tanjon’ny lesona, ny sahan-kevitry ny andinin-tsoratra masina, na fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina dia mety ho tsy dia tsara raha ampifanarahana amin’ny toe-javatra misy raha mitaha amin’ny fomba iantombohan’ny lesona na ireo ohatra izay mety hozarain’ny mpampianatra mombana fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina iray. Matetika ireo izay any amin’ny ilany ankavia kokoa no azo arahina kokoa, raha toa kosa ireo izay any amin’ny ilany ankavanana kokoa ka azo ampifanarahana amin’ny toe-javatra misy. Tadidio fa sosokevitra ireo. Tsy andrasana amin’ny mpampianatra ny hampifanaraka ny zava-drehetra eo amin’ny ilany ankavanana, tahaka ny tsy hiandrasana azy ireo hanaraka ny zava-drehetra eo amin’ny ilany ankavia.

Sary
Fanehoana an-tsary ny fomba ahafahan’ny mpampianatra iray mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy

Fehin-kevitra

Hitarika anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra rehefa mandalina ny teniny amim-bavaka sy manomana ireo lesona ianao mba hitahiana ireo zanany lahy sy zanany vavy. Izy dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hanarahana izay efa nomena ao amin’ny fandaharam-pampianarana sy hahatakatra hoe rahoviana no hanaovana fampifanarahana mba hanampiana tsara kokoa ny mpianatrao.

Hamoaka printy