Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana


“Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
zatovolahy mandalina soratra masina

Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana

Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana: Lamina arahina amin’ny fikatsahana sy fitadiavana valinteny avy amin’ Andriamanitra

Sary
I Jakoba sy i Serema

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Jakoba dia mitantara ny zavatra niainany tamin’ny fisiana lehilahy iray antsoina hoe Serema. Olo-mahay i Serema ary nampiasa teny manasohaso sy fahaiza-mandaha-teny izy mba hampanisasia fon’olona maro sy “[h]androdana ny fotopampianaran’i Kristy” (jereo ny Jakôba 7:2–4). Nohazavain’i Jakoba fa i Serema dia “[nitady] fatratra ny fomba hahatongavana aty amiko. … Ary nanana fanantenana izy ny hanozongozona ahy tamin’ny finoana” (Jakoba 7:3, 5). Noraketin’i Jakoba anefa hoe “tsy azo hozongozonina [aho]” (Jakoba 7:5). Noho ireo fiezahana tsy nitandroana hasasarana nataon’i Jakoba nandritry ny androm-piainany dia tsy nisy fanontaniana na toe-javatra afaka nanaisotra an’i Jakoba teo amin’ny fototra mafy orina naoriny teo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Sary
Meme maneho ny fijanonana ho mahatoky ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Amin’izao androntsika izao ny zatovon’ny Fiangonana dia miatrika fanontaniana sy toe-java-tsarotra maro izay manozongona ny finoan’izy ireo. Fomba iray hanomanana ny mpianatra hiatrika ireny fanamby ireny ny fifehezana fotopampianarana. Rehefa mahafehy fotopampianarana ny mpianatra dia ho vonona tsara kokoa izy ireo mba tsy ho azo hozongozonina amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Nizara izao manaraka izao tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota momba ny fifehezana fotopampianarana ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

[Ny fifehezana fotopampianarana] dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. …

Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ireo tanorantsika izany. Na izany aza, ny fahombiazan’ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fandaharam-pianarana hafa rehetra ao amin’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana), dia hiankina betsaka amin’ny ezaka ataonareo. (M. Russell Ballard, “Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 feb. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fandaharam-pampianarana

Ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ireo traikefa amin’ny fianarana mikasika ny fifehezana fotopampianarana dia ampidirina matetika mba hanampiana ireo mpianatra hanatratra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Ity fanehoana an-tsary manaraka ity dia maneho ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Sary
Tabilao maneho ny Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana

Manampy ny mpianatra hanatratra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana amin’ireto fomba telo manaraka ireto ny fandaharam-pampianaran’ny seminera:

  1. Lesona fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

  2. Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ampianarina ao anatin’ny sahan-kevitra miaraka amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy

  3. Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana

Tahaka ny mpihani-bato mila fitaovana mba hahatonga azy ho tafidina soa aman-tsara avy eny amin’ny rindrin’ny hady lalina mideza, ireo traikefa momba fianarana ireo dia hampirongo fahaiza-manao an’ireo mpianatra mba handiavany ireo fanontaniana sy toe-java-tsarotra amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
Meme maneho ireo fahaiza-manao hitetezana ireo fanamby

Lesona fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana sy ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Misy lesona dimy momba ny fifehezana fotopampianarana izay natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana sy hianatra momba ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Manamafy orina ny fototra ara-panahinao: Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana. Manome ny mpianatra topimaso amin’ny ankapobeny momba ny fifehezana fotopampianarana sy ny karazana traikefa amin’ny fianarana andrasan’izy ireo fa hanampy azy ireo hahafehy fotopampianarana. Tsara ampianarina any am-piandohan’ny taom-pianarana raha toa ka maro amin’ireo mpianatra no sambany vao hanao seminera na miditra eny an-tenantenan’ny -taom-pianarana.

  • Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 1 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

  • Manao asa am-pinoana mba hahitana valinteny: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 2 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka valiny amin’ny fanontaniany izy ireo. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

  • Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 3 Manampy ny mpianatra hahita ireo fotokevitra tahaka ny ahitan’i Jesoa Kristy azy kokoa rehefa mamakafaka azy ireny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny mpianatra. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

  • Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valinteny: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 4 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ampianarina ao anaty sahan-kevitra

Rehefa mampianatra lesona iray avy amina andalan-tsoratra masina izay ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia mitadiava fomba hanantitranterana ilay andinin-tsoratra masina. Ampianaro ao anatin’ny sahan-kevitra ilay andin-tsoratra masina ary mifantoha amin’ilay fotopampianarana ampianarin’izany. Hahita ity sary famantarana ity ianao isaky ny misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ny andinin-tsoratra masina tsirairay mba hahafahan’ny mpianatra mahita azy ireny mora foana any aoriana any.

Ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) dia mirakitra ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 ho an’ny taranja tsirairay avy. Ny torolalana fandrindram-potoana natanao dia mety tsy hahitana ny lesona rehetra izay miresaka momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao anaty sahan-kevitra, kanefa ny fotoana ianarana seminera efa mandeha, koa alaovy antoka ny mitady tranga azo araraotina mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina 24.

Rehefa alalinina ao am-pianarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia alaovy antoka ny manome fotoana ampy mba handalinana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hahafantaran’ny mpianatra sy hahatakarany izany. Ny lesona tsirairay izay misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ahitana soso-kevitra hoenti-manampy ny mpianatra hanazatra tena hitadidy ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho toy ny ampahany amin’ny lesona, sy hanazatra tena indray amin’ireo lesona ho avy. Ho ilain’ny mpianatra ny manazatra tena tsy tapaka mba hitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Ny “Hevitra momba ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana” dia ahitana sosokevitra ny amin’ny fomba mety ho azonao hanampiana ny mpianatra hanazatra tena hitadidy ireo andin-tsotra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Hita any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera izy io.

Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana

Hatao matetika, isaky ny efatra ka hatramin’ny enina herinandro eo ho eo, ireo lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana. Manome ny mpianatra fahafahana hanao ezaka hanatratrarana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana izy ireny. Misy fizarana roa ny lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana tsirairay avy:

  1. Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

  2. Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Ao amin’ny fizarana Famerenana fifehezana fotopampianarana, ny mpianatra dia hanazatra tena hanakatra sy hanazava fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana andin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, hitady ny toerana misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hitadidy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary hampihatra ny fotopampianarana hita ao amin’ireny andinin-tsoratra masina ireny. Na dia manan-danja sy tokony ho ampahany fahita tsy tapaka ao amin’ny traikefan’ny mpianatra amin’ny fianarana aza ireny famerenana ireny dia alamino tsara ny fotoam-pianarana mba ho ny ankamaroan’ny fotoana no homena ho an’ny fizarana Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Ny fizarana Mianatra sy mampihatra ireo Fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia tokony haka ny ankamaroan’ny fotoana ao amin’ireo lesona momba ny Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana. Io fizarana io dia manome ny mpianatra fahafahana hanazatra tena hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manomboka amin’ny tranga fanararaotra mba hamerenana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny fanazaran-tena tsirairay. Tsarovy fa, na dia efa mahafantatra tsara ireo fitsipika aza ny mpianatra iray na roa, dia mety mbola mila fotoana sy fanazaran-tena betsaka kokoa ny hafa. Ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hanampiana ny mpianatra rehetra ho lasa matoky tena amin’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Ny “Fandinihana ireo hevitra momba ny famerenana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy” dia ahitana soso-kevitra ny amin’ny fomba hamerenana ireny fitsipika ireny. Any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera no misy azy io.

Avy eo ireo mpianatra dia hampisehoana rafi-tantara izay maneho fanontaniana na toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahatakarana marina ny fotopampianarana marina manampy. Mba hamaliana ilay fanontaniana na ilay toe-javatra dia azon’ny mpianatra atao ny manazatra tena amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay nohalalinin’ireo mpianatra vao haingana.

Ilaina amin’ny fahombiazan’ny mpianatra amin’ny fifehezana fotopampianarana ny fanomezana azy ireo tranga fanararaotra maro mba hanazaran-tena. Eritrereto fa ny olona iray mianatra haiady fiarovan-tena dia mila fanazaran-tena be mba hahafahan’ny ozany mitadidy fihetsika. Manomana azy ireo hamaly ireo karazam-pamelezana samihafa izany. Sahala amin’izany, ireo mpianatra dia mila fanazaran-tena be amin’ny fifehezana fotopampianarana. Rehefa manao fanazaran-tena tsy tapaka ny mpianatra dia ho lasa zavatra mandeha ho azy sy voajanahary ny fiatrehana amim-pahatokiana ireo fanamby.

Sary
Meme maneho ny fanazaran-tena tsy tapaka

Mba hahitana ohatra amin’ny fizàrana mampihatra dia hevero ny hijery ny iray na izy roa amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Eo am-pijerenao izany dia tadiavo ny fomba hanampian’ny mpampianatra ny mpianatra hanazatra tena hampiasa ireo fitsipika telo rehetra amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

“Fizàrana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 3”

“Fizarana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 4”

Azonao atao ny manamboatra ireo rafi-tantara sy ireo fanontaniana atolotra na ireo sahanasa fianarana hafa raha ilaina mba hanomezana amin’ny fomba tsara kokoa ny zavatra ilain’ny mpianatra. Azonao ovaovana ihany koa ny filahatry ny fampiharan’ny mpianatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Alaovy antoka fa izay mety ho fanamboarana rehetra dia mbola manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy. Raha hampifanaraka ny rafi-tantara amin’ny toe-javatra misy dia ezaho tazonina ny fanontaniana na ny olana fototra ao amin’ilay rafi-tantara. Ireo fanontaniana na olana ifotoran’ny rafi-tantara tsirairay dia nalamina tamim-pahamalinana ho an’ireo efa-taona ianarana seminera.

Mba hahitana hevitra ny amin’ny fomba hanaovana fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy sahaza dia hevero ny hijery ny iray na mihoatra izany amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

“Fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny fifehezana fotopampianarana: manasa ny mpianatra hanao izay hahatonga ilay rafi-tantara hahakasika kokoa azy ireo.”

“Fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny fifehezana fotopampianarana: manova rafi-tantara mba hamaliana filàna manokana.”

“Fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny fifehezana fotopampianarana: manampy ny mpianatra hahita ny tenan’izy ireo ao anatin’ilay rafi-tantara.”

“Fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny fifehezana fotopampianarana: mamorona sahanasa mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ireo fitsipika telo rehetra.”

Ireo fahaiza-manao mba hampianarana amim-pahombiazana ny fifehezana fotopampianarana

Ireto fiofanana manaraka ireto dia mampianatra fahaiza-manao izay afaka manampy ny mpianatra hahafehy fotopampianarana. Mety hahomby raha hampidirina tsikelikely ireo fahaiza-manao ireo.

Fahaiza-manao: Hazavao ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana.

Mamaritra

Ny fizarana na ny fanasana ny mpianatra hizara ny antony hanaovana sahanasa momba ny fifehezana fotopampianarana dia afaka mandrisika ny mpianatra handray anjara ao amin’ilay sahanasa. Izany koa dia afaka manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra ny maha-zava-dehibe an’ilay sahanasa. Aorian’ny fizaranao ny zavatra hataon’ny iray kilasy, dia mizarà antony iray na roa hanaovanao ilay sahanasa na asao ny mpianatra mba hizara ny antony hiheveran’izy ireo fa mety hanampy ilay sahanasa.

Modely

“Ry mpianatra isany mandritra ny minitra vitsivitsy manaraka isika dia hanazava ny fotopampianarana nianarantsika avy ao amin’ny Lioka 2:10–12, dia ny hoe i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Ny antony iray hanaovantsika izany dia mba hanampiana antsika ho afaka ny hamaly amim-pahatokian-tena raha toa misy olona fantatsika manontany antsika hoe nahoana no manan-danja amintsika i Jesoa Kristy.”

Mba hahitana ohatra amin’ny fomba azo hanaovana izany dia jereo ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

“Mizara ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”

“Manampy ny mpianatra hahita antony iray hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”

“Manampy ny mpianatra hizara ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”

Manazatra tena

Misafidiana iray amin’ireto tari-dresaka manaraka ireto ary farano ny fehezanteny.

“Ndeha isika hanao sahanasa iray izay hanampy antsika hitadidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’ny andian-teny manan-danja. Ny antony iray hilofosantsika mba hitadidiana izany dia …”

“Ao anatin’ny minitra vitsivitsy manaraka dia handeha hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy isika. Ny fahafantarana ireo fitsipika ireo dia afaka manampy antsika mba …”

“Handeha hanao fanazaran-tena hampihatra ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy isika. Ny fampiasana ireo fitsipika ireo dia afaka …”

Mamakafaka

  • Inona no zavatra ianaranao rehefa manao fanazaran-tena manazava ireo antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana ianao?

Mampiditra fahalalana

Rehefa miomana hanasa ny mpianatra hanao sahanasa fifehezana fotopampianarana hanazaran-tena ianao dia manorata antony iray farafahakeliny hahatonga izany ho manan-danja ho an’ny mpianatra.

Fahaiza-manao: Asao ireo mpianatra hamerina handinika ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Mamaritra

Rehefa mamerina mandinika tsy tapaka ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy miaraka amin’ny mpianatrao ianao dia afaka manampy ny mpianatra ny Fanahy Masina mba hahatsiaro sy hampiasa ireo fitsipika amin’ny fotoana ilàna izany. Afaka manasa ny mpianatra ianao hamerina handinika ireo fitsipika ireo mialoha ny hizaranao rafi-tantara na mandritra ny fotoana handinihan’ny mpianatra ireo rafi-tantara. Ireo fanasana ireo dia ahitana fanomezana fahafahana ho an’ireo mpianatra hamerina handinika fitsipika iray farafahakeliny sy ireo torolalana momba ny halavam-potoana tokony hamerenan’izy ireo mandinika ilay fitsipika, ary fanomezana fahafahana azy ireo hizara ny zavatra nianarany. Hanana fahafahana tsara kokoa mba hampiasa ireo fitsipika ireo ao anatin’ny fampiharana ho fanazarana ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fanaovana izany. Mba hahitana hevitra ny amin’ny fomba anaovana izany dia jereo ny “Hevitra momba ny famerenana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy” any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera.

Modely

“Anio isika dia hamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Hizara ho vondrona telo isika. Ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona dia hamerina handinika fitsipika iray tsy mitovy amin’ny an’ny hafa.

“Manokàna telo hatramin’ny efatra minitra mba hamakiana sy hiomanana hizara amin’ny vondrona misy anao fomba iray ahafahan’ilay fitsipika iandraiketanao manampy olona iray izay miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra.”

Mba hahitana ohatra amin’ny fomba hanampiana ny mpianatra hamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia jereo ny “Omeo fahafahana hamerina ireo fitsipika telo rehetra amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra,” ChurchofJesusChrist.org.

Manazatra tena

Manorata fomba iray hafa mety azonao hanasana ny mpianatra hamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Mamakafaka

  • Inona no ianaranao momba ny fanomezana fanasana mba hahafahan’ny mpianatra mamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy?

Mampiditra fahalalana

Rehefa manomana ny lesonao manaraka momba ny fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana ianao dia alamino ny fomba hanasanao ny mpianatra hamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Fahaiza-manao: Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mamaritra

Aorian’ny famerenan’ny mpianatra mandinika ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia zarao amin’izy ireo ilay rafi-tantara ary asao izy ireo hanambara azy ireny amin’ny teniny manokana ao anatin’ny vondrona ary avy eo amin’ny iray kilasy izay fitsipika tsapan’izy ireo fa mety hanampy ao amin’izany rafi-tantara izany. Afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fahatokan-tenan’izy ireo amin’ny fampiasana ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny fanaovana izany.

Modely

Rehefa avy mamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy mampiditra ilay rafi-tantara, dia azonao apetraka ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • “Inona amin’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy no heverinao fa mety hanampy amin’ity rafi-tantara ity, ary nahoana?”

  • “Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao rehefa sendra fanontaniana mitovy amin’ilay ao amin’io rafi-tantara io ianao?”

Mba hahitana ohatra dia jereo ny iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto na izy roa izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

“Fizarana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 1”

Jereo tsara ao amin’ny “Fizarana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 1” fa ilay mpampianatra dia mampiseho io fahaiza-manao io any amin’ny manodidina ny mari-potoana 1:28.

“Fizarana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 2”

Jereo tsara ao amin’ny “Fizarana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 2” fa ilay mpampianatra dia mampiseho io fahaiza-manao io any amin’ny manodidina ny mari-potoana 2:25.

Manazatra tena

Manorata fanontaniana vitsivitsy azonao apetraka izay mety hanampy ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo hamaly ny namany ao anatin’ity rafi-tantara manaraka ity.

Vao tsy ela ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka no nahita misiônera anankiroa niresaka tamin’olona vitsivitsy tao amin’ny valan-javaboary. Nanontany anao ilay namanao hoe: “Fa maninona ireo misiônera avy ao amin’ny fiangonanareo no mivoaka mitory momba an’i Jesoa? Toa manery ny olon-kafa hanaraka ny finoanareo ianareo. Maninona no tsy avelanareo ho faly tsotra izao fotsiny izy ireo?”

Mamakafaka

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny mpianatra ny manambara amin’ny teniny manokana ny fomba mety hampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy?

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety hananan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ireo fiantraikany amin’ny fiainan’ny mpianatra?

Mampiditra fahalalana

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo sy ny olona hafa rehefa miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra?

Fehin-kevitra

Alaovy sary an-tsaina ny fomba ahafahan’ny mpianatrao mamaly fanontaniana na olana aorian’ny filofosana tsy ankiato mba hanatratrarana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny seminera. Amin’ny voalohany dia mila fanampiana sy fanohanana bebe kokoa avy aminao amin’ny maha-mpampianatra anao ireo mpianatra mba hampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mitaky fotoana ny hahafan’ny mpianatra mifehy fotopampianarana sy ho lasa matoky tena amin’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Kanefa, rehefa manohy manome fahafahana tsy tapaka ny mpianatra hanao fanazaran-tena ianao dia ho lasa mandeha ho azy ny fanaovan’ny mpianatra izany. Izany no fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatrao hanorina mafy ny fototr’izy ireo eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy sy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo Aminy sy ny fotopampianarany.

Hamoaka printy