Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana


“Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
Kilasin’ny seminera

Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana

Teny fanolorana

Ny fitsapam-pahaizana dia ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitsapam-pahaizana raha nanoritsoritra ny anjara toerana tazonin’ny fitsapam-pahaizana eo amin’ny fianarana izy.

Sary
Loholona David A. Bednar

Tena manan-danja tanteraka amin’ny fianarana ny fanaovana fitsapam-pahaizana matetika. Ny fitsapam-pahaizana mahomby dia manampy antsika hampitaha izay zavatra ilaintsika fantarina amin’izay efa fantatsika marina momba ny lohahevitra iray manokana. Manolotra fenitra izay ahafahantsika mandrefy ny fianarantsika sy ny fivoarantsika ihany koa izany (David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 8).

Ny fitsapam-pahaizana ao amin’ny seminera dia manatratra tanjona mitovitovy amin’ny tanjon’ireo fitsapam-pahaizana any am-pianarana. Ny fitsapam-pahaizana dia afaka manampy ireo mpianatra haneho ny fahalalany ara-panahy sy ny fahatakarany ary ny fanoloran-tenany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo karazana fitsapam-pahaizana mitondra fanabeazana ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny zavatra ianarany sy ny fivoarany.

Sary
Meme maneho ny famantarana hoe mianatra ny olona iray ary mivoatra izy

Ny famantarana hoe mianatra ny mpianatra ary mivoatra izy ireo dia afaka ny ho traikefa ahitam-balisoa sy mandrisika ho an’ny mpianatra. Izany dia mitovitovy amin’ny mpihazakazaka iray tia fanamby izay mahita ny faharetan’ny fotoana ihazakazahany eo amin’ny fanisam-potoana (chronomètre) na ny zazakely iray mahita ny fitombony eo amin’ny tabilao fandrefesana halavana. Matetika ny mpianatra no mety tsy hahatsikaritra ny fivoaran’izy ireo raha tsy misy fahafahana tsy tapaka mba hanombanana ny fiainarany. Na dia ireo fahafahana mahita ny fivoarana misy eo amin’izy ireo aza, na ny mahita ny fitotonganan’ny fivoaran’izy ireo aza dia afaka ny ho zava-manan-danja amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Afaka manasa fanambarana ho an’ny tena manokana kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo sy manampy ireo mpianatra hamorona drafitra ho amin’ny fivoarana sy ny fianarana amin’ny ho avy ny fitsapam-pahaizana tsy tapaka. Ny ohatra sasantsasany amin’ny asa fanombanana ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera dia ahitana ireo lesona “Tombano ny fianaranao” sy ireo fanazaran-tena momba ny fifehezana fotopampianarana. Ity fiofanan ity dia hifantoka amin’ireo sahanasa fitsapam-pahaizana hita ao amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao.

Lesona momba ny Tombano ny fianaranao

Ho hitanao tsindraindray manerana ny fandaharam-pampianarana seminera ireo lesona Tombano ny fianaranao. Ireo lesona ireo dia voalahatra isaky ny efatra na enina herinandro ary manome fahafahana ny mpianatra hanombana ny tenan’izy ireo raha mifototra amin’ny vokatra andrandraina amin’ny taranja. Ireny vokatra andrandraina amin’ny taranja ireny dia manampy ny mpianatra:

  • Hanazava ny fotopampianarana nianaran’izy ireo.

  • Handinika ireo fahatsapany sy ny fihetsiny ary ny faniriany izay mifandray amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Hanombana ny drafitra na ny tanjona ezahan’izy ireo tratrarina amin’izao fotoana izao mba hampiharana ny zavatra ianaran’izy ireo sy hampiorim-paka ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Mety hanampy ny maka fotoana hijerena ny iray na ny maromaro amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao mba hahalalana tsara azy ireny. Rehefa mijery lesona iray na roa ianao dia jereo tsara fa mitovy amin’ny ankapobeny ny fiantombohan’ny lesona tsirairay, izay manome ny mpianatra tranga fanararaotra hizarana ny zavatra nianaran’izy ireo vao haingana avy tamin’ny fandalinany manokana ny soratra masina, niaraka tamin’ny fiainakaviany, nandritra ireo fivoriam-piangonana, na tamin’ny seminera. Jereo avy eo ny sahanasa fitsapam-pahaizana tsirairay ao amin’ny lesona Tombano ny fianaranao. Ifantohy manokana ny endriky ny sahanasa fitsapam-pahaizana tsirairay:

  • Ialoavan’ny lohateny izay manambarana ny vokatra andrandraina amin’ny taranja.

  • Manondro ny traikefa amin’ny fianarana avy tamin’ireo lesona teo aloha ao amin’ny fandaharam-pampianarana.

  • Manome ny mpianatra fahafahana hanao zavatra izay ahafahan’izy ireo maneho ny fahatakarany ny zavatra ianarany.

Sary
Meme maneho ny fahafantarana mazava tsara ny vokatry ny fianarana

Manan-danja ny mitadidy fa ny fianaran’ny mpianatra dia azo hafainganina rehefa mahatakatra tsara ny vokatra avy amin’ny sahanasa fianarana iray ary omena tranga fanararaotra izy ireo mba hanehoany ny fahatakarany ny zavatra ianarany. Mety hanampy haneho izany ny fifanahafana iray. Raha mianatra ny fomba fitifirana amin’ny alalan’ny fampiasana tsipìka sy zana-tsipìka iray ny ankizy iray dia mila tarigetra hokendrena izy ary mila fiofanana ihany koa ny amin’ny fomba fametrahana ny zana-tsipìka, fihazonana ny tsipìka sy ny fikendrena ary ny famotsorana izany. Raha ohatra ka tsy nomena fahafahana mihitsy izy hanandrana hitifitra amin’ny zana-tsipìka dia tsy ho fantany na oviana na oviana raha nianatra izy na tsia. Rehefa mamotsotra ilay zana-tsipìka ihany izy vao mahita mazava tsara raha toa ka tratrany ilay tarigetra na tsia. Mitovy amin’izany ihany koa ny traikefa amin’ny fianarana ao amin’ny filazantsara. Mila fampianarana sy fanampiana ny mpianatra saingy mila fahafahana azo araraotina ihany koa izy ireo mba hanehoany ny fahatakarany ny zavatra ianarany. Mila mifandray mazava tsara amin’ny vokatra ny fomba hanehoan’ny mpianatra ny fahatakarany ny zavatra ianarany. Ny traikefa amin’ny fianarana rehetra ao amin’ny fandaharam-pampianarana dia novolavolaina tamim-pieritreretana izany, kanefa mbola aseho miharihary kokoa aza izany ao amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao. Hevero ny hizara amin’ny mpianatra ireo vokatry ny fianarana ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo lesona.

Ireo mpampianatra sy mpiara-mianatra dia afaka ny ho loharano entina manampy ny mpianatra hamantatra mazava tsara raha toa ka mianatra izy ireo na tsia. Ianao amin’ny maha mpampianatra anao dia afaka maneho hevitra ny amin’ny fivoarana mitranga eo amin’izy ireo na ny ezaka mila hatao. Azonao atao ny mikaroka hevitra na mizara zavatra niainana avy amin’ny fiainanao manokana. Ataovy ao an-tsaina anefa fa tsy zavatra tokony andrandraina ny hanaovan’ny mpianatra tatitra ny tanjony na ny fikasany aminao na amin’ny iray kilasy. Mety ho tena mahakasika ny tena manokana ny sasany amin’ireo tanjona sy drafitra ireo. Mety hisy fotoana anefa izay hampahazo aina ny mpianatra iray hizara ny drafiny na ny tanjony aminao. Mifampidiniha amin’ny mpianatra rehefa mety ny hanaovana izany. Mety hisy fotoana hafa kosa tokony hanasana ny mpianatra iray hanatona ny ray aman-dreniny, ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy.

Ny sasany amin’ireo sahanasa ao amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao dia novolavoloina mba hahafahan’ny mpianatra mizara ny heviny sy ny traikefany amin’ny mpiara-mianatra aminy raha toa kosa ny sahanasa hafa ka mahakasika ny tena manokana kokoa. Ohatra, rehefa manazava fotopampianarana ny mpianatra dia mety ho fotoana tsara izany hiarahan’izy ireo miasa amin’ny fanazaran-tena manazava na milalao an-tsehatra. Rehefa manombana ny fahatsapany sy ny fihetsiny ary ny faniriany ny mpianatra dia sahanasa miompana amin’ny fandinihan-tena manokana angamba no mety kokoa.

Sary
Meme maneho ny fanananao mandrakariva ny Fanahy Masina ho namanao

Ny manan-danja indrindra dia rehefa mampianatra ireo lesona ireo ianao, dia asao ny mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy misy namana tsara kokoa noho ny Fanahy Masina hanampy ireo mpianatra hahita mazava ny fomba ianarany sy ny fivoarany eo amin’ny lalany miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Omeo fahafahana tsy tapaka ny mpianatra mba hikatsahana ny fanampian’ny Fanahy Masina amin’ny fanombanana ny fianaran’izy ireo sy ny fivoarany amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Isa tratrarina isa-taranja ho an’ny fitsapam-pahaizana

Mila mandray anjara amin’ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao iray farafafahakeliny ny mpianatra mandritry ny antsasaky ny taranja mba hahazoana isa tratrarina hahazoana marim-pankasitrahana amin’ny seminera.

Raha tsy manatrika na dia iray aza amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao ny mpianatra mandritry ny vanim-potoam-pianarana, dia mila mampianatra azy ireo ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao mifanentana amin’izany izay hita any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera ianao. Ny “Tombany ny fianaranao, tapany 1” dia afaka manome ny mpianatra fahafahana hanarina ny fitsapam-pahaizana tamin’ny tapany voalohany amin’ny fotoam-pianarana. Ny “Tombano ny fianaranao, tapany 2” dia afaka manome ny mpianatra fahafahana hanarina ny fitsapam-pahaizana tamin’ny tapany faharoa amin’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hirakitra ny valintenin’izy ireo amin’ny tsirairay avy amin’ireo sahanasa fitsapam-pahaizana. Amporisiho ihany koa izy ireo hizara ny valinteniny raha toa ka tsy mahakasika manokana ray na reny, na iray tam-po, na mpitarika ato amin’ny Fiangonana izany. Io tranga ahafahan’ny mpianatra mizara io dia mamela ny Fanahy Masina hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy manasa azy ireo hanao dingana fanampiny eo amin’ny sehatry ny maha-pianatra azy ireo izay mifototra amin’i Kristy. Rehefa mamerina izany aminao izy ireo dia azonao atao koa ny manasa azy ireo hizara ny iray na ny roa amin’ireo valinteniny raha toa ka tsy mahakasika ny tenany manokana be loatra izany.

Mampifanaraka amin’ny toe-javatra misy ireo lesona Tombano ny fianaranao

Indraindray ianao dia mety mila hampifanaraka ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao amin’ny toe-javatra misy. Noho ny fandaharam-potoana any an-tsekoly dia mety ho tsy nianatra lesona iray izay mifandray amin’ny lesona iray momba ny Tombano ny fianaranao ny mpianatra. Mety nisy fotoana ihany koa izay nampanan-danja tokoa ny fahamarinana iray tamin’ny mpianatra saingy tsy nampianarina tao amin’ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao izany. Amin’ireny tranga ireny dia mety hanapa-kevitra ny hanolo ny iray amin’ireo sahanasa ao amin’ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao amin’ny sahanasa iray izay foroninao ianao mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fahatakarany na ny fivoarany mahakasika izany lohahevitra izany.

Ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy anao hampifanaraka amin’ny toe-javatra misy na hamorona asa fanombanana mahomby.

  • Dingana 1: Atombohy amin’ny famantarana ny tanjon’ny lesona tianao hanaovana fitsapam-pahaizana.

    Ny tanjon’ny lesona tsirairay dia voatanisa ao anatin’ny fehezanteny farany amin’ny andiam-pehezanteny fampidirina an’ilay lesona sy ao amin’ny tahirin-kevitry ny topimaso ho an’ilay herinandro.

  • Dingana 2: Diniho izay azon’ny mpianatra atao mba hanombanana ny fivoarany sy ny fianarany mahakasika io tanjon’ny lesona io. Ohatra amin’izany ireto manaraka ireto:

    • Fahatakarana: Azon’ny mpianatra atao ny mampianatra na manazava fotopampianarana iray am-bava na an-tsoratra. Azo atao amin’ny fomba samihafa izany; toy ny manome valin-teny mahakasika rafi-tantara na tari-dresaka hoenti-manoratra ao anaty diary.

    • Fahatsapana, fihetsika na faniriana: Mety ho efa nasaina hanombana ny fahatsapany, ny fihetsiny, na ny faniriany tamin’ny alalan’ny fanoratana anaty diary, ny famaliana fanadihadihana na fomba hafa ny mpianatra tamin’ny lesona teo aloha. Raha efa nitranga izany dia azo asaina hanao izany sahanasa izany indray ny mpianatra. Azon’izy ireo ampitahaina amin’ny valin-tenin’izy ireo nandritry ny lesona Tombano ny fianaranao ny valin-tenin’izy ireo tamin’ny lesona teo aloha.

    • Fampiharana: Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny zavatra nahasarika azy ireo hatao na ny drafitra iray noforoniny tao amin’ny lesona. Azon’izy ireo atao avy eo ny mandinika ny fomba nampiharany ny drafiny. Afaka mizara ny zavatra niainany ny mpianatra vitsivitsy izay mazoto hanao izany raha toa ka tsy mahakasika loatra ny tena manokana izany. Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny mampiseho ny zavatra nianaran’izy ireo, toy ny fampiasana ny application “Arbre Familiale de FamilySearch” na ny fampiasana ny fahaizana mandalina ny soratra masina.

Miezaha mitady fomba hahatonga ireo sahanasa ho manan-danja sy mahafinaritra. Manomeza fotoana betsaka mba hahafahan’ny mpianatra misaintsaina sy manombana ny fivoarany. Tsy tokony hitarika ny mpianatra hampitaha ny fivoarany amin’ny an’ny olon-kafa ny sahanasa fa hanampy azy ireo hanombana ny zavatra niainany manokana. Mety ho diso fanantenana amin’ny fivoarany ankehitriny ny mpianatra sasany. Ampio izy ireo hahatakatra fa tsy tokony hoheverina ho fiafarana mihitsy ireny fitsapam-pahaizana ireny. Fa tokony hamporisihina foana kosa ny mpianatra handinika ny mety ho dingana manaraka amin’ny fianarany na ny fivoarany ary ny fomba hahafahany mitodika amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana.

Fanamarihana: Afaka manatsara ireo lesona manaraka momba ny Tombano ny fianaranao ny mpampianatra seminera amin’ny alalan’ny fampidirana sahanasa fitsapam-pahaizana mifandray amin’ireo sokajin-desona fiomanana hiatrika fiainana izay nohalalinin’ny mpianatra vao haingana nandritry ny seminera. Azon’izy ireo atao ny mampiditra ireo sahanasa ireo ao amin’ireo lesona Tombano ny fianaranao na manolo ireo fitsapam-pahaizana efa misy. Afaka mahita sosokevitra mombana fitsapam-pahaizana ho an’ny tsirairay avy amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ianao ao amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera.

Fehin-kevitra

Sary
Meme maneho Fitoeran-javatra sy afo

Nankahery ireo mpampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba “[hahatsiaro] fa ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Fa ny mpianatra dia afo ilaina arehitra.” (“Anjely sy fahagagana” [Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jona 2019, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Fomba manan-danja hamporisihana ny mpianatra amin’ny fianarany ireo tranga fanararaotra ananan’ny mpianatra izay tafiditra ao anatin’ireo sahanasa fitsapam-pahaizana mandritry ny seminera. Afaka manampy mandrehitra faniriana ao amin’ny mpianatra ireny mba hampiorim-paka ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny fanomezana tranga fanararaotra ny mpianatra hanazava fotopampianarana; hisaintsaina ny fihetseham-pony sy ny toe-tsainy ary ny faniriany; ary handinika ireo drafitra na tanjona izay ezahiny atao dia hanampy azy ireo hiezaka amin’ny nahim-po kokoa mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy kokoa.

Hamoaka printy