Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana


“Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
lehilahy miasa eo amina solosaina

Tovana

Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana

Teny fampidirana

Ao amin’ny seminera ireo mpianatra dia mandalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’Ireo lesona handalinana soratra masina sy Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ireo sokajy samihafa mifandray amin’ireo karazana lesona ireo.

Sokajina Lesona handalinana soratra masina

Sokajina Lesona fiomanana hiatrika fiainana

Sokajina Lesona handalinana soratra masina

  • Ireo lesona mifandray amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy isan-kerinandro

  • Tombano ny fianaranao

  • Fampiharana ny fifehezana fotopampianarana

Sokajina Lesona fiomanana hiatrika fiainana

  • Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako

  • Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

  • Ho zatovo mahery!: Manao safidy

  • Manorina fizakan-tena

  • Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo

  • Miomanana ho amin’ny fianarana sy asa amin’ny ho avy

  • Mahomby any am-pianarana

  • Fiomanana ho misiônera

  • Fiomanana ho any amin’ny tempoly

  • Fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana

Rehefa mamorona fandrindram-potoana dia mety hananosarotra ny hahafantatra hoe rahoviana sy isaky ny oviana no hanokana fotoana hampianarana ireo karazana lesona ireo mandritry ny taona. Ity fiofanana ity dia natao hanomezana tari-dalana ho an’ireo mpiandraikitra ny fandaharam-pampianarana sy ireo mpandrindra ary ireo mpampianatra amin’ny famoronana fandrindram-potoana, izay hanome antoka fa voalanjalanja araka ny tokony ho izy ny fampianarana ireo sokajin-desona ireo.

Fitsipika arahina rehefa mamorona torolalana fandrindram-potoana

Ireto fitsipika efatra ireto dia afaka manampy hahatakatra sy tsy ho very rehefa mamorona torolalana fandrindram-potoana.

Fitsipika 1: Araho ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy isan-kerinandro rehefa mandrindra ny fotoana hampianarana Ireo lesona handalinana soratra masina.

Ireo votoatiny amin’Ireo lesona handalinana soratra masina dia natao hifanaraka amin’ny zavatra ianaran’ny mpianatra manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany any an-tokantrano. Noho izany, amin’ny ankapobeny ireo mpampianatra dia mampianatra Ireo lesona handalinana soratra masina arak’izay fandaharam-potoana ao amin’ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy amin’ilay herinandro itsahana. Indraindray Ireo lesona handalinana soratra masina dia azo ampianarina ao amin’ny seminera rehefa tsy mifanandrify amin’ny fandrindram-potoanan’ny Avia, hanaraka Ahy kanefa tokony ho mahalana ireny tranga maningana ireny, ary ny mpampianatra dia tokony hisoroka ny fampianarana lesona izay lasa taraiky na lasa aloha loatra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Fitsipika 2: Arindrao araka ny tokony ho izy ny fotoana ampianarana isan-kerinandro Ireo lesona handalinana soratra masina.

Manan-danja amin’ny traikefa ao amin’ny seminera Ireo lesona handalinana soratra masina (anisan’izany ny Fanazaran-tena momba ny fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao) ary Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Ezaho mafy ny handanjalanja tsara ny fomba handrindranao ny fotoana hampianarana ireo lesona ireo isan-kerinandro. Ohatra, amin’ny ankapobeny amin’ireo fandaraham-pianarana izay mianatra in-dimy isan-kerinandro dia mazàna no lesona handalinana soratra masina anankitelo sy lesona fiomanana hiatrika fiainana anankiroa no ampianarina.

Sary
Tabilao ahitana ny fandanjalanjana aroso amin’ny ankapobeny

Mety hisy herinandro sasany izay hampety ny hanovana ity fandanjalanjana aroso ity. Ohatra, mandritry ny taranja Bokin’i Môrmôna, ireo mpampianatra dia tokony hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’Ireo lesona handalinana soratra masina mandritry ny herinandro ampianaran’izy ireo momba ny fisehoan’ny Mpamonjy voarakitra ao amin’ny 3 Nefia. Mety hisy herinandro hafa hahafahan’ny mpampianatra mivalampatra kokoa amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Mba hanampiana ireo mpampianatra sy ireo mpiandraikitra ny fandaharam-pampianarana amin’ny fandraisana ireny fanapahan-kevitra ireny, dia indraindray ny fandaharam-pampianarana no ahitana lesona handalinana soratra masina roa na efatra isan-kerinandro fa tsy telo ohatra ny mahazatra. Ny herinandro tahaka ireny dia afaka manampy anao hahafantatra ny fotoana tokony hanantitranterana kokoa Ireo lesona handalinana soratra masina na Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Rehefa latsaky ny anankitelo Ireo lesona handalinana soratra masina dia azonao atao ny mampianatra misimisy kokoa lesona fiomanana hiatrika fiainana mandritra izany herinandro izany. Raha toa ka maherin’ny telo ny isan’Ireo lesona handalinana soratra masina dia afaka mampihena ny fotoana hanaovana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana mandritra izany herinandro izany ianao.

Kanefa ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hampianarana ny tsirairay avy amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana mandritry ny taom-pianarana. Hita any aorinan’Ireo lesona handalinana soratra masina Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ao amin’ny boky torolalana.

Afaka hanampy anao hanapa-kevitra momba ny fotoana harindra mba hampianarana ireo sokajin-desona fiomanana hiatrika fiainana ireto tari-dalana manaraka ireto.

  • Mandamina fotoana hanaovana Lesona fiomanana hiatrika fiainana ampianarina mitovy isa ho an’ny antsasaky ny taranja tsirairay. Hanampy ny mpampianatra hampifandanja Ireo lesona handalinana soratra masina sy Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana izay hampianarina mandritry ny taona izany.

  • Alaovy antoka fa mitovy Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ampianarin’ireo mpampianatra iandraiketanao mandritry ny antsasaky ny taranja iray. Hanampy hisoroka ny fiverenan’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana hianaran’ny mpianatra izany raha miova mpampianatra izy ireo aorian’ny famitany ny antsasaky ny taranja.

  • Araho ireo toromarika omen’ireo vondromparitra, faritra, na programa eo an-toerana. Mety hanome tari-dalana momba ny fotoana hampianarana ny sasany na ny rehetra amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo vondromparitra, faritra, na programa eo an-toerana.

  • Jereo ireo soso-kevitra ho an’ny fandrindram-potoana ao amin’ireo fizarana Topimaso ho an’ny tsirairay avy amin’reo sokajin-desona fiomanana hiatrika fiainana. Ahitana soso-kevitra ho an’ny fandrindram-potoana ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo sokajin-desona fiomanana hiatrika fiainana, izay hita ao amin’ny fizarana “Topimaso” ao anatin’izany. Afaka hanampy anao hanapa-kevitra momba ny fotoana tsara indrindra mety hampianarana ny sasany amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo soso-kevitra ireo. Ohatra, ao min’ny topimason’ny “Fiomanana amin’ny fianarana sy asa” dia misy soso-kevitra aroso mba hampianarana ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Ny maha-zava-dehibe ny fianarana” any amin’ny voalohandohan’ny taom-pianarana. Ireo fizarana “Topimaso” ihany koa dia manome tari-dalana momba ny sasantsasany amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana izay mahomby kokoa rehefa ampianarina mifanesy na mifanakaiky.

  • Fantaro hoe inona avy ireo fotoana ao anatin’ny taona izay mety hahazon’ny mpianatra tombontsoa be indrindra avy amin’ny sasantsasany amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Mety hisy fotoana hahatsara indrindra ny hampianarana ny sasantsasany amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ao anatin’ny taona. Ohatra, mety ho any amin’ny faramparan’ny taom-pianarana no fotoana tsara indrindra hampianarana ireo Lesona fiomanana ho misiônera raha toa ka misy mpianatra handeha hitory filazantsara tsy ho ela ao amin’ny kilasin’ny seminera iray. Na azo ampianarina mandritry ny fotoana iray ao anatin’ny taona izay hiatrehan’ny mpianatra rarin-tsaina bebe kokoa ny sasany amin’ireo lesona momba ny Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po.

  • Fantaro hoe inona avy Ireo lesona handalinana soratra masina izay mifandray amin’ny iray amin’ireo sokajin-desona fiomanana hiatrika fiainana. Matetika Ireo lesona handalinana soratra masina no ahitana votoatiny izay mifameno amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Ohatra, azonao atao ny mandrindra ny fotoana hampianarana ireo lesona momba ny Fiomanana ho any amin’ny tempoly mba hifanakaiky amin’ny fotoana ampianarana ireo andalan-tsoratra masina izy mifantoka amin’ny tempoly, toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95; 109–10; 124; 127–28; Eksodosy 35–40; na 1 Mpanjaka 6–9.

Fitsipika 3: Tokony hanana fahafahana tsy tapaka ny mpianatra mba handinihana sy hizarana ary hanehoana ny fahatakarany ny zavatra ianarany.

Ny fandaharam-pampianarana dia ahitana lesona momba ny Tombano ny fianaranao sy Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana, izay misy matetika manerana Ireo lesona handalinana soratra masina. Singa manan-danja amin’ny traikefan’ny mpianatra ao amin’ny seminera ireny. Ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao dia manome fahafahana an’ireo mpianatra hanazava fotopampianarana fototra sy handinika ny fivoaran’izy ireo ara-panahy. Isan’ny zavatra takina hahazoan’ny mpianatra ny isa tratrarina amin’ny seminera ihany koa ny fandraisana anjara amin’ireny lesona ireny. Ireo lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana dia manome fahafahana ny mpianatra hiezaka hanatratra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana.

Rehefa mamorona ny torolalana fandrindram-potoanao ianao dia aza dinganina ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao na ny Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana izay mitranga rehefa misy ny fianarana seminera. Kanefa tsy voatery afindranao ny fotoana ampianarana ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao na ny Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana izay hitranga mandritry ny fotoana tsy handehanan’ny mpianatra any am-pianarana toy ny amin’ireo fotoam-pialantsasatra.

Fitsipika 4: Arindrao ny fotoana ampianaranao Ireo lesona handalinana soratra masina izay hanaovanao fitsapam-pahaizana rehefa any aorina any.

Amin’ireo herinandro sasany dia mety hisy lesona handalinana soratra masina maro kokoa izay azo ampianarina ankoatra ny amin’ireo andro ampianarana azy ireny. Noho izany dia matetika no mila mandray fanapahan-kevitra ny amin’izay lesona handalinana soratra masina hampianarina. Rehefa mandray fanapahan-kevitra dia ataovy lohalaharana Ireo lesona handalinana soratra masina izay (1) mifandray amin’ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao izay horesahana sy (2) ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azo inoana fa ireo lesona handalinana soratra masina manan-danja indrindra sy mifono fotopampianarana mafonja indrindra no ho voalahatra anaty fandaharam-potoana noho ny fanaovana izany.

Afaka hanampy anao hamantatra Ireo lesona handalinana soratra masina izay mifandray amin’ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao sy ny Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana izao manaraka izao:

  • Fantaro hoe inona avy Ireo lesona handalinana soratra masina izay mifandray amin’ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao. Matetika ireo sahanasa avy amin’Ireo lesona handalinana soratra masina isan-karazany no voalaza ao amin’ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao. Afaka manampy anao tsy hanadino Ireo lesona handalinana soratra masina izay tokony hataonao lohalaharana ao amin’ny torolalana fandrindram-potoananao ny famakiana hatramin’ny farany ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao.

  • Mamantatra Ireo lesona handalinana soratra masina misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 ny fandaharam-pampianaran’ny seminera isan-taona. Hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Raha toa ka efa mianatra ny mpianatra amin’ny fotoana hanaovana Ireo lesona handalinana soratra masina izay misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia tokony hampianarina ireny lesona ireny. Kanefa tsy voatery ampianarina Ireo lesona handalinana soratra masina izay misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana raha toa ka mipoitra ireny lesona ireny kanefa tsy mianatra any am-pianarana ny mpianatra, izany hoe mandritry ireo fotoam-pialan-tsasatra.

Ohatra maneho ireo dingana arahina momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana

Misy fomba maro samihafa azonao hamoronana torolalana fandrindram-potoana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipika voatanisa etsy ambony. Ohatra, azonao atao manaraka izao filaharana izao ny torolalana fandrindram-potoananao:

  1. Mandrindrà fotoana ampianarana Ireo lesona handalinana soratra masina izay ahitana:

    • Lesona momba ny Tombano ny fianaranao.

    • Lesona momba ny Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana.

    • Ireo lesona handalinana soratra masina izay manomana ny mpianatra amin’ny iray amin’ireo lesona voatanisa etsy ambony.

  2. Mandrindrà fotoana ampianarana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.

  3. Asio fanamboarana araka izay ilaina.

Fandinihana trangan-javatra

Mpampianatra seminera vao maraina Rahavavy Mendoza. Mamorona torolalana fandrindram-potoana ho an’ny taranja Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay hanomboka amin’ny volana janoary izy sy Rahalahy Amasio, mpandrindra ny seminera. Toy izao manaraka izao ny fomba nahafahan-dRahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio nampiasa ny telo tamin’ireo dingana voatanisa tetsy ambony nentina namoronana ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo.

Dingana 1: Mandrindra fotoana ampianarana Ireo lesona handalinana soratra masina

Nandrindra fotoana hampianarana ireo lesona handalinana soratra masina mandritra ireo herinandro ianarana seminera no nentin-dRahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio nanomboka ny famoronana ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo. Naka antoka izy ireo fa mifanaraka amin’ny votoatin-desona halalinina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ny fomba nandrindrany ny fotoana hanaovana ireo lesona.

Nojeren’izy ireo manontolo Ireo lesona handalinana soratra masina ka hitany hoe inona avy ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao sy ireo lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana hita ao anatin’ny antsasaky ny taranja avy. Tsikaritr’izy ireo fa lesona momba ny Tombano ny fianaranao miisa dimy no hatao rehefa mianatra (any am-pianarana) ny mpianatra: roa mandritry tapany voalohany amin’ny taom-pianarana ary ny telo kosa mandritry ny tapany faharoa.

Avy eo dia nahatsikaritra Rahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio fa lesona dimy momba ny Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana no hatao mandritry ny fotoana ianarana seminera: telo any amin’ny tapany voalohany amin’ny taom-pianarana ary ny roa kosa any amin’ny tapany faharoa.

Avy eo dia nojeren-dRahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio manontolo ny tsirairay avy tamin’ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao izay nataon’izy ireo tao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo. Noraisin’izy ireo an-tsoratra Ireo lesona handalinana soratra masina hifantohan’ireo sahanasa fitsapam-pahaizana tsirairay avy. Nasian’izy ireo fanamarihana (*) ao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo, eo akaikin’ny tsirairay avy amin’ireo lesona ireo, mba hahafahan’izy ireo manantitrantitra azy ireny araka ny tokony ho izy sy hampahafantarana ny mpianatra hoe inona no sahanasa hanaovan’izy ireo fanaraha-maso any aorina any.

Manarak’izany dia nofantarin-dRahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 ho an’ilay taranja. Hitan’izy ireo fa andinin-tsoratra masina miisa 11 no tafiditra ao amin’ireo lesona izay hampianarina mandritry ny fotoam-pianarana seminera, amin’ny tapany voalohany amin’ny taom-pianarana ary 7 monja no hampianarina mandritry ny tapany faharoa. Nanapa-kevitra izy ireo ny hanao ny lohatenin’ny tsirairay avy amin’ireny lesona ireny amin’ny endrika soratra matevina ao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo mba hahafahan-dRahavavy Mendoza mahafantatra hoe rahoviana izy no tokony hanantitrantitra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny lesona.

Dingana 2: Mandrindra fotoana ampianarana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana

Rehefa vitan’izy ireo ny nandrindra fotoana hampianara Ireo lesona handalinana soratra masina rehetra dia nanomboka nandrindra fotoana hampianarana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana tao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo ihany koa Rahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio.

Efa nomen-dRahalahy Amasio an’ireo mpampianatra rehetra iandraiketany, tany aloha tany, ny tari-dalana momba izay lesona fiomanana hiatrika fiainana tokony hampianarina mandrindra ny tsirairay avy amin’ireo antsasaky ny taranja. Nanome io tari-dalana io izy mba hakana antoka fa tsy misy zavatra miverimberina ao amin’ny Lesona fiomanana hiatrika fiainana tokony hampianarina mandrindra ny tsirairay avy amin’ireo antsasaky ny taranja. Tsapany fa ho manan-danja manokana izany raha toa ka misy mpampianatra iray hafa hantsoina mba hampianatra ny antsasany faharoa amin’ny taranja.

Voalahatra araka izao ny toromarika nomen-dRahalahy Amasio.

Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana izay notapahany fa hampidirina ao amin’ny antsasany voalohany amin’ny taranja:

  • Fifehezana fotopampianarana: Mitady valiny ho an’ireo fanontaniako (ireo lesona dimy rehetra)

  • Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina (ireo lesona dimy rehetra)

  • Mahomby any am-pianarana (ireo lesona efatra rehetra)

  • Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po (Ireo lesona fito rehetra)

  • “Fiomanana ho amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” (ampianarina mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily)

  • “Mandalina ny hafatra avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo” (ampianarina any amin’ny voalohandohan’ny taranja)

  • Hafatra valo avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, ka mampiasa ny “Modely: Fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana” (voatsinjara mitovy manerana ny antsasany voalohany amin’ny taranja)

Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana izay notapahany fa hampidirina ao amin’ny antsasany faharoa amin’ny taranja:

  • Fanorenana fizakan-tena (ireo lesona efatra rehetra)

  • Ho zatovo mahery!: Manao safidy (Ireo lesona enina rehetra)

  • Fiomanana amin’ny fianarana sy asa amin’ny ho avy (ireo lesona efatra rehetra)

  • Fiomanana ho misiônera (ireo lesona dimy rehetra)

  • Fiomanana ho any amin’ny tempoly (ireo lesona efatra rehetra)

  • “Fiomanana ho amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” (ampianarina mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôktôbra)

Avy eo dia nandrindran-dRahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio fotoana tao anatin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo avokoa Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana rehetra. Natao tao amina herinandro voafaritra manokana ny sasany tamin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana mba hampifanandrifiana ireo fizarana rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay halalinina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy noho ny amin’ireo soso-kevitra natao ao amin’ireo fizarana “Topimaso” ho an’ireo sokajin-desona samihafa. Ny hafa kosa narindran’izy ireo ho amin’ny fotoana izay tsapan’izy ireo fa mety hahazoan’ny mpianatra tombontsoa be indrindra avy amin’ireo lohahevitra.

Rehefa avy nampidirin’izy ireo tao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia mbola nisy fotoam-pianarana efatra tamin’ny antsasany voalohany amin’ny taranja ary fotoam-pianarana efatra tamin’ny antsasany faharoa amin’ny taranja no tsy nisy lesona nandrindrana fotoana mba ho ampianarina. Nanapa-kevitra izy ireo fa ireo fotoam-pianarana ireo no hampianarana lesona miompana amin’ireo lahateny nataon’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana nandritry fihaonam-ben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Hampiasa ny “Modely: Fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana” hoenti-mampianatra ireo lesona ireo Rahavavy Mendoza.

Dingana 3: Asio fanamboarana araka izay ilaina

Nijery manontolo ilay torolalana fandrindram-potoana noforonin’izy ireo Rahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio mba hahitana raha misy fanamboarana mety hilaina hatao. Tonga saina izy ireo fa adinon’izy ireo ny herinandro iray tsy hianarana seminera noho ny fialantsasatry ny mpianatra ao amin’ny fandaharam-potoana any am-pianaran’izy ireo. Mandritra io herinandro io koa no handalinan’ny mpianatra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Samy nahatsapa Rahalahy Amasio sy Rahavavy Mendoza fa tokony hampianarina herinandro mialoha na herinandro aorian’izay io lesona io. Nanapa-kevitra izy ireo ny hamindra io lesona io ho ampianarina ny herinandro mialoha izany. Mba hanaovana izany dia mila manolo ny iray amin’ireo lesona efa nandrindrana fotoana izy ireo. Nanapa-kevitra izy ireo ny hametraka izany eo amin’ny toeran’ny iray amin’ireo lesona momba ny Fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Izay no hany fanamboarana nila nataon’izy ireo tao amin’ny torolalana fandrindram-potoanan’izy ireo.

Samy nahatsapa ho afa-po tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo Rahavavy Mendoza sy Rahalahy Amasio. Natoky Rahavavy Mendoza fa hiaina zavatra tsara izay hampanakaiky kokoa azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo mpianatra mandritra ny seminera. Feno fankasitrahana izy noho ny nandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo talohan’ny nanombohany nampianatra mba hahafahany mifantoka amin’ny fanomanana ny lesona hampianariny manaraka mandritry ny taom-pianarana. Tsapany ho nisy enta-mavesatra lehibe niala izany noho izy tsy voatery hanapa-kevitra indray hoe inona avy ireo lesona hampianarina mandritry ny herinandro ankoatra ny fanomanana azy ireny.

Hamoaka printy