Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Torolalana ho an’ny fampivoarana ny mpampianatra


“Torolalana ho an’ny fampivoarana ny mpampianatra,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
Vehivavy mifandray tanana

Tovana

Torolalana ho an’ny fampivoarana ny mpampianatra

Ity torolalana ho an’ny fampivoarana ity dia manolotra soso-kevitra ho an’ireo mpandrindra sy mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana mba hanampy ireo mpampianatra seminera hamita ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera sy hiomana ho amin’ny fampivoarana fanampiny. Izany dia natao hanampiana ny mpampianatra hianatra tsikelikely, izay afaka manampy azy ireo tsy hahatsiaro ho tototra loatra.

Hevero ny hamorona drafitra hanampiana ireo mpampianatra vaovao hamita ireo fiofanana sy hanampy ireo mpampianatra hafa raha ilaina. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fivoriana fampiofanana lehibe atao isam-bolana izany na ampifanarahana amin’ny filàn’ny mpampianatra tsirairay avy. Rehefa mandrindra ny fotoana hanatanterahana ireo soso-kevitra ireo ianao dia manan-danja ny tsy hahatsapan’ny mpampianatra ho voatery hiroso haingana loatra amin’ny dingana tsirairay. Mitadiava fomba handrafetana fandrindram-potoana voalanjalanja mba hahafahana manorina ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatrao.

Mialoha ny hanombohany hampianatra

  • Asao ireo mpampianatra hamaky sy hanaraka ireo toromarika ao amin’ny “Tari-dalana voafintina ho fanombohana.”

  • Ampio izy ireo hahafantatra ny fomba firaketana ny fanatrehan’ny mpianatra.

Dingana 1

  • Asao ireo mpampianatra hanaraka ny fandaharam-pampianaran’ny seminera amin’ny alalan’ny fanarahana tsara ireo lesona araka izay voarafitra ao.

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fandaharam-pampianarana sy hanombanana ny fahaizan’izy ireo mampiasa izany.

Dingana 2

  • Asao izy ireo hamita ny “Fiofanana momba Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.”

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fomba fampianarana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.

Dingana 3

  • Asao izy ireo hamita ny “Fiofanana momba ny Fifehezana fotopampianarana.”

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fomba hanampiana ny mpianatra hifehy fotopampianarana.

Dingana 4

  • Asao izy ireo hamita ny “Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana.”

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ireo lesona Tombano ny fianaranao na ny fomba hanampiana ny mpianatra hahazo ireo isa tratrarina isan-taranja ho an’ny fitsapam-pahaizana.

Dingana 5

  • Asao izy ireo hamita ny “Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera.” Ankehitriny ary rehefa avy nampahafantarina ireo lesona samihafa ao amin’ny fandaharam-pampianarana ireo mpampianatra ary nanana traikefa tamin’ny fanarahana azy ireny, dia mety hahay kokoa hampifanaraka ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-javatra misy angamba izy ireo.

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fomba fanarahana ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ary avy eo mahakasika ny fampifanarahana izany araka ny tokony ho izy amin’ny toe-javatra misy.

Dingana 6

  • Manomàna drafitra ho an’ny fampivoarana fanampiny ny mpampianatra rehefa mandrefy, mamaritra sy mamolavola ary manombana ny fahaiza-manaon’izy ireo ianao.

Hamoaka printy