Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana


“Fiofanana momba ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
zatovovavy mandalina soratra masina

Fiofanana momba ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana

Topimaso

Toy izao no nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany rehefa avy nidera ny ezaka ataon’ireo mpampianatra mba hitahiana ny zatovo: “Saingy mila mihoatra noho izany [ireo mpianatsika]. Mpianatra maro tokoa izay nahavita fianarana seminera no tsy mendrika ny ho any amin’ny sahan’ny misiôna. Maro tokoa amin’ireo mpianatsika izay mahatoky no tsy mandray na oviana na oviana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Hihombo ny fihanak’ireo loza ireo eo anivon’izy ireo raha tsy miova isika” (“We Must Raise Our Sights” [Fihaonamben’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 14 aog., 2001], Médiathèque de l’Évangile).

Efa ho 20 taona mahery izay no lasa, hatramin’ny nanambaran’ny Filoha Eyring io teny io. Miatrika fanamby sy fifanoherana lehibe kokoa ny zatovontsika—tsy ny miantraika amin’ny finoany ihany fa amin’ny sehatra maro hafa eo amin’ny fiainany ihany koa. Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia natao hamaly ny filan’ny zatovo amin’ity taranaka ity. Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo dia manome ny mpianatra fahafahana hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy mba:

  • Hiatrehana ireo fanontaniana saro-baliana sy ireo toe-javatra iainana izay manahirana.

  • Hanorina fizakan-tena mba hamelomana ny tena sy ny fianakaviana.

  • Ho lasa salama ara-batana sy ara-pihetseham-po kokoa.

  • Hampivelatra fahaiza-manao hoenti-mahomby any an-tsekoly.

  • Hanao drafitra hiomanana ho an’ny fianarana sy asa amin’ny ho avy.

  • Hiomana hanao asa fitoriana sy asa fanompoana ato am-piangonana.

  • Hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana any amin’ny tempoly.

Ireo lesona ireo dia hanampy hamaha ireo fanamby atrehan’ny zatovo amin’ny fomba mifototra amin’i Kristy sy miainga avy amin’ny soratra masina ary mifantoka amin’ny mpianatra izay tarihin’ny Fanahy. Ankoatra Ireo lesona handalinana soratra masina, Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia afaka manampy mampiorim-paka ny fiovam-pon’ny mpianatra ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny.

Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana sy ny tanjona

Ato amin’ity fampiofanana ity ianao dia hanana fahafahana hahita ny namolavolana Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana mba hanatratrarana ny tanjon’ny S&I, sahala amin’Ireo lesona handalinana soratra masina. Ny tsirairay avy amin’ny lesona fiomanana hiatrika fiainana dia nosoratana hifanaraka amin’ireto fenitra manaraka ao amin’ny andiam-pehezanteny “Mampianatra” ao amin’ny tanjon’ny S&I ireto:

Ny traikefa amin’ny fianarana tsirairay dia ampifantohantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony sy ny toetrany ary ny heriny manavotra. Isika dia manampy ny mpianatra hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Manampy ny mpianatra hanatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ho an’ny tenany ihany isika. Miezaka isika ny hanasa ny Fanahy Masina mba hanatanteraka ny andraikiny amin’ny traikefa amin’ny fianarana tsirairay.

Manampy manatanteraka ny tanjon’ny S&I Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana

Mamaritra

Rehefa manomana lesona ianao, isan’izany Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana, dia mety hanampy ny mijery ny fomba anampian’ny fehezan-teny tsirairay avy ao amin’ilay andiam-pehezanteny “Mampianatra” ao amin’ilay tanjona.

Modely

Ireto ambany ireto misy santionany roa avy ao amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ho an’ny taona 2025. Ny voalohany dia lesona momba ny Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po mitondra ny lohateny hoe “Mampivelatra fomba fisainana mahasalama.” Ny faharoa dia lesona momba ny Fahombiazana any an-tsekoly mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra ny tanjakao sy ny fahaiza-manaonao.” Jereo ny fomba namolavolana ireo sahanasa fianarana izay mifantoka amina lohahevitra hafa mihitsy ireo, mba hanatratrarana ny tanjon’ny S&I.

Lesona 186: Mampivelatra fomba fisainana mahasalama

Mifantoka amin’i Kristy: Indreto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy mampifantoka ny traikefa amin’ny fianarana amin’i Jesoa Kristy. Jereo tsara ao amin’ireo ohatra ireo ny fomba angatahana ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy sy hianatra avy amin’ny ohatra nomeny sy ireo fampianarany.

  • Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra fa hanao fanazaran-tena hanasa ny fanampian’ny mpamonjy izy ireo mba hanitsiana ireo fisainana diso sy tsy mahasalama.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mibanjina ny Mpamponjy ao an’eritreritsika? (Ohatra sasany amin’izany ireto manaraka ireto: misaintsaina ny amin’izay mety ho ataon’ny Mpamonjy ao anatin’ny toe-javatra atrehantsika, mitady fomba mety hampiharana ireo fampianarany amin’ilay toe-javatra ary mahatsiaro ny fitiavany.)

Miainga avy amin’ny soratra masina: Ireto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy ny mpianatra hianatra avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Jereo tsara fa ny mpianatra dia omena fahafahana mba handalina ny soratra masina, ary ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson dia mety hanampy ny mpianatra hahatakatra io soratra masina io.

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36, ka tadiavo ny zavatra asain’ny Tompo ataontsika.

  • Toy izao no nampianarin’ny Filoha Nelson raha niresaka momba io soratra masina io: “Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy” (Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41).

Mifantoka amin’ny mpianatra: Ireto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy ny mpianatra hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fianarana ho an’ny tenany manokana. Jereo tsara fa ireo mpianatra dia asaina mba hamantatra ny filan’izy ireo manokana mba hamporisihana azy ireo handray anjara azy ireo ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana. Asaina ihany koa ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny sy ny heviny manokana.

  • Asao ny mpianatra handinika ny hatetiky ny fahitan’izy ireo ny fomba fisainany manokana sy ny hoe manampy na marina kokoa ve ireo fomba ireo sa tsia.

  • Inona no manaitra anao amin’io teny nambaran’ny Filoha Nelson io?

Tarihin’ny Fanahy: Inty misy ohatra iray amin’ny fomba ahafahan’ny lesona manasa ny Fanahy Masina hanatanteraka ny andraikiny ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana. Amporisihina ny mpampianatra mba hisafidy amim-pandinihana tsara ny hanasa ny mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fanasana toy izao dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba handraisana fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny fianaran’izy ireo.

  • Asao ny mpianatra hikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahatakarana tsara kokoa ny fomba fisainan’izy ireo manokana, indrindra rehefa manoloana toe-java-tsarotra.

Lesona 193: Mamantatra ny tanjakao sy ny fahaiza-manaonao

Mifantoka amin’i Kristy: Indreto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy mampifantoka ny traikefa amin’ny fianarana amin’i Jesoa Kristy. Jereo tsara fa ireo fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina ao amin’io lesona io dia mifandray amin’i Kristy sy manasa ny mpianatra hitodika any Aminy mba hahazoana fanampiana. Ampahatsiahivina an’ireo mpianatra ihany koa ny amin’ny maha andriamanitra azy ireo ary ny tanjaka sy ny fahaiza-manao ananan’izy ireo dia fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony.

  • Mety hilaza fahamarinana sahala amin’ireto manaraka ireto ny mpianatra: Tsy mijery ny miseho eo ivelany Andriamanitra fa mijery ny fo (jereo ny 1 Samoela 16:7). Afaka manao ny zava-drehetra isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay afaka mamphery antsika (jereo ny Filipiana 4:13; Almà 26:12). Lehibe ny hasarobidintsika eo imason’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

  • Ampatsiahivo ny mpianatra fa amin’ny maha zanak’ Andriamanitra izay nohariana araka ny endriny antsika dia nomena tanjaka sy fahaiza-manao samihafa isika tsirairay avy. Mety hisy mpianatra izay manana fahasarotana amin’ny famantarana ny tanjaka sy ny fahaiza-manao nomen’ Andriamanitra azy ireo.

Miainga avy amin’ny soratra masina: Ireto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy ny mpianatra hianatra avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Jereo tsara fa ny soratra masina izay hohalalinin’ny mpianatra dia niniana nofantenana mihitsy mba hampitodika ny mpianatra any amin’i Jesoa Kristy mba hahazo fanampiana. Manana fahafahana avy eo ny mpianatra mba handalinana torohevitra avy amina Apôstôly iray izay miompana amin’ny fomba hamantarana ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra azy ireo.

  • Halalino ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ireo fahamarinana mandrakizay izay afaka hanampy antsika hamantatra ny fahaiza-manao ananantsika mba hanatratrarana izay tokony hahatongavantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. 1 Samoela 16:7; Filipiana 4:13; Jakoba 4:7; Almà 26:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10.

  • Nizara ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mamantatra ny talenta sy tanjaka ary fahaiza-manao nomen’ny Ray any An-danitra antsika ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka nilaza hoe: “Ireo talenta voalohany nomen’ Andriamanitra antsika no lasa mibaribary ao amin’ireo zava-mahaliana kinendrintsika. Raha manontany tena ny amin’ireo talentanta ananao ianao dia ataovy lisitra ireo zavatra tianao ny manao azy. Ataovy ao anatin’izany ireo sahanasa tianao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao—ara-panahy, hira, filalaovana an-tsehatra, ara-pianarana, ara-panatanjahantena, sy ny sisa. Saintsaino sy diniho ny tsodranon’ny patriarika anao mba hahazoana hevi-baovao sy fitaomam-panahy. Anontanio ny olona ao amin’ny fianakaviana, ireo namana azo itokisana, ireo mpampianatra ary mpitarika. Matetika ny hafa no afaka mahita ao amintsika ny zavatra izay sarotra amintsika ny mahita azy eo amin’ny tenantsika” (Ronald A. Rasband, “Parables of Jesus: The Parable of the Talents,” Ensign, Aug. 2003, 34).

Mifantoka amin’ny mpianatra: Ireto misy ohatra vitsivitsy avy ao amin’io lesona io izay manampy ny mpianatra hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fianarana ho an’ny tenany manokana. Jereo tsara ny fomba anampian’ireo sahanasa ireo ny mpianatra hieriteritra momba ny zavatra iainan’izy ireo manokana sy ny toe-javatra iainany. Natao hanampiana ny mpianatra hanana risi-po mba hampiasa ny fony sy ny sainy amin’ny fisaintsainana mombana zavatra sy fandraisana fitaomam-panahy momba izany mandritry ny dingan’ny fianarana izy ireo mba handraisana an-tanana ireo filan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Manana tranga fanararaotra ihany koa ireo mpianatra mba hieritreretana mombana fanamby tena misy izay atrehan’izy ireo sy ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina manampy azy ireo.

  • Eritrereto ireo andraikitra na tolotr’asa mahaliana anao ny hanao azy amin’ny hoavy. Andramo fantarina ihany koa ireo fahaiza-manao izay mbola ilainao volena ka hanampy anao ho voaomana tsara kokoa ho amin’ny hoavy.

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy antsika rehefa mahatsapa ho kivy momba ny fahaiza-manaontsika isika?

Tarihin’ny Fanahy: Inty misy ohatra iray amin’ny fomba ahafahan’ny lesona manasa ny Fanahy Masina hanatanteraka ny andraikiny ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana. Jereo tsara fa ireo mpianatra dia asaina mba hikatsaka fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahitana mazava tsara ny zavatra ilain’izy ireo amin’izao fotoana izao sy ireo dingana manaraka mba ho vonona tsara kokoa hiatrika ny fiainana.

  • Rehefa mandalina ianao anio dia katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao izay efa anananao ka afaka manomana anao amin’ireo andraikitra ireo.

Manazatra tena

Fantaro ny lesona iray momba ny fiomanana hiatrika fiainana hampianarina atsy ho atsy izay mifototra amin’ny torolalana fandrindram-potoana eo an-toerana. Diniho ity lesona ity ka tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny traikefa amin’ny fianarana?

  • Manampy ny mpianatra hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny fomba ahoana ilay lesona?

  • Manampy ny mpianatra hanatontosa ny andraikiny ao anatin’ny fianarana ho an’ny tenany amin’ny fomba ahoana ilay lesona?

  • Manampy manasa ny Fanahy Masina hanatanteraka ny andraikiny amin’ny traikefa amin’ny fianarana amin’ny fomba ahoana ilay lesona?

Mampita mazava tsara ny fandaharam-potoana ampianarana ny lesona

Mety hampikorontan-tsaina ny mpiantra ny manao Lesona handalinana soratra masina mandritra ny andro iray dia avy eo Lesona fiomanana hiatrika fiainana ny ampitson’iny. Rehefa ampahitana ny mpianatra amin’ny fomba malalaka kokoa ny zavatra hohalalin’izy ireo mandritry ny herinandro dia afaka hanampy azy ireo ho vonona kokoa ny hianatra izany. Fomba vitsivitsy mety hanaovanao izany ireto fahaiza-manao manaraka ireto. Raha tsikaritrao fa misafotofoto ireo mpianatrao rehefa mampifandimby karazana lesona ianareo dia azonao andramana ny iray na ny maromaro amin’ireto sosokevitra ireto na zavatra izay heverinao manokana fa mety. Ity fiofanana ity dia hanampy anao:

  • Hampita mazava tsara ny zavatra hampianarina mandritry ny herinandro sy ny anton’izany.

  • Hampita mazava tsara mandritry ny herinandro ny fotoana hiampitan’ny lesona na ny lohahevitra iray avy amin’ireo lesona handalinana soratra masina mankamin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.

Hampita mazava tsara ny zavatra hampianarina mandritry ny herinandro sy ny anton’izany

Mamaritra

Azonao ampahafantarina ny mpianatra isaky ny fiandohan’ny herinandro ireo lesona sy lohahevitra nalaminao hampianarina isan’andro mandritra ilay herinandro itsahana. Rehefa takatry ny mpianatra ny fizotry ny herinandro sy ireo tanjon’ny lesona dia afaka hiomana kokoa izy ireo ny handray anjara amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Fomba iray azonao hampitana ny zavatra hampianarina mandritry herinandro ny fampisehoana ny lohatenin’ny lesona tsirairay mandritra izany herinandro izany, miaraka amin’ny famintinana fohy ny zavatra azon’ny mpianatra antenaina fa hianarana mandritra ireo lesona ireo.

Modely

Ry mpianatra, mampientanentana ahy ny lesontsika manaraka amin’ity herinandro ity. [Asehon’ny mpampianatra ny fanehoana an-tsary ahitana ity tabilao manaraka ity]

Alatsinainy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3

Talata

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Alarobia

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Alakamisy

Lesona momba ny Tombano ny fianaranao

Zoma

Fahaizana mifehy ny rarin-tsaina sy ny tahotra

Amin’ity herinandro ity isika manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia dia handalina ny fizarana 3–5 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Fotoana nahatonga rarin-tsaina ho an’ny Mpaminany Joseph Smith ireo raha nandalo fitsapana faran’izay sarotra izy. Avy amin’ireo fizarana ireo isika no hianatra ireo fahamarinana manan-danja nambaran’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika hitodika amin’i Jesoa Kristy sy hitoetra ho mafy orina mandritra ireo fotoana mahaketraka. Amin’ny alakamisy ianareo dia hanana fahafahana handinika ny zavatra ianaranareo mandritry ny lesona Tombano ny fianaranao. Amin’ny zoma isika dia hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hamakivakiana rarin-tsaina sy ny tahotra miaraka amin’ny fanampiana sy ny hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Manazatra tena

Jereo ny torolalana fandrindram-potoana sy ny topimaso hataonareo ho an’ny herinandro ambony. Soraty ny zavatra mety hataonao mba hahafahana milaza mazava tsara ny zavatra hampianarinao mandritra ny herinandro.

Lazao mazava tsara mandritry ny herinandro ny fotoana hiampitan’ny lesona na lohahevitra iray avy amin’Ireo lesona handalinana soratra masina mankamin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana.

Mamaritra

Rehefa miampita avy amin’Ireo lesona handalinana soratra masina mankamin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ianareo dia azonao lazaina amin’ny mpianatra ny lohahevitra sy ny tanjon’ny lesona ho an’izany andro izany. Mety hanampy ny mizara ny fitoviana na ny fahasamihafana eo amin’ny lesona sy ny votoatiny amin’ny zavatra nianarana tamin’ny herinandro lasa. Tsy ilaina ny manao izany isaky ny mihetsika saingy mety hanampy izany indraindray mba hahatakaran’ny mpianatra ny tanjona sy ny lalan-kombana.

Modely

Ho hitanao etsy ambany etsy ny modely izay mampifanaraka akaiky ny tanjon’ny lesona handalinana soratra masina sy ny lesona fiomanana hiatrika fiainana ary ny lamina iray izay tsy itrangan’izany.

  1. Tamin’ity herinandro ity isika dia nianatra momba ny sasany amin’ireo toe-javatra mahaketraka natrehan’ny Mpaminany Joseph Smith. Tsaroanareo ve ny sasantsasany amin’izy ireny? [Valintenin’ny mpianatra] Izao isika dia hiampita avy amin’ny fianarana ireo tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho amin’ny fandalinana soratra masina sy ny tenin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonanana hanampiana anareo hahazo hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo toe-javatra mahaketraka anareo manokana ianareo.

  2. Rehefa nandalina ireo tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo isika dia nianatra ny fomba ahafahantsika misintona hery avy amin’ny Tompo hoenti-miatrika toe-javatra mahaketraka. Izao isika dia hiampita amin’ny fianarana ny fomba ahafahantsika misintona hery avy amin’ny Tompo mba ho lasa sy hitoetra mendrika ny hiditra sy hitsaoka Azy ao amin’ny tempoliny.

Manazatra tena

Jereo ny fandaharam-pampianarana hahitana ny fandrindram-potoana ho an’ity herinandro ity. Soraty ny fomba hilazana mazava tsara ny zavatra hifantohan’ny mpianatra isan’andro.

Fampitandremana

Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia manome fahafahana ny mpianatra mba hianatra ny fomba anampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo handia ireo olana misy mandritry ny fiainana an-tany. Rehefa mampianatra ireo lesona ireo ianao dia fantaro ireto zavatra mila tandremana manaraka ireto:

Ny traikefa amin’ny fianarana rehetra dia tokony hifototra amin’i Kristy sy hiainga avy amin’ny soratra masina ary hifantoka amin’ny mpianatra

Ny traikefa amin’ny fianarana rehetra mandritra ny seminera dia tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara. Midika izany fa izy ireny dia hifototra amin’i Kristy, hifantoka amin’ny mpianatra sy hiainga avy amin’ny soratra masina mandrakariva ary hotarihin’ny Fanahy. Mety ho mora foana ny hahatonga ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ho tsy hifandanja. Ohatra, ny mpampianatra iray dia mety hanana traikefa lehibe amin’ny iray amin’ireo lohahevitra ka mety hanapa-kevitra ny hifantoka betsaka amin’ny fanaovana ilay traikefa ho mifantoka amin’ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fanasongadinana fahaiza-manao sy paikady maro miompona amin’ny fomba handraisana an-tanana izay mety ho filan’ny mpianatra. Kanefa ao anatin’izany dingana izany dia mety ho mora foana amin’ilay mpampianatra ny manadino ny ilana ny mampifandray ireo mpianatra amin’i Kristy sy mampianatra azy ireo avy amin’ny tenin’ny soratra masina sy ny an’ireo mpaminany.

Fandinihana trangan-javatra: Manana traikefa lehibe amin’ny fitantanam-bola Rahavavy Jones. Manapa-kevitra Rahavavy Jones ny hampianatra ny mpianany fahaiza-manao maro momba ny fitantanam-bola amin’ny fomba izay tena mifantoka amin’ny mpianatra.

Inona avy ireo mety ho voka-dratsin’ny fampianaran-dRahavavy Jones ny lesona amin’io fomba io?

Ampifandanjao ny isan’ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana arak’izay voafaritra ao amin’ny fandaharam-pampianarana

Mety hisy karazana lesona na lohahevitra izay tian’ny mpampianatra sasany ivalamparana kokoa na tsy dia andaniana fotoana firy aza raha oharina amin’ny hafa. Tsarovy fa olona maro, isan’izany ireo avy amin’ny departemanta hafa an’ny Fiangonana, no niara-nikaon-doha mba hamaritana ny isan’ireo lesona isan-tsokajiny. Na ny lesona izay mety ho tsy mahaliana firy ny mpampianatra iray aza dia mety ho sarobidy ho an’ny mpianatra sasantsasany. Mety hitarika ho amin’ny fanamaivanana ny vokatra hafa manan-danja andrandraina avy amin’ny fianarana ny fivalamparana amina lesona sasany mihoatra noho izay voafaritra ao amin’ny fandaharam-pampianarana. Ny “Famoronana torolalana fandrindram-potoana” dia manoro hevitra fa amin’ny ankapobeny dia tokony ho maro kokoa Ireo lesona handalinana soratra masina hita ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana nataonao raha oharina amin’Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana. Ny isan’ny lesona isan-tsokajiny ho an’ny Fiomanana hiatrika fiainana ihany koa dia manondro fandanjalanjana aroso. Araho ireo torolalana ireo ka ataovy vitsy dia vitsy ny tranga maningana.

Fandinihana trangan-javatra: Mientanentana ery Rahalahy Hendricks fa nisy lamin’asa hanomanana ny zatovo hitory filazantsara ihany nony farany ao amin’ny seminera. Koa raha tokony hampianatra lesona dimy monja momba ny fiomanana hitory ny filazantsara izy dia nandany roa herinandro izy nampianarana ireo lesona ireo sy ny maro hafa izay noforoniny manokana.

Inona avy ireo mety ho voka-dratsin’ny fampianaran-dRahalahy Hendricks ireo lesona fiomanana ho misiônera amin’io fomba io?

Ampiasao ny fandaharam-pampianarana na dia eo aza ny lentan’ny traikefa anananao

Sahala amin’ny isan’ireo lesona, ny tanjon’ny lesona tsirairay dia nofaritana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’olona maro, anisan’izany ireo olona avy amin’ny departemanta hafa an’ny Fiangonana. Matetika ireo departemanta ireo no niantehitra tamin’ny fikarohana vitan’ny Sampan-draharaha mpanao fikarohana an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny hevitra nomen’izy ireo. Raha ny mahakasika ireo lesona ao amin’ny fandaharam-pampianaran’ny S&I no resahina dia ny Departemanta mpandrindra an’ny Fiangonana no nanamarina Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana mba hahitana ny maha-marina ny fotopampianarana ao anatiny sy ny fetezan’izany. Ireo lesona dia natao ho fomba tsotra hampitana ny lohahevitra resahan’izy ireny fa tsy fandaharam-pianarana anomezana antsipiriany momba ilay foto-kevitra. Raha manana traikefa amin’ilay lohahevitra ianao dia mety hahatsapa hoe misy hevitra manan-danja hafa tsy voalaza. Mitandrema tsara ndrao dia hanampy zavatra izay efa tsy nampidirina. Na lehibe na kely toa inona ny traikefanao mahakasika ana lohahevitra iray dia ampiasao ho toy ny fototry ny traikefa amin’ny fianarana homenao ny fandaharam-pampianarana. Atombohy amin’ny fanarahana ilay lesona aloha vao manapa-kevitra ny amin’izay tokony hampifanarahana amin’ny toe-javatra misy. Mba hahafantarana misimisy momba izany dia jereo ny “Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” izay hita ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera.

Fandinihana trangan-javatra: Assistant social clinique agréé (matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina) Rahavavy Benson. Mahita fahombiazana lehibe izy amin’izao fotoana izao amin’ny fampiasana fomba vaovao iray hanampiana ny mpanjifany manana fiankinan-doha. Manapa-kevitra izy ny hampianatra ny mpianany ireo fahaiza-manao mifandray amin’io fomba vaovao io toy izay ny iray amin’ireo lesona momba ny fahasalamana ara-pihetseham-po.

Inona avy ireo mety ho voka-dratsin’ny fampianaran-dRahavavy Benson ireo lesona momba ny fahasalamana ara-pihetseham-po amin’io fomba io?

Tsarovy ny andraikitrao amin’ny maha-mpampianatra anao

Rehefa mampianatra Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ianao dia tsarovy ny andraikitrao amin’ny maha mpampianatra seminera anao. Mety hizara aminao ny toe-java-tsarotra atrehany ny mpianatra. Ny anjaranao dia ny manoro azy ireo hitodika amin’ny ray aman-drenin’izy ireo sy ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana, izay afaka mitari-dalana azy ireo amin’ny fanampiana izay ilaina. Mba hahitana fanampiana mahakasika toe-javatra izay mety hahatafidirina herisetra dia jereo azafady ny “Abuse” ao amin’ny Seminaries and Institutes Emergency Response Guide.

Fandinihana trangan-javatra: Nahatsikaritra Rahavavy Benson fa rehefa avy nampianatra izy dia mpianatra maro no mijanona. Maniry ny hizara aminy ny sasany amin’ireo an-tsipirian-javatra tena mahakasika ny fiainan’izy ireo manokana aminy izy ireo. Miresaka amin’izy ireo tsirairay avy ao amin’ny biraony izy aorian’ny fampianarana sy rehefa mirava ny fianarana.

Inona avy ireo mety ho voka-dratsin’ny fifaneraseran-dRahavavy Benson amin’ireo mpianany?

Fehin-kevitra

Mandritra ireo efa-taona hanaovana seminera ireo mpianatra dia hanana fahafahana maro hianatra ny fomba hampiharana ireo fampianaran’ny Mpamonjy amina toe-javatra maro samihafa. Hanomana tsara kokoa ny taranaka iray manontolo hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana ny herin’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany ary ny filazantsarany ireo traikefa amin’ny fianarana izay entin’Ireo lesona fiomanana hiatrikafiainana ho fanampin’Ireo lesona handalinana soratra masina. Hanana izay ilaina kokoa izy ireo mba hiomanana sy hanomanana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy