Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Tari-dalana voafintina ho fanombohana: Miomana hampianatra


“Tari-dalana voafintina ho fanombohana: Mampiasa ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)

Sary
Vehivavy miresaka

Tari-dalana voafintina ho fanombohana

Miomana hampianatra

Mialoha ny hanombohanao ny fampianarana

  1. Halalino ny fampahafantarana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera. Mizàra mikirakira ny sasany amin’ireo fitaovana tafiditra ao amin’ilay boky torolalana, toy Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I).

  2. Ataovy izay hahazoana torolalana fandrindram-potoana ho an’ny fandaharam-potoan’ny seminera ao amin’ny toerana misy anao avy amin’ny mpandrindra ny S&I na ny mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana.

  3. Ampiasao io torolalana fandrindram-potoana io mba hamantarana ny lesona manaraka izay hoampianarinao.

Topi-maso momba ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Nalamina ho fizarana roa lehibe ity boky torolalana ity:

  1. Ireo lesona handalinana soratra masina, izay mifanaraka amin’ireo lesona fandalinana isan-kerinandro ny Avia, hanaraka Ahy.

  2. Ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana, izay natao hanampiana ny mpianatra hiomana ho amin’ireo toe-java-tsarotra atrehan’izy ireo ankehitriny na mety hatrehany atsy ho atsy.

Ahitana pejy misy topimaso ny herinandro tsirairay avy ianarana ny Avia, hanaraka Ahy sy ny sokajy fiomanana hiatrika fiainana. Ahitana ny toy izao ireo pejin’ny topimaso:

  1. Tanjon’ny lesona.

  2. Sosokevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra.

  3. Votoatin-javatra avy amin’ny lesona izay mety hitaky fampahafantarana mialoha mba hiomanana, toy ny soso-kevitra momba ny lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana, taratasy aroso mba hozaraina sy sary ary horonan-tsary.

Fandaharam-potoana fototra ho an’ny kilasin’ny seminera

Mety hanaraka fandaharam-potoana mitovitovy amin’izao manaraka izao ny fotoam-pianarana seminera mahazatra:

  1. Fiarahabana ny mpianatra (2–3 minitra)

  2. Fampaherezam-panahy (8–10 minitra)

    1. Fihirana

    2. Vavaka fanombohana

    3. Vatsim-panahy zarain’ny mpianatra iray izay nalaina avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ireo mpaminany maoderina

  3. Lesona

  4. Vavaka famaranana

Fiofanana fanampiny

Hanana tranga fanararaotra ianao amin’ny ho avy mba hanomezana fiofanana fanampiny. Fa amin’izao aloha dia atombohy amin’ny fifankahafantarana amin’ny mpianatrao sy ny fizàranao mikirakira ny fandaharam-pampianarana.

Hamoaka printy