Seminera
Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny: Topimaso ankapobeny


“Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Topimaso ankapobeny

Nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany, ny Mpamonjy dia nanorina ny Fiangonana teto an-tany ary niantso ireo Apôstôliny hitarika izany. Nisy namono ireo Apôstôly ireo taty aoriana, ka izany no nitarika ho amin’ny vanim-potoana iray izay fantatra amin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no nanomboka ny dingan’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tetỳ an-tany tamin’ny alalan’ny fisehoan’Izy Ireo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1820. Ny faha-200 taonan’ny Fahitana Voalohany dia nankalazaina tamin’ny 2020 tao amin’ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Noraketin’i Joseph Smith an-tsoratra ny fanambarana voarainy tamin’ny Tompo, ary maro amin’izy ireny no hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay vavolombelona fa miteny i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao.

sary famantarana ny fanofanana Amporisiho ny mpianatra hanana fahazarana mandalina soratra masina isan’andro.Vitsy ny zavatra hanana fitaomana mahery vaika sy maharitra kokoa mba hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’ny mpianatra raha oharina amin’ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina izany isan’andro. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hametraka tanjona amin’ny famakian-teny sy hanao drafitra ho an’ny tenan’izy ireo manokana mba handalinana isan’andro. Mba hahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany, dia jereo ilay fizarana hoe “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa ho lasa mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022). Afaka mahita ohatra amin’ny fomba fanaovana izany ihany koa ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity, izay mitondra ny lohateny hoe “Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome anao hevitra amin’ny zavatra mety hilainao omanina mialoha amin’ny lesona tsirairay.

Ny Apôstazia Lehibe

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony ilàna famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ny dikan’ny hoe Apôstazia amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Médiathèque de l’Évangile na loharano hafa azon’izy ireo ampiasaina. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona”

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy lanjan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo izay an-dalam-pitohizana.

Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy rehefa manomboka ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hijery ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina tian’izy ireo indrindra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary hiomana hanazava ny antony mahatonga ireo andalan-tsoratra masina ireo hanan-danja amin’izy ireo.