“Lesona 3—Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Mandre ny feon’i Jesoa Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Azontsika vakina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny tenin’ny Tompo manokana, izay manampy antsika haheno ny feony miteny amin’ireo izay miaina amin’izao androntsika izao sy amintsika manokana mihitsy aza. Afaka manampy ny mpianatra hiomana hianatra hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy ity lesona ity, rehefa manomboka ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hametraka fanontaniana iray amin’ny mpiara-mianatra iray, izay hanampy azy ireo hahafantatra tsara kokoa an’ilay olona. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manontany hoe: “Inona no zavatra ankafizinao ny manao azy rehefa ilay manam-potoana iny?”
Azonareo ifanakalozan-kevitra ireto manaraka ireto rehefa nahazo fotoana ampy iresahana amina mpiara-mianatra iray ny mpianatra:
Eritrereto ilay olona tsapanao fa fantatrao indrindra.
Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ny fahatsapan’izy ireo ny fahafantaran’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hahafantarana Azy tsara kokoa.
Nolazalazain’i Jesoa Kristy ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mahafantatra Azy bebe kokoa, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary nampanantena antsika Izy fa hisy fitahiana iray ho azontsika raisina rehefa manao izany isika.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–24 , hitadiavana ireo fanasana nataon’ny Mpamonjy sy ny fampanantenana nomeny.
Ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ireo fanasana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo manampy antsika hahalala Azy bebe kokoa?
Inona no azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny teniny ao amin’ireo andininy ireo?
Hevero ny hanazava ny fampanantenan’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 23 fa afaka miaina ny fiadanany isika rehefa mianatra Aminy sy mihaino ny teniny. Mety hanampy raha asaina mieritreritra lalina kokoa momba io fampanantenana io ny mpianatra. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanombana hoe impiry izy ireo no mahatsapa ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy ary inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo raha mahatsapa fiadanana bebe kokoa izy ireo.
Mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Hanana fahafahana handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana any an-trano, any am-piangonana ary ao amin’ny seminera ianao amin’ity taona ity. Hanana fahafahana be dia be hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hihaino ny teniny ianao rehefa mandalina. Afaka manampy anao ho lasa mahafantatra Azy feno kokoa sy hiaina ny fiadanana nampanantenainy izany.
Mety hanana andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpianatra sasany, izay manan-danja indrindra amin’izy ireo. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy manolo-tena mba hizara ireo andalan-tsoratra masina ireo sy hanazava hoe nahoana izy ireo no manan-danja. Mety ho afaka mizara vitsivitsy amin’ny andalan-tsoratra masina tianao indrindra ihany koa ianao.
Asao ny mpianatra, avy eo, hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana .
Ao amin’ny Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana , dia vakio ny andiam-pehezan-teny 1–3 sy ny fehezan-teny farany ao amin’ny andiam-pehezan-teny 8 . Mitadiava andian-teny momba ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manampy anao hahafantatra feno kokoa an’i Jesoa Kristy, rehefa mamaky ianao.
Inona no zavatra nianaranao momba ny tsy mampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny boky hafa ao amin’ny soratra masina?
Inona no mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana “hanan-danja lehibe”?
Ny feon’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo ny hoe rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika, dia afaka maheno ny feon’ny Mpamonjy miteny amintsika amin’izao androntsika izao sy mianatra misimisy kokoa momba Azy .
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:33–36 , hitadiavana fampianarana avy amin’ny Mpamonjy izay mifandray amin’io fahamarinana io.
Mety hanampy raha omena fotoana ny mpianatra hitadiavana ohatra hafa vitsivitsy amin’ny fitenenan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Azonao atao ny manasa azy ireo hanokatra ny soratra masin’izy ireo amin’izay mety ho fizarana rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary hitady ohatra momba ny Tompo miteny mivantana.
Hazavao, raha ilaina, fa misy zavatra betsaka azontsika ianarana momba ny Mpamonjy rehefa mandalina ny teniny isika. Afaka mahatakatra kokoa momba ny toetrany, ny faniriany ary ny zavatra manan-danja Aminy isika. Mety hanampy ihany koa ny manazava fa mitovy i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra amin’ny fahatanterahan’ Izy Ireo sy ny toetrany, ary iray amin’ny tanjon’ Izy Ireo. Noho izany, rehefa lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia mianatra misimisy kokoa momba ny Ray any An-danitra ihany koa izy ireo (jereo ny Jaona 14:9 ).
Afaka mampitombo ny fitiavantsika Azy ireo ary manampy antsika hiaina ny fiadanana izay Izy ireo ihany no afaka manome azy, ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Mifantoha amin’ny zavatra ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mety hanampy mihitsy aza ny fandaminana ny ampahany amin’ny diary fandalinanao na ny famoronana fandraisana an-tsoratra ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile mba hiraketana ireo hevi-baovao raisinao momba Azy Ireo. Afaka mampiditra zavatra ao amin’ny lisitry ny hevi-baovaonao ianao mandritra ny taona. Hevero ny fiantraikan’ny zavatra ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fitiavanao sy fatokianao Azy Ireo.
Afaka manampy ny mpianatra hahita ohatra amin’ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity sahanasa fianarana manaraka ity. Mety hanampy raha zaraina ho vondrona ny mpianatra ary omena andalan-tsoratra masina hohalalinina iray na mihoatra izany ny vondrona tsirairay.
Halalino ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny vitsivitsy amin’ireto andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manaraka ireto. Ifantohy ny zavatra azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy ao amin’ireo andininy halalininao.
Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ny voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Na azonao atao ny manasa mpianatra samihafa ho eny amin’ny solaitrabe hanoratra ny hevi-baovao azon’izy ireo.
Nanampy anao mba hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo andalan-tsoratra masina ireo? Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny mahafantatra ireo zavatra momba ny Azy Ireo ireo?
Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao amin’ireo andininy ireo manampy anao hiaina fiadanana?
Manaova tanjona amin’ny fomba fandalinana soratra masina
Zarao ireto manaraka ireto, ka omeo fotoana hamoronana tanjona iray mifandray amin’ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity ny mpianatra.
Jereo ilay fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny mpianatra amin’ny famoronana tanjona handalinana soratra masina isan’andro. ,” izay hita ao amin’ny fampiofanana Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana mba hahazoana fanofanana bebe kokoa momba ny fomba amporisihana ny mpianatra handalina ny filazantsara isan’andro.
Tanjona iray amin’ny seminera ny hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina. Mikatsaha fanentanam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hametrahana tanjona mifandray amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Azonao atao ny mieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mametraka tanjona ianao:
Amina fotoana inona ary aiza no ahafahako manao ny fandalinako soratra masina isan’andro?
Adiny firy isan’andro no handalinako?
Inona no azoko atao mba hanasana feno kokoa ny Fanahy Masina ho ao anatin’ny fandalinana ataoko?
Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny tanjonao.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny sasany na ny rehetra amin’ireo fanontaniana teo aloha rehefa avy manoratra izy ireo.
Amporisiho ny mpianatra hiasa mba hanatrarana ny tanjon’izy ireo. Ampanantenao izy ireo fa hanampy azy ireo haheno ny feon’ny Mpamonjy sy handray tari-dalana avy Aminy ny fanaovana izany. Makà fotoana mandritra ny taona hampahatsiahivana ny mpianatra ny tanjon’izy ireo, ka omeo fahafahana hanombana ny fivoarany izy ireo.
Nampianatra toy izao ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994):
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no rohy mampifamatotra ny Bokin’i Môrmôna sy ny asa mitohy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith sy ireo mpandimby azy. …
Ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan”’ny fivavahantsika, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no tilikambo, miaraka amin’ny fanambarana mitohin’ny andro farany. Napetraky ny Tompo teo amin’ny vato ifaharana sy ny vato faratampony ny tombokase maneho ny fankatoavany. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants ,” Ensign , May 1987, 83)
Nilaza toy izao ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Raha anontaniana hoe boky inona amin’ny soratra masina no manome fahafahana matetika indrindra “hihaino” ny Tompo miresaka, dia ny Testamenta Vaovao no ho eritreretin’ny ankamaroan’ny olona amin’ny voalohany. Ny Testamenta Vaovao dia angon-drakitra mahafinaritra momba ireo zavatra nataon’ny Mesia sy ny maro amin’ireo fotopampianarany. Saingy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika no mandray ny feo sy ny tenin’ny Tompo ihany koa. Mila ho “rentsika” miresaka mihitsy Izy. (Neal A. Maxwell, “The Doctrine and Covenants: The Voice of the Lord ,” Ensign , Dec. 1978, 4)
Nampianatra toy izao ny Loholona John A. Widtsoe (1872–1952) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fotopampianarana tsirairay ampianarin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hita, na amin’ny alalan’ny famintinana na amin’ny alalan’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha ny fantatro manokana aloha, dia tsy misy fotopampianarana ampianarin’ny Fiangonana ka hoe tsy hita ao anatin’io boky io, na amin’ny fomba na endrika hafa aza no isehoany ao. … Tsy misy na iray aza amin’ireo boky masina hafa ananantsika afaka milaza toa azy fa mahasahana amin’ny fomba feno ireo fotopampianaran’ny Fiangonana rehetra. (John A. Widtsoe, The Message of the Doctrine and Covenants [1969], 117)
Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:
Tonga tao anatin’ny fotoana nilàna fanampiana na mba hamaliana fanontaniana ny ankamaroan’ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany, dia asao izy ireo hamaky ny andiam-pehezan-teny 6 ao amin’ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ka hitady ireo toe-javatra izay matetika indrindra no nitarika tamin’ny fanomezana ireo fanambarana ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra ianaran’izy ireo momba ny Tompo miainga amin’ny zavatra hitan’izy ireo tao amin’io andiam-pehezan-teny io.
Mety ho azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mieritreritra fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nilan’izy ireo tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra. Amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihany amin’ny fotoan-tsarotra lalovan’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.
Hevero ny hanasa azy ireo hamaky ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, mba hanampiana ny mpianatra hahita amin’ny ankapobeny ireo lohahevitra ara-potopampianarana manan-danja hohalalinin’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Azon’ny mpianatra atao ny misafidy lohahevitra iray tian’izy ireo hianarana misimisy kokoa amin’ireo voatanisa ao amin’io andiam-pehezan-teny io. Azon’izy ireo ampiasaina ny fitaovam-pandalinana mba hahitana ireo andininy mifandray amin’izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, toy ny index to the triple combination , ny Topical Guide , na koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina .
Tsy vita tamin’ny famoahana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Famerenana amin’ny laoniny, na dia ahitana fampianarana manan-danja avy amin’ny Tompo aza ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, amin’ny maha-ampahany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany eto an-tany azy. Manohy manambara fahamarinana amin’ireo mpaminany sy apôstôliny ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana ny Tompo.
Hevero ny hizara ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany hevitra izany:
Ny Famerenana amin’ny laoniny dia dingana fa tsy tranga, ary mbola hitohy mandra-piavin’ny Tompo indray.
… Ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana dia mila fanambarana mitohy. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao ,” Liahona , nôv. 2021, 94)
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo fahamarinana na fampianarana manan-danja nambaran’ny Tompo tamin’ireo mpaminaniny sy apôstôliny vao haingana.