Seminera
Lesona 2—Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona


“Lesona 2—Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 2: Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona”

Filoha Russell M. Nelson

Namaky “teny mandrafitra fanambarana manetriketrika sy masina” ny Filoha Russell M. Nelson, tamin’ny 5 aprily 2020 (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 90) mba hankalazana ny faha-200 taonan’ny Fahitana Voalohany. Voarakitra ao amin’“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” (ChurchofJesusChrist.org) io fanambarana io. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo an-dalam-pitohizana amin’izao fotoana izao ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manao fankalazana ahatsiarovana olona manana ny maha-izy azy na tranga lehibe

Midika ho fanehoana fankasitrahana, voninahitra ary fanajana ny fanaovana fankalazana ahatsiarovana olona iray na tranga iray. Matetika izany no atao amin’ny alalan’ny famoronana zavatra mba hanampiana antsika hahatsiaro ilay olona na ilay tranga.

Hevero ny hifanakalo hevitra mombana tranga na olona izay anaovana fankalazana ahatsiarovana azy. Azonao atao ny mampiseho sarina tsangambato eo amin’ny faritra misy anao izay ahatsiarovana tranga na olona mety ho fantatry ny mpianatrao tsara. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny hoe iza no fantatr’izy ireo na inona no efa notsidihin’izy ireo.

Azonao atao ny manasa mba hieritreritra tranga lehibe izay niseho tao amin’ny fianakavian’izy ireo akaiky na ny havan’izy ireo, mba hanampiana ny mpianatra hampifandray izany amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Angataho izy ireo hizara hevitra momba ny zavatra mety hataon’izy ireo raha toa ka angatahina hanorina zavatra hahatsiarovana ireo tranga ireo izy ireo.

Ampahatsiahivo fa nisy vanim-potoana iray fantatra tamin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe, taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Io dia fotoana tsy naha-teto ambonin’ny tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahefan’ny fisoronana. Tamin’ny lohataonan’ny 1820, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nanomboka ny dingan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tety an-tany rehefa niseho tamin’i Joseph Smith Izy Ireo.

Nanoratra fanambarana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 2020, mba hankalazana ny faha-200 taonan’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Izy io dia nantsoina hoe “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Nilaza izao ny Filoha Russell M. Nelson momba izany:

9:27
Filoha Russell M. Nelson

Nanontany tena izahay raha toa ka tokony hisy tsangambato iray hafa hatsangana. Saingy rehefa nodinihanay ny fiantraikan’izany Fahitana Voalohany izany manokana ara-tantara sy maneran-tany, dia nentanim-panahy izahay hamorona tsangambato tsy vita amin’ny granita na vato fa amin’ny teny—teny mandrafitra fanambarana manetriketrika sy masina—voasoratra, tsy hosokirina eo amin’ny “vato fisaka” fa hosokirina kosa eo amin’ny “vato fisaka nofon’”ny fontsika. (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 90)

Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith sy ny antony mety hilana ny hahatsiarovana izany raha ho azy ireo manokana. Afaka mizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra manolo-tena vitsivitsy.

Halalino ilay fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Atoroy ny mpianatra hoe aiza izy ireo no afaka mahita ny Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny diary fandalinana na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao ihany koa ny manome tahadikan’ilay fanambarana amina taratasy. Asao ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana hanisy marika ny ampahany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay tsapan’izy ireo fa mendrika hotsarovana.

Fomba iray ahitana ireo fitahiana izay navelan’ Andriamanitra ho azonao ampiasaina ny fanaovana lisitra. Azonao atao ny manao lisitra ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra naverina tamin’ny laoniny. Avy eo dia eritrereto ireo fitahiana sitrahinao amin’izao fotoana izao, na hositrahinao amin’ny hoavy, noho ny zavatra naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny.

Avelao handalina ilay fanambarana mandritra ny minitra maromaro ny mpianatra. Angataho izy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo teny na andian-teny izay raisin’izy ireo ho manan-danja. Misafidiana vitsivitsy amin’izany ary angataho ny mpianatra hanazava hoe nahoana ireo teny ireo no manan-danja amin’izy ireo.

  • Inona avy no teny na andian-teny manampy anao hahafantatra ny zavatra naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny?

  • Inona amin’ireo fitahiana naverina tamin’ny laoniny ireo no tena manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Makà fotoana hisaintsainana hoe manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fitahiana naverina amin’ny laoniny ireo.

  • Inona avy no fahamarinana sasantsasany lasa fantatrao momba Azy Ireo noho ny fanampian’io fanambarana io?

Antenaina hahita fahamarinana maro samy hafa ny mpianatra. Avelao hizara izy ireo. Ireto misy fahamarinana roa azonao asongadina: Nanomboka namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, sy ny hoe mitohy amin’izao androntsika izao ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ankalazao ireo fitahiana entin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Misafidiana singa iray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay ankasitrahanao manokana. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hankalazana io fitahiana avy amin’ Andriamanitra io na zarao amin’ny hafa ilay izy. Tadidio fa ny mankalaza dia midika hoe maneho fankasitrahana, voninahitra ary fanajana.

Omeo fotoana ao am-pianarana ny mpianatra mba hisafidianana sy hanaovana ezaka amina fomba iray hankalazana fitahiana iray avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Azonao atao ny manoratra safidy vitsivitsy toy ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe, mba hanampiana ny mpianatra. Afaka mieritreritra ny fomba eritreretin’izy ireo manokana ihany koa ny mpianatra.

  • Manomboha mitadidy ampahany amin’ilay fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Manorata vatsim-panahy fohy momba ny lafin-javatra iray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny mba hozaraina amin’ny fianakavianao.

  • Mamoròna zavatra havoaka ao amin’ny tambajotran-tserasera mba hizarana ny fankasitrahanao ny fitahiana iray avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fivorian’ny Fiangonana manaraka.

Hevero ny hamela fotoana ampy any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana mba hahafahan’ny mpianatra mizara amina mpiara-mianatra iray ny zavatra nataon’izy ireo na hanaovan’izy ireo ezaka amin’izao fotoana izao. Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny kilasy iray manontolo.