Lesona 1—Ny Apôstazia Lehibe: Ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy
“Lesona 1—Ny Apôstazia Lehibe: Ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ny Apôstazia Lehibe,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 1: Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny
Ny Apôstazia Lehibe
Ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy
Nanangana ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoany tety an-tany i Jesoa Kristy. Naniraka ny Apôstôliny hitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronany ny Mpamonjy taorian’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tsy nahazo ny fitarihan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany velona intsony ny olona noho ny fanenjehana mivaivay sy ny fahafatesan’ny Apôstôly. Niova ny fampianarana sy ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, ka niteraka vanim-potoana nantsoina hoe Apôstazia Lehibe. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra hoe nahoana no nilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao ity lesona ity.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Velona talohan’ny Famerenana amin’ny laoniny
Alaovy sary an-tsaina hoe niaina tamin’ny taona 1800 ianao fa tsy ankehitriny.
Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao tamin’izany?
Mety ho nanao ahoana ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Inona avy no fanontaniana na fanahiana mety ho nanananao?
Ny Apôstazia Lehibe
Mitranga ny Apôstazia rehefa miala amin’ny fotopampianarana marin’ny filazantsara ny olona ka mandà ireo mpanompo nahazo lalana tamin’ny Tompo. Niseho taorian’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao ny vanim-potoana apôstazia iray, taorian’ny nananganan’ny Mpamonjy ny Fiangonany sy nanirahany ireo Apôstôliny hitarika izany.
“Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôly dia nolotoin’ny olona ny fitsipiky ny filazantsara ary nanao fanovana tsy nahazoana lalana teo amin’ny rafitry ny Fiangonana sy ny ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo. Noho ny fielezan’izany apôstazia izany dia nesorin’ny Tompo teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana” (Lohahevitra sy fanontaniana, “Apôstazia,” topics.ChurchofJesusChrist.org).
Vakio ireto soratra masina manaraka ireto, hitadiavana hoe toy ny ahoana ny toe-javatra nisy teto an-tany nandritra ny Apôstazia Lehibe.
Inona avy no teny na andian-teny hitanao izay mamaritra ny toetoetran’izao tontolo izao nandritra ny Apôstazia Lehibe?
Nahoana no mety ho azo ampitahaina amin’ny mosary ny tsy fahafahana nahazo ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy? Inona no atolotr’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay mitondra fiainana sy sakafo mahavelona ho an’izao tontolo izao?
Nahoana, araka ny hevitrao, no zava-dehibe ny mahatakatra ny Apôstazia Lehibe sy ny vokatr’izany?
Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Imbetsaka teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny Ray any An-danitra no nanampy ny zanany izay tafaroboka tao anatin’ny apôstazia, tamin’ny alalan’ny fiantsoana mpaminany mba hametraka ny fahamarinana amin’ny toerany sy hanambara ny filazantsara. Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith Izy (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17).
Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny fahavononan’ Izy Ireo hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara etỳ an-tany nandritra ny vanim-potoan’ny apôstazia?
Hazavao ny Apôstazia Lehibe sy ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana kanefa liana ny amin’ny finoanao ianao. Rehefa avy miresadresaka kely dia hoy ny namanao: “Efa nisy fotoana ve ianao nanontany tena hoe nahoana no misy fiangonana Kristianina be dia be eto an-tany? Tsy azoko hoe ahoana no ahafahan’ny olona manapa-kevitra hoe iza no fiangonana hidirana ho mpikambana satria tena betsaka izy ireo.”
Mamoròna, ao amin’ny diary fandalinanao, drafitra fohy izay ahitana soratra masina sy hevitra azonao zaraina ka mety hanampy ny namanao. Aza hadinoina ny mampiditra ny zavatra nianaranao androany momba ny Apôstazia Lehibe sy ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny. Miezaha hampiasa ny teninao manokana mba hanehoana hoe nahoana no tena nilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny fotopampianaran’ny Mpamonjy, ny fahefany, ary ny Fiangonany mba handresena ny vokatry ny Apôstazia Lehibe.