Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Topimaso ankapobeny

Ny Tompo dia nanambara sasin-teny iray ho an’ny Bokin’ireo Didy, izay lasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tatỳ aoriana. Izy dia nanandra-peo fampitandremana ho an’izao tontolo izao, nijoro ho vavolombelona momba ny Fiangonana marina sy velona, ary nampianatra fa na amin’ny alalan’ny mpanompony na amin’ny alalan’ny feony, dia mitovy ihany izany.

sary famantarana ny fanofanana Ampio hahatsapa ny mpianatra fa omen-danja ny fandraisan’izy ireo anjara.Ny fihainoana dia mitaky ny hanomezan’ny mpampianatra lanja bebe kokoa ny zavatra ao am-pon’ny olona iray hafa fa tsy ny fanomezana lanja ny zavatra holazaina manaraka ao amin’ny rindran-damin’ny lesona. Mivonòna hamela izay zavatra nomaninao, araka izay ibitsihan’ny Fanahy, ary henoy ny zavatra manahiran-tsaina ny mpianatra. Ampahafantaro azy ireo amin’ny alalan’ny teninao sy ny fihetsikao fa maika ny hihaino azy ireo ianao. Mba hahitana misimisy kokoa hoe ahoana no nanaovan’ny Mpamonjy an’izany, dia jereo ny “Nataon’ny Mpamonjy izay hahatsapan’ny rehetra ho voahaja sy manana ny lanjany,” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Misy ohatra iray momba ny fomba ahafahanao mampihatra azy io hita ao amin’ny lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome anao hevitra amin’ny zavatra mety hilainao omanina mialoha amin’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny antony anomezan’ny Tompo fampitandremana ho an’izao tontolo izao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiomana hizara hoe manao ahoana ny fandehan’ny tanjon’izy ireo handalina ny soratra masina. Amporisiho izy ireo hizara ny fahombiazana sy ny olana niainan’izy ireo. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanohy ny ezaka ataon’izy ireo na hametraka tanjona mba hahafahany mihatsara.

  • Fitaovana: Taratasy sy fitaovana fanaovana sary hamoronana meme (sary maneho hafatra), petadrindrina, na tetikasa hafa (Azo atao tsotra fotsiny amina diary fandalinana sy penisilihazo ihany koa io sahanasa io.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30–33

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fa tena zava-dehibe ny hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho An‘ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no fiangonana marina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 ary hisaintsaina ny dikan’ny andian-tenin’ny Tompo hoe “ilay hany fiangonana marina sy velona”.

  • Zavatra homanina: Ilay taratasy zaraina hoe “Ilay Fiangonana marina sy velona” ho an’ny mpianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handalina ny tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina.