“Lesona 5—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30–33: -Ilay hany fiangonana marina sy velona,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30–33,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 5: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30–33
“Ilay hany fiangonana marina sy velona”
Tao amin’ny sasin-teniny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo dia nanambara ny lanjan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy vao naverina tamin’ny laoniny. Nambarany ho “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30) ny Fiangonana. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny maha hany fiangonana marina azy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny Fiangonan’ny Tompo
Inona no antony mety haneken’ny olona sasany na tsia ireto teny nambara manaraka ireto?
-
Tsy mila fiangonana aho raha ny hevitro.
-
Samy marina daholo ny fiangonana rehetra.
-
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana marina.
eMety ho sarotra ny hahafantatra ny marina noho ny fisian’ny karazana fivavahana sy hevitra be dia be. Nanome antsika fitarihana tamin’ny alalan’ny soratra masina mba hanampy antsika hanana fitokiana izay marina sy hahalala ny zavatra tiany ho antsika ny Tompo.
Mba ho sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia nanambara fampitandremana iray “miantefa amin’ny olon-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4)ny Tompo. Nanao fanambarana mazava momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Izy tao anatin’ny hafany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30, ary tadiavo ny fomba hamariparitan’ny Tompo Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
-
Inona no hitanao?
“Ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo”
Ilay Fiangonana velona sy marina
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” (F&F 1:30). Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marina satria Fiangonan’ny Mpamonjy; Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Ary dia Fiangonana velona izy noho ny asa ataon’ny Fanahy Masina sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. (David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 97)
Nampianatra izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Toetoetra telo—(1) fahafenoan’ny fotopampianarana, (2) fahefan’ny fisoronana, ary (3) fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy—no manazava ny antony nanambaran’ Andriamanitra … fa io no hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany. …
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mahafaoka ny zavatra rehetra, misy manerana izao tontolo izao, mamindra fo ary marina. …
Noho izy ireo manana ny fahefan’ny fisoronana, dia nomena fahefana ireo mpitarika sy mpikambana nahazo lalana ara-dalàna ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana takina, toy ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fitantanana ny fanasan’ny Tompo.
Ireo fanalahidin’ny fisoronana, hazonin’ny mpaminany malalantsika … sy ny mpaminany hafa rehetra ary ny Filohan’ny Fiangonana, dia manome azy zo hahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. “Marina” ny Fiangonana satria manana mpaminany isika izay manohy manome antsika ny tenin’ny Tompo izay ilaina amin’izao androntsika izao.
Ny antony fahatelo mahatonga antsika ho hany Fiangonana marina dia ny fananantsika ny fahamarinana nambara momba ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy, ary noho izany isika dia manana fijoroana ho vavolombelona miavaka momba an’i Jesoa Kristy. (Dallin H. Oaks, “La seule Église vraie et vivante,” Liahona, Août 2011, 3–5)
Asao hizara ny zavatra nasiany marika ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny manoratra ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ireo tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hanontany ny mpianatra hoe ahoana no itahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra amin’ny Fiangonany izay nasian’izy ireo marika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra noresahin’ny Filoha Oaks momba ny fijoroana ho vavolombelona miavaka ananantsika momba an’i Kristy, dia hevero ny hangataka azy ireo hikaon-doha momba ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Bokin’i Môrmôna, na ny mpaminany maoderina. Afaka mampiditra ny heviny ao amin’ny tsanganana “Marina” izy ireo.
Ampio, raha ilaina, ny mpianatra hahatakatra fa raha nijoro ho vavolombelona ny Tompo ka nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “hany Fiangonana marina sy velona” dia tsy midika izany fa tsy manana fahamarinana mihitsy ny fiangonana hafa.
Ireo fitahiana avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Rehefa avy nilaza ny Mpamonjy fa ny Fiangonana no “ilay hany fiangonana marina sy velona,” dia nampidiriny tao anatin’izany ny sasany amin’ireo antony namerenany ny Fiangonany tamin’ny laoniny. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31–33, hitadiavana ny zavatra nampianariny.
Afaka mitodika any amina namana mpiara-miasa iray ny mpianatra dia mamintina ny zavatra nianarany avy tamin’ireo andininy ireo. Afaka mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ihany koa izy ireo.
-
Ahoana no anampian’ny Fiangonana marina sy velon’i Kristy anao hitodika any Aminy mba hahazo famelan-keloka?
Omeo fahafahana ny mpianatra hilaza ny zavatra nianarany nandritra ity lesona ity. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hanoratra valiny iray amin’ity rafi-tantara manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo rehefa vitan’izy ireo izany.
Alaovy sary an-tsaina hoe manontany anao ny zavatra mampiavaka ny fiangonanao amin’ny hafa ny olona iray. Ahoana no ahafahanao mamaly io olona io amin’ny fomba izay mety hanampy azy hanana faniriana hahalala misimisy kokoa momba ny Fiangonana? Azonao ampidirina ao amin’ny valin-teninao ity manaraka ity:
-
Ny zavatra nianaranao androany avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Tompo momba ny Fiangonany sy ny zavatra tsapanao momba izany fijoroana ho vavolombelona izany.
-
Ireo fomba izay nahatsapanao na nahitanao fa marina na velona ny Fiangonana
-
Ireo fitahiana azonao amin’ny maha mpikambana anao ao amin’ny Fiangonan’i Kristy
Mety ho azonao faranana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahian’ny Fiangonana marina sy velon’i Jesoa Kristy izany sy ny fomba nanampian’ny fidiranao ho mpikambana tao amin’izany hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjy.
Ataovy tsianjery
Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja mandritra ity lesona ity ary hamerina hijery izany any amin’ny lesona manaraka. Ny andian-teny manan-danja dia ny hoe “Ilay hany Fiangonana velona sy marina.” Ao amin’ny fitaovana tovana etsy ambany ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery; “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”