“Lesona 4—Fotopampianarana sy Fanekempiahavanana 1: -Mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 4: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1
“Mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo”
Talohan’ny nanontana ny Bokin’ireo Didy, izay lasa ampahany tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tatỳ aoriana, dia nangataka tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba hanaovany sasin-teny ho an’ilay boky. Ho setrin’izany dia nambaran’ny Tompo ny fizarana 1 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao fotoana izao ho teny fanolorana ireo fanambarana ho an’izao tontolo izao. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny antony anomezan’ny Tompo fampitandremana ho an’izao tontolo izao.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity na zavatra iray izay mety kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao mba hanampy amin’ny fanomanana azy ireo hisaintsaina hoe nahoana no mety hampitandrina olona iray ny olona iray hafa.
Alaovy sary an-tsaina hoe misy namana iray mandray fanapahan-kevitra hiteraka voka-dratsy.
Asao ny mpianatra hizara ohatra maneho zavatra tena misy amin’ny hoe mety ho inona izany fanapahan-kevitra izany. Mety ho ohatra amin’izany ny hoe madainga amin’ny ray aman-dreny, mandika ny Tenin’ny Fahendrena, manao hosoka any am-pianarana, na miala amin’ny Fiangonana.
Manome “feo fampitandremana” ihany koa ny Mpamonjy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4 ). Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:
Mitadiava valiny amin’ireo fanontaniana ireo ianao rehefa mandalina ity lesona ity.
Ho an’ny olona rehetra ny feo fampitandreman’ny Tompo
Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny tantaran’ny hoe ahoana no nahazoana ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireto fampahalalana manaraka ireto.
Nirakitra fanambarana mihoatra ny 60 avy amin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith hatramin’ny Nôvambra 1831. Na dia izany aza, dia vitsy ireo mpikamban’ny Fiangonana nanana tahadikan’ireo fanambarana. Teo ambany fitarihan’ny Mpaminany, dia voatambatra tamina bokin-tsoratra masina vaovao nantsoina hoe Bokin’ireo Didy ireo fanambarana ireo, ary lasa ampahany tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany tatỳ aoriana. Nangataka am-bavaka tamin’ny Tompo i Joseph mba hahazo teny fanolorana amin’ilay boky, rehefa teo an-dalam-panontana ilay boky. Ho valin’izany dia noraisiny tamin’ny alalan’ny fanambarana ny fizarana 1 , izay nantsoin’ny Tompo hoe “sasin-teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:6 ) tamin’io bokin-tsoratra masina vaovao io.
Hevero ny hanoratra ireto fanontaniana sy toko sy andininy manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Afaka mitady valiny samirery na anatina vondrona kely ny mpianatra. Raha miasa anaty vondrona kely ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mamintina ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny vondrona misy azy ireo alohan’ny hizarana izany amin’ny iray kilasy.
Ampiasao hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ny soratra masinao:
Mety hanampy ny fanoratana ity fanambarana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe rehefa mandinika ny valin-tenin’izy ireo ny mpianatra: Miantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandreman’ny Mpamonjy .
Porofon’ny fitiavany ny feo fampitandreman’ny Tompo
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 , dia manambara antony maro anomezany fampitandremana ho an’izao tontolo izao ny Mpamonjy. Saintsaino rehefa mandalina ianao hoe amin’ny fomba ahoana no maha porofon’ny fitahian’ny Mpamonjy antsika an’ireny antony ireny.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11–17, 21–28 , ary tadiavo ireo antony anomezan’ny Tompo fampitandremana antsika.
Hevero ny hizara ny kilasy ho roa mitovy. Asao ny antsasany iray hamaky ny andininy 11–17 ary ny antsasany iray hafa hamaky ny andininy 21–28 . Afaka manao tabilao misy tsanganana roa ianao raha mila fitarihana bebe kokoa ny mpianatrao. Ampidiro ao amin’ny tsanganana voalohany ireo andininy, ary avelao ny mpianatra hanoratra ny anton’ny fampitandremana ao amin’ny tsanganana faharoa. Mety hahita valim-panontaniana toy ireto manaraka ireto ny mpianatra:
1:12 mba hanomanana antsika amin’ny zavatra ho avy
1:15–17 mba hampitandremana antsika amin’ireo fanamby sy fahotana amin’izao androntsika izao
1:21 mba hampitomboana ny finoantsika
1:22 mba hampiorenana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ny Tompo
1:26 mba hampianarana antsika
1:27 mba hamaizana sy hanitsiana antsika rehefa manota isika
1:27 mba hanampiana antsika hibebaka
1:28 mba hanomezana fahalalana antsika
Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fampiasana ity torolalana manaraka ity.
Misafidiana iray amin’ireo antony hitanao fa itenenan’ny Tompo amintsika, ary valio ny iray na ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Amin’ny fomba ahoana no maha porofon’ny fitiavan’ny Mpamonjy an’io antony io? Ahoana no mety hahafahana mandray io antony io ho fitahiana?
Oviana no niainanao io fitahiana io, na inona no antony mety hilanao io fitahiana io eo amin’ny fiainanao?
Nahoana no mila io fitahiana io izao tontolo izao manontolo?
Ahoana no fomba ampitandreman’ny Mpamonjy antsika amin’izao androntsika izao?
Afaka manampy ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ity manaraka ity. Azonao atao ny manome taratasy na manasa ny mpianatrao hampiasa ny diary fandalinan’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hahay hitaditady hevitra ny amin’ny fomba izaran’izy ireo ny hafatr’izy ireo. Afaka manome fitaovana fanaovana sary araka izay misy ianao.
Alaovy sary an-tsaina hoe manasa anao ny mpampianatra anao mba haka minitra vitsy hizarana ny antony ampitandreman’ny Tompo antsika ankehitriny, amin’ny lesonao amin’ny alahady. Hevero ny fomba hizaranao io hafatra io amin’ny kilasy misy anao amina fomba manan-danja. Manomàna taratasy zaraina, meme (sary maneho hafatra), petadrindrina, na fomba hafa maneho fahaiza-mamorona hizarana io hafatra io amin’ny kilasy misy anao. Ampidiro ireto manaraka ireto:
Andininy iray ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 izay mizara farafahakeliny antony iray ampitandreman’ny Tompo ny olon-drehetra
Ohatra iray amin’ny fampitandreman’ny Tompo antsika amin’izao androntsika izao (Raha nosafidinao ny hoe ny Tompo dia mampitandrina antsika amin’ireo fanamby sy fahotana eo amin’izao tontolo izao [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–17 ], dia azonao atao ny mizara andininy iray avy ao amin’ny soratra masina na tenina mpaminany maoderina iray izay mampitandrina antsika amina fakam-panahy maoderina.)
Ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny Tompo mizara hafatra fampitandremana amintsika ankehitriny. Azonao atao ihany koa ny mampiditra zavatra niainanao anankiray.
Rehefa mizara ny mpianatra, dia mitadiava fomba handokafana sy hisaorana azy ireo amin’ny ezaka amin-kitsimpo nataon’izy ireo, ary koa hanasongadinana ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo hafatra alefany amin’izao androntsika izao.
Mba hahitana fanofanana fanampiny momba ny fomba anampiana ny mpianatra hahafantatra fa omenao lanja ny fanehoan-keviny, dia jereo ny “Ampitao fa manome lanja ny mpianatra ianao alohan’ny hanehoany hevitra na rehefa manangana ny tanany izy ireo mba haneho hevitra .” Io fanofanana io dia hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao .
Tao anatin’ireo taona vitsivitsy niandohan’ny Fiangonana, dia tamin’ny alalan’ny soratanana tamina taratasy misaratsaraka izay nampitapitaina teo anivon’ireo Olomasina ihany no nahafahan’ny sasany tamin’ny mpikambana nahazo ny fanambarana nataon’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tao amin’ny fanambarana iray izay noraisin’i Joseph nandritra ny fihaonambe iray tamin’ny 1831, dia nanaiky ny hanatambarana ireo fanambarana ny Tompo ary talohan’ny famoahana printy izany dia nanambara sasin-teny ho an’ilay boky ho avy Izy. Izy io dia hahitana andiany maromaro misy ny antsasany latsaka kely amin’ireo fanambarana izay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao fotoana izao. Ny fanontana dia nanomboka tamin’ny 1832 tao amin’ny trano fanontana pirinty tao Independence, Missouri, saingy nisy andian’olona nanakana ilay asa natao. Ireo sy ny fanambarana hafa dia vita pirinty soa aman-tsara tamin’ny 1835 ary nantsoina hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany . Mba hahitana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao , boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 141–43 .
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Indraindray izahay mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia tsikerain’ny olona amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny lalàn’ Andriamanitra, sy amin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ary amin’ny fanoherana ireo fanerena ara-piarahamonina amin’izao andro izao. Fa ny iraka nampanaovina anay amin’ny maha apôstôly voahosotra anay dia ny “handeha eran’izao tontolo izao hitory ny filazantsara[ny] amin’ny olona rehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:28 ]. Midika izany fa didiana mba hampianatra ny fahamarinana izahay.
Rehefa manao izany izahay dia voampanga ho tsy miraharaha rehefa mampianatra ireo zavatra takin’ny Ray hahazoana ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Kanefa moa ve tsy vao mainka tsy miraharaha izahay raha tsy milaza ny marina—tsy mampianatra ny zavatra nambaran’ Andriamanitra?
Koa noho izahay mihevitra lalina tokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra no hanambaranay ny fahamarinany. Mety tsy hilaza amin’ny olona ny zavatra tiany ho heno foana izahay. Mahalana ny mpaminany no hoe tiam-bahoaka. Saingy tsy maintsy mampianatra ny fahamarinana mandrakariva izahay! (Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, sept. 17, 2019], 3, speeches.byu.edu
Manasà mpianatra iray hanakimpy ny masony na hanisy lamba anakona-maso ary hamindra miadana avy eny aoriana mankeny aloha ka hiezaka tsy handona dabilio na seza. (Raha tianao, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisakisaka ny dabilio na ny sezan’izy ireo mba hamoronana sakana kanefa sady manisy lalana mankeny aloha ihany.) Avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hampitandrina ilay mpianatra mitampi-maso raha mitady hidona amina sakana iray izy. Angataho hieritreritra ohatra ny mpianatra momba ny hoe rahoviana no mety hampitandrina ny hafa izy ireo na rahoviana no tian’izy ireo hisy hampitandrina azy.
Matetika ny mpianatra no manana olana amin’ny fahatakarana ny vokatry ny tsy firaharahiana ny feon’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hiresaka ireo fampitandremana nifanakalozan’ny iray kilasy hevitra tany am-piandohan’ny lesona mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo. Angataho hizara fohifohy ny vokatra samy hafa ateraky ny tsy firaharahiana ireo fampitandreman’ny Mpamonjy ny kilasy. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny tsy fankatoavana ireo lalàna masin’ny Mpamonjy dia miteraka vokany ratsy ara-panahy eo amin’ireo izay misafidy ny tsy hibebaka.
Asao ny mpianatra hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14 , ary angataho izy ireo hamantatra ireo vokatry ny tsy fihainoana ny feon’ny Tompo na ny mpanompony. Mety hanampy raha hazavaina fa ny hoe “hosarahina” hiala eo anivon’ny olon’ Andriamanitra dia sarahina amin’ny olomarina. midika ihany koa hoe sarahina amin’ny herin’ Andriamanitra, ny fiarovany, ny fitaomany, ny fitahiany, ary amin’ny farany, ny fanatrehany ny hoe “hosarahina”.
Mety hahazoan’ny mpianatra tombony ny famakiana ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:
Ry rahalahy sy anabavy malalako, ireo lalàna masina dia fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny zanany. Tahaka ny niarovan’ny fitsipiky ny fianakaviana ireo zanatsika rehefa nihalehibe izy ireo, tahaka ny iarovan’ny lalàna masina mifehy ny fo sy ny sidina amin’ny fiaramanidina anao eo amin’ny latabatra fandidiana na mandritra ny dia lavitra, dia miaro anao toy izany koa ny fanarahana ny lalàn’ Andriamanitra rehefa miroso mankamin’ny fisandratana farany ianao. …
… Ny fitahiana lehibe indrindra an’ Andriamanitra dia natokana ho an’ireo izay mankatò ny lalàny, araka ny nohazavainy hoe: “Fa izay rehetra te hahazo fitahiana eo an-tanako dia handray ny lalàna izay voatendry ho an’izany fitahiana izany” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:5 ]. Ny lalàn’ Andriamanitra dia entanin’ny fitiavany antsika tsy misy fetra sy ny faniriany antsika ho tonga araka izay rehetra azontsika ahatongavana. (Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God ” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, sept. 17, 2019], 3, speeches.byu.edu )
Asehoy ny horonan-tsary Follow the Prophet ” (4:16) mba hanampiana ireo mpianatra hampifandray ny fankatoavany ny feon’ny Tompo sy ny fiarovany masina.
4:16