Seminera
Lasona 6—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany”


“Lesona 6—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38: -Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38,” Seminera momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 6: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38

“Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany”

Jesoa Kristy

Mba hamaranana ny sasin-teniny nentanim-panahy ho an’ny Bokin’ireo Didy (ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao fotoana izao), ny Tompo dia nijoro ho vavolombelona fa miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny Izy. Afaka manampy ny mpianatra handalina ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ny mpaminany maoderina ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Nahoana isika no te hihaino ny Tompo?

Mety hahomby ny manomboka amin’ny fijerena ny “#HearHim: President Nelson Invites Us to Hear the Voice of the Lord,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:14.

2:32

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra tiany na nianarany tao amin’ilay horonan-tsary. Angataho ny mpianatra hanakimpy ny masony sy haka sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity, eo am-pisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao hizara ny valin-tenin’izy ireo ny mpianatra raha tsy mahakasika ny tena manokana loatra izany.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana fahafahana ny ho ao amin’ny efitrano iray misy ny i Jesoa Kristy Mpamonjy ianao.

  • Inona no antony mety hahatonga anao ho te hiresaka Aminy na hihaino Azy?

  • Inona no lohahevitra tianao horesahin’ny Mpamonjy aminao na hanomezany tari-dalana anao? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao, inona no mety ho fiantraikan’izany aminao raha mitranga aminao izany?

Mikatsaha tari-dalana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba ahafahanao mandre ny tenin’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahan’izany mitahy anao manokana rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

Ny fomba ahenoana ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika

Tia antsika ny Mpamonjy ary tiany hiezaka hihaino ny feony tsy tapaka isika. Nanasongadina fomba sasantsasany ahafahany miteny amintsika ny Mpamonjy ao amin’ny fiafaran’ilay sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38, hitadiavana ireo fomba itenenany amintsika. Mety hanampy ny mitadidy fa ny teny hoe “didy” dia entina ilazana ny Bokin’ireo Didy (na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana).

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 dia andalan-tsorara masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahitan’izy ireo azy ireny mora foana.

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo?

    Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zava-baovao hitan’izy ireo. Mety hilaza izy ireo fa miteny amintsika amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny mpaminaniny ny Tompo. Hevero ny hihazona ambony ny tahadika iray amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, sarin’ny mpaminany maoderina, ary sarin’ny Mpamonjy raha tsy manao izany izy ireo, ka anontanio ny zavatra itovian’izy ireo araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny iray izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: na amin’ny alalan’ny feony na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompony dia iray ihany izany.

    Soraty eny amin’ny solaitrabe, raha toa ka ilaina, ireto andininy manaraka ireto ary asao hamaky iray na roa amin’izany ny mpianatra, hitadiavana ny zavatra ampianarin’izany ka manamafy ilay fahamarinana eo ambony: Deoteronomia 18:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:33–36; 21:4–6. Azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ireo andininy ireo mba hampifandraisina amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray izany hoe te handalina ny tenin’ny Tompo izany?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahamarinana izay hitantsika, na ireo andian-teny hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38, mandrisika anao handalina ny tenin’ny Tompo?

Ny antony mahatonga antsika ho te handalina ny teniny

Jereo ity horonan-tsary manaraka ity, dia vakio ilay teny nambara manaraka aorian’izay, mba hitadiavana ny antony mety hitiavanao handalina ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ny mpaminany maoderina:

Ny Rahavavy Carol F. McConkie, mpanolontsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nampianatra toy izao:

Ny Rahavavy Carol F. McConkie

[Ny mpaminanin’ny andro farany] dia miteny amin’ny anaran’i Kristy. Maminany amin’ny anaran’i Kristy izy ireo. Manao ny zava-drehetra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Mandre ny feon’ny Tompo sy mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy isika ao amin’ny tenin’izy ireo. (Carol F. McConkie, “Miaina araka ny tenin’ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 77)

  • Inona no zavatra tianao na nianaranao avy amin’io teny nambara io?

    Omeo fotoana hisaintsainana ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra, alohan’ny hangatahana mpianatra manolo-tena hizara. Hevero ny hizara ohatra momba ny tenanao manokana izay azon’izy ireo ampifandraisina amin’ny tenany rehefa misaintsaina ny mpianatra. Mety hanampy azy ireo hieritreritra ohatra hafa ny fanaovana izany.

  • Oviana ianao (na ny olona iray fantatrao) no nahatsapa fa nahazo hafatra iray avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny soratra masina na tamin’ny alalan’ny mpaminany maoderina?

Fampiharana

Natao hanampy ny mpianatra hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjy eo am-pandalinana ny tenin’ny mpanompony ity sahanasa manaraka ity. Makà antoka fa ampy tsara ny fotoana omena ny mpianatra hamitana izany sy hizarana ny eritreritr’izy ireo.

  1. Makà minitra maromaro hikarohana ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina sy tenina mpaminany maoderina manaraka ireto. Alaovy sary an-tsaina ny Tompo miteny ireo teny ireo aminao rehefa mandalina ianao. (Fahaiza-mandalina manampy azonao ampiasaina amin’ny fotoana rehetra andalinanao ny soratra masina izany.) Hevero ny hanisy marika izay zavatra manan-danja aminao.

    Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34–37; 10:5; 19:23; 27:15–18; 58:26–28; 68:5–6; 78:18–19; 82:10; 98:1–3; 112:10. (Na mifantena andininy hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana).

    Raha tsapanao fa izay no hety kokoa amin’ny filan’ny mpianatrao, dia izao no ataovy fa tsy ilay manaraka eo: hevero ny hanambatra teny vao haingana avy amina mpaminany, izay mihatra manokana amin’ny mpianatrao. Makà antoka fa manana ny laharan’ny gazetiboky Liahona farany indrindra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany maromaro ianao.

  2. Halalino ny ampahany na izy manontolo amin’ny lahateny iray tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana, izay tsapanao fa hanampy anao manokana.

    Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Mety hilaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  3. Inona no nianaranao?

  4. Nitondra inona tamin’ny fandalinana nataonao ny fakana sary an-tsaina ny Mpamonjy miteny an’ireny teny ireny aminao?

  5. Inona no mety ho fiantraikan’ny fanaovana izany tsy tapaka amin’ny fandalinanao manokana amin’ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?

Mitadiava fomba hanamafisana fa miteny amintsika amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny mpaminany velona ny Tompo rehefa mizara ny mpianatra.

Hamaranana azy, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra tianao hatao mba hanatonana akaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tenin’ny mpanompony. Mety ho hevitra amin’izany ireto:

  • Halalino tsy tapaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, toy ireny hoe miteny aminao ireny ny Tompo.

  • Henoy ny tenin’ny mpaminany rehefa miomana ho any am-pianarana ianao amin’ny maraina na miomana hatory amin’ny hariva, na mandritra ny fotoana hafa ilainao kokoa.

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 ary avereno jerena amin’ny lesona manaraka izany. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany”. Misy hevitra hanaovana sahanasa fitadidiana ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana”.