“Joseph Smith—Tantara 1:1–26 Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera, (2025)
“Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Joseph Smith—Tantara 1:1–26
Topimaso ankapobeny
Fony mbola kely i Joseph Smith dia naniry ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy ary nikatsaka ny hahalala izay fiangonana marina sy izay tokony hidirany. Ny fikarohana nataony dia nitondra azy tany amina alakely iray teo akaikin’ny tranony mba hanontany an’ Andriamanitra. Ho valin’izany, dia niseho tamin’i Joseph ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marin’ Andriamanitra tetỳ an-tany. Rehefa avy nizara io zavatra niainana tamin’ny Fahitana Voalohany io i Joseph, dia lasa lasibatry ny fanenjehana izy. Tsy nampihena ny faharesen-dahatra nananany anefa izany hoe niseho taminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome anao hevitra amin’ny zavatra mety hilainao omanina mialoha amin’ny lesona tsirairay.
Joseph Smith—Tantara 1:1–14
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith amin’ny ezaka ataon’izy ireo hianatra fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fianakavian’i Joseph Smith dia nandalina tsy tapaka ny Baiboly sy nivavaka ary nifanakalo hevitra momba ny fivavahana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fampianarana ny filazantsara izay iainan’izy ireo any an-tranony. Avy eo dia azo omena fotoana ao an-dakilasy ny mpianatra mba hizaran’izy ireo ny fiantraikan’ny fanomezana sehatra ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano teo amin’izy ireo na ny zavatra tsapany fa mety itahian’izany ny tokantranon’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.
Joseph Smith—Tantara 1:15–20
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fahamarinana manan-danja nambara momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitadidy ampahany na ny rehetra amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20 alohan’ny fotoam-pianarana. Mety ho azo atao amin’izany ny fanaovana tsianjery ny toko sy andininy sy teny manan-danja fotsiny; fanaovana tsianjery ny andininy 16–17; na ny fanaovana tsianjery zavatra betsaka amin’ny andininy 15–20 araka izay safidian’izy ireo. Amporisiho izy ireo hivavaka alohan’ny hanaovana tsianjery mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany.
-
Video: “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (6:35)
Joseph Smith—Tantara 1:21–26
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manome fahafahana ho an’ny mpianatra mba hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia niseho tamin’i Joseph Smith.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hihaino ny torohevitry ny Loholona Neil L. Andersen mba handray feo ny tenan’izy ireo eo am-pamakiana ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17. Avy eo dia afaka mihaino ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith amin’ny feon’izy ireo manokana izy ireo (jereo ny Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30).
-
Videos: “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example” (16:32; watch from time code 10:39 to 11:59 and from time code 11:59 to 14:09); “A Choice Seer Will I Raise Up: The Prophet of the Restoration” (4:42)