“Joseph Smith—Tantara 1:1–14: -Hangataka amin’ Andriamanitra,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Joseph Smith—Tantara 1:1–14,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Joseph Smith—Tantara 1:1–14
“Hangataka amin’ Andriamanitra”
Fony mbola kely i Joseph Smith dia naniry ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy ary nikatsaka ny hahalala izay fiangonana marina sy izay tokony hidirany. Na izany aza, dia nisy fiangonana maro nampianatra zavatra samy hafa tamin’izany, ary nahita i Joseph kely fa sarotra ny nanavaka ny marina. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith amin’ny ezaka ataon’izy ireo hianatra fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fotoana nisian’ny fifanjevoana
-
Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny mamantatra ny fampahalalana azo antoka?
-
Ahoana no mety hahatonga an’ireo fanamby ireo hanasarotra ny hahitan’ny olona iray ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany?
Mbola kely i Joseph Smith dia efa nanahy ny amin’izay mahasoa ny fanahiny. Tao anatin’ilay vondrom-piarahamonina, ary tao anatin’ny fianakavian’i Smith mihitsy aza, dia nisy hevitra tsy nitovy momba ny hoe iza no fiangonana nisy ireo fahamarinana nilaina ho an’ny famonjena.
Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:5–10, hitadiavana ny antony nahatonga ny famantarana ny fahamarinan’ Andriamanitra tamin’ireo fivavahana isan-karazany ho sarotra tamin’i Joseph.
-
Ahoana no efa nahitanao fifanjevoana mitovitovy amin’izany momba ny fivavahana teto amin’izao tontolo izao ankehitriny?
-
Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny hoe mikatsaka ny hahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra isika fa tsy hoe manaiky izay zavatra rehetra ampianarina?
Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity, ary asio soratra ny ampahefa-paribolana, araka ny hitanao eo ambany:
Fanontaniana nananan’i Joseph tamin’ Andriamanitra |
Fanontaniana ananako amin’ Andriamanitra |
Ny zavatra nataon’i Joseph |
Ny zavatra hataoko |
Avereno jerena ny zavatra novakinao tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 10. Soraty ao amin’ny ampahefa-paribolana mifanaraka amin’izany ireo fanontaniana sy zavatra nataon’i Joseph.
-
Nahoana, araka ny hevitrao, no mety ho nahafaly ny Ray any An-danitra ny nametrahan’i Joseph ireo fanontaniana ireo?
Manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith
Rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny marina isika, dia mety hanampy ny fanarahana ity fanasana izay avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity:
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nametraka lamina harahantsika eo amin’ny fitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniantsika. …
Tahaka izany koa, hanokatra inona ho anareo ny fikatsahana ataonareo? Inona no fahendrena tsy anananareo? Inona no tsapanareo fa ilainareo fantarina na takarina haingana? Araho ny ohatra nasehon’ny Mpaminany Joseph. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95)
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Filoha Nelson ny hoe afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith isika mba hianaran’ny tenantsika manokana ny fahamarinan’ Andriamanitra. Saintsaino ireo fanontaniana napetraky ny Filoha Nelson. Ahoana no hamalianao samirery an’ireo? Saintsaino ny fanontaniana maromaro anananao ary soraty ao amin’ny ampaham-paribolana hoe “Fanontaniana hapetrako amin’ Andriamanitra” ao amin’ny diary fandalinanao izany.
-
Inona amin’ireo fanontanianao no tsapanao fa anentanan’ny Fanahy anao mba hatao laharam-pahamehana amin’izao fotoana eo amin’ny fiainanao izao? Nahoana?
Rehefa manohy mandalina ny Joseph Smith—Tantara mandritra ny lesona ianao, dia manohiza mameno ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao. Mitadiava fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph mba hahitana valiny amin’ireo fanontanianao. Soraty eo amin’ilay ampahefa-paribolana hoe “Ny zavatra hataoko” ny fahatsapana voarainao mba hanaovana asa.
-
Na dia tsy fantatr’i Joseph aza hoe inona no fiangonana hidirana, dia inona no fantany momba an’ Andriamanitra? (Jereo ny “Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023), andiam-pehezan-teny 2–3.)
-
Nahoana, araka ny hevitrao, no tena vonona hanampy antsika hahita fahamarinana Andriamanitra? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:11.)
-
Inona amin’ireo zavatra nataon’i Joseph no efa nandramanao teo amin’ny fiainanao? Inona amin’ireo no tianao handramana?
Tsarovy ilay fanasana mba “mba hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpaminany Joseph” izay nomen’ny Filoha Nelson. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa misaintsaina ianao hoe inona no zavatra azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Joseph eo amin’ny fikarohana fahamarinana izay ataonao.
Ao amin’ny ampaham-paribolana hoe “Ny zavatra hataoko” ao amin’ny diary fandalinanao, dia manorata fomba iray na roa hanarahanao ny ohatra nasehon’i Joseph Smith. Mampidira antsipiriany manokana momba ny fomba hanaovanao ireo zavatra ireo rehefa mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra ianao. Azonao atao ny mizara ny drafitrao amina namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana azo itokisana. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa na dia ny drafitra tsara indrindra aza dia mety hila fotoana izay vao mitondra ny vokatra irina. Ivereno matetika ny diary fandalinanao sy ny Joseph Smith—Tantara, mba hanombanana hoe manao ahoana ny fanaovanao izany.