Seminera
Lesona 8—Joseph Smith—Tantara 1:1–26: “Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny”


“Lesona 8—Joseph Smith—Tantara 1:1–26: -Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 8: Joseph Smith—Tantara 1:1–26

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

“Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny”

Fahitana-voalohany-ray-sy-zanaka

Mampianatra antsika fahamarinana toy ny toetran’ Ny Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin’ Izy Ireo, ny fisehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ankoatra ny famaliana ny fanontanian’i Joseph Smith momba ny fiangonana tokony hidirany. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fahamarinana manan-danja nambara momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Teny izay nanova izao tontolo izao

Hevero ny hanoratra ny hoe Teny enina avy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20 izay nanova izao tontolo izao manontolo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hijery teny avy amin’io andalan-tsoratra masina io izay mifanaraka amin’io famaritana io rehefa miditra ny efitrano izy ireo ka miandry ny hanombohan’ny lesona.

Nampianatra vondron’ankizy ny Filoha Russell M. Nelson indray mandeha fa “teny enina dia nanova izao tontolo izao manontolo” (ao amin’ny “Seven Words That Changed the World” [horonan-tsary], ChurchofJesusChrist.org).

2:12
  • Inona avy ireo teny ireo araka ny eritreritrao?

Ny teny enina farany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:17no noresahan’ny Filoha Nelson tamin’izany. Vakio ireo teny enina ireo ary hevero ny hirakitra ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny fiafaran’ilay andininy.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana NyJoseph Smith—Tantara 1:15–20 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahitan’izy ireo azy ireny mora foana.

Manasà mpianatra manolo-tena iray hilaza amin’ny iray kilasy hoe iza no niteny ireo teny enina ireo, iza no olona noresahany, ary iza no niresahany.

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra mba tena hieritreretan’izy ireo sy hizaran’izy ireo ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tamin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no nanovan’ireo teny enina ireo an’izao tontolo izao? Inoana no fiantraikan’izy ireo teo amin’ny fiainanao?

Ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany

Afaka manampy ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra fahamarinana maro avy amin’ny tantaran’ny Fahitana Voalohany ity fizarana manaraka ity, indrindra fa ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fiangonan’ Izy Ireo.

Hevero ny hanao sarin’olona tsotra efatra eny amin’ny solaitrabe, ka ny tsirairay amin’izy ireo dia misy taboika maneho eritreritra misy ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Aza misalasala mampiasa fanontaniana samy hafa izay mety hananan’ny mpianatra ao amin’ny kilasinao momba an’ Andriamanitra na ny Fiangonany.) Zarao ho vondrona maromaro ny mpianatra, ka ny vondrona tsirairay dia hizaha ny andininy 15–20 mba hahitana valiny amin’ny anankiray amin’ireo fanontaniana. Manasà solontena iray avy amin’ny vondrona tsirairay, dia asaivo soratany eny amin’ny solaitrabe, eo akaikin’ilay taboika maneho eritreritra, ny tarehimariky ny andininy hitan’izy ireo fa manampy amin’ny famaliana ny fanontanian’izy ireo.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20, hitadiavana hoe ahoana no mety hahafahanao mamaly ireto fanontaniana manaraka mety hananan’ny olona iray ireto, amin’ny alalan’ny fampiasana io tantara io:

  • Mahafantatra antsika ve Andriamanitra?

  • Miteny amin’ny olona ve Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

  • Zava-dehibe ve ny fiangonana misy antsika? Nahoana?

  • Azo atao ve ny mamantatra ny marina? Amin’ny fomba ahoana?

Asao ireo vondrona hizara amin’ny kilasy ny antony nisafidianan’izy ireo ny andininy nosafidin’izy ireo mba hamaliana ny fanontanian’izy ireo.

Hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana, rehefa mizara ny mpianatra, toy ny hoe: “Inona ihany koa no zavatra tsikaritrareo tao amin’io andalan-tsoratra masina io ka zava-dehibe ny hahazoan’ny olona azy ankehitriny?” “Inona avy no fiheveran-diso hafa iombonan’ny olona momba an’ Andriamanitra kanefa hazavain’ny Fahitana Voalohany?” “Nahoana, araka ny eritreritrao, no niseho mivantana Andriamanitra Ray mba hanombohana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?” “Inona no azontsika ianarana amin’ny fomba nampahafantaran’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy tamin’i Joseph ao amin’ny andininy 17?”

Azonao atao ny mizara ireo teny nambara ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hanohanana ireo fahamarinana zarain’ny mpianatra na hanampiana azy ireo hahita ireo fahamarinana tsy hitan’izy ireo samirery.

Fitantarana maro momba ny Fahitana Voalohany

Sahiran-tsaina ny olona sasany rehefa mahafantatra fa nizara antsipirian-javatra miavaka momba ny Fahitana Voalohany tamin’ny fotoana samy hafa i Joseph Smith rehefa nilazalaza ny zavatra niainany. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa fitahiana ny fananantsika fitantarana maro momba io fahitana be voninahitra io. Mety hanampy ny fanazavana ny votoatiny ato amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Misy hevitra mety hanampy ihany koa ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Tamin’ny 1838 no niraketan’i Joseph Smith an-tsoratra ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara, amin’ny maha-ampahany amin’ny tantara ôfisialin’ny Fiangonana havoaka ho an’izao tontolo izao izany. Voatahy ihany koa isika amin’ny fananana fitantarana hafa momba ny Fahitana Voalohany—ka ny telo amin’izany dia nosoratan’i Joseph na notononiny. Nomanina tamina fotoana samy hafa ho an’ny olona samy hafa ny fitantarana tsirairay, ary noho izany dia nanamafy lafin-javatra samy hafa tamin’ny zavatra niainany. Ohatra, ao amin’ny fitantaran’i Joseph Smith tamin’ny 1835 dia ianarantsika fa nahita anjely ihany koa izy, nefa ao amin’ny fitantarany tamin’ny 1832 dia nilaza an’izao izy mba hamaritana ny vokatry ny hoe eo anatrehan’ Andriamanitra: “Feno fitiavana ny fanahiko, ary afaka nifaly tamin’ny fifaliam-be nandritra ny andro maro aho” (“Ireo fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany,” josephsmithpapers.org; jereo ihany koa ny application Médiathèque de l’Évangile).

  • Mampianatra anao inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fiantraikan’ny fitsidihan’ Izy Ireo an’i Joseph?

Manome antsika antsipirian-javatra miavaka ny fitantarana tsirairay, saingy eken’ny rehetra ilay fahamarinana tena ilaina hoe nisokatra tamin’i Joseph Smith ny lanitra ary nahita mpitondra hafatra avy any an-danitra izy, ka tao anatin’izany Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

Hevero ny hanome minitra vitsy ny mpianatra mba hikarohany ny fizarana hoe “Récits que Joseph Smith a fait de la Première Vision” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Azon’izy ireo atao ny mitady azy io amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hoe “Médiathèque,” avy eo “Histoire de l’Église,” ary avy eo “Première Vision.” Afaka mizarazara ho vondrona maromaro ny mpianatra, ka ny mpianatra tsirairay dia mikaroka fitantarana hafa mba hahitana fahamarinana fanampiny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Afaka mitady fahamarinana fanampiny ao amin’ilay horonan-tsary Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (6:35) ihany koa ny mpianatra, ChurchofJesusChrist.org. Ahitana ny antsipiriany avy amin’ny tantaran’i Joseph Smith tsirairay ity horonan-tsary ity.

sary famantarana ny fanofananaMifantoha amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy: Jereo, mba hahitana fanofanana misimisy kokoa momba ireo fanontaniana izay manasa ny mpianatra handinika ny zavatra ianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ilay fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy.

6:35
  • Inona ihany koa no ampianarin’ireo fitantarana ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fiangonan’ Izy Ireo, ka ankasitrahinao ny fahafantarana azy?

Asao hamarana ny lesona ny mpianatra, ka asaovy raketin’izy ireo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinany ny fahamarinana iray nianaran’izy ireo avy amin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ka manan-danja amin’izy ireo sy ny anton’izany. Manasà mpianatra manolo-tena hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20 ary avy eo dia mamerina mijery izany amin’ny lesona manaraka. Ny fehezanteny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “I Joseph Smith dia -nahita Olona roa, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny-”. Misy hevitra hanaovana sahanasa fitadidiana ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana”.