Seminera
Lesona 9—Joseph Smith—Tantara 1:21–26: “Efa nahita fahitana aho … ary tsy afaka mandà izany aho”


“Lesona 9—Joseph Smith—Tantara 1:21–26: -Efa nahita fahitana aho … ary tsy afaka mandà izany aho,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Joseph Smith—Tantara 1:21–26,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 9: Joseph Smith—Tantara 1:1–26

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

“Efa nahita fahitana aho … ary tsy afaka mandà izany aho”

i-Joseph-niverina-avy-ao-amin’ilay-alakely-masina

Lasa lasibatry ny fanenjehana vetivety teo i Joseph Smith rehefa avy nizara ny zavatra niainany momba ny Fahitana Voalohany tamina mpitondra fivavahana teo an-toerana, fony izy 14 taona, Tsy nampihena ny faharesen-dahatra nananany, hoe niseho taminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, anefa izany. Ity lesona ity dia afaka manome fahafahana ny mpianatra hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Inona no ho tsapanao?

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona fa niantso an’i Joseph Smith ho Mpaminaniny Andriamanitra. Ireto tantara sy fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fanatanterahana izany.

Nizara tantaran’ny misiônera roa izay niatrika fanoherana mikasika ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018).

2:3
Filoha Thomas S. Monson

Nisy [misiônera] roa nandondòna tao an-tranon’Andriamatoa Elmer Pollard. … Nozarain’izy ireo ny hafatra nentiny ary nanontanian’izy ireo izy raha afaka miara-mivavaka. Nanaiky izy, raha izy no hanolotra ilay vavaka.

Nampitolagaga ireo misiônera ny vavaka nataony. Hoy izy hoe: “Ry Ray any An-danitra ô, tahio ireto misiônera roa mahonena sy diso lalana ireto mba hody any an-tranony avy ka tsy handany ny fotoanany hiresahana amin’ny vahoakan’i Kanadà momba ny hafatra iray izay mampitolagaga sy tsy dia fantany loatra akory.”

Rehefa nitsangana avy nandohalika izy ireo, dia nangataka ireo misiônera mba tsy hiverina any an-tranony intsony Andriamatoa Pollard. Nilaza tamim-panesoana izy, rehefa nandao azy izy ireo, hoe: “Tsy afaka milaza amiko akory ianareo hoe tena mino fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith!” dia nakaratony ny varavarana. (Thomas S. Monson, “Joseph Smith, le prophète: enseignant par l’exemple,” Liahona, nôv. 2005, 69)

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana faharoa amin’ny kilasy.

  • Hatraiza ny fatokian-tena anananao mba hijoroana ho vavolombelona fa i Joseph Smith dia notsidihin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary nantsoina ho mpaminany?

  • Nahoana ny fahafantaranao izany manokana no mety hisy fiantraikany amin’ny fiainanao sy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?

Eritrereto ny dikan’ny Fahitana Voalohany aminao sy ny fomba nanovan’izany na ahafahan’izany manova ny fiainanao, rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Hanana fahafahana hirakitra an-tsoratra ireo eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao ianao any amin’ny fiafaran’ny lesona.

Ny zava-misy marina momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

Nizara ny zavatra niainany tamin’ny mpitory teny iray tao amin’ny fiangonana teo an-toerana i Joseph Smith taorian’ny nisehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy taminy.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:21–23, hitadiavana hoe inona no nataon’ny mpitoriteny iray sy ny maro hafa rehefa naheno momba ny fahitana hitan’i Joseph izy ireo.

  • Inona no manan-danja indrindra aminao ao amin’ny famaritan’i Joseph ny zava-nitranga, ao amin’ireo andininy ireo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no efa niainanao fanoherana momba ny zavatra fantatrao fa marina?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fanananao fijoroana ho vavolombelona manokana momba ilay fahamarinana rehefa misalasala ny amin’ny zavatra lazainao ny hafa?

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:24–26 ary hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny anamafisan’i Joseph hoe marina ny fahitana hitany.

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo?

    Mety hilaza fahamarinana isan-karazany ny mpianatra. Isaory izy ireo amin’ny fizarana ny zavatra hitan’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Raha ny marina, niseho tamin’i Joseph Smith, ho valin’ny vavaka nataony, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

    Mety hanampy ny fitanisana ireo teny sy andian-teny izay nasian’ny mpianatra marika eo akaikin’ilay fahamarinana voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo teny na andian-teny amina ravin-taratasy kely ary hametaka izany eny amin’ny solaitrabe, ho solon’izany.

  • Nahoana araka ny voalazan’ny andininy 25, no nanampy an’i Joseph hijoro tamim-pahatokiana tamin’ny zavatra fantany fa marina ny fahatakarana nananany momba an’ Andriamanitra?

Omeo fahafahana ny mpianatra mba hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny dikan’ny Fahitana Voalohany ho azy ireo. Afaka mandany 10 hatramin’ny 15 minitra hanaovana izany izy ireo. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany ny fanomezana sahanasa misy toromarika mba hanampiana azy ireo hisaintsaina sy hanoratra, toy ireo voatanisa eo ambany. Azonao atao ny mampiseho ireo sahanasa ireo ary mamela ny mpianatra hisafidy izay tian’izy ireo hatao, na afaka misafidy izay hataon’ny iray kilasy miaraka ianao. Mety ho tsara raha ataon’ny iray kilasy miaraka ny sahanasa roa voalohany.

  1. Hirao miaraka amin’ny iray kilasy na vakio ny tonon’ilay fihirana hoe “Vavaka voalohany nataon’i Joseph Smith” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 28). Indro misy seho nataon’ny Amboarampeon’ny Tabernakely ao amin’ny Temple Square izay mihira ny fihirana:

    4:8
  2. Jereo ny horonan-tsary A Choice Seer Will I Raise Up: Prophet of the Restoration” (4:42), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

    4:42
  3. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny teny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ka saintsaino tsara ireo teny ireo. Na raha azo atao, dia raiso feo ary henoy ny tenanao mamaky ireo teny ireo amina fitaovana nomerika.

  4. Mamakia lahateny natao tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany momba ny Fahitana Voalohany. Indreto misy safidy vitsivitsy:

    1. Les fruits de la Première Vision”(Dieter F. Uchtdorf, Liahona, mey 2005, 36–38)

    2. Joseph Smith Did See God” (Joseph F. Merrill, Ensign, des. 2015, 70–71)

Zarao ny tohin’ilay tantara momba an’ Andriamatoa Pollard amin’ny alalan’ny fandefasana ilay horonan-tsary “Joseph Smith, le prophète: enseignant par l’exemple,” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 11:59 ka hatramin’ny 14:09.

2:3

Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny dikan’ny Fahitana Voalohany aminao. Ampidiro ao amin’ny fandinihana ataonao ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny fahatsapanao hoe afaka mitahy ny fiainanao ny fanananao fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany.

Asao ireo izay vonona mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona na fahatsapana ananan’izy ireo momba an’i Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany, rehefa vitan’ny mpianatra izany. Hevero ny hizara hoe ahoana no nahatonga anao hahalala fa tena marina ny famangian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith.