“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65 Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera, (2025)
“Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Topimaso ankapobeny
Telo taona taorian’ny Fahitana Voalohany, dia naniry ny hahalala ny toerana misy azy eo anatrehan’ Andriamanitra i Joseph Smith. Nivavaka tamin’ Andriamanitra izy mba hahazo tari-dalana. Niseho ny anjely Môrônia ary nilaza tamin’i Joseph fa misy asa hampanaovin’ Andriamanitra azy. Niresaka momba ireo takela-bolamena i Môrônia ary nilaza fa hanampy amin’ny fanantanterahana faminaniana maromaro avy ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith, ao anatin’izany ny faminanian’i Malakia fa hampitodika ny fon’ny zanaka amin’ny rainy i Elia.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome anao hevitra amin’ny zavatra mety hilainao omanina mialoha amin’ny lesona tsirairay.
Joseph Smith—Tantara 1:27–50
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny antson’i Joseph Smith ho mpaminanin’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hiomana ka ho vonona hizara fahamarinana manan-danja izay nambara noho ny fiantsoan’ Andriamanitra an’i Joseph Smith ho mpaminany.
Joseph Smith—Tantara 1:50–65
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia hanampy azy ireo hanatanteraka ny asa nandidiany azy ireo hatao.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga hianatra omban’ny fieritreretana ny fomba hahazoan’izy ireo tombony amin’ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Votoatiny haseho: Azonao atao ny mandika ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fanasan’ny Tompo mba hampitodika ny fon’izy ireo amin’ireo razamben’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miomana hizara momba ny olona iray avy ao amin’ny tantaram-pianakavian’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny vakizoro “Souvenirs” ao amin’ny FamilySearch mba hahitana tantara momba ny havana iray ao amin’ny tetiaran’izy ireo.
-
Fitaovana: Ampahatsiahivo ny mpianatra mba ho tonga ary vonona miaraka amin’ny anarana fampiasa sy ny tenimiafina hidirana ao amin’ny FamilySearch.org. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny fampahalalana fidiran’izy ireo ao amin’ny kaontin’izy ireo ao amin’ny Fiangonana mba hidirana ao amin’ny FamilySearch.org. Manomeza taratasy sy hety hanaovana rojon-taratasy.