“Lesona 10—Joseph Smith—Tantara 1:27–50—Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Seminera momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 10: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Joseph Smith—Tantara 1:27–50
Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia
Tamin’ny 21 septambra 1823, dia nivavaka tamin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hahazo famelan-keloka amin’ny fahotany sy hahalala ny toerana misy azy eo anatrehan’ Andriamanitra. Ho valin’izany dia niseho tamin’i Joseph Smith ny mpaminany Môrônia mba hampianatra azy momba ny Bokin’i Môrmôna sy ireo faminaniana fahiny momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Naminany momba ny hoavin’i Joseph ihany koa i Môrônia. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny fiantsoana an’i Joseph ho mpaminanin’ Andriamanitra.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Namariparitra ny fahatanorany i Joseph Smith.
Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:27–29, hitadiavana ny fomba nilazalazan’i Joseph Smith ny zavatra tsapany nandritra ireo telo taona taorian’ny Fahitana Voalohany.
-
Ahoana no ahafahan’ny zatovo amin’izao androntsika izao hampifandray ny tenany amin’i Joseph Smith?
Nanana asa ho an’i Joseph Smith Andriamanitra.
Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:30–35 ary tadiavo ny zavatra niainan’i Joseph Smith rehefa nivavaka izy.
-
Inona no zavatra niainan’i Joseph ka mety ho nanome azy fanantenana?
-
Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba an’i Joseph Smith?
Nandritra ny alina sy vao marainan’ny 21–22 septambra 1823 dia niseho tamin’i Joseph intelo i Môrônia. Io hafatra io ihany no nozarainy ary ireo soratra masina ireo ihany no noresahiny isaky ny mandeha (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:36–50).
Vakio ireo andininy ireo hitadiavana ny antony hanomezan’ireo faminaniana ireo fahatakarana fanampiny an’i Joseph momba ny asa izay handeha hataony.
-
Ahoana no ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ny asa niantsoan’ny Tompo an’i Joseph mba hataony?
-
Ahoana no mety hanamafisan’ireo faminaniana ireo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny antso masina hazonin’i Joseph?
-
Inona no fiantraikan’ny asa notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith tamin’ny zavatra fantatrao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy? (Jereo ny 2 Nefia 3:6–8, 11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3.)
Ho tsara sy ratsy laza ny anaran’i Joseph Smith
-
Nahoana, araka ny eritreritrao, no tena betsaka ny fanoherana ny Mpaminany Joseph Smith?
Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Fa nahoana no avelan’ny Tompo hiara-hitranga amin’ny fanaratsiana ny filazana zavatra tsara momba ny olona iray? Ny antony iray dia ny hoe ny fanoherana ireo zavatra avy amin’ Andriamanitra no mamporisika ireo mpikatsaka ny fahamarinana handohalika hivavaka mba hahazoana valiny. …
Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraka ny handrosoantsika mankany amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahana miharo hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 28, 30)
-
Ahoana no mety hanampian’ny fahafantarana fa i Môrônia dia naminany ny hisian’ny mpitsikera izay hiteny zavatra “ratsy” momba an’i Joseph Smith?
-
Inona no azontsika atao mba ho vonona hanampy ireo izay mety miaina fanoherana noho ny finoan’izy ireo momba an’i Joseph Smith?
Manatanteraka ny faminaniana hiteny zavatra tsara momba an’i Joseph Smith
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fanasana manokana ho an’ny zatovon’ny Fiangonana:
Fanamby voafaritra mazava tsara no omeko an’ireo zatovo izay mihaino an’ireto teny ireto amin’izao fotoana izao na mamaky ireto teny ireto any aoriana: Ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenanao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith. Aoka ny feonareo hanampy amin’ny fanatanterahana ireo teny faminanian’i Môrônia ka hanatsara ny lazan’ny Mpaminany. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30)
-
Inona avy no fomba sasantsasany azonao anampiana amin’ny fanatanterahana ny faminanian’i Môrônia hiteny zavatra tsara momba an’i Joseph Smith?