“Lesona 11—Joseph Smith—Tantara 1:50–65—Azon’i Joseph Smith ireo takela-bolamena,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Joseph Smith—Tantara 1:50–65,” Seminera momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 11: Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Joseph Smith—Tantara 1:50–65
Azon’i Joseph Smith ireo takela-bolamena
Nomen’ny Tompo asa lehibe hatao i Joseph Smith. Nodidiana haka ireo takela-bolamena teo amin’ny Havoan’i Komôrà, handika ilay rakitsoratra, ary hamoaka ny Bokin’i Môrmôna izy. Namatsy fomba sy fitaovana hanampiana an’i Joseph Smith hanatanteraka io asa lehibe io ny Tompo. Tahaka ny nanampian’ny Tompo an’i Joseph hanatanteraka ny asa nomena azy no ahafahan’ny Tompo manampy antsika ihany koa. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa hanampy antsika hanatanteraka ny asa nandidiany antsika mba hataontsika ny Tompo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Anjely hanampy antsika hanao ny asan’ Andriamanitra
-
Inona no zavatra fantatrao momba ny antony andefasan’ Andriamanitra anjely?
Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, hitadiavana antony iray andefasan’ Andriamanitra anjely.
Hatrany am-piandohana ka hatramin’ireo fotoampitantanana nifandimby, dia nampiasa anjely Andriamanitra ho irany hampita ny fitiavany sy ny fiahiany ny zanany. … Niresaka mikasika ny fanampian’ny lanitra aho, amin’ireo anjely nirahina mba hitahy antsika amin’ny fotoana iandrandrana fanampiana. Fa rehefa miresaka momba ireo izay fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika, dia aoka hotsaroantsika fa tsy ny anjely rehetra no avy any ambadiky ny voaly. Ny sasany amin’izy ireo dia miara-mandeha sy miresaka amintsika —eto, amin’izao fotoana izao, isan’andro. (Jeffrey R. Holland, “Ny anjara fanompoan’ny anjely,” Liahona, nôv. 2008, 29–30)
Ny Tompo dia nanomana fomba sy fitaovana mba hanatanterahan’i Joseph Smith ny asany
Toko sy andininy. |
Iza no nirahin’ny Tompo mba hanampy an’i Joseph? |
---|---|
Toko sy andininy. | |
Toko sy andininy. | |
Toko sy andininy. | |
Toko sy andininy. Joseph Smith—Tantara 1:57; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5–6 | |
Toko sy andininy. |
Avereno jerena ny Joseph Smith—Tantara 1:33 ary fantaro ilay anjely nalefan’ny Tompo voalohany mba hanampy an’i Joseph.
Tao anatin’ny telo taona manaraka, tamin’ny 22 septambra, i Joseph Smith dia nihaona tamin’i Môrônia teo amin’iny toerana iny ihany ary nandray torolalana fanampiny momba ny maha-zava-dehibe ilay rakitsoratra sy ny asa nasain’ Andriamanitra nataony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33–34). I Môrônia ihany koa dia nampianatra misimisy kokoa an’i Joseph momba “izay andeha hataon’ny Tompo, sy ny fomba” hisehoan’izany (Joseph Smith—Tantara 1:54). Nandritra izany fotoana izany, dia nihaona tamin’i Emma Hale i Joseph ary nanambady azy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:57–58).
Tamin’ny 22 septambra 1827 dia nandray ny takela-bolamena tamin’ny anjely Môrônia i Joseph.
Ny fampitandremana nataon’i Môrônia tamin’i Joseph
Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:59–60 ary tadiavo ny fampitandremana sy ny fampanantenana nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith tamin’ny alina nandraisany an’ireo takela-bolamena.
-
Nahoana i Môrônia no nampitandrina an’i Joseph tsy hanao tsirambina ny fiarovana an’ireo takela-bolamena?
Rehefa avy nandray ny takelaka avy tamin’ny anjely Môrônia i Joseph, dia nafeniny tao anaty vatan-kazo poakaty izany mba hiarovana azy ireo mandra-pahitany vata hanidina azy ireo. Ny ampitson’iny, raha mbola teo am-piasana i Joseph Smith, dia henon’ny rainy fa misy andian’olona nanao teti-dratsy hangalatra ireo takelaka. Nandeha nampitandrina an’i Joseph i Emma, ary afaka nahita tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima izy fa tsy nisy natahorana ny momba ireo takelaka tamin’izay. Fantany ihany koa fa fotoana tokony hakana ireo takelaka tao amin’ilay vatan-kazo tamin’izay mba hiarovana azy ireo.
“Nandeha faingana tany amin’ilay havoana i Joseph ary nahita ilay vatan-kazo nanafenana ireo takelaka dia nofonosiny tsara tao anaty akanjo iray izany. Dia nandeha tao anaty ala izy ary avy eo nizotra nankany an-trano, ny masony mailo amin’ny loza. …
“Sady reraka tamin’ny lanjan’ilay rakitsoratra i Joseph no namikiviky tao anaty ala haingana araka izay tratrany. Nisy hazo nianjera nanakana ny lalany teo anoloany, ary raha iny izy hitsambikina handika izany iny dia nahatsapa zavatra mafy izy namely azy avy tao aoriana. Nitodika izy dia nahita lehilahy iray nanatona azy sady nirongo basy toy ny langilangy.
“Sady nitazona mafy ireo takelaka tamin’ny tanany ilany izy no namely ilay lehilahy ho lavo tamin’ny tany ary dia nandeha haingana niditra lalindalina kokoa tao anatin’ilay alan-kazo izy. Nihazakazaka teo amin’ny iray kilaometatra teo izy raha nisy lehilahy iray hafa nitsambikina teo aminy avy taorian’ny hazo iray ary namely azy tamin’ny vodim-basiny. Novelesin’i Joseph ilay lehilahy dia lasa haingana izy, sady naniry mafy ny ho tafavoaka ilay ala. Saingy mbola tsy lasa lavitra akory izy dia nisy lehilahy fahatelo nanafika azy, izay namely mafy azy ka nampivembena azy. Tamin’ny heriny rehetra no namelezan’i Joseph mafy an’ilay lehilahy ary dia nihazakazaka nody izy avy teo. …
“Rehefa avy nentin’i Joseph tany an-trano ireo takela-bolamena, dia niezaka nandritra ny herinandro maromaro hangalatra azy ireo ny mpikatsaka harena. Mba hiarovana ilay rakitsoratra dia tsy maintsy nafindrafindrany toerana izany, ka nafeniny tao ambanin’ny fatana ireo takelaka, tao ambanin’ny gorodon’ny trano fiasan-drainy, ary tao amina antontam-boan-javatra. Tsy maintsy nitandrina foana izy.
“… Tapa-kevitra ny hikarakara ireo takelaka izy, natoky ny fampanantenan’ny Tompo fa raha manao izay rehetra azony atao izy dia ho voaro izy ireo” (Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 40-41, 43).
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanambaran’ny ezaka nataon’i Joseph sy “ny fahendren’ Andriamanitra” hery mba hiarovana ireo takelaka?
-
Inona no fahatakarana momba an’ Andriamanitra azonao avy amin’io tantara io?
Manome antsika fanampiana hanatanterahana ny asa omeny antsika ny Tompo
-
Inona avy ireo ohatra ao amin’ny soratra masina mikasika ireo fotoana nanampian’ny Tompo olona hanatanteraka ny asa nandidiany azy ireo mba hatao?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny Tompo anao hanatanteraka ny asa nangatahiny na hangatahiny hataonao?
-
Iza avy ireo “anjely” ( olona mety maty) eo amin’ny fiainanao izay tsapanao fa nirahin’ Andriamanitra hanampy anao amin’ny asan’ny Tompo?