“Lesona 136: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126: Neken’ny Tompo ny fanompoan’i Brigham Young,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 136: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128
Neken’ny Tompo ny fanompoan’i Brigham Young
Tamin’ny 9 Jolay 1841, dia nanome fanambarana an’i Brigham Young tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Taorian’ny nanaovan’i Brigham asa fitoriana maro tany Etazonia sy Kanada ary Angletera, dia nilaza ny Tompo fa nekeny ny dia fitoriana ny filazantsara nataony. Nilaza izy fa tamin’izay no fotoana tokony hikarakaran’i Brigham manokana ny fianakaviany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hiasa amim-pahazotoana ho an’ny Tompo tahaka ny nataon’i Brigham Young.
Sahanasa fianarana azo atao
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe Manompo ny Tompo ary asao ny mpianatra hanao izao manaraka izao:
Alaovy sary an-tsaina hoe nisy mpitarika iray eo anivon’ny tsatòka na distrika nanao fanadihadiana ireo zatovo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny faritra misy anao ary nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety ho inona ny sasany amin’ny valinteny omen’izy ireo?
Amin’ny fomba ahoana no iezahanao manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana ianao no manompo Azy Ireo?
Inona no manakana tsy hanompo ny Tompo? Nahoana isika no mety ho tsy te hanompo Azy foana?
Rehefa avy mizara ny mpianatra dia angataho izy ireo hisaintsaina ny fomba mety hamalian’izy ireo manokana ireo fanontaniana etsy ambony.
Rehefa mandalina momba ny ohatra nasehon’i Brigham Young izy ireo mandritra ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hikatsaka ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo handresy izay mety ho sakana amin’ny fanompoana ny Tompo amim-pahazotoana.
Ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’i Brigham Young
Omeo ireto fampahalalana manaraka ireto ny mpianatra sasany any am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hamintina ny zavatra manan-danja na mahaliana azy ireo momba an’i Brigham Young.
Nihalehibe tao anatin’ny fahantrana i Brigham Young, izay fahasivy tamin’ny zanaka iraika ambin’ny folo.
Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nodimandry ny reniny.
Tamin’ny faha-16 taonany, dia nandao ny fianakaviany mba hamelon-tena izy, ka lasa mpandrafitra, mpiasa mpanao fitaratra ary mpandoko.
Nanambady an’i Miriam Works izy teo amin’ny faha-23 taonany, ary niteraka zanakavavy roa izy ireo tatỳ aoriana.
Nandalina ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny roa taona i Brigham, nampitaha izany tamin’ny Baiboly, talohan’ny nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana. Nitatitra izy tatỳ aoriana hoe: “Fantatro fa marina izany, ary fantatro koa fa afaka mahita amin’ny masoko aho, na mahatsapa amin’ny alalan’ny fikasihan’ny rantsantanako” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 2 ).
Nanao asa fitoriana miisa 10 tany Etazonia sy Kanada ary Angletera i Brigham.
Lasa mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy teo amin’ny faha-33 taonany.
Tamin’ny 9 Jolay 1841, dia nanome fanambarana an’i Brigham Young tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:1–3 , ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Brigham mikasika ny asa fanompoana nataony.
Inona no tianao na nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo?
Mihainoa tsara rehefa mizara ny mpianatra. Raha hitanao fa mahasoa izany dia mametraha fanontaniana toy izao hanaraha-maso ny fahatakarana: “Inona ireo teny nampiasaina ao amin’ilay fanambarana entina hilazana an’i Brigham?” “Inona araka ny hevitrao no mety ho tsapan’i Brigham noho ireo teny ireo?” “Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Tompo?”
Raha toa ka tsy mandeha ho azy ny fahitan’ny mpianatra fitsipika dia manontania hoe: “Ahoana no ahafahana mampiharana amintsika ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’i Brigham Young?” Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha miasa amim-pahazotoana ho an’ny Tompo isika dia hankasitrahany ny fanatitra amim-pahamarinana atolotsika. azonao toroina hevitra ireo mpianatra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny.
Inona araka ny eritreritrao no fantatry ny olona toa an’i Brigham Young ka mandrisika azy ireo hanompo ny Tompo amim-pahazotoana tokoa? Ahoana no mety hanampian’izany antsika?
Ny ohatra nasehon’i Brigham Young
Ity taratasy zaraina manaraka ity dia ahitana fifanakalozan-kevitra telo azo atao mba hanampiana ireo mpianatra hianatra momba ny asa amim-pahazotoana ho an’ny Tompo avy amin’ny ohatra nasehon’i Brigham Young. Manasà mpianatra telo alohan’ny fotoam-pianarana mba hanompo ny iray kilasy amin’ny fitarihana ny iray amin’ireto fifanakalozan-kevitra manaraka ireto. Na zarao ho vondrona ahitana mpianatra telo avy ny iray kilasy ary asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona hitarika ny iray amin’ireo fifanakalozan-kevitra. Lazao ny mpianatra fa afaka mampifanaraka amin’ny zava-misy ny iray amin’ireo fanontaniana izy ireo mba hahatonga ny fifanakalozan-kevitra hanan-danja kokoa na hahomby kokoa ho an’ny mpiara-mianatra aminy.
Atombohy amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
Vakio na fintino ity manaraka ity:
Ny iray amin’ireo fanamby lehibe indrindra natrehan’i Brigham Young dia ny fitenenana ampahibemaso. Hoy izy: “Nahantra tamin’ny fitenenana aho mihoatra noho izay azo eritreretina” (in Journal of Discourses , 5:97). Tsaroany ny fotoana iray, herinandro taorian’ny batisany, izay niandrasany mpandahateny miisa 4 efa za-draharaha izay mpikamban’ny Fiangonana hitory teny, saingy tsy nanao izany izy ireo. Hoy izy:
Mbola zaza aho, raha ny amin’ny fitenenana ampahibemaso sy ny fahalalana araka izao tontolo izao; fa tao amiko ny Fanahin’ny Tompo, ary tsapako fa toy ny ho levona tao anatiko ny taolako raha tsy niteny tamin’ ny vahoaka aho ka nilaza taminy izay efa hitako sy reko ary nianarako—izay efa niainako sy nifaliako; ary ny lahateny voalohany nataoko hatramin’izay dia nandaniako ny adiny iray mahery. Nosokafako ny vavako dia nofenoin’ny Tompo izany. (Brigham Young, ao amin’ny Journal of Discourses , 13:211)
Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–6 (jereo ihany koa ny Eksodosy 4:12 ; Ohabolana 16:1 ). Manontania avy eo hoe:
Zarao ny fahatsapanao momba ny fatokisana ny Tompo sy ny fahavononana hizara ny zavatra fantatrao.
Atombohy amin’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Vakio na fintino ity manaraka ity:
Tamin’io taona nanaovana batisa an’i Brigham Young io ihany no nahafatesan’ny vadiny. Tamin’ny fahafoizan-tena lehibe no nitadiavany olona hikarakara ireo zanany roa ary nanaovany asa fitoriana tany New York sy tany amin’ny tapany avaratra indrindra tao Canada, izay nanaovany batisa olona maro.
Rehefa avy nanao asa fitoriana nandritra ny herintaona teo ho eo i Brigham dia nitantara ny fahatongavany tao Kirtland, Ohio:
Raha nisy mahantra noho izaho tamin’ireo olona nivory niaraka tamin’ny Olomasina—dia satria tsy nanana na inona na inona izy izay. … Nanana zanaka roa nokarakaraina aho. … Mananon-tena aho. … Tsy nanana kiraro aho, afa-tsy baoty nindramina. Tsy nanana akanjo fanao amin’ny ririnina aho, afa-tsy palitao nozairina tao an-trano efa telo na efa-taona izay no nananako azy. … Nandeha sy nitory aho ary nahafoy ny dolara rehetra nananako. (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 243 )
Manasà mpianatra iray hamaky ny Lioka 18:18–23 , ary hitady ny maha-samihafa ny fihetsika nasetrin’i Brigham Young tamin’ilay fanasana azy hanompo sy ny an’ilay lehilahy nifanerasera tamin’ny Mpamonjy ao amin’io tantara io.
Inona no fantatrao momba ny Tompo izay mety hanampy antsika ho vonona hanao fahafoizan-tena tahaka ny nataon’i Brigham Young?
Ankoatra ny fanaovana asa fitoriana, dia inona avy ireo fomba hafa mety ho tian’ny Tompo hanaovantsika sorona mba hanompoana Azy?
Zarao ny zavatra tsapanao momba ny fahavononana hanao sorona hanompoana ny Tompo.
Atombohy amin’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Vakio na fintino ity manaraka ity:
Rehefa avy nanambady indray sy nanao asa fitoriana dimy hafa i Brigham, dia nantsoina hanao asa fitoriana tany Angletera niaraka tamin’ny Apôstôly hafa.
Nitantara ny asa nanirahana azy i Brigham:
Tonga izahay … toy ny vahiny tany amin’ny tany hafahafa ary tsy nanana vola intsony, kanefa noho ny famindram-pon’ Andriamanitra dia nahazo namana maro izahay, nanorina Fiangonana saika tany amin’ireo tanàna sy tanàna malaza rehetra tao amin’ny fanjakan’i Grande-Bretagne, nanao batisa olona teo anelanelan’ny fito ka hatramin’ny valo arivo, nanonta pirinty Bokin’i Môrmôna miisa 5000, … ary nandao ny toerana efa avy namafy tao am-pon’ny olona an’arivony maro ny voan’ny fahamarinana mandrakizay …: ekeko ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra tao anatin’ireo zavatra rehetra ireo. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 6 )
Asao ny mpianatra iray hamaky ny tenin’i Amôna ao amin’ny Almà 26:12–13 . Manontania avy eo hoe:
Inona no mampitovy ny teny nambaran’i Brigham Young amin’ny an’i Amôna?
Nahoana araka ny eritreritrao no tena ilaina ny miantehitra amin’ny Tompo rehefa miezaka manompo Azy?
Ahoana no nanandramanao niantehitra amin’ny Tompo rehefa manompo Azy ianao?
Zarao ny eritreritrao na ny fahatsapanao momba ny fianteherana amin’ny Tompo rehefa manompo Azy ianao.
Ny zavatra izay nianaranao
Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy hanoratra ny zavatra nianarany sy tsapany momba ny fanompoana ny Tompo. Mety hamaly ireto fanontaniana ireto izy ireo:
Farano ny kilasy amin’ny fanasana ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo eritreritra sy fahatsapana nosoratan’izy ireo. Afaka mizara ihany koa ianao.
Nanaraka ny torolalana nomen’ny Tompo i Brigham sy ireo Apôstôly hafa mba hanainga ho any amin’ilay iraka ho any Angletera avy any Far West, Missouri, ny 26 aprily 1839 (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118 ). Nandany ireo volana vitsivitsy manaraka tao Iowa sy Illinois izy ireo, ka nanao fiomanana bebe kokoa handeha tany Grande-Bretagne. Namely ilay faritra ny valanaretin’ny tazo mahery tamin’ny fahavaratry ny taona 1839 ka dia lasa narary izy ireo. Narary mafy i Brigham ka tsy afaka niditra tao anaty sarety raha tsy nampiana. Izao no noraketiny hoe:
Tena vonona aho ny handeha ho any Angletera na ho faty eo am-piezahana ny hanao izany. Tena tapa-kevitra aho fa hanao ny zavatra izay takina hataoko ao amin’ny Filazantsaran’ny fiainana sy ny famonjena na ho faty aho amin’ny fiezahana hanao izany. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 5 )
Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny voalohany dia nanambady an’i Mary Ann Angell i Brigham tamin’ny 1834. Nanohana azy izy, na dia narary ihany koa aza sady vao avy niteraka. Io no famitana iraka fahadimy nataon’i Brigham hatramin’ny nivadian’izy ireo. Nanompo 10 izy raha atambatra.
Indray mandeha, raha nandeha tamin’ny sambo mandeha amin’ny etona avy any Fairport, Ohio, nankany Buffalo, New York i Brigham, dia nisy tafio-drivotra izay nanakantsakana ny fandrosoan’ilay sambo. Izao manaraka izao no notantarainy:
Nanomboka nitsoka ny rivotra tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Nandeha teo an-tokotanin-tsambo aho ary nahatsapa ho voataonan’ny fanahy hivavaka amin’ny Ray, amin’ny anaran’i Jesoa, mba hahazo famelana amin’ny fahotako rehetra, ary avy eo dia nahatsapa fa tokony handidy ny rivotra hitsahatra, ary hamela anay handeha tsy azon-doza amin’ny diantsika. Nihena ny rivotra, ary nahatsapa aho fa tokony hanome voninahitra sy haja ary fiderana an’ilay Andriamanitra izay manapaka ny zava-drehetra. (Brigham Young, “History of Brigham Young,” Millennial Star , ôkt. 17, 1863, 663–64)
Taorian’ny fiverenany avy tany amin’ilay iraka nampanaovina azy tany Grande-Bretagne dia nanaraka ny didin’ny Tompo i Brigham Young mba “hikarakara manokana ny fianakavia[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3 ). Nandany fotoana isan’andro nampianatra sy nivavaka niaraka tamin’ny zanany izy.
Na dia talohan’ny nandrenesany ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 teo amin’ny faha-40 taonany aza dia naneho fahafoizan-tena ho an’ny fianakaviany i Brigham. Izany dia asehon’ity tantara manaraka ity:
Teo amin’ny faha-23 taonany dia nanambady an’i Miriam Angeline Works izy. Niteraka zanakavavy roa ireo mpivady vao herotrerony ireo. Tamin’ny alalan’ny fanaovana sy fanamboarana seza, latabatra ary lalimoara, ary ny fametrahana varavarankely, varavarana, tohatra sy lafaoro no nameloman’i Brigham ny fianakaviany. …
Rehefa tratran’ny raboka i Miriam dia i Brigham no nisahana ny ankamaroan’ny raharahany ankoatra ny azy. Rehefa lasa tsy afa-nihetsika teo ambony fandriana tsikelikely ny vadiny dia izy no nikarakara ny sakafo maraina ho an’ny fianakaviana, nampiakanjo ireo zanany vavy, nanadio ny trano ary “nitondra ny vadiny teo amin’ilay sezabe fandrotsirotsiana akaikin’ny afo famanana trano ka namela azy teo ambara-pahafahany niverina ny hariva” izay fotoana nahandroany ny sakafo hariva, nampatoriany ny fianakaviany ary namitany ireo raharaha tao an-tokantrano. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 2 )
Taorian’io fanambarana io dia mazava ho azy fa afaka nanokana fotoana bebe kokoa niarahana tamin’ny fianakaviany i Brigham Young. Teo anilan’ny Mpaminany Joseph Smith ihany koa izy nandritra ny 28 volana tamin’ireo 36 volana farany niainan’i Joseph. Nanampy tamin’ny fanomanana an’i Brigham ho lasa filohan’ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’i Joseph izany vanim-potoana izany.