“Fampiasana ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023)
“Fampiasana ireo Zavatra nofantenina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
Fampiasana ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
Ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia fitambaran’ireo torolalana manan-danja indrindra avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ Ny Olomasin’ nyy Andro Farany iray manontolo. Izany dia natao ho an’ireo mpitarika izay:
-
Tsy mbola afaka mahazo ny boky torolalana manontolo amin’ny fiteny tian’izy ireo.
-
Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny endrika voafintina.
Ny laharan’ny toko sy ny fizarana ary ny zana-pizarana ampiasaina ao amin’ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia mifanaraka amin’ny laharana ampiasaina ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany manontolo. Izany dia mamela ny fampifandraisana ny fanovozan-kevitra sy ny fampitahana izany eo amin’izy ireo.
Indraindray ny laharana nomena ao amin’ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia handingana ny laharan’ireo fizarana na zana-pizarana ao amin’ny boky torolalana manontolo. Ny anton’izany dia satria ity boky torolalana nambara ity dia tsy ahitana afa-tsy ny votoatiny manan-danja indrindra ao amin’ny boky torolalana manontolo.
Na dia manome valiny ho an’ny maro amin’ireo fanontaniana apetraky ny mpitarika matetika aza ireo Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia mety hanana fanontaniana izay tsy resahan’izany na valian’izany tanteraka ireo mpitarika. Amin’ny tranga toy izany dia azon’ireo mpitarika atao ny mijery ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany feno raha toa ka misy amin’ny fiteny azon’izy ireo ampiasaina izany. Afaka mifampidinika amin’ny olona manana ny fahefana miahy azy ireo mivantana ihany koa ireo mpitarika mba hahazoana fitarihana.
Hitahy anareo anie Andriamanitra rehefa miara-miasa Aminy amin’ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ho an’ireo zanany ianareo.
Ny Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo