Boky torolalana sy antso
16. Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy


“Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Mpivady mivavaka

16.

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia mifantoka amina andraikitra efatra napetrak’ Andriamanitra (jereo ny 1.2). Voalohany amin’ireo ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miaina ny filazantsara isika rehefa:

  • Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Mibebaka isan’andro.

  • Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana.

  • Maharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo.

Ny fiainana ny filazantsara dia ahitana ireo lafiny hafa amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana.