“36. Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“36. Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
36.
Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao
36.0
Teny fanolorana
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia ao anatina vondrona iray mifototra amin’ny toerana izay onenan’izy ireo (jereo ny Môzià 25:17–24). Ireo vondrona ireo dia ilaina amin’ny fanorenana sy ny fanatanterahana ny asan’ny Fiangonana eo ambanin’ny fahefan’ny fisoronana mifandraika amin’izany.
Ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana (antsoina koa hoe rantsana) dia ahitana ny tsatòka sy ny distrika sy ny paroasy ary ny sampana. Tsy sokafana izy ireny na ovaina, na akatona raha tsy efa ilaina izany.
Miasa ireo mpitarika mba hampitomboana ny tanjaka ara-panahin’ireo mpikambana alohan’ny handrosoana ny hanokafana rantsana iray vaovao na hanovana ny sisin-tanin’ny rantsana iray. Tsy tokony hosokafana ny rantsana vaovao raha tsy efa ampy tanjaka tsara ireo rantsana efa misy.
Ho fanampiana ho an’ireo any Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny 1-801-240-1007. Raha any ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny biraon’ny vondromparitra.