Boky torolalana sy antso
35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana


“35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“35. Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Olona manasa varavarankely sy mampiasa aspirateur

35.

Fikarakarana sy fampiasana ireo trano fiangonana

35.1

Tanjona

Manome trano fiangonana ny Fiangonana mba hahafahan’ireo rehetra izay miditra ao:

35.2

Anjara asa sy andraikitra

35.2.2

Mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana

Manampy ny tsatòka tsirairay hitantana ny trano fiangonana ny mpitantana iray misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana miasa ao amin’ny Fiangonana. Mandamina ireo fanamboarana ireo fahasimban-javatra lehibe sy ny fanadiovana ny trano iray manontolo ary ny fikojakojana isan’andro ireo trano izy.

Raha ilaina dia manampy amin’ny fampianarana ireo tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana mahakasika ny fomba hanadiovana ny trano sy ny fomba hanatanterahana ireo asa hafa eo an-toerana. Manome torolalana sy fitaovana enti-miasa izy.

Azony atao ihany koa ny miara-mijery amin’ny eveka ny fandaniana mahakasika ny fikarakarana ny trano fiangonana.

35.2.7

Ny episkôpà

Ny episkôpà (na ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy) dia mampianatra ireo mpikambana ny fomba hampiasana sy hikojakojana ary hiarovana ny trano fiangonana. Ny episkôpà ihany koa dia mizara ireo fanalahidin’ny trano fiangonana amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy.

Maka antoka izy ireo fa tanterahina tsy misy loza ireo fiaraha-mientana ao amin’ny trano fiangonana sy eo amin’ny tokotanin’ny Fiangonana (jereo ny 20.7).

Ampitain’izy ireo amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny zavatra ilaina amin’ny fikojakojana sy ny fitantanana ireo tranon’ny Fiangonana. Azon’izy ireo atao koa ny mijery ny fandaniana mifandray amin’izany miaraka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana.

35.2.9

Tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy

Ny episkôpà no manapaka raha toa ka tokony hiantso tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy na tsia. Raha manapa-kevitra ny hanolotra io antso io izy ireo dia afaka miantso mpikambana olon-dehibe lahy na vavy iray ny episkôpà. Raha tsy misy tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy nantsoina dia azon’ny eveka atao ny manome io andraikitra io an’ny iray amin’ireo mpanolotsainy, na ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy, na ny mpitantsoratra mpanatanteraka.

Ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny paroasy dia mandamina ireo mpikambana sy ireo izay manolo-tena mba hanadio sy hikojakoja ny trano fiangonana.

35.3

Fanomezana trano fiangonana

Tsy mitovy ny habe sy ny karazan’ireo trano fiangonana fa miankina amin’ny zavatra ilaina sy ny toe-javatra misy eo an-toerana. Ny trano fiangonana dia mety ho trano naorina na toerana novidin’ny Fiangonana, tranon’ny mpikambana anankiray, sekoly iray na tranom-pokonolona iray eo an-toerana, toerana hofaina, na safidy hafa nahazoana fankatoavana.

Miezaka ireo mpitarika ao amin’ny vondromparitra sy ireo mpitarika eo an-toerana mba hampiasa tanteraka ireo trano fiangonana izay misy sy ho hendry amin’ny fanolorana sosokevitra mba hahazoana toerana fanampiny.

35.4

Fikojakojana ireo trano fiangonana

35.4.1

Fanadiovana sy fikojakojana ireo trano fiangonana

Ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpikambana, anisan’izany ny zatovo, dia manana andraikitra ny hanampy amin’ny fitandremana ny trano fiangonana tsirairay ho madio sy tsara endrika.

Tsy tokony ho vesatra ho an’ny mpikambana ny fandaharam-potoana hanaovana ny fanadiovana. Ohatra, raha tena manahirana ny fandehanana mankany amin’ilay trano fiangonana dia afaka manadio mandritra ny hetsika andavanandro ireo mpikambana rehefa iny izy ireo any am-piangonana iny.

35.4.2

Fangatahana fanamboarana

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manao tatitra momba ireo zavatra ilaina amboarina ao amin’ny trano fiangonana. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Rapport de problèmes relatifs aux bâtiments (FIR) (Tatitra momba ireo olana mikasika ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana).

35.4.5

Fisorohana ny loza sy fiarovana

Ny mpitarika sy ny mpikambana dia tokony:

  • Hanao izay hahafahana miditra sy mivoaka malalaka tsara amin’ireo lalantsara, tohatra, ary efitrano misy fitaovana ampiasana rano sy angovo.

  • Tsy hampiasa na hitahiry fitaovana mitera-doza na mora mirehitra ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana.

  • Hametraka sy hanaraka ireo dingana arahina mikasika ny fanidiana ireo trano fiangonana.

  • Hametraka fepetra fiarovana ireo fitaovan’ny Fiangonana mba tsy hisy hangalatra.

  • Hahafantatra ny fomba hamonoana ireo zavatra ampiasaina toy ny rano, ny jiro, ary ny entona fandrehitra na ny solika.

Raha ilaina dia azon’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana atao ny manome mari-drafitry ny trano izay maneho ireo fitaovana famonoana afo, amboaram-pitaovana vonjy taitra, ary ny toerana hamonoana ireo angovo. Misy fampahalalana bebe kokoa momba ny fiarovana azo jerena ao amin’ny “Ireo dingana arahina mikasika ny filaminana sy ny fanidiana trano fiangonana” ao amin’ny “Fikojakojana ireo trano fiangonana” (Torolalana momba ireo fitaovana ao amin’ny efitrano fivoriana). Jereo ihany koa ny 20.7.

35.5

Ireo fitsipika mikasika ny fampiasana ny trano fiangonana

35.5.1

Fitsipika fototra sy fepetra fototra takina momba ny fampiasana ny trano fiangonana

Ny fampiasana rehetra ny trano fiangonana dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra fototra takina manaraka ireto:

  • Mifanaraka amin’ny fotopampiaran’ny Fiangonana, sy ny fitsipiky ny Fiangonana ary ny fomba amam-panaon’ny Fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ny toetra masin’ny trano fiangonana sy ny tanjon’izany.

  • Ao anatin’ny fetran’ny lalàna.

  • Mifanaraka amin’ny satan’ny Fiangonana amin’ny maha-tsy mandoa hetra azy raha azo atao.

  • Manaraka ireo dingana mifanaraka amin’ny tokony ho izy mba hisorohana, sy hampihenana ary hiatrehana ireo zavatra mampidi-doza, ka tafiditra ao anatin’izany ireo torolalana sy fitsipika ho fiarovana ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny 12.5.1 sy 20.7.1)

  • Manaja ireo fepetra takina sy famerana hafa izay omen’ny filohan’ny tsatòka na ny eveka.

35.5.2

Ny fampiasan’ny Fiangonana ny trano fiangonana

Ireo fivorian’ny fiangonana, sy ireo fandaharan’asa ary ireo fiaraha-mientana no lohalaharana eo anatrehan’ireo fampiasana hafa ny trano fiangonana raha toa ka misy ny fifanoheran-javatra.

Ny paroasy sy tsatòka dia afaka koa manolotra fandaharan’asa hafa an’ny Fiangonana izay ahazoan’ny mpikambana sy ny fiarahamonina tombontsoa. Tafiditra ao anatin’izany:

35.5.3

Fampiasan’ny mpikambana ny trano fiangonana—Ho an’ny tena manokana sy ho an’ny fianakaviana

Afaka mangataka mba hampiasa trano fiangonana iray ao anatin’ny tsatòka misy azy ireo ny mpikambana mba hanatanterahana hetsika ataon’ny tena manokana na fiaraha-mientan’ny fianakaviana. Mba hahazoana fankatoavana dia mifampiresaka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izay miangona ao amin’io trano fiangonana io izy ireo (na amin’ny olona iray notendreny hisahana izany). Ireto fepetra manaraka ireto no mihatra:

  • Tsy maintsy manara-maso mivantana ny fampiasana ny trano fiangonana ny mpikambana olon-dehibe tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny paroasy izay miangona ao amin’ilay trano fiangonana.

  • Ireo mpampiasa ny trano fiangonana dia tompon’andraikitra feno amin’izay zavatra simba amin’ny trano sy ny fitaovana, na amin’izay faharatrana, na amin’izay fahavoazana izay misy ifandraisany amin’ny fampiasana trano fiangonana toy izany.

  • Tsy maintsy manadio ireo mpampiasa ary mamerina amin’ny laoniny tanteraka ny trano sy ny fitaovana amin’ny endriny talohan’ny nampiasana azy.

  • Tsy maintsy manaraka ireo toromarika sy zavatra takin’ireo mpitarika eo an-toerana ireo mpampiasa ny trano fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fangatahan’ireo mpitarika mba hanara-maso ilay fampiasana ny trano fiangonana.

  • Afaka mangataka izay mety ho olona manokana na vondron’olona ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hampitsahatra ny fampiasana ny tranon’ny Fiangonana raha toa ka tsy manaraka ireo torolalana izy ireo.

  • Ho an’ireo fiaraha-mientana izay nahazoana fankatoavana dia tokony handrindra ny fahafahana miditra ao amin’ny trano fiangonana ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka. Ireo mpikambana eo anivon’ny paroasy na tsatòka izay notendrena ihany no tokony homena ireo fanalahidy.

Jereo ny 38.3.4 mba hahitana ny momba ny fampiasana ny trano fiangonana ho an’ny fanambadiana sy ny lanonam-panambadiana.

Jereo ny 29.5 mba hahitana ny momba ny fampiasana ny trano fiangonana ho an’ny fotoam-pandevenana sy ireo fotoam-pivavahana hafa ho an’ilay nodimandry.

35.5.4

Fampiasan’ny fikambanana tsy mitady tombontsoa, na vondron’olona hafa, na olona manokana hafa ny tranon’ny Fiangonana

Ny mpitarika ao amin’ny vondromparitra dia afaka manome lalana fikambanana tsy mitady tombontsoa, na vondrom-piarahamonina sy vondron’olona hafa (toy ny hoe ekipa mpanao fanatanjahan-tena), na olona manokana izay tsy voafaritra ao amin’ny 35.5.3 mba hampiasa ny tranon’ny Fiangonana mba hanatanterahana fiaraha-mientana na asa fanompoana mahasoa. Miantefa amin’izy ireo ireo fepetra takina izay voatanisa ao amin’ny 35.5.3.

Mba hahazoana fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny vondromparitra mahakasika ny fampiasana ny trano fiangonana toy izany dia mifampiresaka amin’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka.

35.5.5

Voina tampoka

Ny trano Fiangonana dia azo ampiasaina ho an’ny fanaovana asa fanompoana ilaina eo anivon’ny fiarahamonina mandritra ny voina tampoka iray. Ohatra, ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome lalana ny hampiasana ireo trano fiangonana ao amin’ny tsatòkany mba ho ampiasain’ireo sampan-draharaha misahana ny vonjy voina sy ny asa hafa mifandray amin’izany (jereo ny 35.5.4).

35.5.6

Ireo antony hampiasana ny trano fiangonana izay tsy azo ekena

35.5.6.1

Fampiasana noho ny antony ara-barotra

Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-barotra ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana. Tsy mifanaraka amin’ny tanjona ampiasana ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana ny fampiasana toy izany. Mety hifanipaka ihany koa amin’ireo lalàna eo an-toerana sy ao amin’ny firenena izay mamela ny Fiangonana tsy handoa hetra amin’ireo trano sy fananan’ny Fiangonana izany.

35.5.6.3

Antony ara-pôlitika

Tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa amin’ny resaka pôlitika ny Fiangonana. Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-pôlitika na hanaovana fiarovan-kevitra ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’ireo hetsika tsy azo atao ireo fivoriana ara-pôlitika sy ny fampiasan’ny mpanao fampielezan-kevitra ara-pôlitika sy vondron’olona manao fiarovan-kevitra ny trano fiangonana.

Saingy azo omena lalana ho toy ny tranga maningana ny fampiasana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana mba hanaovana fanoratana ny anaran’ny mpifidy na hanaovana fandatsaham-bato amin’ny fifidianana (jereo ny 38.8.30). Afaka manao fangatahana mikasika izany tranga maningana izany ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny mpitantana misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana (jereo ny 35.5.4).