Boky torolalana sy antso
15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara


“15. Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Zatovovavy manangan-tanana ao an-dakilasy

15.

Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

15.0

Teny fanolorana

Ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) dia manampy ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ny zatovo sy ny tanora hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Misy tompon’andraikitra misahana ny S&I tendrena ho an’ny tsatòka tsirairay mba hanampy ireo mpitarika hitantana ny fandaharan’asan’ny S&I.

15.1

Seminera

Ny seminera dia fandaharan’asa maharitra efa-taona izay handalinan’ny zatovo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany. Amin’ny ankapobeny dia 14–18 taona ny mpianatra seminera.

Mamporisika ny zatovo rehetra handray anjara feno amin’ny seminera ny episkôpà sy ireo mpitarika ny zatovo, ary ireo fiadidian’ny kôlejy sy ireo kilasy.

15.1.1

Mpampianatra

Ireo mpampianatra seminera dia tokony ho mpikamban’ny Fiangonana izay mino ny Tompo Jesoa Kristy sy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Tokony hiaina ireo fitsipika ampianariny izy ireo ary hiara-hiasa tsara amin’ny zatovo. Raha azo atao dia tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ireo mpampianatra.

Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena no miantso sy manokana ary misaotra ireo mpampianatra seminera eo anivon’ny tsatòka sy mpanara-maso eo anivon’ny tsatòka

Mba hiarovana ireo mpampianatra sy ny mpianatra dia tokony hisy olon-dehibe roa ao amin’ilay trano na tokantrano izay ampianarana kilasin’ny seminera.

15.1.2

Ireo safidy azo atao ao amin’ny seminera

Tena manampy ny seminera raha toa ka afaka mihaona amin’ny mpampianatra isan’andro ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ireo mpianatra. Mety tsy ho azo tanterahina anefa izany noho ny tsy fandriam-pahalemana, ny halaviran’ny dia atao, ary ireo antony hafa.

Mifampidinika amin’ny tompon’andraikitra misahana ny S&I ao amin’ny faritra misy azy ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanapahana hevitra ny safidy izay:

  • Manampy indrindra ny mpianatra hianatra ny filazantsara sy hivoatra ara-panahy.

  • Miaro ireo mpianatra amin’ny loza.

  • Tsy mitondra vesatra tsy ilaina eo amin’ny fianakaviana.

Tsy azo atao ny alahady ny fotoam-pianarana.

15.1.3

Ireo trano sy fitaovana ary fitaovam-pampianarana

Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy fa misy ny toerana azo ampiasaina ahafahana manatanteraka ny fampianarana seminera toy ny trano fiangonana na tranon’ny mpikambana.

Manome fitaovana ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra ho an’ny kilasy tsirairay ilay tompon’andrakitra misahana ny S&I. Tokony hitondra ny soratra masiny ny mpianatra, na vita printy izany na amin’ny fitaovana elektrônika.

15.1.5

Isa tratrarina sy fahavitana fianarana

Afaka mianatra amin’ny fomba mahomby kokoa ireo mpianatra ary afaka mampitombo ny fiovam-pony raha manatrika tsy tapaka ny fotoam-pianarana, sy mandray anjara, ary mandalina ny soratra masina any ivelan’ny kilasy. Rehefa manao ireo zavatra ireo izy ireo dia mahazo ihany koa ny isa tratrarina amin’ny seminera isan-taona ary afaka mamita hatramin’ny farany ny fianarana seminera.

Mba hahavitana hatramin’ny farany ny seminera dia tsy maintsy mahazo ny isa tratrarina mandritra ny efa-taona ny mpianatra iray ary mahazo fankatoavana avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

15.2

Institiota

Ny institiota dia manolotra kilasy fianarana filazantsara andavan’andro izay mampatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ny tanora tokan-tena rehetra 18–30 taona dia tokony hamporisihina hanatrika ireo kilasin’ny institiota, na mbola mianatra izy ireo na tsia.

15.3

Ireo sekolin’ny Fiangonana sy ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana

Ho fampahalalana mikasika ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoan’ny Fiangonana, ny BYU–Pathway Worldwide, ary ireo ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony, dia jereo ny CES.ChurchofJesusChrist.org. Omena ao koa ny fampahalalana momba ny famitana fankatoavana omen’ny mpitarika ho an’ny mpianatra hahafahana mianatra any amin’ireo sekoly ireo.

Ankoatra izay, ny fampahalalana momba ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika momba ny asa amin’ny alalan’ny birao misahana ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny DFF dia azo jerena ao amin’ny help.ChurchofJesusChrist.org.