“1. Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“1. Asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
1.
Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana
1.0
Teny fanolorana
Voantso ianao hanompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Misaotra anao noho ny fanompoanao. Hitahy fiainan’olona maro ianao ary hahita fifaliana eo am-panompoanao amim-pahatokiana.
Ity boky torolalana ity dia hanampy anao hianatra ireo fitsipiky ny fanompoana araka an’i Kristy sy hahatakatra ireo andraikitrao. Hahomby indrindra ianao rehefa mampifanaraka ny fanompoanao ao amin’ny Fiangonana amin’ny asan’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanany.
1.1
Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana
Nanolotra ny drafitry ny fahasambarana ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mianoka ireo fitahiana rehetra avy Aminy. Ny asany sy ny voninahiny dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).
I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika izay tsy misy fetra, dia nandefa ny Zanany lahy Izy hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony (jereo ny Jaona 3:16). Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy no hiantohany fa isika tsirairay izay teraka eto an-tany dia hitsangana amin’ny maty ary hahazo ny tsy fahafatesana.
Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy “manat[o]na an’i Kristy” isika (Môrônia 10:32). Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no ahafahantsika ho voadio amin’ny fahotana sy hiova fo mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay sy fifaliana feno.
1.2
Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana
Rehefa manatona an’i Kristy isika ka manampy ny hafa hanao torak’izany koa, dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny mitarika ity asa ity dia ireo didy roa lehibe ny hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika (jereo ny Matio 22:37–39).
Ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana dia mifantoka amina andraikitra efatra napetrak’ Andriamanitra.
Ity boky torolalana ity dia hanampy anao hahatakatra ireo lafiny efatra amin’ny asan’ Andriamanitra. Hitari-dalana anao ny Fanahy Masina rehefa manao ny anjaranao ianao amin’ny fanatanterahana azy ireo (jereo ny 2 Nefia 32:5).
1.2.1
Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana ny:
-
Fampiharana finoana an’i Kristy, ny fibebahana isan’andro, ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny 3.5.1).
-
Fianarana sy fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantrano sy any am-piangonana.
-
Fizakan-tena eo amin’ny fitadiavana ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika, na ara-panahy na ara-batana.
1.2.2
Fikarakarana ireo izay sahirana
Ny fikarakarana ireo izay sahirana dia ahitana ny:
-
Fanompoana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina.
-
Fizarana ireo loharanom-pitaovana, anisan’izany ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana, amin’ireo sahirana.
-
Fanampiana ny hafa ho lasa mizaka tena.
1.2.3.
Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara
Ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara dia ahitana ny:
-
Fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana sy ny firotsahana ho misiônera.
-
Fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy niverina mazoto indray handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
1.2.4
Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay
Ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay dia ahitana ny:
-
Fanaovana fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tenantsika manokana any amin’ny tempoly.
-
Famantarana ireo razambentsika ary fanatanterahana ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.
-
Fankanesana any amin’ny tempoly tsy tapaka, raha azo atao, hitsaohana an’ Andriamanitra sy hanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo zanany.
1.3
Ny tanjon’ny Fiangonana
Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana manampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Efesiana 4:11–13; jereo koa ny 2.2 ao amin’ity boky torolalana ity). Mba hanampiana amin’ny fanatanterahana io tanjona masina io, dia atolotry ny Fiangonana sy ireo mpitarika ao aminy:
-
Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana.
-
Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy.
-
Ny fitarihan’ny mpaminany.
-
Ny soratra masina.
-
Fanampiana amin’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara.
-
Fahafahana hanompo sy hitarika.
-
Fiaraha-monin’ny Olomasina.
1.3.1
Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana
Amin’ny alalan’ny fisoronana no hanatanterahan’ Andriamanitra ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana izay ilaina hitantanana ny asan’ Andriamanitra eto an-tany dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16; 112:30). Ireo fanalahidy ireo dia hazonin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Ireo mpitarika ireo dia miantso sy manome lalana olon-kafa mba hanampy eo amin’ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, 65–67).
1.3.2
Fanekempihavanana sy ôrdônansy
Ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra isika dia manao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, toy ny batisa (jereo ny Jaona 3:5; jereo koa ny toko 18 ao amin’ity boky torolalana ity). Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo dia manan-danja tokoa mba hahafahantsika hitovy kokoa amin’ Andriamanitra sy hiverina hitoetra eo anatrehany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22).
1.3.3
Ny fitarihan’ny mpaminany
Amin’ny alalan’ireo mpaminany nofinidiny Andriamanitra no hanambara ny fahamarinana sy hanolotra fitarihana sy fampitandremana amin’ny alalan’ny tsindrimandry (jereo ny Amosa 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4). Io fitarihana io no manampy antsika hiditra sy hitoetra eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
1.3.4
Ny soratra masina
Eo ambany fitarihan’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo no hanoloran’ny Fiangonana sy hitahirizan’ny Fiangonana ny tenin’ Andriamanitra araka ny hita ao amin’ny soratra masina. Ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy, sy mampianatra ny filazantsarany, ary manampy antsika hampihatra finoana Azy (jereo ny Jakôba 7:10–11; Helamàna 15:7).
1.3.5
Fanampiana amin’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara
Ny Fiangonana dia manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny tokony hianarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy hampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–78, 118; jereo koa ny 2.2.3 ao amin’ity boky torolalana ity).
1.3.6
Fahafahana hanompo sy hitarika
Amin’ny alalan’ny antso sy ny fanomezana andraikitra ato amin’ny Fiangonana no hanomezan’ Andriamanitra ny mpikambana fahafahana hanompo sy hitarika. Manolotra rafitra ny Fiangonana hahafahana mikarakara ireo mpikambana sahirana sy manolotra fanamaivanana avy amin’ny asa fanampiana olona ho an’ny hafa (jereo ny Môzià 18:27–29).
1.3.7
Fiaraha-monin’ny Olomasina
Amin’ny maha-fiaraha-monin’ny Olomasina an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia mivory tsy tapaka izy ireo hitsaoka an’ Andriamanitra sy hahatsiaro ny Mpamonjy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 6: 4–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Ireo mpikambana dia mifampikarakara sy mifanompo ihany koa (jereo ny Efesiana 2:19).
1.4
Ny anjara toeranao eo amin’ny asan’ Andriamanitra
Amin’ny maha-mpitarika anao ato amin’ny Fiangonana, dia voantso ianao hampianatra sy hanohana ireo izay tompoinao eo am-panampian’izy ireo an’ Andriamanitra amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny fanananao fahatakarana mazava mikasika ny asan’ Andriamanitra, sy izay asainy hataonao, ary ny tanjon’ny Fiangonany dia hanampy anao hampifantoka ny ezaka ataonao amin’ny fitondrana olona hanatona an’i Kristy.
Katsaho amim-bavaka ny hahafantatra ny fomba ahafahanao manampy amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo izay tompoinao. Hotarihin’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ireo bitsiky ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 32:5). Hitondra fifaliana lehibe ho anao ny fiarahana miasa amin’ny Tompo ao amin’ny tanimboliny (jereo ny Jakôba 5:70–72).