Boky torolalana sy antso
2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana


“2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

sarina fianakaviana

2.

Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

2.0

Teny fanolorana

Amin’ny maha-mpitarika anao ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao rehefa manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny tanjona faratampon’ity asa ity dia ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay sy fahasambarana sesehena.

Ny ankamaroan’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia tanterahina amin’ny alalan’ny fianakaviana. Ho an’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia mifototra ao an-tokantrano ity asa ity.

2.1

Ny anjara toeran’ ny fianakaviana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra

Anisan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny nametrahany fianakaviana teto an-tany. Ny tanjony amin’ny fianakaviana dia ny hitondra fahasambarana ho antsika. Ny fianakaviana dia manolotra fahafahana hianatra, sy hivoatra, sy hanompo, sy hibebaka ary hamela heloka. Afaka manampy antsika izy ireo hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fampanantenan’ Andriamanitra fianakaviana mandrakizay dia ahitana fanambadiana mandrakizay sy zanaka ary ireo fitahiana hafa rehetra ao amin’ny fianakaviana mandrakizay. Io fampanantenana io dia mihatra amin’ireo izay tsy manambady amin’izao fotoana izao na tsy manana fianakaviana ao amin’ny Fiangonana.

2.1.1

Fianakaviana mandrakizay

Ny fianakaviana mandrakizay dia miorina rehefa misy mpikamban’ny Fiangonana manao fanekempihavanana eo am-pandraisany ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly. Ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay dia tanteraka rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo ny mpikambana ary mibebaka raha toa ka solafaka. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manampy ireo mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansy ireo ary hanaja ny fanekempihavanany.

Lafiny fanampiny eo amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay ny fanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly izay hahafahan’ireo mpikambana ho voafehy amin’ireo razambeny efa nodimandry.

2.1.2

Ny mpivady

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15). Ny mpivady dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 1 Korintiana 11:11).

Anisan’ny fepetra takina hahazoana ny fiainana mandrakizay ny tokony hidiran’ny lehilahy sy vehivavy iray ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: 1–4). Manao izany fanekempihavanana izany ny mpivady iray rehefa mandray ny ôrdônansin’ny famehezana fanambadiana ao amin’ny tempoly. Io fanekempihavanana io no fototry ny fianakaviana mandrakizay. Raha tandremana amim-pahatokiana izy io dia mahatonga ny fanambadian’izy ireo haharitra mandrakizay.

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady. Fitiavana sy fifanajana, fa tsy fitiavan-tena, no tokony hibaiko ny fifandraisan’izy ireo eo amin’ny ara-nofo.

Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia natokana ho an’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Mitovy lenta eo imason’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady. Tsy tokony hanjakazaka amin’ilay iray hafa ny iray. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia tokony horaisina ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fitiavana, ka samy mandray anjara feno izy roa.

2.1.3

Ray aman-dreny sy zanaka

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nampianatra fa “ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izaojereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17

Ny mpivady feno fitiavana dia miara-manolotra ny sehatra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka. Ny toe-javatra manokana dia mety hanakana ny ray aman-dreny hiara-hitaiza ny zanak’izy ireo. Na izany aza dia hotahian’ny Tompo izy ireo rehefa mikatsaka ny fanampiany sy miezaka mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo taminy.

Manana andraikitra tena manan-danja ireo ray aman-dreny hanampy ny zanak’izy ireo hiomana handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Mampianatra ny zanany izy ireo hitia sy hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa (jereo ny Matio 22:36–40).

“Ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Raha tsy misy ray ao an-tokantrano dia ny reny no miahy ny fianakaviana.

Ny fiahiana ny fianakaviana dia andraikitra hanampy hitarika ireo olona ao amin’ny fianakaviana hiverina honina eo anatrehan’ Andriamanitra. Izany dia tanterahina amin’ny fanompoana sy fampianarana amim-katsaram-panahy sy ny halemem-panahy ary amin’ny fitiavana madio, manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 20:26–28). Ny fiahiana ny fianakaviana dia ahitana ny fitarihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny fanaovana tsy tapaka vavaka sy fandalinana filazantsara ary ireo endrika fitsaohana hafa. Miasa ao anatin’ny firaisan-kina ireo ray aman-dreny rehefa manatanteraka ireo andraikitra ireo.

“Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Ny hoe mitaiza dia midika hoe mamahana sy mampianatra ary manohana, sady manaraka ny ohatry ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 10:4). Miray hina amin’ny vadiny ny reny ka manampy ny fianakaviany hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ary hitombo finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Izy ireo dia miaraka manome tontolo iray feno fitiavana ao amin’ny fianakaviana.

“Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Mifanakalo hevitra amim-bavaka izy ireo ary mila hevitra amin’ny Tompo.

2.2

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao an-tokantrano

Hoy ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny tokantrano no fototry ny fiainana feno fahamarinana” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 11 feb. 1999).

Mba hanampiana ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana any an-tokantrano, dia amporisihin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo hanorina tokantrano hitoeran’ny Fanahy. Mamporisika ny mpikambana koa izy ireo hanaja ny andro Sabata, handalina sy hianatra ny filazantsara any an-trano, ary hanao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro.

2.2.3.

Fandalinana sy fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano

Ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara dia mifototra ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mamporisika ny mpikambana rehetra handalina ny filazantsara ao an-tokantrano amin’ny andro Sabata ary mandritra ny herinandro.

Ny fandalinana ny soratra masina araka izay nohazavaina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakavianano fandaharam-pianarana aroso handalinana ny filazantsara ao an-tokantrano.

2.2.4

Takariva ao an-tokantrano sy fiaraha-mientana hafa

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana hanao takariva ao an-tokantrano isan-kerinandro. Fotoana masina izy io hahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mianatra ny filazantsara, manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona, manorina ny firaisan-kina, ary mankafy ny fahafahana miaraka.

Ny takariva ao an-tokantrano dia azo rafetina araka ny toe-javatra iainan’ny mpikambana. Azo atao ny Sabata izany na amin’ny andro sy fotoana hafa. Izany dia mety ahitana:

  • Fandalinana sy fampianarana ny filazantsara (azo ampiasaina araka izay ilaina ireo fitaovana Avia, hanaraka Ahy).

  • Fanompoana ny hafa.

  • Mihira sy mitendry fihirana sy hiran’ny Kilonga (jereo ny toko 19).

  • Manohana olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny Children and Youth development.

  • Filankevitry ny mpianakavy hametrahana tanjona, sy hamahana olana, ary handrindrana tetiandro.

  • Fiaraha-mientana hialana voly.

Ireo mpikambana tokantena sy ny hafa dia afaka mivondrona miaraka ivelan’ny fanompoam-pivavahana mahazatra amin’ny Sabata mba handraisana anjara amin’ny takariva ao an-tokantrano sy hifanamafy orina amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara.

2.2.5

Fanohanana ny isam-batan’olona

Manampy ireo mpikambana izay mila fanohanana fanampiny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ampian’ireo mpitarika izy ireo sy ny fianakaviany mba hanana fahafahana hifandray amin’olona sy hanana traikefa ara-tsosialy mahasoa, ary fitomboana ara-panahy.

2.3

Ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Ireto fitsipika manaraka ireto no mihatra eo amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana.

  • Ireo mpitarika sy ireo mpampianatra dia manome voninahitra ny anjara toeran’ireo ray aman-dreny ary manampy azy ireo.

  • Ny fivoriam-piangonana sasantsasany dia tena manan-danja any amin’ny paroasy sy sampana tsirairay. Anisan’izany ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivorian’ny kilasy sy kôlejy izay atao isaky ny Sabata. Maro amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ary fandaharan’asa hafa no tsy tena manan-danja.

  • Hotahian’ny Tompo ireo mpikambana rehefa manompo sy mahafoy tena ao amin’ny Fiangonany. Na izany aza anefa, ny habetsaky ny fotoana atokana ho an’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hanelingelina ny fahafahan’ny mpikambana manatanteraka ny andraikitr’izy ireo any an-tokantrano sy any am-piasana ary any amin’ny toeran-kafa.