Boky torolalana sy antso
3. Ireo fitsipiky ny fisoronana


“3. Ireo fitsipiky ny fisoronana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“3. Ireo fitsipiky ny fisoronana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

fianakaviana mitsangantsangana akaikin’ny tempoly

3.

Ireo fitsipiky ny fisoronana

3.0

Teny fanolorana

Ny fisoronana dia ny fahefana sy herin’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no hanatanterahan’ny Ray any An-danitra ny asany dia ny “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Omen’ Andriamanitra fahefana sy hery ireo zanakalahy sy zanakavaviny ety ambonin’ny tany hanatanterahana ny asany (jereo ny toko 1).

3.2

Ireo fitahiana entin’ny Fisoronana

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana no hamelan’ Andriamanitra ireo fitahiana lehibe ho azon’ireo zanany rehetra raisina. Tafiditra amin’izany ireto:

  • Ny batisa sy ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  • Ny fahefana sy ny hery ahafahana manompo amin’ny antso sy asa ampiandraiketina ao amin’ny Fiangonana.

  • Ny fandraisana ny tsodranon’ny patriarika sy ireo tsodrano hafa an’ny fisoronana ho amin’ny fanasitranana sy ny fankaherezana ary ny fandraisana fitarihana.

  • Ny fandraisana ny fanafiana masina amin’ny herin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly.

  • Ny fahafahana ho voafehy amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao ho mandrakizay.

  • Ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay.

3.3

Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronana Aharôna

Ato amin’ny Fiangonana dia misy fizarana roa ny fisoronana: ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 1).

3.3.1

Fisoronana Melkizedeka

Ny Fisoronana Melkizedeka no antsoina hoe “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3). Io no hery izay ahafahan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ho tonga tahaka Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21; 132:19–20).

Amin’ny alalan’io fahefana io no hitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy hitantanan’izy ireo ny asa ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18).

Ny filohan’ny tsatòka no mpisorona avo mpiahy ao amin’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, 10; jereo koa ny toko 6 ao amin’ity boky torolalana ity). Ny eveka no mpisorona avo mpiahy ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:17; jereo koa ny toko 7 ao amin’ity boky torolalana ity).

Ho fampahalalana mikasika ireo anjara fanompoana sy andraikitry ny Fisoronana Melkizedeka, dia jereo ny 8.1.

3.3.2

Ny Fisoronana Aharôna

Ny Fisoronana Aharôna dia “fanampin’ … ny Fisoronana Melkizedeka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:14). Tafiditra ao amin’izany ireo fanalahidin’ny:

  • Fanompoan’ny anjely.

  • Filazantsaran’ny fibebahana.

  • Fitantanana ireo ôrdônansy ivelany, anisan’izany ny batisa ho famelan-keloka.

(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27; 107:20.)

Ny eveka no filohan’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15).

Ho fampahalalana mikasika ireo anjara fanompoana sy andraikitry ny Fisoronana Aharôna, dia jereo ny 10.1.3.

3.4

Ny fahefan’ny fisoronana

Ny hoe fahefan’ny fisoronana dia ilay fahazoana lalana hisolo tena an’ Andriamanitra ary hanao zavatra amin’ny anarany. Ao amin’ny Fiangonana, ny fahefan’ny fisoronana rehetra dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.

3.4.1

Ireo fanalahidin’ny fisoronana

Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra.

3.4.1.1

Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana

Nomen’ny Tompo ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly velona efa ela niasana indrindra, izay Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–2; 107:64–67, 91–92; 132:7).

Eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana no hanomezana fanalahidy an’ireto mpitarika ao amin’ny fisoronana manaraka ireto mba hahafahan’izy ireo miahy eo amin’ny faritra iandraiketan’izy ireo:

  • Filohana tsatòka sy distrika.

  • Eveka sy filohana sampana.

  • Filohana kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna.

  • Filohana tempoly.

  • Filohana misiôna sy filohana ivon-toerana fanofanana misiônera.

Ireo mpitarika ireo dia mandray ny fanalahidin’ny fisoronana rehefa atokana amin’ny antsony.

Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia tsy omena olon-kafa, anisan’izany ireo mpanolotsain’ireo mpitarika na filohana rafitry ny Fiangonana eo an-toerana. Ireo filohana rafitry ny Fiangonana dia miahy eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny 4.2.4).

3.4.1.2

Lamina eo amin’ny asan’ny Tompo

Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia miantoka fa ny asan’ny Tompo ho an’ny famonjena sy ny fisandratana dia tanterahina amin’ny fomba mirindra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; 132:8). Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia mitarika ny asan’ny Tompo ao anatin’ny faritra iandraiketan’izy ireo. Io fahefana hiahy io dia tsy manankery raha tsy amin’ireo andraikitra mazava mifandraika amin’ny antson’ilay mpitarika. Rehefa hisaorana amin’ny antsony ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mihazona intsony an’ireo fanalahidy ireo.

3.4.2

Fanomezana ny fisoronana sy fanendrena ao amin’ny fisoronana

Eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana no hanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka an’ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:14–17). Rehefa nomena ilay fisoronana sahaza dia tendrena amin’ny anjara fanompona iray ao amin’io fisoronana io ilay olona, toy ny diakona na loholona. Ny mpihazona fisoronana iray dia mampiasa ny fisoronana araka ny zo sy andraikitr’io anjara fanompoana io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99).

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fanomezana fisoronana sy fanendrena ao amin’ny fisoronana dia jereo ny 8.1.1 sy ny 18.10.

3.4.3.

Fizarana ny fahefan’ny fisoronana hanompoana ao amin’ny Fiangonana

3.4.3.1

Fanokanana

Rehefa atokana eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny mpikamban’ny Fiangonana, dia omena azy ireo ny fahefana avy amin’ Andriamanitra hanatanterahany izany antso izany. Ohatra:

  • Ny vehivavy iray izay antsoina sy atokan’ny eveka ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia omena fahefana hitarihana ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasy.

Ireo rehetra izay antsoina sy atokana dia manompo eo ambany fitarihan’ireo izay miahy azy ireo (jereo ny 3.4.1.2).

Rehefa hisaorana amin’ny antso iray izy ireo dia tsy manana intsony ny fahefana mifandraika amin’izany.

3.4.3.2

Asa ampiandraiketina

Ireo mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonana dia afaka mizara fahefana amin’ny alalan’ny asa ampiandraiketina. Rehefa mandray ireo asa ampiandraiketina ireo ny lehilahy sy ny vehivavy dia omena fahefana avy amin’ Andriamanitra hanaovana asa. Ohatra:

  • Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mizara fahefana amin’ireo Fitopololahy izay voatendry hitantana Vondromparitra sy hiahy amin’ireo fihaonamben’ny tsatòka.

  • Mahazo fahefana zaraina ireo mpikamban’ny Fiangonana manompo amin’ny maha-rahavavy mpanompo sy rahalahy mpanompo.

Ny fahefana izay zaraina amin’ny alalan’ny asa ampiandraiketina dia voafetra ho amin’ny andraikitra voafaritra manokana sy ny faharetan’ilay asa ampiandraiketina.

3.4.4

Fampiharana ny fahefan’ny fisoronana amim-pahamarinana

Io fahefana io dia tsy natao ho ampiasaina raha tsy amim-pahamarinana ihany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36). Ampiharina amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny fitiavana ary ny halemem-panahy izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42).

Ireo izay mampihatra ny fahefan’ny fisoronana dia tsy manery ny hafa hanaiky ny sitrapony. Tsy mampiasa izany ho amin’ny tanjona misy fitiavan-tena izy ireo.

3.5

Herin’ny Fisoronana

Ny herin’ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra, izay ampiasainy mba hitahiana ireo zanany. Ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra dia mirotsaka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra, na lahy na vavy, raha toa izy ireo ka mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo taminy. Manao ireo fanekempihavanana ireo ny mpikambana rehefa mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–20.)

Ireo fitahiana entin’ny herin’ny fisoronana izay azon’ny mpikambana raisina dia ahitana:

  • Tari-dalana ho an’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanambarana hahafantarana ny fomba hanatanterahana ny asa izay nanendrena na nanokanana azy ireo na nasaina nataon’izy ireo.

  • Fanampiana sy hery hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.

3.5.1

Ireo fanekempihavanana

Ny hoe fanekempihavanana dia fampanantenana masina ifanaovan’ Andriamanitra sy ireo zanany. Andriamanitra no manome ireo fepetran’ilay fanekempihavanana, ary ireo zanany kosa dia manaiky ny hankatò ireo fepetra ireo. Mampanantena Andriamanitra fa hitahy ireo zanany rehefa manatanteraka ny fanekempihavanana izy ireo.

Ireo rehetra maharitra hatramin’ny farany amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo dia hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:17–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny hafa dia manampy ny tsirairay hiomana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Maka antoka izy ireo fa takatr’ilay olona ny fanekempihavanana izay hataony. Rehefa avy nanao fanekempihavanana ny olona iray dia manampy azy hitandrina izany izy ireo. (Jereo ny Môzià 18: 8–11, 23–26.)

3.5.2

Ireo ôrdônansy

Ny ôrdônansy dia asa masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Amin’ny ôrdônansy maro dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny olona tsirairay. Ohatra amin’izany ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fanafiana masina, ary ny ôrdônansin’ny famehezana ny mpivady.

Ilaina ho an’ny fiainana mandrakizay ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.1.

3.6

Ny fisoronana sy ny tokantrano

Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, na vehivavy na lehilahy na ankizy, izay mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo dia hanana ny herin’ny Fisoronan’ Andriamanitra ao an-tokantranony mba hanamafy orina azy ireo sy ny fianakaviany (jereo ny 3.5). Hanampy azy ireo io hery io amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny fianakaviany (jereo ny 2.2).

Ireo lehilahy izay mihazona Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany ho fanomezana fitarihana sy fanasitranana ary fankaherezana. Raha ilaina dia afaka mangataka izany avy amin’ireo fianakaviana lavitra na rahalahy mpanompo na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana.