“18. Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“18. Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
18.
Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana
18.0
Teny fanolorana
Asa masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ary atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy sy ny fitsofan-drano. Manome fahafahana hahazo ny herin’ Andriamanitra ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20).
Ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano dia tokony hotanterahina amin’ny finoana ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Maka antoka ireo mpitarika fa tanterahina miaraka amin’ny fanomezan-dalana mifanandrify aminy izy ireo (rehefa ilaina izany), amin’ny fahefan’ny fisoronana izay takina amin’izany, amin’ny fomba mety, ary tanterahin’ny mpandray anjara mendrika (jereo ny 18.3).
18.1
Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana
Ny fisoronana dia ahitana ny fahefana hitantanana ireo ôrdônansin’ny filazantsara izay ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra ny olona eo am-pandraisany ireo ôrdônansy ireo. Voatanisa eto ambany ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana:
-
Batisa
-
Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina
-
Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy)
-
Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly
-
Ny famehezana any amin’ny tempoly
Raha maty alohan’ny faha-8 taonany ny ankizy iray teraka tao anatin’ny fanekempihavanana dia tsy misy ôrdônansy ilaina atao na tanterahina. Raha tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana ilay ankizy dia ny famehezana azy amin’ny ray aman-dreniny ihany no ôrdônansy ilainy. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ny ankizy rehetra maty alohan’ny faha-8 taonany dia “voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10; jereo koa ny Môrônia 8:8–12).
18.3
Fandraisana anjara amin’ny ôrdônansy na fitsofan-drano
Ireo izay manatanteraka na mandray anjara amin’ny ôrdônansy na fitsofan-drano dia tsy maintsy manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany ary mendrika. Amin’ny ankapobeny, ny fenitry ny fahamendrehana dia ilay fenitry ny fihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Kanefa, rehefa tarihin’ny Fanahy sy ireo torolalana ato amin’ity toko ity, dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka atao ny mamela ireo raim-pianakaviana na vady izay mihazona ny anjara fanompoana ilaina ao amin’ny fisoronana hanatanteraka na handray anjara amin’ny ôrdônansy sy fitsofan-drano sasantsasany na dia tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza izy ireo. Ny mpihazona fisoronana izay nanao fahotana goavana kanefa tsy nibebahana dia tsy tokony handray anjara.
Ny fanatanterahana na ny fandraisana ôrdônansy sy fitsofan-drano sasany dia mitaky fankatoavana avy amin’ny mpitarika mpiahy iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’izany (jereo ny 3.4.1). Raha ilaina dia afaka manome fankatoavana ny mpanolotsaina iray izay omeny fahazoan-dalana. Jereo ireto tabilao manaraka ireto. Ny firesahana momba ny filohan’ny tsatòka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny misiôna. Ny firesahana momba ny eveka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny sampana.
Iza avy ireo mpitarika mihazona fanalahidy afaka manome fankatoavana hanatanterahana na handraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana?
Ôrdônansy |
Ny olona mihazona ny fanalahidy |
---|---|
Ôrdônansy Batisa | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka (ho an’ireo ankizy 8 taona sy ireo mpikambana 9 taona no ho miakatra voarakitra ao anaty rejisitra ka nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina) Filohan’ny misiôna (ho an’ireo niova fo) |
Ôrdônansy Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka (ho an’ireo ankizy 8 taona sy ireo mpikambana 9 taona no ho miakatra voarakitra ao anaty rejisitra ka nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina) Filohan’ny misiôna (ho an’ireo niova fo) |
Ôrdônansy Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy) | Ny olona mihazona ny fanalahidy Filohan’ny tsatòka |
Ôrdônansy Fanafiana masina any amin’ny tempoly | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka sy filohan’ny tsatòka |
Ôrdônansy Famehezana any amin’ny tempoly | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka sy filohan’ny tsatòka |
Iza avy ireo mpitarika mihazona fanalahidy afaka manome fankatoavana hanatanterahana na handraisana ôrdônansy sy fitsofan-drano hafa?
Ôrdônansy na fitsofan-drano |
Ny olona mihazona ny fanalahidy |
---|---|
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanomezana anarana sy fitsofan-drano zaza | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanasan’ny Tompo | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny zatovolahy sy ny lehilahy feno taona) | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana mpikambana hanompo amin’ny antso | Ny olona mihazona ny fanalahidy Jereo ny 30.8 |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanamasinana menaka | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanasitranana marary | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra, anisan’izany ny tsodrano ataon’ny raim-pianakaviana | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana trano | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana fasana | Ny olona mihazona ny fanalahidy Ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana izay miahy ilay fotoam-bavaka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Tsodranon’ny patriarika | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
18.4
Ôrdônansy ho an’ny ankizy tsy ampy taona
Tsy afaka mandray ôrdônansy sy tsodrano ny ankizy tsy ampy taona iray raha tsy rehefa manome fahazoan-dalana ireo ray aman-dreny na ny mpiantoka ara-dalàna. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay zavatra hatao.
18.6
Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza
Raha ny mahazatra dia mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny paroasy izay onenan’ny ray aman-dreniny no omena anarana sy tsofina rano ny zaza.
18.6.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Ny ôrdônansy fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza iray dia tanterahin’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka, mifanaraka tsara amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70.
Olona iray na havana iray izay maniry ny handraisan’ny zaza iray anarana sy tsodrano no mandrindra ilay ôrdônansy miaraka amin’ny eveka. Izy no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hanaovana ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza ao amin’ny paroasy.
Azon’ny eveka atao ny mamela ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka hanome anarana sy hitsodrano ny zanany na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay rainy (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana hanome tsodrano ny zanak’izy ireo.
18.6.2
Torolalana
Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, no hivondronan’ireo mpihazona Fisoronana Melkizedeka manao faribolana hanome anarana sy hitsodrano zaza. Mametraka ny tanany ao ambanin’ilay zaza izy ireo, na mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ny zaza iray efa lehibe kokoa. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ilay fitsofan-drano.
-
Manome anarana ilay zaza.
-
Miresaka amin’ilay zaza.
-
Manome tsodrano ilay zaza araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.6.3
Child Record Form and Blessing Certificate (Taratasy firaketana ny anaran’ny zaza sy fanamarinana ny fitsofan-drano)
Mialoha ny hitsofan-drano ny zaza iray dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky mba hanomanana ny Taratasy firaketana ny anaran’ny zaza. Aorian’ilay fitsofan-drano dia mamorona ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ao amin’io rafitra io izy ary manomana Certificat de bénédiction (Fanamarinana ny fitsofan-drano). Soniavin’ny eveka io taratasy fanamarinana io ary omena ny ray aman-drenin’ilay zaza na ny mpiantoka azy.
Ny anarana eo amin’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ilay taratasy fanamarinana dia tokony hitovy amin’ny anarana ao amin’ny kôpia nahaterahana, na ny rejisitry ny sora-piankohonana, na ny anarana ara-dalàna entin’ilay zaza ankehitriny.
18.7
Batisa
Ny batisa asitrika ao anaty rano izay ataon’ny olona iray manana fahefana dia ilaina mba hahafahan’ny olona iray ho tonga mpikamban’ny Fiangonana sy handray ny Fanahy Masina. Ireo rehetra izay mikatsaka ny fisandratana dia tsy maintsy manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo.
18.7.1
Fankatoavana ho an’ny olona iray hatao batisa sy raisina ho mpikambana
18.7.1.1
Ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra ao amin’ny paroasy iray. Ireo ankizy ireo dia tokony hatao batisa sy raisina ho mpikambana amin’ny tsingerin-taona mahafeno 8 taona azy na fotoana fohy aorian’izany araka izay mety (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:27). Ireo dia ankizy efa voarakitra ao anatin’ny rejisitry ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana (jereo ny 33.6.2). Rehefa feno 8 taona izy ireo dia ataon’ny eveka izay hahazoan’izy ireo ny fahafahana rehetra manaiky ny filazantsara sy hatao batisa ary horaisina ho mpikambana.
Manao tafa sy dinika amin’ireo ankizy voarakitra ao anaty rejisitra ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry. Misy torolalana nomena ao amin’ny 31.2.3.1.
Ho fampahalalana momba ny famenoana ny Firaketana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia jereo ny 18.8.3.
18.7.1.2
Ireo olona niova fo
Ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo olona niova fo ao amin’ny misiôna. Noho izany antony izany, ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manao dinidinika an’ireo olona niova fo mba hirosoana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.
18.7.2
Ireo fotoam-bavaka amin’ny batisa
Ny fotoam-bavaka amin’ny batisa dia tokony ho tsotra, fohy, ary manandratra ny ara-panahy. Ireto manaraka ireto no mety ho hita ao anatin’izany:
-
Feon-kira alohan’ny fivoriana
-
Fiarahabana fohy ataon’ilay rahalahy izay mitarika ilay fotoam-bavaka
-
Hira sy vavaka fanombohana
-
Hafatra fohy iray na roa mikasika ireo lohahevitra ao amin’ny filazantsara, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina
-
Hira iray nofidiana manokana
-
Ilay batisa
-
Fotoana hanehoana fanajana amim-pahanginana raha mbola misolo akanjo ireo olona nandray anjara tamin’ny batisa (azo atao ny mitendry na mihira fihirana na hiran’ny ankizy mandritra io fotoana io)
-
Fandraisana ho mpikambana an’ireo mpikambana 8 taona izay voarakitra ao anaty rejisitra; fandraisana ho mpikambana an’ireo olona niova fo raha izay no fanapahan-kevitra noraisin’ny eveka (jereo ny 18.8)
-
Fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo olona vaovao niova fo, raha maniry ny hanao izany izy ireo
-
Hira sy vavaka famaranana
-
Feon-kira aorian’ny fivoriana
Rehefa miomana ny hatao batisa ny ankizy iray voarakitra ao anaty rejisitra dia mifampidinika amin’ny fianakaviana ny episkôpà sy ny fiadidian’ny Kilonga mba hanomana sy handamina fotoana hanaovana fotoam-bavaka amin’ny batisa. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika ilay fivoriana. Raha ankizy mihoatra ny iray no hatao batisa ao anatin’ny volana iray dia azo atambatra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho azy ireo.
Ao amin’ireo tsatòka ahitana ankizy maro voarakitra ao anaty rejisitra, dia azo atambatra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo ankizy avy ao amina paroasy maromaro. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry hanao izany no mitarika ilay fivoriana.
Ny batisan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana dia tsy tokony hahemotra mandra-pahatongan’ny fotoana ahafahan’ny raim-pianakaviana iray mahazo ny fisoronana sy manatanteraka mivantana ilay batisa.
Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (raha misy voantso), na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy no mandrafitra sy mitarika ireo fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo olona niova fo. Miara-mandrindra izany amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno izy ireo.
18.7.3
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Ny ôrdônansin’ny batisa dia tanterahin’ny mpisorona na olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ilay olona manatanteraka ny batisa dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny eveka (na avy amin’ny filohan’ny misiôna raha misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manatanteraka ilay batisa).
Azon’ny eveka atao ny mamela ny raim-pianakaviana iray izay mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka hanao batisa ny zanany na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana hanao batisa ny zanak’izy ireo.
18.7.4
Ny toerana hanatanterahana ilay ôrdônansy
Ny batisa dia tokony hotanterahina ao amin’ny dobo fanaovam-batisa iray raha misy izany. Raha tsy misy dobo dia afaka mampiasa rano be velarana tsy mampidi-doza.
Ho fiarovana amin’ny loza dia tsy maintsy misy olon-dehibe iray tompon’andraikitra manatrika eo rehefa fenoina rano ny dobo ary mijanona eo mandra-paharitra tanteraka ny rano ao anatin’izany, sy voadio ary voahidy tsara. Tokony hariana avy hatrany ny rano ao amin’ilay dobo aorian’ny fotoam-bavaka fanaovana batisa tsirairay. Tokony hidina ny varavarana mankao amin’ilay dobo rehefa tsy ampiasaina izany.
18.7.5
Fitafiana
Ny olona iray manatanteraka ny batisa sy ny olona iray atao batisa dia manao akanjo fotsy izay tsy lasa mangarahara rehefa lena. Ny olona iray nahazo fanafiana masina dia manao ny garmentan’ny tempoly ao anatin’io akanjo fotsy io rehefa manatanteraka batisa. Ireo rantsana eo an-toerana dia mividy fitafiana fanao amin’ny batisa amin’ny alalan’ny vatsim-bola ary tsy tokony hampadoa vola olona rehefa mampiasa izany.
18.7.6
Ireo vavolombelona
Vavolombelona roa, nahazo lalana avy amin’ny mpitarika mpiahy, no manara-maso ny batisa tsirairay mba hakana antoka fa notanterahina araka ny tokony ho izy izany. Afaka manao vavolombelona ny mpikamban’ny Fiangonana efa vita batisa, ka tafiditra amin’izany ny ankizy sy ny zatovo.
Tsy maintsy averina atao ny batisa iray raha tsy voatonona tsara ireo teny araka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73. Tsy maintsy averina ihany koa izany raha misy tsy nilentika tanteraka ny ampahany tamin’ny vatan’ilay olona, na ny volony, na ny akanjony.
18.7.7
Torolalana
Mba hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa, ny mpisorona na ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia:
-
Mijoro ao anaty rano miaraka amin’ilay olona atao batisa.
-
Mitazona ny hato-tanana havanan’ilay olona amin’ny tanany havia (mba hahazoana aina sy ho fiarovana). Ilay olona atao batisa dia mitazona ny hato-tanana havian’ilay mpihazona ny fisoronana amin’ny tanany havia.
-
Manangana ny tanany havanana haka endrika zoro mahitsy.
-
Milaza ny anarana fenon’ilay olona ary miteny hoe: “Rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73).
-
Manasa ilay olona hanampina ny orony amin’ny tanana havanana (mba hahazoana aina); dia mametraka ny tanany havanana eo amin’ny faritra ambony amin’ny lamosin’ilay olona avy eo ary mandentika tanteraka an’ilay olona, ka tafiditra amin’izany koa ny akanjony.
-
Manampy ilay olona hivoaka avy ao anaty rano.
18.8
Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina
Rehefa vita batisa ny olona iray dia raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41; Asan’ny Apostoly 19:1–6). Lasa mpikamban’ny Fiangonana ilay olona rehefa vita ireo ôrdônansy roa ireo ary voarakitra araka ny tokony ho izy (jereo ny Jaona 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:11; 3 Nefia 27:20).
Ny eveka no manara-maso ny fanatanterahana ireo fandraisana ho mpikambana. Ny ankizy valo taona raha ny mahazatra dia raisina ho mpikambana amin’ilay andro anaovana batisa azy ireo. Ireo niova fo raha ny mahazatra dia raisina ho mpikambana mandritra ny Fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy izay onenany, ary ny tsara indrindra dia ny alahady aorian’ny nanaovana batisa azy.
Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 29.2.1.1 ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà rehefa mampahafantatra ireo mpikambana vaovao.
18.8.1
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika ny hiditra ny tempoly ihany no afaka mandray fitenenana amin’ny fandraisana ho mpikambana. Azon’ny eveka atao anefa ny mamela raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka hijoro eo amin’ilay faribolana amin’ny fandraisana ny zanany ho mpikambana na dia tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3).
Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, farafahakeliny, no mandray anjara amin’io ôrdônansy io. Raha misiônera lehilahy no nampianatra ilay olona niova fo dia manasa azy ireo handray anjara ny eveka.
18.8.2
Torolalana
Afaka mandray anjara amin’ny fandraisana ho mpikambana, eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro. Mametraka ny tanany moramora eo ambony lohan’ilay olona izy ireo. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ilay ôrdônansy.
-
Mandray ilay olona ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
-
Miteny hoe “Raiso ny Fanahy Masina” (fa tsy hoe “raiso ny fanomezana ny Fanahy Masina”).
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.8.3
Rejisitra sy taratasy fanamarinana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana
Mialoha ny hanaovana dinidinika momba ny batisa ny ankizy iray izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra, dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky mba hanomanana Taratasy firaketana ny momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro no manao ny tafa sy dinika ary manao sonia ilay taratasy. Rehefa vita ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia mampiasa io taratasy io ny mpitamboky mba hanavaozana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ilay ankizy ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG).
Rehefa manao dinidinika miaraka amin’ny olona iray niova fo mba hirosoana ho amin’ny batisa ny misiônera amin’ny fotoana feno, dia fenoiny ny ao anatin’ny Firaketana momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Boky Fandrindram-potoana ho an’ny Faritra (BFF). Rehefa vita ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana dia raketin’ireo misiônera ao amin’ny Boky Fandrindram-potoana ho an’ny Faritra (BFF) ireo mombamomba ilay olona ary alefan’izy ireo amin’ny fomba elektrônika any amin’ny mpitambokin’ny paroasy izany. Averin’ny mpitambokin’ny paroasy jerena ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ireo mombamomba ilay olona ary mamorona firaketana mombamomba ny maha-mpikambana izy.
Rehefa vita ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia manomana Taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny mpitamboky iray. Soniavin’ny eveka io taratasy fanamarinana io ary omena an’ilay olona.
Ny anarana eo amin’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ilay taratasy fanamarinana dia tokony hitovy amin’ny anarana ao amin’ny kôpia nahaterahana, na ny rejisitry ny sora-piankohonana, na ny anarana ara-dalàna entin’ilay zaza ankehitriny.
18.9
Ny fanasan’ny Tompo
Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miara-mivory rehefa Sabata mba hitsaoka an’ Andriamanitra sy handray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75; 59:9; Môrônia 6:5–6). Mandritra io ôrdônansy io dia mandray ny mofo sy ny rano izy ireo ho fahatsiarovana ny nanaovan’ny Mpamonjy ho sorona ny nofony sy ny rany ary hanavaozana ny fanekempihavanana masina izay nataon’izy ireo (jereo ny Matio 26:26–28; Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–25; Lioka 22:15–20; 3 Nefia 18; Môrônia 6:6).
18.9.1
Fankatoavana hanatanterahana ny fanasan’ny Tompo
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy. Ireo rehetra izay mandray anjara amin’ny fanomanana, sy ny fanamasinana, ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy aminy na avy amin’ny olona iray eo ambany fitarihany.
18.9.2
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
-
Ireo mpampianatra sy mpisorona ary mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manomana ny fanasan’ny Tompo.
-
Afaka manamasina ny fanasan’ny Tompo ny mpisorona sy ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.
-
Afaka mizara ny fanasan’ny Tompo ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.
18.9.3
Torolalana ho an’ny fanasan’ny Tompo
Koa satria masina ny fanasan’ny Tompo dia tokony hiomana tsara ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hilamina tsara sy atao anatin’ny fanajana amim-pahanginana izany.
Ireo izay mikarakara ny fanasan’ny Tompo dia tokony hanao izany amin’ny fomba feno fanajana, miaraka amin’ny fahatsapana fa misolo tena ny Tompo izy ireo.
Tokony hatao amin’ny fomba tsotra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo fa tsy amin’ny fomba manetriketrika loatra.
Na dia natao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana aza ny fanasan’ny Tompo dia tsy tokony hisy zavatra hatao hanakanana ny hafa tsy handray izany.
18.9.4
Torolalana
-
Ireo izay manomana, na manamasina, na mizara ny fanasan’ny Tompo dia manasa tanana amin’ny savony na zavatra fidiovana hafa aloha.
-
Maka antoka ireo mpampianatra, na mpisorona, na ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka fa tafapetraka amin’ny toerany alohan’ny fivoriana ireo lovia fitondrana mofo izay misy mofo tsy mbola novakina sy ireo lovia fitondrana rano izay misy kaopy feno rano madio, ary ireo lamban-databatra madio.
-
Rehefa mihira ny hiran’ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana ao amin’ny paroasy dia mitsangana amim-panajana ireo mpihazona ny fisoronana izay hanamasina ny fanasan’ny Tompo, manala ilay lamba manarona ireo lovia, ary mamaky ny mofo ho madinidinika azo atao indraim-bava.
-
Aorian’ilay hira dia mandohalika ilay olona manamasina ny mofo ary manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny mofo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).
-
Maka antoka ny eveka fa tononina mazava tsara sy marina tsara ary amim-pahamendrehana ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Raha misy olona manao fahadisoana amin’ny fanononana ireo teny ka manitsy ny tenany ihany, dia tsy ilaina intsony ny hanaovana fanitsiana fanampiny. Raha tsy manitsy ny fahadisoana nataony ilay olona dia mangataka azy amin-katsaram-panahy ny eveka mba hamerina ilay vavaka.
-
Aorian’ilay vavaka dia mizara ny mofo amim-panajana amin’ireo mpikambana ireo mpihazona ny fisoronana. Ny mpitarika mpiahy no mandray izany voalohany, ary aorian’izany dia tsy misy laharana tokony arahina. Raha vantany vao atolotra an’ireo mpikambana ny lovia iray, dia afaka mifampitampita izany izy ireo.
-
Mandray amin’ny tanany havanana ireo mpikambana raha azo atao.
-
Rehefa avy nozaraina tamin’ny mpikambana rehetra ny mofo dia mamerina ireo lovia eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo mpizara ny fanasan’ny Tompo. Ireo izay manamasina ny fanasan’ny Tompo dia mamerina manarona lamba ireo lovia fasiana mofo ary manala ny lamba eo amin’ireo lovia fasiana rano.
-
Mandohalika ilay olona manamasina ny rano ary manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny rano (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79). Mampiasa ny teny hoe rano izy eo amin’ny toeran’ny teny hoe divay.
-
Aorian’ilay vavaka dia mizara ny rano amim-panajana amin’ireo mpikambana ireo mpihazona ny fisoronana. Ny mpitarika mpiahy no mandray izany voalohany, ary aorian’izany dia tsy misy laharana tokony arahina.
-
Rehefa avy nozaraina tamin’ny mpikambana rehetra ny rano dia mamerina ireo lovia eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo mpizara ny fanasan’ny Tompo. Ireo izay nanamasina ny fanasan’ny Tompo dia mamerina manarona lamba ireo lovia ary miverina eny amin’ny toerany amim-panajana ireo izay nanamasina sy nizara ny fanasan’ny Tompo.
-
Aorian’ilay fivoriana dia manadio ireo olona izay nanomana ny fanasan’ny Tompo, mamalona ireo lamban-databatra, ary manaisotra izay mofo tsy nampiasaina.
18.10
Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray
Mizara roa ny fisoronana: ny Aharôna sy ny Melkizedeka (jereo ny 3.3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1, 6). Rehefa omena ny olona iray ny fisoronana dia tendrena ho ao amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’izany fisoronana izany koa izy. Rehefa nomena ny iray amin’ireo fisoronana ireo, dia fanendrena amin’ireo anjara fanompoana ao amin’izany fisoronana izany ihany no ilaina atao amin’ny lehilahy iray aty aoriana.
18.10.1
Fisoronana Melkizedeka
Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona sy mpisorona avo. Na izany aza anefa dia ny eveka mazàna no manao ny fanolorana ny anaran’ireo olona izay haroso amin’ireo fanendrena ireo.
18.10.1.1
Loholona
Afaka mandray ny Fisoronana Melkizedeka ireo rahalahy mendrika ka azo tendrena ho loholona rehefa feno 18 taona no ho miakatra. Araka ny toe-javatra iainan’ny olona iray no hamaritan’ny eveka raha toa ny tovolahy iray ka tokony hotendrena ho loholona fotoana fohy aorian’ny maha-feno 18 taona azy na tokony hijanona mandritra ny fotoana ela kokoa miaraka amin’ny kôlejin’ny mpisorona.
Rehefa mandray io fanapahan-kevitra io ny eveka dia mifampiresaka amin’ilay zatovolahy sy ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy aloha. Tokony hotendrena ho loholona ireo lehilahy mendrika rehefa feno 19 taona na mialoha ny handaozany ny trano handranto fianarana any amin’ny oniversite, na hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na hirotsaka ho miaramila, na hanao asa raikitra amin’ny fotoana feno.
Ireo lehilahy vao vita batisa izay 18 taona no ho miakatra dia tendrena ho loholona rehefa:
-
Avy nandray ny Fisoronana Aharôna ka efa nanompo tamin’ny naha-mpisorona azy ireo.
-
Ampy ny fahatakarany ny filazantsara.
-
Nanaporofo ny fahamendrehan’izy ireo.
Tsy misy fe-potoana naha-mpikambana voafaritra mazava takina amin’izy ireo.
18.10.1.2
Mpisorona Avo
Tendrena ho mpisorona avo ireo lehilahy rehefa antsoina ho ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ho mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, na ho ao amin’ny episkôpà.
18.10.1.3
Fanaovana tafa sy dinika sy fanohanana
Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ilay rahalahy ny eveka araka ny torolalana hita ao amin’ny Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Manao tafa sy dinika aminy koa avy eo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray hotendrena ho loholona ny filohan’ny distrika (jereo ny 6.3).
18.10.2
Fisoronana Aharôna
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra ary ny mpisorona. Ireo rahalahy mendrika raha ny mahazatra dia tendrena amin’ireo anjara fanompoana ireo amin’ireto sokajin-taona manaraka ireto, fa tsy alohan’izany:
-
Diakona, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 12 taona
-
Mpampianatra, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 14 taona
-
Mpisorona, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 16 taona
Manao tafa sy dinika amin’ireo izay tokony hotendrena ho diakona na mpampianatra ny eveka na ny mpanolotsaina anankiray voatendry mba hamantarana raha toa ka vonona ara-panahy izy ireo. Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy izay tokony hotendrena ho mpisorona.
Miera mba hahazo fahazoan-dalana am-bava avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ilay zatovolahy ny eveka mialoha ny hanaovana tafa sy dinika ho fanendrena ho amin’ny fisoronana. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay zavatra hatao.
18.10.3
Fanolorana mpikambana iray mba hotohanana mialoha ny hanendrena azy
Rehefa vita ny tafa sy dinika natao tamin’ny rahalahy iray ary hita izy fa mendrika hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray, dia atolotra mba hotohanana izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:65, 67). Ireo rahalahy izay hotendrena ho loholona na mpisorona avo dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka mba hotohanana mandritra ny fivoriana ho an’ny daholobe amin’ny fihaonamben’ny tsatòka (jereo ny 6.3 mba hahitana ireo torolalana ho an’ireo filohan’ny distrika). Ireo rahalahy izay hotendrena ho diakona na mpampianatra na mpisorona dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo.
Angatahan’ilay olona mitarika ny fanohanana ilay rahalahy mba hitsangana. Ambarany ilay fandrosoana hanomezana Fisoronana Aharôna na Fisoronana Melkizedeka (raha ilaina) sy ilay fandrosoana ny hanendrena ilay rahalahy ho amin’ilay anjara fanompoan’ny fisoronana. Avy eo izy dia manasa ny mpikambana hanohana ilay zavatra naroso. Ohatra, raha hanolotra rahalahy iray hotendrena ho loholona, dia azony atao ny mampiasa teny tahaka ireto:
“Aroso amintsika [anarana] mba handray ny Fisoronana Melkizedeka sy hotendrena ho loholona. Ireo izay manaiky dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana. [Miato kely.] Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany koa. [Miato kely.]”
Raha misy mpikambana iray izay tsara laza maneho tsy fanohanana ilay fanendrena, dia miresaka manokana aminy aorian’ilay fivoriana ilay mpitarika mpiahy na ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay voatendry hanao izany. Mikatsaka ny hahatakatra ny antony nanoheran’ilay mpikambana ilay mpitarika. Fantariny raha toa ilay mpikambana ka mahafantatra fitondran-tena izay mety tsy hahamendrika ilay olona ny hotendrena ho amin’ilay anjara fanompoana.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny rahalahy iray dia mety hilaina tendrena ho loholona na ho mpisorona avo mialoha ny hahafahana manolotra azy mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka. Rehefa mitranga izany dia atolotra mba hotohanana izy mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasiny. Atolotra mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka izy avy eo mba hampanankery ilay fanendrena (ampifanarahana amin’ny toe-javatra ilay fomba fanaovana fanohanana voafaritra etsy ambony).
18.10.4
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Ny filohan’ny tsatòka na ny olona iray mihazona ny Fisoronana Melkizedeka eo ambany fitarihany no afaka manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manatanteraka ilay fanendrena ny filohan’ny distrika na ny olona iray eo ambany fitarihany (jereo ny 6.3). Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.
Ny filohan’ny tsatòka na ny mpisorona avo iray eo ambany fitarihany no afaka manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo. Mpisorona avo ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.
Tokony ho mendrika ny hiditra ny tempoly ny olona iray izay manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Tsy maintsy manatrika eo ny filohan’ny tsatòka na ny olona iray izay tondroiny.
Mpisorona na olona iray mihazona ny Fisoronana Melkizedeka no afaka manendry rahalahy iray ho amin’ny anjara fanompoan’ny diakona, na mpampianatra, na mpisorona. Tsy maintsy mahazo lalana avy amin’ny eveka izy. Tsy maintsy manatrika eo ny eveka na ny olona iray izay tondroiny.
Mba hahafahan’ny olona iray mandray anjara amin’ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna dia tsy maintsy mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy.
Afaka mamela ny raim-pianakaviana iray mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny eveka iray hanendry ny zanany ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny diakona, na mpampianatra, na mpisorona na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana amin’ny fanendrena ny zanak’izy ireo.
18.10.5
Torolalana
Rehefa manome ny fisoronana sy manendry olona iray ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana dia mpihazona fisoronana nahazo lalana miisa iray na mihoatra no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambony lohan’ilay olona. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara ilay fahefana izay hazoniny manokana mba hanatanterahana ilay ôrdônansy (Fisoronana Aharôna na Melkizedeka).
-
Manome ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka raha tsy hoe efa nomena taloha izany.
-
Manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka ary manome ireo zo sy hery ary fahefana ao amin’izany anjara fanompoana izany.
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Rehefa manendry olona iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana raha efa nomena ny fisoronana mifandraika amin’izany izy, dia mandingana ny dingana faha 3 ilay olona manatanteraka ilay fanendrena
18.10.6
Ny firaketana ny fanendrena sy ny taratasy fanamarinana
Alohan’ny hanaovana tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray izay hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky iray hanomanana ny taratasy Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro no manao ny tafa sy dinika ary manao sonia ilay taratasy raha feno avokoa ireo fepetran’ny fahamendrehana.
Rehefa vita ilay fanendrena dia mameno ilay taratasy ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro ary manome izany an’ny mpitamboky. Raketiny ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ilay fanendrena ary manomana taratasy fanamarinana ny fanendrena izy.
Ny anaran’ilay olona araka ny lalàna no tokony hampiasaina ao amin’ilay taratasy firaketana ny fanendrena sy ilay taratasy fanamarinana ny fanendrena.
18.11
Ny fanokanana ny mpikambana hanompo amin’ireo antso
Ireo mpikambana izay nantsoina sy notohanana ho amin’ny ankamaroan’ireo antso ato amin’ny Fiangonana dia tokony hatokana mba hanompo amin’izany antso izany (jereo ny Jaona 15:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; jereo koa ny 3.4.3.1 ato amin’ity boky torolalana ity). Mandritra ilay fanokanana ilay olona dia omena (1) fahefana hanao asa ao amin’ilay antso sy (2) tsodrano araka izay itarihan’ny Fanahy.
Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ary ireo filohan’ny kôlejy dia mandray ny fanalahidin’ny fiadidiana rehefa atokana (jereo ny 3.4.1.1). Ny teny hoe fanalahidy anefa dia tsy tokony hampiasaina rehefa manokana ireo mpikambana hanompo amin’ny antso hafa, tafiditra amin’izany ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana.
18.11.1
Ireo olona manatanteraka ny fanokanana
Ny fanokanana dia tanterahin’ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny mpitarika izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mifanaraka amin’izany izy. Ireo izay omena lalana hanatanteraka fanokanana dia voalaza ao amin’ny 30.8. Ny loholona iray dia tsy tokony ho mpitondra teny na hijoro eo amin’ilay faribolana rehefa misy lehilahy atokana ao amin’ny antso iray izay mitaky ny maha-mpisorona avo ilay lehilahy.
Afaka mandray anjara amin’ny fanokanana, eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro. Ny filoha no atokana alohan’ireo mpanolotsainy.
Afaka mamela vady na raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay atao fanokanana ny vadiny na ireo zanany ny mpitarika mpiahy mba hijoro eo amin’ny faribolana na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3).
18.11.2
Torolalana
Mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ilay olona ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka nahazo lalana iray na maromaro. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay olona amin’ilay antso ao amin’ny tsatòka, na paroasy, na kôlejy, na kilasy.
-
Manome ireo fanalahidy raha tokony handray izany ilay olona.
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.12
Ny fanamasinana menaka
Tsy maintsy hamasinin’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka ny menaka ôliva alohan’ny hampiasana izany hanosorana ny marary na ny ory (jereo ny Jakoba 5:14). Tsy misy menaka hafa azo ampiasaina ankoatra izay.
Tsy tokony hampiasa ilay menaka ireo mpikambana na hanosotra izany amin’ireo faritra marary eo amin’ny vatana.
18.12.1
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na mihoatra no afaka manamasina menaka. Tsy mila maka fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo.
18.12.2
Torolalana
Rehefa hanamasina ny menaka ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Mitazona fitoerana menaka ôliva iray misokatra.
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manamasina ny menaka (fa tsy ilay fitoerany) ary manokana izany ho fanosorana sy fitsofan-drano ny marary sy ny ory.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.13
Fanasitranana ny marary
Misy fizarana roa ny fanasitranana ny marary “amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana”: fanosorana menaka sy famehezana ilay fanosorana arahina tsodrano. Raha tsy misy menaka voahasina azo ampiasaina dia azo atao ihany ny manome tsodrano amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka tsy misy fanosora-menaka.
18.13.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika ihany no afaka mametra-tanana amin’ny marary na ny ory. Tsy mila maka fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo. Raha azo atao dia raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka no mametra-tanana amin’ireo olona marary ao amin’ny fianakaviany.
Raha ny tokony ho izy dia mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka miisa roa na mihoatra izany no mametra-tanana amin’ilay marary. Afaka sady manatanteraka ny fanosorana no manao ny famehezana anefa ny olona iray.
18.13.2
Torolalana
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray no manao ny fanosorana menaka. Izy dia:
-
Mametraka menaka voahasina indray mitete eo ambonin’ny lohan’ilay olona.
-
Mametraka moramora ny tanany eo ambonin’ny lohan’ilay olona ary miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manambara fa izy dia manosotra amin’ny menaka voahasina fanosorana sy fitsofan-drano ny marary sy ny ory.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Ho famehezana ny fanosorana dia mpihazona ny Fisoronana Melikizedeka iray na mihoatra izany no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambonin’ny lohan’ilay olona. Avy eo ilay iray izay mamehy ny fanosorana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no hamehezany ny fanosorana.
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.14
Ny tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra, anisan’izany ny tsodranon’ny raim-pianakaviana
18.14.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Afaka manome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo olona hafa izay mangataka izany ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.
Ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodranon’ny raim-pianakaviana ho an’ireo zanany. Mamporisika ireo zanany ireo ray aman-dreny hangataka tsodranon’ny raim-pianakaviana rehefa sahirana. Azo raketina an-tsoratra ho ampiasain’ny tena manokana ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana.
Ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tsy mila mangataka fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa hanome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra na tsodranon’ny raim-pianakaviana.
18.14.2
Torolalana
Rehefa hanome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra na tsodranon’ny raim-pianakaviana dia mametraka moramora ny tanany eo ambonin’ny lohan’ilay olona ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na mihoatra izany. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no hanatanterahany ilay fitsofan-drano.
-
Manome tsodrano, fankaherezana, ary torohevitra araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.15
Ny fanokanana trano
Afaka mangataka ny hanokanana ny tranony amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpikamban’ny Fiangonana.
18.15.2
Torolalana
Rehefa hanokana trano iray ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay trano ho toerana masina izay azon’ny Fanahy Masina hitoerana ary milaza teny hafa araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.16
Ny fanokanana fasana
18.16.1
Ny olona manokana fasana
Ny olona iray manokana fasana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary nahazo lalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mitarika ilay fotoam-bavaka.
18.16.2
Torolalana
Rehefa hanokana fasana iray ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay toeram-pandevenana mba ho toerana fialan-tsasatra ho an’ny vatan’ilay maty.
-
Mivavaka mba hanamasinana sy hiarovana ilay toerana mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty (raha mety ny hanaovana izany).
-
Mangataka ny Ray any An-danitra mba hampahery ilay fianakaviana ary milaza ireo zavatra tonga ao an-tsainy araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Raha dorana ny vata-mangatsiakan’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana dia mampiasa ny fahaizany mandanjalanja ilay mpitarika mpiahy mba hanapahana hevitra raha toa ka hatokana ilay toerana izay hitehirizana ny lavenona.
18.17
Ny tsodranon’ny patriarika
Ny mpikambana mendrika sy vita batisa rehetra dia manana zo handray ny tsodranon’ny patriarika, izay manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Genesisy 48:14–16; 49; 2 Nefia 4:3–11).
Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao dinidinika miaraka amin’ireo mpikambana izay maniry ny hahazo tsodranon’ny patriarika. Raha mendrika ilay mpikambana dia manomana Fahazoan-dalana hahazo tsodranon’ny patriarika ilay mpanao dinidinika. Alefany ao amin’ny Patriarchal Blessing System ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izany.
Ilay olona izay manome ilay fahazoan-dalana handraisana tsodranon’ny patriarika dia maka antoka tsara fa manana fahamatorana ampy hahatakarana ny maha-zava-dehibe sy ny maha-masina ilay tsodrano ilay mpikambana.
18.17.1
Fandraisana ny tsodranon’ny patriarika
Rehefa mahazo fahazoan-dalana ilay mpikambana dia mifandray amin’ny patriarika mba hakana fotoana handraisana tsodranon’ny patriarika. Amin’ilay fotoana nifanomezana dia tokony mankany amin’ny patriarika amim-pisaintsainana ombam-bavaka sy manao fitafy fanao alahady ilay mpikambana.
Masina sy tsiambaratelo ary an’ny tena manokana ny tsodranon’ny patriarika tsirairay avy. Noho izany dia omena mangingina izany raha tsy hoe misy fianakaviana vitsivitsy izay afaka manatrika izany.
Ny olona iray izay mandray ny tsodranon’ny patriarika dia tokony hankamamy ny teny ao anatin’izany, hisaintsaina izany, ary hiaina mba ho mendrika handray ireo fitahiana nampanantenaina eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hampitaha ireo tsodrano ary tsy tokony hizara izany afa-tsy amin’ireo havana akaiky. Tsy tokony hovakina mandritra ireo fivoriana ao am-piangonana na mandritra ireo fivoriana hafa iarahana amin’ny besinimaro ireo tsodranon’ny patriarika.