“19. Hira,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“19. Hira,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
19.
Hira
19.1
Ny tanjon’ny hira ao amin’ny Fiangonana
Mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny hira masina. Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana izany. Miteraka fahatsapana fanajana lalina sy mampiray ireo mpikambana ary manome fomba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.
19.2
Ny hira ao an-tokantrano
Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia namporisika ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny Tompo mba hampiasa hira mankahery eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.
Hita ato amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ny raki-peo sy ny raki-tsarin’ireo hiran’ny Fiangonana:
-
Appli Musique Sacrée
-
Application Bibliothèque de l’Évangile
-
Ireo kapila ao aminʼny store.ChurchofJesusChrist.org
19.3
Hira mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana
19.3.1
Fanomanana ny hira ho an’ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana
Miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka mba hanomanana ireo hira ho an’ireo fivoriana fitsaohana. Mifidy hira mampitombo ny fanahin’ny fitsaohana mandritra ireo fivoriana izy ireo.
19.3.2
Hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo
Ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia ahitana ny fihiran’ny daholobe hira ao amin’ny fihirana mba hanombohana sy hamaranana ny fivoriana sy alohan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Tokony hiresaka momba ny fanasan’ny Tompo mihitsy ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo na hiresaka momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy.
Ny feon-kira mialoha ny fotoana dia tendrena rehefa tafavory alohan’ny fivoriana ny mpikambana. Aorian’ny vavaka famaranana dia tendrena ny feon-kira aorian’ny fotoam-pivoriana eo am-pialan’ny mpikambana ao amin’ilay fivoriana.
Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia mety ahitana ihany koa hira ho an’ny daholobe izay hiraina eo am-pisasahan’ny fivoriana, ohatra hoe eo anelanelan’ireo lahateny.
19.3.3
Hira mandritra ny fotoam-pianarana sy ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy
Mamporisika ireo mpampianatra ireo mpitarika hampiasa ireo fihirana sy ireo hira masina hafa mba hanatsarana ny fampianaran’izy ireo.
19.3.6
Ireo zava-maneno
Ny fitendrena zava-maneno raha ny mahazatra dia ampiasaina ho an’ny feon-kira mialoha sy aorian’ny fivoriana ary ny feon-kira amin’ny fihirana mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana. Ny ôrga sy ny pianô no zava-maneno nankatoavina mba ho ampiasaina any amin’ireo toerana izay ahitana izany sy ahitana mpikambana afaka mitendry izany. Azon’ny episkôpà atao ny manome fankatoavana ny hampiasana zava-maneno hafa mba hampiarahana amin’ny hiran’ny daholobe, ho an’ny feon-kira mialoha sy aorian’ny fivoriana, ary amin’ireo hira hafa.
Raha tsy misy pianô na ôrga na mpitendry zava-maneno dia azo atao ny mampiasa ireo raki-peo (jereo ny 19.2
19.3.7
Amboaram-peo
19.3.7.1
Amboaram-peon’ny paroasy
Raha betsaka ny mpikambana ao aminy dia afaka manangana amboaram-peo mihira matetika mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo paroasy.
Ankoatra ny amboaram-peon’ny paroasy dia azo asaina hihira mandritra ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana ireo fianakaviana sy vondrom-behivavy, lehilahy, zatovo, na ankizy.
19.4
Mpitarika misahana ny hira eo anivon’ny paroasy
19.4.1
Ny episkôpà
Ny eveka no tompon’andraikitra misahana ny hira eo anivon’ny paroasy. Azony ampandraiketina ny iray amin’ireo mpanolotsainy io andraikitra io.
19.4.2
Mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy
Ny mpandrindra ny hira eo anivon’ny paroasy dia manompo eo ambany fitarihan’ny episkôpà. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto izy:
-
Manampy ny episkôpa sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy amin’ireo zavatra mahakasika ny hira.
-
Miara-miasa amin’ny episkôpà mba hanomana hira ho an’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo (jereo ny 19.3.1sy ny 19.3.2
-
Rehefa mangataka izany ny episkôpà, dia manolotra mpikambana hanompo amin’ireo antso mahakasika ny hira ao amin’ny paroasy. Mampiofana ireo olona manompo amin’ireo antso ireo, manolotra fanampiana, torolalana, ary fanofanana araka izay ilaina.
19.4.3
Antso fanampiny
Afaka miantso mpikambana ny episkôpà mba hanompo amin’ireto antso manaraka ireto.
19.4.3.1
Mpitarika hira ao amin’ny paroasy
Ny mpitarika hira eo anivon’ny paroasy dia mitarika ireo hira ao amin’ny fihirana izay hirain’ny daholobe ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ho an’ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy araka izay angatahina.
19.4.3.2
Mpitendry zava-maneno ao amin’ny paroasy
Ny mpitendry zava-maneno ao amin’ny paroasy dia mitendry feon-kira mialoha sy aorian’ny fotoana sy aorian’ny fotoana ary mitendry ny feon-kira ho an’ireo hira ao amin’ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ao amin’ireo fivoriana hafa ataon’ny paroasy araka izay angatahina.
19.7
Fitsipika sy torolalana fanampiny
19.7.2
Fampiasana ireo zava-maneno ao amin’ny trano fiangonana mba hanaovana fanazaran-tena, fampianarana olona manokana, ary rindran-kira
Raha toa ka tsy misy safidy hafa azo atao, dia afaka manome lalana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hampiasana ireo pianô sy ôrga ao amin’ireo trano fiangonana mba hanaovana fanazaran-tena, fianarana manokana handoavam-bola sy ireo rindran-kira izay handraisan’ireo mpikambana ao amin’ireo rantsana anjara, izay mampiasa ilay trano fiangonana.