“20. Fiaraha-mientana” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“20. Fiaraha-mientana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
20.
Fiaraha-mientana
20.1
Tanjona
Ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia mampivondrona ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny hafa ho toy ny “mpiray fanjakana amin’ny olona masina” (Efesiana 2:19). Mety ahitana izao manaraka izao ireo tanjona hanaovana fiaraha-mientana:
-
Manorina finoana an’i Jesoa Kristy.
-
Manome fahafinaretana sy manatsara ny firaisan-kina.
-
Manome fahafahana hivoaran’ny tena manokana.
-
Mampatanjaka ny tsirairay sy ny fianakaviana.
-
Manampy ireo mpikambana handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2).
20.2
Fandaminana ireo fiaraha-mientana
Alohan’ny handaminana fiaraha-mientana iray dia tokony hihevitra ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo ilain’ny mpikambana ireo mpitarika. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika rehefa manapa-kevitra hoe karazana fiaraha-mientana toy ny ahoana no ahafahana miatrika an’ireo zavatra ilaina ireo.
20.2.1
Andraikitra amin’ny fandaminana ireo fiaraha-mientana
Azo omanina amin’ny iray amin’ireto fomba manaraka ireto ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny paroasy arakaraka ny filàna eo an-toerana:
-
Afaka manara-maso ilay fanomanana ny filankevitry ny paroasy.
-
Afaka manendry rafitra manokana ny filankevitry ny paroasy hanampy amin’ny fanomanana fiaraha-mientana iray na maromaro.
-
Raha ilaina ary ampy tsara ny isan’ny mpikambana dia afaka manangana kômity misahana ny fiaraha-mientana eo anivon’ny paroasy ny episkôpà.
Ho fampahalalana mikasika ny fanomanana ireo fiaraha-mientan’ny zatovo eo anivon’ny paroasy dia jereo ny 10.2.1.3 sy ny 11.2.1.3.
20.2.2
Fanasana ny rehetra handray anjara
Ireo izay manomana fiaraha-mientana dia tokony hanatona ny rehetra, indrindra fa ireo mpikambana vaovao, ireo mpikambana malaindaina, ireo zatovo, ireo tanora tokan-tena, ireo olona manana fahasembanana, ary ireo olona hafa finoana.
Tsy tokony hitondra vesatra tsy ilaina eo amin’ireo mpitarika sy ny mpikambana ireo fiaraha-mientana.
20.2.3
Ireo fenitra
Ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana dia tokony hampahery sy hanamafy ireo zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana” (Fanekem-pinoana 1:13). Tsy tokony hahitana zavatra mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana ao anatin’ireo fiaraha-mientana.
20.2.6.
Ny famatsiam-bola ho an’ireo fiaraha-mientana
Tokony ho tsotra sy tsy dia mandany vola na tsy hampiasana vola mihitsy aza ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana. Ny fandaniana rehetra amin’izany dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana mialoha avy amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka.
Tsy tokony hiantoka ny saran’ny fandaniana raha ny mahazatra ireo mpikambana mba hanatrehany ireo fiaraha-mientana. Raha te hahalala ireo fitsipika sy torolalana momba ny famatsiam-bola ireo fiaraha-mientana dia jereo ny 20.6.
20.4
Ny fihaonamben’ny Zatovo
Manomboka ny janoary amin’ny taona izay mahafeno 14 taona azy ireo, ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia asaina hiara-handray anjara amina fihaonamben’ny zatovo iray. Ireo fihaonamben’ny zatovo mazàna dia atao indray mandeha isan-taona eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka. Azo atao eo anivon’ny tsatòka mitambatra na vondrom-paritra ihany koa izy ireo. Tsy tokony hanao fihaonamben’ny zatovo ny tsatòka sy ny paroasy ao anatin’ny taona iray izay hanomezana andraikitra ny zatovo hanatrika fihaonambe HZM iray.
Ireo fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy dia omanina sy tanterahin’ny kômitin’ny zatovo ao amin’ny paroasy, eo ambany fitarihan’ny episkôpà (jereo ny 29.2.6). Maka ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka ny episkôpà amin’ny ny drafitra hanaovana ny fihaonamben’ny zatovo.
Rehefa manomana fihaonamben’ny zatovo ireo mpitarika sy ireo zatovo dia tokony hanaja ireo fitsipika ato amin’ity fizarana ity sy ireto torolalana manaraka ireto izy ireo:
-
Azo ampiasaina ho lohahevitr’ilay fihaonambe ny fanevan’ny zatovo isan-taona ao amin’ny Fiangonana.
-
Manomana fiaraha-mientana mifanaraka amin’ilay lohahevitra.
-
Mahazo fankatoavana avy amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka ho an’ireo mpanao lahateny sy ireo zavatra atao rehetra.
-
Alaivo antoka fa misy olon-dehibe mpanara-maso araka ny tokony ho izy manatrika izany amin’ny fotoana rehetra (jereo ny 20.7.1
20.5
Fitsipika sy torolalana momba ny fisafidianana sy ny fandaminana ireo fiaraha-mientana
20.5.1
Ireo hetsika ara-barotra sy ara-pôlitika
Raràna ireo hetsika atao noho ny antony ara-barotra na ara-pôlitika (jereo ny 35.5.2).
20.5.2
Fandihizana sy hira
Mandritra ireo fandihizana rehetra dia tokony hitondra anjara biriky amin’ny famoronana tontolo iray ahafahan’ny Fanahin’ny Tompo manatrika eo ny fomba fitafy, ny endrika ivelany, ny jiro hanazavana, ny fomba fandihy, ny tonon-kira, ary ny feon-kira.
20.5.3.
Alatsinainy hariva
Amporisihina ireo mpikambana hanao fiaraha-mientan’ny mpianakavy isaky ny alatsinainy na amin’ny fotoana hafa. Tsy tokony hisy fiaraha-mientana, na fivoriana, na fotoam-bavaka amin’ny batisa ataon’ny Fiangonana aorian’ny amin’ny 6 ora hariva isaky ny alatsinainy.
20.5.5
Ireo fiaraha-mientana atao amin’ny alina
Ireo fiaraha-mientana amin’ny alina ataon’ny Fiangonana ho an’ireo vondrona zatovolahy sy zatovovavy mitambatra dia tsy maintsy ahazoana lalana avy amin’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Mitombina ihany koa izany ho an’ireo fiaraha-mientana ho an’ireo mpikambana tokan-tena lahy sy vavy.
Voarara ny fanaovana fiaraha-mientana amin’ny alina ao amin’ireo trano fiangonana na ny tokotanim-piangonana.
20.5.8
Ny fitandremana ny andro Sabata
Tsy misy lasy, na hetsika ara-panatanjahantena, na hetsika fialana voly ataon’ny Fiangonana azo atao ny alahady. Tsy tokony handeha any amin’ny filasiana na ny fihaonamben’ny zatovo, na hiverina hody avy amin’izany koa ireo vondron-jatovo sy ny hafa rehefa alahady.
20.5.10
Fitsidihana tempoly
Ny fitsidihana tempoly dia alamina eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka ao anatin’ny fetran’ny faritry ny tempoly natao ho an’izany toerana izany.
20.6
Fitsipika sy torolalana momba ny famatsiam-bola amin’ireo fiaraha-mientana
20.6.1
Ireo fiaraha-mientana tontosaina amin’ny volan’ny tetibolan’ny paroasy na ny tsatòka
Ny volan’ny teti-bolan’ny paroasy na ny an’ny tsatòka no tokony hampiasaina hiantohana ny vola ilaina amin’ireo fiaraha-mientana rehetra, ankoatra ireo tranga maningana azo heverina voatanisa ao amin’ny 20.6.2.
20.6.2
Famatsiam-bola ho an’ireo lasin’ny zatovo
Raha tsy ampy ho an’ireto fiaraha-mientana voatanisa eto ambany ireto ny vola ao amin’ny teti-bolan’ny paroasy na ny tsatòka dia azon’ireo mpitarika atao ny mangataka ireo mpandray anjara handoa ny ampahany amin’ny fandaniana na izy iray manontolo:
-
Lasy maharitra kokoa an’ny Fisoronana Aharôna indray mandeha isan-taona na fiaraha-mientana mitovy amin’izany.
-
Lasy maharitra kokoa an’ny Zatovovavy indray mandeha isan-taona na fiaraha-mientana mitovy amin’izany.
Tsy tokony hihoapampana ireo fandaniana na dia atao ho an’ny lasy fanao isan-taona. Tsy tokony hanakana ny mpikambana iray tsy handray anjara amin’izany ny tsy fananany vola.
20.6.3
Famatsiam-bola ireo fihaonambe HZM
Azo angatahina ny zatovo hitondra anjara biriky amin’ny fanefana saran-javatra mba hanatrehana ireo fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM). Raha hanakana ilay zatovo tsy handray anjara ilay saram-pandraisana anjara, dia mahazo mampiasa ny volan’ny teti-bolan’ny paroasy ny eveka mba handoavana ilay saram-pandraisana anjara manontolo na amin’ny ampahany. Jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org.
20.6.5
Hetsika fanangonam-bola
Mazàna ny fandaniana handoavana ny zavatra lany amin’ireo fiaraha-mientan’ny tsatòka sy ny paroasy no efaina amin’ny vola avy amin’ny tetibola. Na izany aza dia azon’ny filohan’ny tsatòka na ny eveka atao ny manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona noho ireto antony ireto ihany:
20.7
Fitsipika sy torolalana momba ny fiarovana mandritra ireo fiaraha-mientana
20.7.1
Fanatrehan’ny olon-dehibe mpanara-maso
Tsy maintsy misy olon-dehibe roa farafahakeliny manatrika amin’ny fiaraha-mientana rehetra karakarain’ny Fiangonana izay atrehin’ankizy sy zatovo. Mety ilaina ny hanampiana ny isan’ny olon-dehibe arakaraka ny isan’ny olona ao anatin’ilay vondrona, na ny fahaiza-manao ilaina amin’ilay fiaraha-mientana, na noho ny antony hafa. Amporisihina hanampy ireo ray aman-dreny.
Ny olona rehetra miara-miasa amin’ny ankizy sy ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo. Jereo ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org.
20.7.2
Taona takina mba hahafahana mandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientan’ny zatovo
Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreniny dia afaka manatrika ireo lasy ilana fatoriana any an-toerana ny zatovo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona. Afaka manatrika fandihizana, sy fihaonamben’ny zatovo, ary fihaonambe HZM izy ireo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 14 taona.
20.7.4
Fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny
Tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana ny ankizy sy ny zatovo raha tsy mahazo lalana avy amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy ireo. Ho an’ireo fiaraha-mientana ataon’ny fiangonana izay mitaky fatoriana amin’ny alina any an-toerana, dia lavitra, na mety hitera-doza kokoa noho ny mahazatra, dia ilaina ny fanomezan-dalana an-tsoratra.
Ny ray aman-dreny sy ny mpiantoka dia manome io fanomezan-dalana io amin’ny alalan’ny fanaovana sonia ny Autorisation des parents ou du tuteur et décharge médicale
20.7.5
Tatitra mikasika ny fanararaotana
Ny fanararaotana na herisetra rehetra izay mitranga mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia tokony hatao tatitra any amin’ireo manampahefam-panjakana. Tokony ho antsoina avy hatrany ny eveka. Misy toromarika ho an’ny mpikambana ao amin’ny 38.6.2.7. Misy toromarika ho an’ny eveka ao amin’ny 38.6.2.1.
20.7.6
Toromarika mikasika ny fisofohana ny loza, sy ny zavatra atao raha misy loza, ary ny fanaovana tatitra momba ny loza
20.7.6.1
Toromarika mikasika ny fiarovana amin’ny loza
Ny mpitarika sy ny mpandray anjara dia manombantombana tsara ireo fiaraha-mientana mba hisorohana ny mety hisian’ny zavatra mampidi-doza mety hiteraka ratra na aretina. Ireo fiaraha-mientana dia tsy tokony ahitana ihany koa fanimbana ny fitaovana sy ny trano. Mandritra ireo fiaraha-mientana, dia manao izay ezaka rehetra azo atao ireo mpitarika mba hisorohana ny loza.
20.7.6.2
Zavatra atao raha misy loza
Raha misy loza iray na faharatrana mitranga ao amin’ny faritry ny Fiangonana na mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana, dia manaraka ireto torolalana manaraka ireto ireo mpitarika raha mifanandrify amin’ilay loza izany:
-
Ataovy izay hanaovana ny fitsaboana tsotra izay tokony hatao voalohany. Raha mila fikarakarana ara-pitsaboana fanampiny ny olona iray, dia mifandraisa amin’ny sampan-draharaha ara-pahasalamana misahana ny voina tampoka. Antsoy ihany koa ny ray aman-dreny, na ny mpiantoka, na ny havana akaiky sy ny eveka, na ny filohan’ny tsatòka.
-
Raha misy olona tsy hita na maty, dia ampandreneso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana.
-
Manomeza fanampiana ara-pihetsehampo
-
Aza mamporisika na tsy mamporisika ny olona hanao fitoriana. Aza manao fanolorantena amin’ny anaran’ny Fiangonana.
-
Angony sy tehirizo ny anaran’ireo vavolombelona, ny fampahalalana hifandraisana amin’izy ireo, ny fitantarana ny zava-nitranga, ary ireo sary.
-
Manaova tatitra momba ilay loza (jereo ny 20.7.6.3).
20.7.6.3
Fanaovana tatitra momba ny loza
Ireto toe-javatra manaraka ireto dia tokony hatao tatitra an-jotra ao amin’ny incidents.ChurchofJesusChrist.org.
-
Nisy loza na faharatrana nitranga teo amin’ny faritry ny Fiangonana na nandritra ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.
-
Tsy hita ny olona iray nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.
-
Misy fahasimbana fananan’olona manokana, na iombonana, na an’ny Fiangonana nandritra ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.
-
Misy fandrahonana na fikasana hitory.
Raha toa ka miteraka ratra be, na fahafatesana, na fanjavonan’olona ny hetsika iray dia mampahafantatra izany avy hatrany any amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka, na ny eveka, na ny mpikambana iray izay tendreny.
20.7.6.4
Fiantohana sy fanontaniana
Raha misy loza mitranga mandritra ny hetsika iray karakarain’ny Fiangonana dia ireo mpitarika no manapaka raha toa ka ilaina ny fandaharan’asa Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana.
Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hanana fanontaniana momba ireo olana na fitarainana atao amin’ny Fiangonana mahakasika ny fiarovana ny filohan’ny tsatòka na ny eveka. Ny filohan’ny tsatòka (na eveka iray eo ambany fitarihany) dia mitatitra ny fanontaniana toy izany any amin’ny Sampan-draharaha mitantana ny Fiarovana amin’ny loza na amin’ny biraon’ny vondromparitra.
20.7.7
Fanaovana dia lavitra
Tokony hahazoana fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fanaovana dia lavitra amin’ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Tsy tokony ho enta-mavesatra amin’ireo mpikambana io dia lavitra io. Tsy amporisihina ny fanaovana dia lavitra be ho an’ireo fiaraha-mientana.
Raha azo atao dia tokony hampiasa fiara fitateram-bahoaka handoavam-bola ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana mba hanaovana dia lavitra be. Tokony hanana fahazoan-dalana hitondra fiara sy voaron’ny fiantohana amin’ny fahavoazana izany.
Rehefa mandeha amin’ny fiaran’ny tena manokana ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana dia tokony ho voakarakara ka afaka mandeha tsara ny fiara tsirairay. Tokony hampiasa fehikibo aro loza ny olona tsirairay. Ny mpamily tsirairay dia tokony hanana fahazoan-dalana hitondra fiara, ary olon-dehibe tompon’andraikitra.