Boky torolalana sy antso
23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika


“23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Olona mijery telefaonina

23.

Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika

23.0

Teny fanolorana

Tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara (jereo ny 1.2 ao amin’ity boky torolalana ity; Matio 28:19–20). Tafiditra amin’izany:

  • Ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana, sy ny firotsahana ho misiônera.

  • Ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy ireo miverina mavitrika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

23.1

Mizara ny filazantsara

14:36

New Guidelines to Help Members and Missionaries Gather Israel

Some guiding principles to improve the coordination of efforts by members and missionaries to gather Israel have been developed by the Church. The effort is called Love, Share, and Invite.

23.1.1

Mitia

Fomba iray hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny fitiavana sy fanompoana ireo zanany (jereo ny Matio 22:36–39; 25:40). Miezaka mitia sy manompo toy izay nataon’i Jesoa Kristy isika. Io fitiavana io no mitarika antsika hamonjy ireo olona avy amin’ny antokom-pivavahana sy foko ary kolontsaina rehetra (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:34; 2 Nefia 26:33).

23.1.2

Mizara

Koa satria tia an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika dia mandeha ho azy amintsika ny fitiavana te hizara ireo fitahiana izay nomeny antsika (jereo ny Jaona 13:34–35) sy hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Katsahintsika ny hanampy ny olona hahatsapa ny fifaliana izay tsapantsika (jereo ny Almà 36:24). Miresaka an-kahalalahana mikasika ny Mpamonjy sy ny fitaomany eo amin’ny fiainantsika isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2 Zaraintsika amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ireo zavatra ireo ho anisan’ny fifandraisana mivantana, sy amin’ny internet ary amin’ny fomba hafa.

23.1.3

Manasà

Mivavaka isika mba hahazo fitaomam-panahy sy fitarihana amin’ny fomba hanasantsika ny hafa mba:

  • Ho avy ka hahita ireo fitahiana mety ho azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany (jereo ny Jaona 1:37–39, 45–46).

  • Ho avy ka hanampy antsika hanompo olona sahirana.

  • Ho avy ary hiombona amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

1:17

Manasa ny hafa ho "avy ka hizaha"

Tia ampandraisina anjara ny olona. Fanasana fotsiny no ilainy.

1:3

Manasa ny hafa ho "avy ka hanampy"

Te hanampy ny olona; matetika dia fanasana fotsiny no ilainy.

1:39

Manasa ny hafa ho "tonga sy hijanona"

Rehefa mahatsapa ho voaray tsara ny olona ato am-piangonana dia te hijanona ho azy. Ity horonan-tsary ity dia maneho fomba tsotra sy mandeha ho azy hanampiana ireo mpitsidika ny Fiangonana tsy hahatsapa tena ho vahiny.

Matetika ny hoe manasa dia midika tsotra fotsiny hoe mampandray anjara ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny mpiara-monina amintsika amin’ny zavatra izay efa ataontsika.

23.2

Fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao

Ny mpikambana vaovao tsirairay dia mila finamanana, sy fahafahana manompo ary sakafo ara-panahy. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia manolotra ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika an’ireo mpikambana vaovao isika (jereo ny Môzià 18:8–10). Ampiantsika izy ireo hahatsapa ho isan’ny Fiangonana. Ampiantsika izy ireo handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary “[h]iova fo ho an’ny Tompo” (Almà 23:6) amin’ny fomba lalina kokoa.

23.3

Manamafy orina ireo mpikambana miverina mavitrika

Misy mpikambana sasany nisafidy ny hitsahatra tsy handray anjara intsony ao am-piangonana. “Fa ho an’ny toa azy,” hoy ny Mpamonjy, “no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy” (3 Nefia 18:32).

Ireo mpikambana izay tsy mandray anjara feno dia mora tafaverina kokoa raha toa ka manana fifandraisana matanjaka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tahaka ireo mpikambana vaovao, mila namana sy fahafahana manompo ary sakafo ara-panahy koa izy ireo.

23.4

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

23.4.1

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidy eo anivon’ny tsatòka hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manome fitarihana ankapobeny amin’ireo ezaka ireo izy sy ireo mpanolotsainy.

Mazàna isam-bolana dia mihaona amin’ny filohan’ny misiôna ny filohan’ny tsatòka mba handrindrana ireo ezaka atao eo amin’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy ary ny misiônera amin’ny fotoana feno.

23.4.3

Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka mampiandraikitra mpikambana ao amin’ny filankevitra avo hampianatra sy hanohana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo mpitarika ny asa fitoriana any amin’ny paroasy. Azo atao ny manome andraikitra ny mpikambana iray fanampiny ao amin’ny filankevitra avo hitarika ireo ezaka ireo. Na izany aza dia samy manana ireo andraikitra ireo avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra avo any amin’ireo paroasy sy kôlejy izay nampandraiketana azy ireo.

23.4.4

Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka, dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy eo amin’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mavitrika.

23.5

Mpitarika eo anivon’ny paroasy

23.5.1

Episkôpà

Ny episkôpà dia mifandrindra miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ny ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manao filankevitra matetika ireo mpitarika ireo.

Maka antoka ny episkôpà fa resahina sy arindra ireo ezaka ireo mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy sy ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny sokajin-taona sahaza hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.4.2). Izy ihany koa no manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy ao anatin’ny sokajin-taona sahaza hahazoana mandray ny Fisoronana Aharôna. Raha ny tokony ho izy dia ao anatin’ny herinandro aorian’ny nandraisana an’ilay rahalahy ho mpikambana no anatanterahany an’ireo dinidinika ireo.

23.5.2

Fiadidian’ny Kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana

Ireo fiadidian’ny kolejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia mitarika ireo ezaka isan’andro ataon’ny paroasy hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 8.2.3 sy ny 9.2.3).

Ireto manaraka ireto ny andraikitr’ireo mpitarika ireo:

  • Manampy mba hitaona ny fanahin’ireo mpikambana hitia ireo zanak’ Andriamanitra, sy hizara ny filazantsara, ary hanasa ny hafa handray ireo fitahian’ny Mpamonjy.

  • Manendry rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo ho an’ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika (jereo ny 21.2.1

  • Mitarika ny asan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy.

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia samy manome andraikitra ny olona iray ao amin’ny fiadidiana hanampy amin’ny fitarihana ireo ezaka ireo. Miara-miasa ireo olona roa avy amin’ireo fiadidiana ireo. Manatrika ny fivoriana fandrindrana fanao isan-kerinandro izy ireo (jereo ny 23.5.7).

23.5.3

Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy

Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ny episkôpà mba hahitana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Tsy maintsy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka io olona io. Raha tsy misy mpitarika voantso amin’io antso io dia olona iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no misahana an’io andraikitra io.

Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy dia manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny asa fitoriana. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto koa izy:

  • Mandrindra ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana sy ny mpitarika ao amin’ny paroasy, sy ny misiôneran’ny paroasy ary ny misiônera amin’ny fotoana feno.

  • Mitarika ny fivoriana enti-mandrindra fanao isan-kerinandro (jereo ny 23.5.7

23.5.4

Misiôneran’ny paroasy

Ireo misiôneran’ny paroasy dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hiaina ilay fifaliana avy amin’ny fizarana ny filazantsara izay voasoritra ao amin’ny 23.1. Izy ireo dia manompo eo ambany fitarihan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay misahana an’io andraikitra io.

23.5.5

Filankevitry ny paroasy sy filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika dia tokony resahina matetika mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Azon’ny eveka atao ny manasa ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy hanatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.

Mety hanampy mandritra izany fifanakalozan-kevitra izany ny taratasy hofenoina tahaka ireto manaraka ireto:

Rehefa miresaka momba ny zavatra ilain’ny zatovo ao amin’ny paroasy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia manokana fifantohana manokana amin’ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika ary ireo zatovo izay ampianarin’ireo misiônera.

23.5.7

Fivoriana enti-mandrindra

Isan-kerinandro dia fivoriana fohy sy tsotsotra no tanterahina handrindrana ireo ezaka atao hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Raha toa ka misy mpitarika ny asa fitoriana voantso ao amin’ny paroasy dia izy no mitarika ireo fivoriana ireo. Raha tsy izany dia ilay olona ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay misahana izany andraikitra izany no mitarika.

Ireo olona hafa izay asaina hanatrika izany dia ahitana:

  • Ireo olona voatendry ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Ireo misiôneran’ny paroasy.

  • Ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona (na ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra na ny an’ny diakona raha toa ka tsy misy mpisorona ao amin’ilay paroasy).

  • Mpikambana iray ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra.

  • Ireo misiônera amin’ny fotoana feno.

3:48

Examples of Weekly Missionary Coordination Meetings

Examples from around the world of weekly missionary coordination meetings.