“24. Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“24. Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.
24.
Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.0
Teny fanolorana
Fahiny ny Tompo dia nanome iraka ny hanangonana an’i Isiraely eny anivon’ny “firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19; jereo koa ny andininy 20). Navaozin’ny Tompo io iraka io amin’izao andro farany izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:11; 68:6–8; 112:28–30).
Tombontsoa masina ny fanompoana ny Tompo amin’ny maha misiônera. Mitondra fitahiana mandrakizay izany ho an’ilay olona sy ho an’ireo izay tompoiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14–16).
Ny Tompo dia mangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana.
Raisin’ny Tompo ihany koa ireo zatovovavy mendrika sy afaka manao asa fitoriana raha maniry izany izy ireo.
Ilaina ihany koa ireo misiônera zokiolona ary amporisihina mba hiomana hanompo.
24.1
Ilay antso mba hanompo
Ireo misiônera dia misolotena ny Tompo ary tsy maintsy antsoina amin’ny alalan’ny fahefana tokony ho izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; Fanekem-pinoana 1:5). Ny antso hanompo hanao asa fitoriana dia amin’ny ankapobeny aroson’ny Filohan’ny Fiangonana. Ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia ny filohan’ny tsatòka no manolotra ny antso.
24.2
Asa anendrena ireo misiônera
Ny antso hanompo amin’ny maha misiônera dia ahitana asa anendrena mazava tsara. Karazany maro samihafa ireo asa anendrena ireo.
24.2.1
Misiônera tanora voatendry hampianatra
Ny ankamaroan’ireo misiônera tanora dia tendrena hampianatra ny filazantsara lavitry ny toeram-ponenany. Ireny asa anendrena ireny dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly. Ireny misiônera ireny dia manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna.
24.2.2
Misiônera tanora misahana asa fanompoana
Ny misiônera tanora sasany dia tendrena hanompo ato amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina no sady mipetraka ao amin’ny trano fonenany ihany. Ireny asa anendrena ireny dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly ary atolotra an’ireo mpilatsaka ho misiônera izay mifanentana kokoa amina misiôna manao asa fanompoana ny toe-javatra iainany (jereo ny 24.3.3).
24.2.3
Misiônera zokiolona
Ireo misiônera zokiolona rehetra dia amporisihana hitady olona hampianarina sy hanampy ireo olona ireo hiomana ho amin’ny batisa. Ireo misiônera zokiolona dia azo tendrena ihany koa hanohana:
-
Ireo mpikambana sy faritra ary mpitarika eo an-toerana.
-
Departemanta sy tranon’ny Fiangonana.
-
Fikambanana mpanao asa soa.
Ireo misiônera zokiolona dia tsy angatahana hiasa mandritra ny fotoana mitovy amin’ny an’ireo misiônera tanora, na hanao zavatra mitovy amin’ny azy ireo, na hahavita zavatra mitovy amin’ny andrasana amin’izy ireo.
Ny asa anendrena ireo misiônera zokiolona dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly. Afaka milaza izay mba tiany ireo mpilatsaka ho misiônera mikasika ny asa ampiandraiketina, saingy tokony ho vonona izy ireo hanaiky na inona na inona asa anendrena azy.
24.2.4
Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
Ankoatra ny antso any amin’ny paroasy na tsatòka misy azy ireo dia azon’ireo mpikambana atao ny manompo ny Tompo amin’ny maha misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Ireny misiônera ireny dia manolotra fanompoana tena manan-danja any amin’ireo departemanta sy trano ary misiônan’ny Fiangonana (jereo ny 24.7.1). Mipetraka ao amin’ny trano fonenan’izy ireo ihany izy ireo.
Ny filohan’ny tsatòka no miantso ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Eo ambany fitarihany izy ireo no manompo. Ny halavan’ny fotoana hanompoan’izy ireo isan-kerinandro dia miankina amin’ny fahafahan’izy ireo, sy ny asa fanompoana azo atao eo amin’ny faritra misy azy ireo, ary ny toromarika avy any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.
24.2.5
Famintinana ireo asa anendrena ireo misiônera
Ity tabilao manaraka ity dia mamintina ireo karazana asa anendrena ireo misiônera.
Misiônera tanora voatendry hampianatra |
Misiônera tanora misahana asa fanompoana |
Misiônera zokiolona |
Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana | |
---|---|---|---|---|
Antsoin’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny Fiangonana | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny Fiangonana | Misiônera zokiolona Filohan’ny Fiangonana | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Tendren’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Apôstôly | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Apôstôly | Misiônera zokiolona Apôstôly | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Atokan’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny tsatòka | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka na mpanolotsainy |
Toerana hipetrahany | Misiônera tanora voatendry hampianatra Lavitry ny trano fonenany | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Ao amin’ny trano fonenany | Misiônera zokiolona Lavitry ny trano fonenany na ao amin’ny trano fonenany | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Ao amin’ny trano fonenany |
Mpitarika ara-pivavahana | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; na Filohan’ny Vondromparitra | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Manao tatitra amin’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana | Misiônera zokiolona Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; Filohan’ny Vondromparitra; talen’ny ivontoerana ho an’ireo vahiny mpitsidika; na ny mpitantana departemanta ato amin’ny Fiangonana na ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana. | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Ny mpitantana an’ilay asa fanompoana nanendrena |
Fepetra takina mahakasika ny taona | Misiônera tanora voatendry hampianatra 18–25 (lehilahy) | Misiônera tanora misahana asa fanompoana 18–25 (lehilahy) | Misiônera zokiolona 40 taona na mihoatra raha manambady na raha vehivavy tokan-tena | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana 26 taona na mihoatra |
24.3
Miomana sy manao izay hahamendrika ny hanao asa fitoriana
Ireo mpirotsaka ho misiônera dia entanina hanao asa fitoriana noho ny fitiavan’izy ireo ny Tompo sy ireo zanany. Tokony ho efa mahazatra an’izy ireo ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana.
24.3.1
Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy
Ireo mety ho misiônera dia miezaka manamafy orina ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.
24.3.2
Manaraka ireo fenitry ny fahamendrehana
Ireo izay azo antsoina ho misiônera dia miezaka ny ho mendrika ny hanana ny Fanahy ho namana. Ilaina izany ho an’ny asa fitoriana feno fahombiazana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:13–14).
24.3.2.1
Fibebahana
Ny fibebahana dia mitaky ny fampiharana finoana an’i Kristy, amin’ny finiavana tena marina, ary fitandremana ny didy. Tafiditra amin’izany ny fiaikena sy ny famoizana ny fahotana. Ho an’ireo fahotana goavana, dia mitaky ny fiaikena amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fibebahana.
Ny olona iray izay mibebaka dia voavela heloka ary voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy tsaroan’ny Tompo intsony ilay fahotana. (Jereo ny Isaia 43:25; Jakôba 6:5; Almà 34:15–17; Helamàna 5:10–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43. Jereo ihany koa ny 32.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)
Ny olona iray mpirotsaka ho misiônera dia tsy maintsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana vao azon’ny filohan’ny tsatòka alefa ny fangatahana hanao asa fitoriana (jereo ny 32.6; jereo koa ny 24.4.4). Ny dingan’ny fibebahana dia ahitana fotoana ampy ahafahan’ilay olona maneho amin’ny alalan’ny fiainana feno fahamarinana fa nandray ny fanahin’i Kristy izy ho famelana ny fahotany.
24.3.3
Fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po
Asa feno fanamby ny asa fitoriana. Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra dia tsy maintsy feno fanolorantena ary mahavita na ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po manaraka ny fandaharam-potoan’ny misiônera manontolo.
24.3.4
Fiantohana ara-bola
24.3.4.1
Fiantohana ara-bola ireo misiônera tanora manompo lavitry ny fonenany
Ho an’ireo mpirotsaka ho misiônera tanora izay niomana araka izay fahafahany manao dia tsy tokony hahemotra noho ny antony ara-bola ny fandehanany manompo. Ireo izay mila fanampiana ara-bola mba hahatanteraka ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky andrasana aminy dia afaka mandray fanampiana avy amin’ny havana sy ny namana.
Raha mbola tsy feno ny ilaina, dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ny mangataka ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na ny tsatòka handrotsaka anjara biriky ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana.
Tsy azo ampiasaina ho amin’izany ny vola ao amin’ny tetibola sy ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.
Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra sy ny fianakaviany dia mandrotsaka anjara biriky raikitra voafaritra mazava isam-bolana mba hanampiana amin’ny fiatrehana ny saran’ny fandaharan’asa fitoriana ny filazantsara.
Ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana no arotsaka ireo anjara biriky. Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha. Ny vola narotsaka mialoha dia tsy azo averina raha toa ka mody aloha ilay misiônera.
Fandaniam-bola any am-panompoana. Isam-bolana ireo misiônera tanora dia mandray lelavola avy any amin’ny misiôna hiantohana ny sakafo sy ny fitaterana ary fandaniana hafa ilaina eo amin’ny fiainana an-davanandro. Masina ireny vola ireny. Tsy mampiasa izany ny misiônera raha tsy amin’ny zavatra ilaina amin’ny asa fanompoana. Tsy tokony hampiasaina amin’ny fividianana zavatra ho an’ny tena manokana, na tahirizina, na halefa any amin’ny fianakaviana na olon-kafa izy ireny. Averin’ny misiônera any amin’ny misiôna izay lelavola rehetra tsy ilain’izy ireo.
Volan’ny tenany manokana no ampiasain’ny misiônera hiantohana ny fandaniana hafa. Tokony ho faran’izay kely izany fandaniana ho an’ny zavatra ilain’ny tena manokana izany. (Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ, 4.8.)
24.3.4.2
Fiantohana ara-bola ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany
Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany dia mandray anjara mandrotsaka isam-bolana ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy niaviny. Ireo anjara biriky ireo dia manampy amin’ny fanefana fandaniana amin’ny trano ipetrahana sy ny fampiasana fiara.
Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha.
Fandaniam-bola fanampiny. Ankoatra ny anjara biriky nanolorana tena arotsaka isam-bolana, izay manampy amin’ny fiantohana ny saran’ny trano sy ny fiara, dia tsy maintsy miantoka feno ny fandaniam-bola hafa ireo misiônera zokiolona, anisan’izany ny sakafo.
24.3.4.3
Fiantohana ara-bola ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany
Ireo misiônera izay manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra rehetra ilainy eo amin’ny lafiny ara-bola.
24.3.4.4
Fiantohana sy fandaniana mahakasika ny fahasalamana
Ireo misiônera rehetra dia amporisihina mafy hanohy ny fiantohana ara-pahasalamana efa ananan’izy ireo raha azo atao, voakasik’izany koa ireo misiônera tanora voatendry hampianatra.
Ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany ihany dia tsy maintsy mampiseho ny fiantohana ara-pahasalamana sy fiantohana hafa ananany. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy mampiseho ihany koa io fiantohana io. Ireo misiônera zokiolona izay hanompo ivelan’ny firenena onenany dia mety ho afaka mahazo fiantohana amin’ny alalan’ny Senior Service Medical Plan.
24.3.5
Anjara andraikitry ny fianakaviana sy ny mpitarika eo amin’ny fanomanana misiônera
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny eveka ary ireo mpitarika hafa dia manampy ny zatovo hiomana hanao asa fitoriana.
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia mamporisika ireo rehetra izay mirotsaka ho misiônera handalina:
-
Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa.
-
Ny Safeguards for Using Technology (Aroloza amin’ny fampiasana ny teknôlôjia).
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia manampy ireo mpirotsaka ho misiônera hanolo-tena hanaraka ireo fenitra iainan’ny misiônera. Mamporisika ireo mpirotsaka ho misiônera izy ireo handalina ilay boky torolalana mikasika ireo fenitra iainan’ny misiônera izay mifandray amin’ny asa mety hanendrena azy ireo:
-
Ho an’ireo misiônera tanora voatendry hampianatra: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy)
24.4
Fankatoavana sy fandefasana ny fangatahana ho misiônera
24.4.1
Fijerena ny toe-pahasalamana
Ireo mpirotsaka ho misiônera rehetra dia takina ny hanao fizaham-pahasalamana amin’ny mpitsabo hanombatombanana ny fahavononany ara-pahasalamana.
24.4.2
Dinidinika sy taratasy fanomezan-dalana
Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ny antsipiriany manadihady ny ara-panahy sy mampivoatra amin’ny olona tsirairay mirotsaka ho misiônera. Ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana no ampiasain’izy ireo.
Dinihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ihany koa ireo fampahalalana momba ireo fenitry ny fahamendrehana sy ny fahavononana ara-pahasalamana ao amin’ny Système de recommandation missionnaire en ligne Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia tsy tokony hanampy fenitra hafa hahafahan’ny olona iray ho lany. Ary tsy tokony hanova ihany koa ireo fanontaniana amin’ny dinidinika.
Raha toa ka manana olana ilay eveka na ilay filohan’ny tsatòka mikasika ny fahafenoan’ny mpirotsaka iray ireo fenitry ny fahamendrehana na mahakasika ny fahavononany ara-pahasalamana, dia mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay olona izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mifampiresaka amin’ny ray aman-drenin’ilay mpirotsaka ho misiônera, raha toa ka nahazo lalana taminy. Tsy alefan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny taratasy fangatahana iray raha tsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana ilay olona (jereo ny 24.3.2.1). Arakaraka ny toe-pahasalaman’ilay olona ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po, dia azon’izy ireo resahana ny mety hanendrena azy ho misiônera misahana asa fanompoana.
Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanao ireo dinidinika ireo.
Any amin’ireo distrika dia ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao ny dinidinika ary manome fahazoan-dalana ireo mpirotsaka ho misiônera. Tsy manao an’ireo dinidinika ireo ny filohan’ny distrika.
24.4.4
Ireo izay tsy afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno
Indraindray misy mpikambana izay maniry hanompo nefa tsy azo antsoina ho misiônera amin’ny fotoana feno. Izany dia mety hoe noho ny olana ara-pahasalamana, na ny tsy fahatratrarana ny fenitry ny fahamendrehana, na ny olana araka ny lalàna, na noho ny toe-javatra hafa. Azon’ny filohan’ny tsatòka esorina aminy ny adidy tsy maintsy hanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno.
24.5
Rehefa avy mandray antso hanao asa fitoriana
Entanina hamaky sy hamerina hamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo misiônera vao nahazo antso mialoha ny hanombohan’izy ireo ny asa fanompoany. Manaraka ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina izy ireo ny “hitandrina ny tenan[’izy ireo] sy ny eritreritr[’izy ireo] ary ny tenin[’izy ireo] sy ny ataon[’izy ireo]” (Môzià 4:30).
24.5.1
Ny fanafiana masina sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly
Raha toa ka tsy mbola nandray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly ireo misiônera vao naharay antso dia tokony handray izany mialoha ny hanombohana ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana, raha azo atao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:15–16; 105:33). Tafiditra amin’izany koa ireo misiônera manao asa fanompoana raha toa ka mety amin’ny toe-javatra iainany izany.
Ireo misiônera vao naharay antso izay efa nandray fanafiana masina dia afaka manompo any amin’ny tempoly manao mpanatanteraka ôrdônansy mialoha ny hanombohan’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana raha mety (jereo ny 25.5).
24.5.2
Ireo fivoriana fanasan’ny Tompo
Asain’ny episkôpà ireo misiônera vao naharay antso handray fitenenana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mialoha ny handehanan’izy ireo hanompo. Fivoriana fanasan’ny Tompo toy ny mahazatra io. Ny fanasan’ny Tompo sy ny Mpamonjy no tokony hifantohana.
24.5.3
Fanokanana ireo misiônera
Ny filohan’ny tsatòka misy an’ilay misiônera no manokana ny misiônera tsirairay fotoana fohy araka izay azo atao mialoha ny daty hanombohany ny fanompoany. Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanokana misiônera.
Ny filohan’ny misiôna na ny iray amin’ireo mpanolotsainy no manokana ireo misiônera izay voantso avy amin’ireo distrika ao amin’ny misiôna tarihiny. Tsy misahana fanokanana misiônera ny filohan’ny distrika.
Ny rahalahy iray izay hanompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy efa nandray ny Fisoronana Melkizedeka mialoha ny hanokanana azy ho misiônera. Ny rahalahy iray izay hanompo amin’ny maha misiônera misahana asa fanompoana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka raha toa ka mety amin’ny toe-javatra misy azy izany.
24.6
Fanompoana lavitry ny trano fonenana
24.6.2
Any amin’ny sahan’ny misiôna
24.6.2.5
Fangatahana hanohana ny hafa eo amin’ny ara-bola na amin’ny fianarana na ny fifindra-monina
Ireo misiônera sy ireo fianakaviany dia tsy tokony hiantoka fanohanana ara-bola ho an’ireo izay monina any amin’ny toerana hanompoan’ireo misiônera, tafiditra amin’izany ny fanohanana ara-bola ho an’ny fianarana. Ary tsy tokony hiantoka olona izay maniry hifindra monina any amin’ny firenena hafa ireo misiônera sy ny fianakaviany (jereo ny 38.8.19).
24.6.2.8
Firaketana ny maha-mpikambana sy Fahafolonkarena
Hazonin’ny paroasy niavian’ilay misiônera ny firaketana ny maha-mpikambana azy. Ny paroasy niaviny ihany koa no mirakitra ny maha mpandoa fahafolonkarena azy. Tsy mandoa fahafolonkarena ireo misiônera amin’ny vatsim-bola fanohanana raisin’izy ireo avy amin’ny misiôna. Na izany aza dia mandoa fahafolonkarena izy ireo raha manana fidiram-bola manokana.
24.6.3
Fiverenana mody avy any amin’ny misiôna
24.6.3.1
Fiverenana mody araka ny fe-potoana napetraka tany am-boalohany
Ireo misiônera sy ny fianakaviany dia tsy tokony hangataka fisaorana mialoha amin’ny antso na fanitarana ny fotoana hanompoana noho ny antony mampetipety azy ireo.
Tokony hody avy hatrany ireo misiônera tanora rehefa avy any amin’ny misiôna. Ny dia hafa rehetra dia tsy azo ankatoavina raha tsy misy ray aman-dreny na mpiantoka iray miaraka amin’ilay misiônera.
Tsy hisaorana ireo misiônera raha tsy efa nahavita tatitra tamin’ny filohan’ny tsatòkany. Manaraka ireo fitsipika mifehy ny misiônera izy ireo mandra-pahatonga an’io fotoana io.
24.6.3.2
Fiverenana mody mialoha ny fotoana
Misy misiônera sasany ampodiana mialoha noho ny antony ara-pahasalamana, na ara-pahamendrehana, na noho ny antony hafa. Manolotra fanohanana manokana an’ireny misiônera nampodiana ireny ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Ampian’ireo mpitarika izy ireo hahazo fahasalamana indray na hiverina hanompo raha azo atao.
24.7
Asa fitoriana misahana fanompoana
24.7.1
Mamantatra ireo sehatra ahafahana mampiasa misiônera misahana asa fanompoana
Manao filankevitra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ilay misiônera misahana asa fanompoana mba hamantarana ireo sehatra ahafahana manao asa fanompoana eo an-toerana. Ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana dia mandray anjara amin’io fifanakalozan-kevitra io ny mpitarika ny misiôna misahana ny asa fanompoana sy ireo ray aman-dreny na mpiantoka an’ilay misiônera.
24.8
Aorian’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.8.2
Dinidinika hisaorana misiônera
Ny filohan’ny tsatòka no misahana ny fisaorana ireo misiônera ary manao dinidinika hanolorana ny fisaorana. Any amin’ireo distrika, dia mazàna ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no misahana ny fisaorana ireo misiônera.
Mety hanampy ireto torolalana manaraka ireto raha ny mahakasika io dinidinika io.
-
Amporisiho izy ireo hanohy ny dia amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo mandritra ny androm-piainany.
-
Toroy hevitra izy ireo hiorina eo ambonin’ireo fahazarana tsara izay nananan’izy ireo tamin’izy ireo misiônera.
-
Amporisiho izy ireo hihevitra ny ho avy sy hiomana ho amin’izany, tafiditra ao amin’izany ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ireo misiônera tanora.
-
Entano izy ireo hanana fiainana mendrika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hatrany.
24.8.4
Antso
Omen’ireo mpitarika andraikitra anendrena eo amin’ny asa fanompoana sy antso haingana ireo misiônera vao nisaorana tsy ela. Tafiditra amin’izany ny hiheverana ny hiantsoana azy ireo ho mpanatontosa ôrdônansy any amin’ny tempoly raha mety (jereo ny 25.5).
24.9
Loharanom-pahalalana momba ny fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.9.2
Tranonkala
-
MissionaryRecommendations.ChurchofJesusChrist.org (ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpirotsaka ho misiônera ihany no afaka miditra ao amin’izany)