“25. Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“25. Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
25.
Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka
25.0
Teny fanolorana
Ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia fitaovana iray mba hampiraisana sy hamehezana ny fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny Matio 16:19). Izany asa izany dia ahitana:
-
Fanaovana fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tenantsika manokana any amin’ny tempoly isika (jereo ny Isaia 55:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–23).
-
Famantarana ireo razambentsika efa nodimandry ary fanatanterahana ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra (jereo ny Malakia 3:23–24; 1 Korintiana 15:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18).
-
Fandehanana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo, raha azo atao, mba hitsaohana an’ Andriamanitra sy hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny razambentsika (jereo ny Lioka 24:52–53; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13–14).
Misy fampahalalana bebe kokoa ao amin’ny “Temples” sy “Family History” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).
25.1
Fandraisan’anjaran’ny mpikambana sy ny mpitarika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manana tombontsoa sy andrakitra mba hanampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviany mandrakizay. Manomana ny tenany izy ireo mba hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary miezaka ny mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo.
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia entanina mba hanao fikarohana mikasika ireo havany efa maty izay mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Avy eo dia manatanteraka ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo havana ireo ny mpikambana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Ny olona iray efa maty izay any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo.
25.1.1
Andraikitry ny olona tsirairay eo amin’ny fanatrehana any amin’ny tempoly
Ny mpikambana no manapa-kevitra manokana ny amin’izay fotoana hitsaohana any amin’ny tempoly sy ny hatetik’izany. Ireo mpitarika dia tsy mamaritra isa tratrarina na fomba fanaraha-maso ny fanatrehana any amin’ny tempoly.
25.2
Fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
25.2.1
Ny episkôpà
Ny episkôpà dia miara-miasa amin’ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo am-pitantanan’izy ireo ireo ezaka atao mahakasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Manao filankevitra matetika ireo mpitarika ireo.
Ny episkôpà koa dia manana ireto andraikitra manaraka ireto mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy:
-
Maka antoka fa ampianarina any am-piangonana ny fotopampianaran’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.
-
Maka antoka fa ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia voarindra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.
-
Manara-maso ny fandrindrana ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).
-
Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny toko 26).
25.2.2
Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana
Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana no mitantana ireo ezaka atao isan’andro mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.2.4 sy ny 9.2.4). Miara-miasa izy ireo hitarihana ireo ezaka ireo miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy eo ambany fandrindran’ny eveka.
Ireto manaraka ireto no andraikitr’ireo mpitarika ireo:
-
Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
-
Mamporisika ny mpikambana mba hitsaoka matetika any amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-javatra iainan’izy ireo hanao izany.
-
Mamporisika ny mpikambana hamantatra ireo razambeny ary hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Mitantana ny asa iandraiketan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha tsy natao ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany (jereo ny 25.2.3).
Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiany avy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Miara-miasa ireo mpikambana roa ao amin’ny fiadidiana ireo. Manatrika ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy izy ireo (jereo ny 25.2.7).
25.2.3
Mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Ny episkôpà dia mifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòka mba hamantarana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy na tsia. Tsy maintsy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka io olona io.
Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto koa izy:
-
Mitarika ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.7
-
Mampianatra ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Mandrindra ny ezaka ataon’izy ireo mba hanampiana ireo mpikambana amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
-
Miara-miasa amin’ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy sy ireo misiônera mba hanampiana ireo izay mianatra ny filazantsara, sy ireo mpikambana vaovao ary ireo mpikambana niverina nazoto mba handray anjara mavitrika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
25.2.4
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manompo eo ambany fitarihan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay misahana io andraikitra io. Ny episkôpà no miantso ireo mpikambana ireo hanompo. Azo antsoina hanao izany na olon-dehibe na zatovo.
Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ireo mpanorohevitra:
-
Manampy ny mpikambana hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fikarohana ireo razambeny sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
-
Mandray anjara ao amin’ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7).
25.2.7
Fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Tanterahina tsy tapaka ny fivoriana fohy, tsotsotra, enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha toa ka misy olona voantso ho mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy, dia izy no mitarika izany fivoriana izany. Raha tsy izany dia ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manatanteraka izany andraikitra mba hitarika izany.
Ireo olona hafa izay asaina hanatrika izany dia ahitana:
-
Ireo mpikambana nomena andraikitra ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana.
-
Mpanampy iray ao anatin’ny kôlejin’ny mpisorona.
-
Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra.
-
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
Ny tanjon’ireo fivoriana ireo dia mba:
-
Hanaovana drafitra momba ny fomba hanampiana mpikambana manokana mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana izay azy ireo manokana rehefa ilaina ny manao izany.
Azo tanterahina mivantana ireo fivoriana ireo na atao avy lavitra. Ny fandrindrana dia azo atao ihany koa amin’ny fomba hafa toy ny amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, na ny hafatra an-tsoratra fohy na ny emails.
25.2.8
Fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly
Eo ambany fitarihan’ny eveka dia azo alamina ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly mba hanampiana ireo mpikambana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo. Atao amin’ny fotoana ivelan’ireo fivoriana mahazatra amin’ny alahady ireo fampianarana ireo, amin’ny fotoana izay mety amin’ireo mpikambana. Azo atao any amin’ny trano fiangonana izy ireo na any an-trano.
Ireo lesona sy ireo torolalana momba ny fandrindrana ny fampianarana dia hita ao amin’ny Dotés d’en haut: Séminaire de préparation au temple, Manuel de l’instructeur. Omena ny tahadikan’ny Miomana hiditra ny tempoly ireo mpandray anjara. Mba hahitana loharanom-panampiana ho an’ny fandalinan’ny tena manokana sy ireo lesona dia jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org.
25.4
Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny tantaram-pianakaviana
25.4.1
Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay
Ny Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay dia manampy ny olona hahita ireo havana sy razambe ary hanangona ny tantaran’izy ireo. Io boky kely io koa dia afaka manampy ireo mpikambana mba hanomboka hanomana anaran’olona ao amin’ny fianakaviana hanatanterahana ôrdonansin’ny tempoly.
Io boky kely io dia azo alaina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ireo tahadikan’io boky kely io dia azo hafarana ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.
25.4.2
FamilySearch.org sy ireo applications FamilySearch
FamilySearch.org dia tranonkalan’ny Fiangonana ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Izany dia afaka manampy ireo mpampiasa azy mba:
-
Hanorenana ny fifandraisan’ny fianakaviana ao anatin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
-
Hahitana ireo razambe sy ny tantaran’izy ireo.
-
Hizarana sy hitahirizana ireo tantaram-pianakaviana sy ireo sary ary ireo tantara.
-
Hanomanana anaran’olona ao amin’ny fianakaviana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly.
Ny application Arbre familial sy ny application FamilySearch Memories dia manome fahafahana ny olona handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana avy amin’ny finday.
25.5
Fanolorana na fiantsoana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly
25.5.1
Fanolorana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly
Ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia hita amin’ny alalan’ireto fomba manaraka ireto:
-
Mpikambana hitan’ny eveka na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny paroasy
-
Mpikambana izay nanatona ny eveka hiresaka momba ny fanompoana
-
Mpikambana natolotry ny filohan’ny tempoly, na ny vadin’ny filohan’ny tempoly na mpitarika iray hafa ao amin’ny tempoly
-
Mpikambana izay miomana ho misiônera na misiônera nahavita asa fitoriana vao tsy ela (jereo ny toko 24).
Ny anaran’ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia alefa amin’ny alalan’ny fampiasana ny Recommend Temple Worker tool (fitaovana hanolorana mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly). Io fitaovana io dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ny fiadidian’ny tempoly ampiasaina.