Boky torolalana sy antso
26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly


“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Eveka manao tafa sy dinika amin’ny lehilahy iray

26.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.0

Teny fanolorana

Tombontsoa masina ny fidirana ny tranon’ny Tompo. Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka dia mamporisika ny mpikambana rehetra mba ho mendrika ny hihazona sy hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly na dia tsy mipetraka akaikin’ny tempoly aza izy ireo.

Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao ny ezaka rehetra mba hakana antoka fa mendrika ny hanao izany ny olona rehetra miditra ny tranon’ny Tompo (jereo ny Salamo 24:3–5).

Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ny mpikambana vao afaka miditra ny tempoly.

Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay tsy voavaly ato amin’ity toko ity. Afaka mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha manana fanontaniana.

26.1

Ireo karazana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Misy karazany telo ny fahazoan-dalana:

  1. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina. Ireo fahazoan-dalana ireo dia ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina izay hofehezina amin’ny ray aman-dreniny na hanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena. Omena amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) izany. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.4

  2. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona. Ireo fahazoan-dalana ireo dia ho an’ireo mpikambana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny. Ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona dia mipaingotra amin’ny fahazoan-dalana mahazatra hidirana ny tempoly (voafariparitra etsy ambany).

  3. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina. Natao ho an’ireo mpikambana efa nahazo fanafiana masina teo aloha ireo fahazoan-dalana ireo. Omena amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) izany. Ireo fahazoan-dalana ireo dia manome lalana ny mpikambana iray handray anjara amin’ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny maty. Ampiasaina ihany koa izy ireo rehefa fehezina amina ray aman-dreny na zanaka efa maty ny mpikambana iray efa nahazo fanafiana masina. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.3.

26.2

Fitahirizana ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.2.1

Mpitarika ao amin’ny fisoronana mitahiry ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana hihazona ireo bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tokony hitahiry tsara izany.

Maka antoka tsara koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa ireo olona tsy nahazo lalana dia tsy mahazo mijery fampahalalana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny DDG.

26.2.2

Fahazoan-dalana very na nisy nangalatra

Mangataka amin’ny mpikambana ny eveka mba hampandre azy avy hatrany raha very na nisy nangalatra ny fahazoan-dalan’izy ireo. Mampiasa ny DDG izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany na ny mpitamboky mba hanafoana faran’izay haingana ilay fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia mifandray amin’ny biraon’ny tempoly ny eveka mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana.

26.2.3.

Ireo mpihazona fahazoan-dalana tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehana

Rehefa voafaritry ny eveka fa tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehena ny mpikambana iray manana fahazoan-dalana manan-kery (jereo ny 26.3), dia alainy any amin’ilay mpikambana ilay fahazoan-dalana. Mampiasa ny DDG izy mba hanafoana ilay fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia mifandray amin’ny biraon’ny tempoly ny eveka mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana.

26.3

Torolalana ankapobeny rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Tsy tokony hanome fahazoan-dalana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana raha tsy rehefa mamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay mpikambana.

Eo anivon’ireo tsatòka dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpitamboky eo anivon’ny tsatòka no mampanan-kery ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny DDG aorian’ny nanomezana izany. Eo anivon’ny distrika dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna na mpitamboky eo anivon’ny misiôna no mampanan-kery ny fahazoan-dalana. Lasa manan-kery ireo fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena rehefa manonta printy izany ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana.

26.3.1

Tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy ny sampana

Ao amin’ny paroasy iray dia ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly amin’ireo izay mendrika. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana.

Ao amin’ny paroasy iray, ny eveka dia manao tafa sy dinika mivantana amin’ireo mpikambana izay:

  • Mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany (jereo ny 27.1 sy ny 27.2).

  • Fehezina amin’ny vadiny (jereo ny 27.3).

Raha misy fahamehana rehefa tsy eo ny eveka dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Mialoha ny hanomezana fahazoan-dalana eo anatrehan’ny iray amin’ireo toe-javatra voatanisa etsy ambony ireo, dia mijery firaketana ny mombamomba ilay mpikambana ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana mikasika ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’izany. Ho an’ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na fehezina amin’ny vadiny, dia maka antoka ihany koa izy fa:

  • Voarakitra ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana an’ilay olona.

  • Nandray ny Fisoronana Melkizedeka ireo rahalahy.

Aorian’ny tafa sy dinika ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ataon’ny filohan’ny sampana, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana izay mipetraka ao amin’ny tsatòka iray. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna no manao ny tafa sy dinika faharoa ho an’ireo mpikambana mipetraka ao amin’ny distrika iray. Tsy manao tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny distrika raha tsy rehefa nahazo lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

26.3.2

Tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana any amin’ny faritra mitokana

Ny mpikambana sasany dia mipetraka any amin’ny faritra izay mitaky ny hanaovany dia andaniam-bola be na mampananosarotra ny fahafahany mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna. Amin’ireo toe-javatra ireo dia afaka manao tafa sy dinika amin’ilay olona sy manisy sonia ilay fahazoan-dalana ny filohan’ny tempoly. Mifandray amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna izy alohan’ny hanaovana ilay tafa sy dinika. Tokony ho efa avy nanao tafa sy dinika tamin’ilay mpikambana aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray efa nahazo lalana, na ny filohan’ny sampana, ary efa nanao sonia ilay fahazoan-dalana.

26.3.3

Fanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Tsy tokony hanampy na hanala na inona na inona amin’ireo fepetra takina ny mpitarika.

Tsy tokony hatao kimaimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa vady, na ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

26.4

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina

26.4.1

Torolalana ankapobeny

Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia omena an’ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina araka izao manaraka izao:

  • Ho an’ireo mpikambana 11 taona no ho miakatra izay hatao batisa sy horaisina ho mpikambana ho an’ny maty. (Ny zatovolahy efa notendrena tao amin’ny fisoronana sy ny zatovovavy dia afaka mahazo fahazoan-dalana manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona.)

  • Ho an’ireo mpikambana 8 taona ka hatramin’ny 20 taona izay hofehezina amin’ny ray aman-dreniny. Ireo ankizy latsaky ny 8 taona dia tsy mila fahazoan-dalana raha ho fehezina amin’ny ray aman-dreniny (Jereo ny 26.4.4).

  • Ho an’ireo mpikambana 8 taona ka hatramin’ny 20 taona izay hanatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ny ray aman-dreniny.

Ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha dia tsy omena amin’ireo fahazoan-dalana nohazavaina ato amin’ity fizarana ity mihitsy.

Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana izay ampy taona mba hihazona ny fisoronana dia tsy maintsy aroso ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana.

26.4.2

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana vao vita batisa

Ataon’ny eveka tafa sy dinika ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny taona ahafahana mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny. Manao izany tafa sy dinika izany izy fotoana fohy aorian’ny fandraisana ilay olona ho mpikambana, izay ao anatin’ny herinandro nahavitana izany raha ny tokony ho izy (jereo ny 26.4.1). Ho an’ireo rahalahy dia mety azo tanterahina miaraka amin’ny tafa sy dinika handraisana ny Fisoronana Aharôna io tafa sy dinika io.

26.4.3.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny

Ireo fahazoan-dalana izay omena mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena dia tsy azo ampiasaina raha tsy ho amin’izany tanjona izany ihany.

26.4.4

Fahazoan-dalana ho an’ny famehezana ireo zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny

Ireo mpikambana 21 taona no ho miakatra dia tsy azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny ary tsy afaka manatrika ny famehezana raha tsy efa (1) nandray ny fanafiana masina sy (2) manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery.

26.5

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao anatina toe-javatra manokana

26.5.1

Mpikambana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana mendrika izay maniry ny handray izany rehefa mahafeno ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  • 18 taona izy ireo farafahakeliny.

  • Nahavita ny fianarana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireo na efa tsy mianatra any amin’ny lisea, na sekoly ambaratonga faharoa, na izay mitovy amin’izany intsony.

  • Efa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

  • Manana faniriana ny handray sy hanaja ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly mandritra ny fiainany izy ireo.

Ankoatra izay dia tsy maintsy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy iray alohan’ny handraisany ny fanafiana masina ho an’ny tenany. Ho fampahalalana mikasika ireo mpikambana miomana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany, dia jereo ny 25.2.8. Ho fampahalalana momba ny olona afaka mandray ny fanafiana masina, dia jereo ny 27.2.1.

26.5.3.

Misiônera tanora niverina avy nanao asa fanompoana tany an-tany lavitra

Asian’ny filohan’ny misiôna daty ilay fahazoan-dalana ary ampidiriny mba hanan-kery ilay fahazoan-dalana, ka ho lany daty izany telo volana aorian’ny daty handehanan’ilay misiônera mody.

Manao tafa sy dinika amin’ireo misiônera nahavita asa fanompoana ny eveka mba hanomezana fahazoan-dalana vaovao hidirana ny tempoly rehefa akaiky ho tapitra ilay telo volana haha lany daty ilay fahazoan-dalana.

26.5.4

Mpikambana izay latsaky ny herintaona no nonenany tao amin’ny paroasy

Mifandray amin’ilay eveka teo aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany alohan’ny hanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

26.5.7

Ireo mpikambana izay mahatsapa ny tenany ho transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ny filohan’ny tsatòka dia tokony hifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hiatrehana amim-pitandremana sy ao anatin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny toe-javatra mahazo ny olona manokana (jereo ny 38.6.23).

26.5.8

Mpikambana izay nahavita fandikan-dalàna goavana

Ny mpikambana iray izay nahavita fahotana goavana dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly raha tsy efa nibebaka (jereo ny 32.6).

26.5.9

Mpikambana izay naverina noraisina ho mpikambana taorian’ny fanesorana azy tsy ho mpikambana na ny fialany tsy ho mpikambana

26.5.9.1

Mpikambana izay tsy mbola nandray fanafiana masina tany aloha

Ireo mpikambana ireo dia tsy azo omena fahazoan-dalana handraisana ny fanafiana masina ho an’ny tenan’izy ireo manokana raha tsy herintaona katroka aorian’ny datin’ny namerenana azy ireo tato amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny batisa sy ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

26.5.9.2

Ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha

Ny mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na inona na inona karazany raha tsy voaverina amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny.