“27. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“27. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
27.
Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona
27.0
Teny fanolorana
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy izany. Mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina sy manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra izay mamatotra antsika Aminy sy amin’ny Mpamonjintsika isika ao amin’ny tempoly. Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo dia manomana antsika hiverina ho eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ho voafehy miaraka ho fianakaviana mandrakizay.
“Miharihary … ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20 ao amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly.
Masina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Tsy tokony horesahana any ivelan’ny tempoly ireo mari-pamantarana mifandray amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Ary tsy tokony horesahantsika ihany koa ny fampahalalana masina izay nampanantenaintsika manokana tao amin’ny tempoly fa tsy hambarantsika. Na izany aza, dia azontsika resahana ireo tanjona sy fotopampianarana fototr’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahatsapana ara-panahy azontsika ao anatin’ny tempoly.
Resahan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka amin’ireo mpikambana izay miomana ny handray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina na ny famehezana ny fampahalalana ato amin’ity toko ity.
27.1
Fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly
27.1.1
Fiomanana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly
Tokony hiomana ara-panahy ireo mpikambana mba handray ireo ôrdônasin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanampiana ireo zanany hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manohana ny ray aman-dreny amin’izany anjara asa izany ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy, ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, ary ireo fianakaviana lavitra.
Ireo loharanom-pitaovana hanampiana ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org
Ny mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny dia amporisihina mba hianatra ny lesona fiomanana ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).
27.1.3
Ireo mpikambana manana fahasembanana ara-batana
Afaka mandray ny ôrdônansin’ny tempoly rehetra ny mpikambana mendrika izay manana fahasembanana ara-batana. Amporisihina ireo mpikambana ireo mba ho any amin’ny tempoly miaraka amin’ny havany na namany efa nandray fanafiana masina, izay lehilahy raha lehilahy izy ary vehivavy raha vehivavy izy, ka afaka manampy azy ireo. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana na namana afaka miaraka amin’ireo mpikambana any amin’ny tempoly dia afaka miantso any amin’ny tempoly mialoha izy ireo mba hahitana izay fandaminana azo atao.
27.1.4
Fanampiana mikasika ny fandikan-teny an-tsoratra sy am-bava
Raha mila fanampiana mikasika ny fandikan-teny an-tsoratra na am-bava ireo mpikambana dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly izy ireo mba hijerena raha misy izany fanampiana izany.
27.1.5
Ny akanjo anaovana rehefa mankany amin’ny tempoly
Tokony hanao fitafy izay fanaon’izy ireo rehefa mamonjy fanasan’ny Tompo ny mpikambana rehefa mankany amin’ny tempoly.
Jereo ny 27.3.2.6 mba hahitana fampahalalana momba ny akanjo tokony hanaovana raha hamonjy fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly.
Jereo ny 38.5 hijerena fampahalalana momba ny:
-
Akanjo tokony hanaovana mandritra ny fanafiana masina sy ireo ôrdônansy famehezana.
-
Fahazoana sy ny fanaovana ary ny fikarakarana ireo fitafy fitondra amin’ireo fanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly sy ny garmenta.
27.1.6
Fitaizana ny ankizy
Tsy maintsy misy olon-dehibe manara-maso ny ankizy rehefa eo amin’ny faritry ny tempoly izy ireo. Amin’ireto toe-javatra ireto ihany no misy mpiasan’ny tempoly afaka manara-maso ny ankizy:
-
Raha hofehezina amin’ny ray aman-dreniny izy ireo
-
Raha manatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ireo ray aman-dreniny izy ireo
27.1.7
Fihaonana amin’ireo mpikambana rehefa avy mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo
Matetika ny mpikambana no manana fanontaniana rehefa avy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Afaka mihaona amin’ireo mpikambana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray fanafiana masina, ny eveka, ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy, ary ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo mba hiresadresaka ny zavatra niainan’izy ireo tany amin’ny tempoly.
Misy loharanom-pitaovana hanampiana amin’ny famaliana ireo fanontaniana ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.
27.2
Ny fanafiana masina
Ny andian-teny hoe fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana.” Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fanomezana ara-bakiteny avy amin’ Andriamanitra izay hitahiany ireo zanany. Ny sasany amin’ireo fanomezana azon’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia ahitana ny:
-
Fahalalana lehibe kokoa momba ireo tanjon’ny Tompo sy ireo fampianarany.
-
Hery hanaovana izay rehetra tian’ny Ray any An-danitra hataon’ireo zanany.
-
Torohevitra avy amin’ Andriamanitra rehefa manompo ny Tompo sy ny fianakavian’izy ireo ary ny hafa.
-
Fanantenana sy fampaherezana ary fiadanana mitombo.
Miankina amin’ny fahatokiana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo.
Ny fandraisana ny fanafiana masina dia misy ampahany roa. Amin’ilay ampahany voalohany, ilay olona dia mandray ôrdônansy iray natao hiomanana antsoina hoe ôrdônansy fiomanana. Ahitana ôrdônansy anankitelo ny ôrdônansy fiomanana: ny fanasana, ny fanosorana, ary ny fampitafiana (jereo ny Eksodosy 29:4–9). Ahitana fitahiana miavaka mifandray amin’ny lovan’ilay olona avy amin’ Andriamanitra sy ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra izany.
Manao fanekempihavanana ny hitafy ny garmentan’ny tempoly ilay mpikambana mandritra ny ôrdônansy fiomanana. Ny garmenta dia maneho ny fifandraisany manokana amin’ Andriamanitra sy ny fanoloran-tenany hankatò ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly. Rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony ireo mpikambana ary manao ny garmenta araka ny tokony ho izy mandritra ny androm-piainany, dia lasa fiarovana ihany koa izany. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanaovana sy ny fikarakarana ny garmenta dia jereo ny 38.5.5.
Amin’ilay ampahany faharoa amin’ny fanafiana masina dia ampianarina ny drafitry ny famonjena, ka tafiditra ao anatin’izany ny Fahariana, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Apôstazia, ary ny Famerenana amin’ny laoniny. Mahazo torolalana mikasika ny fomba hiverenana ho eo anatrehan’ny Tompo ihany koa ny mpikambana.
Mandritra ny fanafiana masina dia asaina ireo mpikambana hanao fanekempihavanana masina araka izao manaraka izao:
-
Hiaina ny lalàn’ny fankatoavana sy hiezaka ny hitandrina ny didin’ny Ray any An-danitra.
-
Hankatò ny lalàn’ny fahafoizana, izay midika hoe mahafoy zavatra mba hanohanana ny asan’ny Tompo ary mibebaka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina.
-
Hanaja ny lalàn’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy.
-
Hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, izay midika ho tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, izay araka ny lalàn’ Andriamanitra.
-
Hitandrina ny lalàn’ny fanokanana, izay midika fa manokana ny fotoan’izy ireo, ny talentany, ary ny zavatra rehetra izay nitahian’ny Tompo azy ireo ny mpikambana mba hananganana ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany.
Ho tambin’izany, ny Ray any An-danitra dia mampanantena fa ireo izay mitoetra ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tao amin’ny tempoly dia hotafiana “amin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32, 38; jereo koa ny Lioka 24:49; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:16).
27.2.1
Iza no afaka mandray ny fanafiana masina
Asaina mba hiomana amin’ny fanafiana masina ho an’ny tenany sy handray izany ny mpikambana olon-dehibe tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana. Tsy maintsy tanterahina sy raketina aloha ireo ôrdônansy takina izay vao afaka mandray ilay fanafiana masina ireo mpikambana (jereo ny 26.3.1).
27.2.1.1
Mpikambana vao vita batisa
Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana vaovao olon-dehibe mendrika rehefa afaka herintaona katroka farafahakeliny aorian’ny daty nandraisana azy ireo ho mpikambana.
27.2.1.2
Ireo mpikambana manambady olona tsy nandray fanafiana masina
Ny mpikambana iray izay mendrika kanefa tsy nandray fanafiana masina ny vadiny dia afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana, raha toa ka feno ireto fepetra manaraka ireto:
-
Manome ny fankatoavany ilay vady tsy nandray fanafiana masina.
-
Matoky ilay mpikambana sy ny eveka ary ny filohan’ny tsatòka fa ny andraikitra izay raisina araka ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly dia tsy hanelingelina ilay fanambadiana.
Mihatra ireo fepetra ireo na mpikamban’ny Fiangonana ilay vady na tsia.
27.2.1.3
Ireo mpikambana izay manana fahasembanana ara-tsaina
Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana manana fahasembanana ara-tsaina raha:
-
Efa nandray ny ôrdônansy rehetra takina mialoha izy ireo (jereo ny 26.3.1).
-
Manana fahafahana ara-tsaina ny hahatakatra, hanao, ary hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany izy ireo.
Mifampidinika amin’ilay mpikambana ny eveka, ary raha azo atao dia mifampidinika amin’ireo ray aman-dreniny. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy koa izy. Afaka mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka izy.
27.2.2
Fanapahan-kevitra ny amin’ny fotoana handraisana ny fanafiana masina
An’ny tena manokana ny fanapahan-kevitra handray ny fanafiana masina ka tokony hatao ombam-bavaka. Fanomezana hery sy fanambarana ho an’ireo rehetra izay miomana handray izany ny fanafiana masina. Afaka misafidy ny handray fanafiana masina ho an’ny tenany ny mpikambana rehefa mahafeno ireto fepetra rehetra manaraka ireto:
-
18 taona izy ireo farafahakeliny.
-
Nahavita ny fianarana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireo na efa tsy mianatra any amin’ny lisea, na sekoly ambaratonga faharoa, na izay mitovy amin’izany intsony.
-
Efa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.
-
Manana faniriana ny handray sy hanaja ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly mandritra ny fiainany izy ireo.
Ireo mpikambana izay efa nandray antso hanao asa fitoriana na miomana ny hofehezina ao amin’ny tempoly dia tokony handray ny fanafiana masina.
Alohan’ny hanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana iray mba handraisany ny fanafiana masina, dia tokony hahatsapa ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka fa vonona ny hahatakatra sy hitandrina ireo fanekempihanana masin’ny tempoly ilay olona. Io fahafahan’ny olona handray ny fanafiana masina io dia faritana tsirairay isaky ny olona.
27.2.3
Fiomanana sy fandrindrana ny fotoana hanaovana ny fanafiana masina
27.2.3.1
Fandraisana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona
Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ny mpikambana iray mba hidirana ny tempoly sy handraisana ny fanafiana masina. Ho fampahalalana mikasika ireo fahazoan-dalana ireo dia jereo ny 26.5.1.
27.2.3.2
Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly
Ireo mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy.
27.2.3.3
Olona mpanaraka ho an’ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina
Ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany dia afaka manasa mpikambana efa vita fanafiana masina izay lahy na vavy mitovy aminy mba ho olona mpanaraka sy hanampy azy ireo mandritra ny fotoana handraisana ny fanafiana masina. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny olona mpanaraka. Afaka manome olona mpanaraka ny tempoly raha ilaina.
27.3
Famehezana ny mpivady
Ny famehezana any amin’ny tempoly dia mampitambatra ny mpivady iray hiaraka ho amin’izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay rehetra. Ho azon’izy ireo ireo fitahiana ireo raha toa ka mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ataon’izy ireo any amin’ny tempoly izy ireo. Ny zanak’izy ireo dia ho afaka ny ho isan’ny fianakavian’izy ireo mandrakizay koa amin’ny alalan’io ôrdônansy io.
Manentana ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hiomana ny hivady sy hofehezina any amin’ny tempoly. Afaka manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana izay arahina famehezana any amin’ny tempoly ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nahazo lalana na ny olona hafa any amina toerana izay tsy mandray ho ara-dalàna ny fanambadiana ao amin’ny tempoly (jereo ny 38.3). Azo arahina ihany koa io lamina io rehefa mety hiteraka fahatsapana fanilihana ho an’ireo ray aman-dreny na ny fianakaviana akaiky ny fanambadiana ao amin’ny tempoly satria tsy afaka manatrika ilay fanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly izy ireo.
27.3.1
Iza no azo fehezina any amin’ny tempoly
Asaina mba hiomana amin’ny famehezana any amin’ny tempoly ny mpikambana tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana. Ireo izay vita fisoratam-panambadiana ara-panjakana dia amporisihina mba hofehezina ho amin’izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay any amin’ny tempoly raha vantany vao vonona izy ireo. Tsy maintsy vita fanafiana masina ny mpikambana vao azo fehezina (jereo ny 27.2).
Ireo olon-droa hofehezina any amin’ny tempoly dia tsy maintsy, na (1) vita fanambadiana ara-panjakana alohan’ny hamehezana azy, na (2) mivady sy fehezina mandritra ilay fotoana hanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly. Jereo ny 27.3.2.
27.3.1.2
Ireo mpikambana izay manana fahasembanana ara-tsaina
Ny mpikambana manana fahasembanana ara-tsaina dia azo fehezina amin’ny vadiny, na ny fofombadiny raha:
-
Efa nandray ny ôrdônansy rehetra takina mialoha izy ireo, anisan’izany ny fanafiana masina (jereo ny 27.2.1.3).
-
Manana fahafahana ara-tsaina ny hahatakatra, hanao, ary hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany izy ireo.
Mifampidinika amin’ilay mpikambana sy ny vadiny, na ny fofombadiny ny eveka. Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy koa izy. Afaka mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka izy.
27.3.2
Fiomanana sy fandrindrana fotoana hanaovana fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly
27.3.2.1
Fandraisana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona
Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ny mpikambana iray mba hofehezina amin’ny vadiny. Ho fampahalalana mikasika ireo fahazoan-dalana ireo dia jereo ny 26.3.
27.3.2.2
Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly
Ireo mpikambana izay miomana ny hanambady na hofehezina amin’ny vadiny dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy.
27.3.2.3
Fahazoana taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady
Alohan’ny hivadian’izy ireo dia tsy maintsy mahazo taratasy ara-dalàna fanamarinana ny fahafahana manambady izay manan-kery eo amin’ny toerana hanatanterahana ilay fanambadiana ny olon-droa miaraka. Raha manana fikasana ny sady hivady no hofehezina mandritra ny fotoana iray hanatanterahana ny ôrdônansy ireo olon-droa dia tsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady manan-kery any amin’ny tempoly izy ireo.
Tsy voatery mitondra taratasy fanamarinana ny fahafahana manambady any amin’ny tempoly ireo mpivady hofehezina aorian’ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana. Omen’izy ireo kosa ny daty sy ny toerana nanaovana ny fanambadiany ara-panjakana mba ho isan’ny dingana amin’ny fanamarinana ny firaketana.
27.3.2.4
Olona mpanaraka ny vehivavy mpanambady sy ny lehilahy mpanambady
Afaka miaraka amin’ny vehivavy mpanambady ny rahavavy iray efa nandray fanafiana masina mba hanampy azy ao amin’ny toerana fisoloana akanjo. Afaka manao izany koa ho an’ny lehilahy mpanambady ny rahalahy iray efa nandray fanafiana masina. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ny olona mpanaraka. Afaka manome olona mpanaraka ny tempoly raha ilaina.
27.3.2.5
Iza no manatanteraka ny fanambadiana sy ny famehezana any amin’ny tempoly
Mazàna ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly dia tanterahin’ny mpanao famehezana izay notendrena hiasa ao amin’ny tempoly izay hanambadian’ireo olon-droa na hamehezana azy ireo. Raha misy olona ao amin’ny fianakaviana mihazona ny fahefana ahafahana manao famehezana ary voatendry hiasa ao amin’ny tempoly izay hanambadian’ireo olon-droa na hamehezana azy ireo, dia afaka manasa azy mba hanatanteraka ilay fanambadiana na ilay famehezana izy ireo.
27.3.2.6
Ny fitafiana mety amin’ny fanambadiana sy ny famehezana any amin’ny tempoly
Akanjon’ny vehivavy mpanambady. Ny akanjon’ny vehivavy mpanambady izay anaovana ao amin’ny tempoly dia tokony ho fotsy, maotina na ny didiny na ny lambany, ary tsy misy ravadravaka sy filirony tafahoatra. Tokony hanarona ny garmentan’ny tempoly koa izany. Tokony hasiana sosona ny ravin-damba manify.
Mba hampitoviana izany amin’ireo akanjo fanao ao amin’ny tempoly dia tokony ho lava tanana na misy tanany hatreo amin’ny fisasahan’ny halavan’ny sandry ny akanjon’ny vehivavy mpanambady. Tsy tokony hisy ampahany tarihina mirefarefa amin’ny tany ny akanjo raha tsy hoe azo paingorina hihantona ambony izany na azo esorina mandritra ilay ôrdônansy famehezana.
Afaka manome akanjo ny tempoly raha ilaina na irina.
Ny fitafian’ny lehilahy mpanambady. Manao akanjo fanao mahazatra any amin’ny tempoly ny lehilahy iray mpanambady mandritra ilay fanatanterahana ny fanambadiana na ny famehezana (jereo ny 38.5.1 sy ny 38.5.2).
Ny fitafian’ny mpanotrona. Tokony hanao fitafy mitovy amin’ny akanjo izay ho nanaovan’izy ireo rehefa mamonjy fanasan’ny Tompo ireo olona manatrika fanatanterahana fanambadiana na famehezana. Ireo mpikambana izay tonga hanatrika famehezana avy hatrany rehefa avy nanatrika fotoana nandraisana fanafiana masina dia afaka mitafy ireo akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansin’ny tempoly.
Voninkazo. Tsy tokony hitondra voninkazo ny mpanambady sy ny mpanotrona azy ireo mandritra ilay fotoana hanatanterahana ny fanambadiana na ny famehezana.
27.3.2.7
Fifanolorana peratra aorian’ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly
Ny fifanolorana peratra dia tsy tafiditra ao anatin’ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly. Na izany aza dia azon’ny mpivady atao ny mifanolotra peratra aorian’ilay ôrdônansy raha iny mbola ao amin’ny efitrano famehezana iny. Tsy tokony hifanolotra peratra amin’ny fotoana hafa na toerana hafa na aiza na aiza ao amin’ny tempoly na eny an-tokontanin’ny tempoly ireo mpanambady.
Ireo mpivady nanao fanambadiana sy famehezana tao anatin’ny fotoana iray nanatanterahana ôrdônansy dia afaka mifanolotra peratra aorian’izany fotoana izany mba hahatsapan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy afaka nanatrika ny fanambadiana tao amin’ny tempoly ho tsy voailikilika. Tsy tokony hamerenana ampahan-javatra nitranga nandritra ilay fanambadiana tao amin’ny tempoly na ilay ôrdônansin’ny famehezana ao anatin’ilay fifanolorana peratra. Tsy tokony hifanolotra voady ireo mpivady rehefa vita fanambadiana sy famehezana tao amin’ny tempoly.
Ireo olon-droa nanao fisorata-panambadiana ara-panjakana talohan’ny namehezana azy tao amin’ny tempoly dia afaka mifanolotra peratra mandritra ny fanatanterahana ny fisorata-panambadiany, na mandritra ny famehezana azy any amin’ny tempoly, na any amin’izy roa ireo.
27.3.4
Iza no afaka manatrika fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly
Ireo mpanambady dia tsy tokony hanasa afa-tsy ny olona ao amin’ny fianakaviany akaiky sy ny namany akaiky ihany mba hanatrika fanambadiana na famehezana any amin’ny tempoly. Ireo mpikambana tompon’andraikitra dia tsy maintsy efa vita fanafiana masina sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery vao afaka manatrika.
Afaka manome lalana olona iray tsy mbola vita batisa na tsy mbola nandray fanafiana masina noho ny fahasembanana ara-tsaina ny filohan’ny tsatòka mba hanatrika ny fanambadiana na ny famehezana any amin’ny tempoly ireo iray tampo aminy izay mbola velona. Io olona io dia tsy maintsy:
-
18 taona farafahakeliny.
-
Afaka maneho fanajana mandritra ilay fotoana hanaovana ny fanambadiana.
Ny filohan’ny tsatòka dia manoratra taratasy milaza fa mahazo lalana ny hanatrika ilay famehezana ilay olona. Haseho any amin’ny tempoly io taratasy io.
27.4
Famehezana zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny
Ireo zanaka izay teraka taorian’ny namehezana ny ray aman-drenin’izy ireo tany amin’ny tempoly dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Tsy mila mandray ny ôrdônansin’ny famehezana amin’ny ray aman-dreny izy ireo.
Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay anankiray ireo zaza izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny famehezana azy ireo amin’ny ray aman-dreny niteraka azy ireo na ny ray aman-dreny nanangana azy. Ireo zanaka ireo dia manana zo mitovy handray ireo fitahiana izay azon’ireo zanaka teraka tao anatin’ny fanekempihavanana.
27.4.2
Fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly
Ireo mpivady izay maniry ny hamehezana ny zanany amin’izy ireo, na ireo zanaka izay maniry ny hofehezina amin’ireo ray aman-dreniny efa maty dia tokony hifandray mialoha amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tempoly mba handrindrana ny fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy.