“30. Ireo antso ao amin’ny Fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“30. Ireo antso ao amin’ny Fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
30.
Ireo antso ao amin’ny Fiangonana
30.0
Teny fanolorana
Ny antso dia manome fahafahana an’ireo mpikambana mba hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny zanany (jereo ny Môzià 2:17). Ny antso koa dia manampy ireo mpikambana mba hampitombo ny finoan’izy ireo sy mba hanakaiky kokoa ny Tompo.
Tsy mety ny mitsiriritra antso iray manokana ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Marka 10:42–45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–37). Tsy “misondrotra” avy ao amin’ny antso iray mankany amin’ny antso iray hafa koa ny mpikamban’ny Fiangonana. Ny fanompoana amim-pahatokiana ao anatin’ny antso iray dia manan-danja kokoa noho ny hoe inona ilay antso. Manaja ny fanolorantena asehon’ireo olona rehetra manompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo.
30.1
Fanapahan-kevitra ny amin’ny hoe iza no antsoina
30.1.1
Torolalana ankapobeny
Voantson’ Andriamanitra ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Hebreo 5:4; Fanekem-pinoana 1:5). Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika rehefa manapa-kevitra ny amin’izay olona ho antsoina (jereo koa ny 4.2.6). Dinihin’izy ireo koa:
-
Ny fahamendrehan’ilay mpikambana (izay fantarina mandritra ny tafa sy dinika).
-
Ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ananan’ilay mpikambana na azony hananana mba hitahiana ny hafa.
-
Ny toe-javatra manokana iainan’ilay mpikambana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahasalamany sy ny asa fivelomany.
-
Ny mety ho fiantraikan’ilay antso eo amin’ny fiainam-panambadian’ilay mpikambana sy ny fianakaviany.
Voatahy ireo mpikambana noho ny fahafoizan-tenan’izy ireo manompo ao amin’ny Fiangonana. Na izany aza dia tsy tokony hampiantsoroka enta-mavesatra tafahoatra eo amin’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ny antso iray. Tsy tokony hampananosarotra ny fanatanterahan’ireo mpikambana ny andraikiny ao anatin’ny asa fivelomany koa ny antso.
Amin’ny ankapobeny dia antsoina hanompo amin’ny antso iray ihany ny mpikambana iray, ankoatra ny maha-rahalahy manompo na rahavavy manompo azy.
Rehefa manolotra antso amin’ny olona iray manambady, dia tokony haka antoka ny mpitarika fa mahafantatra sy manohana ilay antso ny vady. Mialoha ny hanolorana antso amin’ny zatovolahy na zatovovavy iray dia mangataka fankatoavana avy amin’ny rainy na ny reniny na ny mpiantoka azy ny mpitarika.
Mialoha ny hanolorana antso iray dia miverina mijery tsara ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana ao amin’ilay firaketana na famerana ôfisialy ny zo maha-mpikambana.
30.1.2
Antso ho an’ireo mpikambana vaovao
Manampy ireo mpikambana hivoatra ara-panahy ny fahafahana manompo.
Omen’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy fahafahana hanompo ireo mpikambana vaovao raha vantany vao vita batisa sy noraisina ho mpikambana.
30.1.3
Antso ho an’ireo tsy mpikambana
Ireo olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia azo antsoina hanao antso sasantsasany, toy ny mpitendry ôrga, na mpitarika hira, na antso mba hanampy amin’ny fandrafetana fiaraha-mietana. Na izany aza, dia tsy tokony hantsoina ho mpampianatra, na ho mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na fiadidian’ny rafitra, na ho mpitarika hira ao amin’ny Kilonga izy ireo.
30.1.4
Ny fihazonana ny tsiambaratelo
Masina ireo antso sy ireo fisaorana. Noho izany dia mihazona ireo fampahalalana mikasika ireo antso atolotra sy ireo fisaorana ho tsiambaratelo ireo mpitarika.
30.1.5
Fanolorana anaran’olona homena antso sy fankatoavana izany
Ilay tabilao mirakitra ireo antso dia maneho hoe iza no afaka manolotra anarana ho an’ny antso tsirairay ary iza no manome fankatoavana (jereo ny 30.8).
Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia tokony handanjalanja tsara ny anarana tsirairay izay atolotra, ary hahatsapa fa nodinihina ombam-bavaka izany. Ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka no manana andraikitra farany mba handray fanentanam-panahy mikasika izay olona ho antsoina.
30.2
Fanomezana antso
Tokony ho zavatra iainana iray izay manan-danja ho an’ny mpikambana iray ny fandraisana antso.
Rehefa manolotra antso iray ny mpitarika iray dia hazavainy fa avy amin’ny Tompo izany.
Ilay mpitarika koa dia afaka:
-
Manazava ny tanjon’ilay antso sy ny lanjan’izany ary ireo andraikitra fonosin’izany.
-
Mamporisika ilay mpikambana hikatsaka ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fanatanterahana ny antsony.
-
Mijoro ho vavolombelona fa ny Tompo dia hanampy sy hitahy azy noho ny fanompoana amim-pahatokiana.
-
Miteny an’ilay mpikambana momba izay olona hanome fanofanana sy fanohanana mahakasika ilay antso.
-
Mampahafantatra an’ilay mpikambana mikasika izay fivoriana tokony hatrehany sy izay loharanom-pitaovana misy.
30.3
Fanohanana ireo mpikambana amin’ireo antso
Ireo izay voantso hanompo ao amin’ny ankamaroan’ireo antso ao amin’ny Fiangonana dia tokony haroso mba hotohanana mialoha ny hanombohan’izy ireo manompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13; 42:11).
Ambaran’ilay olona mitarika ny fanohanana aloha ny fisaorana ilay olona nihazona ilay anjara andraikitra (raha azo atao izany). Manasa ireo mpikambana izy mba haneho fankasitrahana ny asa fanompoana nataon’ilay olona (jereo ny 30.6).
Rehefa mampahafantatra olona iray hotohanana ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay nomena lalana dia mangataka azy hitsangana izy. Afaka mampiasa teny toy izao manaraka izao ilay mpitarika:
“[Anarana] dia nantsoina ho [andraikitra sahanina]. Ireo izay manaiky ny hanohana azy dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana. [Miato kely.] Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany koa. [Miato kely.]”
Raha misy mpikambana iray izay tsara laza maneho tsy fanohanana ilay fanolorana antso, dia miresaka manokana aminy aorian’ny fivoriana ilay mpitarika mpiahy na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny fisoronana izay nomena andraikitra hanao izany.
30.4
Fanokanana ny mpikambana hanompo amin’ireo antso
Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.11
30.6
Fisaorana ireo mpikambana amin’ireo antso
Rehefa isaorana ny filoha iray na eveka iray dia isaorana ho azy ireo mpanolotsaina.
Ny fanolorana fisaorana dia fahafahana iray izay manan-danja ho an’ny mpitarika iray mba hanehoana fankasitrahana ary mba hankasitrahana ny fiasan’ny tanan’ny Tompo tao anatin’ny asa fanompoana nataon’ilay mpikambana. Mihaona manokana amin’ilay mpikambana ilay mpitarika mba hampahafantatra azy ilay fisaorana mialoha ny hanambarana izany ampahibemaso. Ireo izay tokony hahafantatra izany ihany no hampahafantarina ny fisaorana olona iray mialoha ny hanambarana izany amin’ny daholobe.
Mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay nomena lalana no manambara ny fisaorana ao amin’ilay toerana izay nanohanana ilay olona ihany. Afaka mampiasa teny toy izao manaraka izao ilay mpitarika:
“[Anarana] dia nisaorana tamin’ny naha-[andraikitra sahanina] azy. Ireo izay te haneho fisaorana noho ny asa fanompoana nataony dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.
Tsy mangataka ny fanehoan-kevitr’ireo izay manohitra raha misy ilay mpitarika.
30.8
Tabilao mirakitra ireo antso
30.8.1
Antso |
Atolotry ny |
Ankatoavin’ny |
Tohanan’ny |
Antsoina sy atokan’ny |
---|---|---|---|---|
Antso | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka, mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) | Ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Ny filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany |
Antso | Atolotry ny Eveka | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany |
Antso | Atolotry ny Ny episkôpà | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany, na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo |
Antso | Atolotry ny Ny episkôpà | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany |
Antso | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka (rehefa avy niresaka tamin’ny eveka) | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny Tsatòka |
Antso Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona | Atolotry ny Filohan’ny kôlejy (rehefa avy niresaka tamin’ny eveka) | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany |
Antso Ireo antso hafa ao amin’ny kôlejin’ny loholona | Atolotry ny Fiadidian’ny kôlejy | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny kôlejy na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso Ireo filohan’ny rafitra eo anivon’ny paroasy | Atolotry ny Ny episkôpà | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Ny eveka |
Antso Ireo mpanolotsaina ao amin’ireo fiadidian’ireo rafitra ao amin’ny paroasy | Atolotry ny Filohan’ny rafitra | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso Ireo antso hafa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy sy Kilonga ary Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy | Atolotry ny Fiadidian’ny rafitra | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana) | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Episkôpà na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana) | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Eveka (amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny mpisorona azy) | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy | Antsoina sy atokan’ny Ny eveka |
Antso | Atolotry ny Ny episkôpà | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy | Antsoina sy atokan’ny Antsoin’ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany; atokan’ny eveka |
Antso | Atolotry ny Filohan’ny kôlejy | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny fiadidian’ny Zatovovavy) | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kilasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso | Atolotry ny Filohan’ny kilasy | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny kilasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
Antso Ireo antso hafa ao amin’ny paroasy | Atolotry ny Ny episkôpà | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy | Antsoina sy atokan’ny Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany |
30.8.2
Antso |
Atolotry ny |
Ankatoavin’ny |
Tohanan’ny |
Antsoina sy atokan’ny | ||||||||||||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
Antso | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka, na misiôna, na distrika | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny sampana | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka na misiôna (na ny filohan’ny distrika raha nomena andraikitra hisahana izany) | ||||||||||||
Antso | Atolotry ny Ny Filohan’ny sampana | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna) | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny sampana | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka, na filohan’ny misiôna, na filohan’ny distrika, na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany | ||||||||||||
Antso Mpitamboky, mpitamboky mpanampy, ary mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny sampana | Atolotry ny Fiadidian’ny sampana | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna) | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny sampana | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany, na mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (ho an’ireo sampana ao anatina tsatòka); filohan’ny distrika na mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay tendreny hisahana izany (ho an’ireo sampana ao anatina misiôna) | ||||||||||||
Antso | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka na distrika na misiôna (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny sampana) | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna) | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny sampana | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka na misiôna (na ny filohan’ny distrika raha nomena andraikitra hisahana izany) | ||||||||||||
Antso Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona | Atolotry ny Filohan’ny kôlejy (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny sampana) | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna) | Tohanan’ny Ireo mpikambana ao amin’ny sampana | Antsoina sy atokan’ny Filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany, na mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (na ny filohan’ny distrika na mpitarika iray hafa ao amin’ny fisoronana raha nomena andraikitra hisahana izany) | ||||||||||||
Antso Ireo antso hafa ao amin’ny sampana | Atolotry ny Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy. | Ankatoavin’ny Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy. | Tohanan’ny Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy. | Antsoina sy atokan’ny Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy. |