“31. Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“31. Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
31.
Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana
31.0
Teny fanolorana
Matetika i Jesoa Kristy no nanompo tsirairay ny hafa (jereo ohatra ny Jaona 4:5–26; 3 Nefia 17:21). Tiany ny zanak’ Andriamanitra tsirairay. Ampiany manokana izy ireo.
Ity toko ity dia afaka manampy ny mpitarika rehetra izay manana fahafahana hihaona amin’ny mpikambana tsirairay.
31.1
Ireo fitsipika arahina
31.1.1
Miomana ara-panahy
Manomàna tena ara-panahy amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ary ny fiainana amim-pahamarinana. Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina.
31.1.2
Ampio ilay mpikambana hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra
Rehefa misy mpikambana manatona anao mba hanao tafa sy dinika na mba hila fanampiana noho ny olana manokana mianjady aminy, dia ny fahafantarana fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra no zavatra tena ilain’izy ireo matetika.
Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany dia manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana madio. Ampiasao izy ireo mba hitaomana fanahy sy hanomezana famporisihana fa tsy hanamelohana na hanerena na hampitahorana (jereo ny Lioka 9:56
31.1.3
Ampio ilay mpikambana hiantehitra amin’ny herin’ny Mpamonjy
Amporisiho ny mpikambana hitodika any Aminy. Ampio izy ireo hiantehitra amin’ny heriny mba hahazo tanjaka sy hampionona ary hanavotra.
31.1.4
Ampio ilay mpikambana hahatsapa ho mahazo aina sy voaro
Atolory foana an’ilay mpikambana ilay safidy ahafahana manasa olona iray hafa hanatrika mandritra ny tafa sy dinika iray na fihaonana iray. Rehefa mihaona amina mpikambana vehivavy raha lehilahy ianao na mpikambana lehilahy raha vehivavy ianao, na mihaona amina ankizy na zatovo, dia ataovy izay hanatrehan’ny ray na reny na olon-dehibe iray hafa izany. Afaka manatrika ilay fihaonana izy na miandry any ivelan’ilay efitrano, miankina amin’izay tian’ilay mpikambana mihaona aminao.
Aza zaraina na amin’iza na amin’iza izay fampahalalana hazonina ho tsiambaratelo, ka tafiditra ao anatin’izany ny vadinao sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana, raha tsy hoe omen’ilay mpikambana lalana.
31.1.5
Mametraha fanontaniana azo avy amin’ny fanentanan’ny Fanahy ary mihainoa tsara
Rehefa mihaona amina mpikambana anankiray dia mametraha fanontaniana izay manampy anao hahatakatra ny toe-javatra iainany.
Rehefa miteny ilay mpikambana dia mihainoa tsara.
31.1.6
Amporisiho ny hananana fizakan-tena
Mety tonga dia te hanolotra vahaolana mahakasika ny olan’ireo mpikambana ianao noho ny fitiavanao azy ireo. Kanefa hitahy azy ireo kokoa ianao amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hitady vahaolana ho an’ny tenany sy handray fanapahan-kevitra ho an’ny tenany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).
31.1.7
Tohano ireo ezaka atao mba hibebahana
Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ihany no afaka manampy olona iray hamaha ireo olana mahakasika ny fanaovana fahotana goavana. Voatanisa ao amin’ny 32.6 ny sasany amin’ireo. Raha toa ka nanao ny iray tamin’ireo fahotana ireo ilay mpikambana dia tokony hihaona avy hatrany amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy.
31.1.8
Mandraisa andraikitra araka ny tokony ho izy manoloana ny herisetra
Ny herisetra na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana dia tsy azo leferina. Raiso amim-pahamatorana ireo tatitra momba ny herisetra Raha toa ianao ka mahafantatra fa niharan’ny herisetra ny olona iray, dia tokony hitatitra izany any amin’ny manampahefana ara-panjakana sy hifampidinika amin’ny eveka ianao. Misy toromarika momba ny fanaovana tatitra sy ny zavatra tokony hatao manoloana ny herisetra nomena ao amin’ny 38.6.2.
31.2
Tafa sy dinika
31.2.1
Ny tanjon’ireo tafa sy dinika
Amin’ny ankapobeny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana mba hahafantarana raha toa izy ireo ka:
-
Vonona ny handray ôrdônansy iray na handray anjara ao anatin’izany.
-
Tokony hantsoina hihazona toerana iray ao amin’ny Fiangonana.
31.2.2
Ireo karazana tafa sy dinika
Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika |
Tanjon’ilay tafa sy dinika |
---|---|
Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika Eveka ihany | Tanjon’ilay tafa sy dinika
|
Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika Eveka na mpanolotsaina iray izay tendreny | Tanjon’ilay tafa sy dinika
|
31.2.3
Tafa sy dinika mikasika ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana
31.2.3.1
Ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra ao amin’ny paroasy sahaniny. Noho izany antony izany, izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao tafa sy dinika amin’ireto olona manaraka ireto:
-
Ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra.
-
Ankizy 8 taona izay tsy mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra, kanefa manana ray na reny na mpiantoka izay mpikamban’ny Fiangonana.
-
Mpikambana 9 taona no ho miakatra izay nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina.
Maka antoka ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà mandritra ny tafa sy dinika fa azon’ilay ankizy tsara ny tanjon’ny batisa (jereo ny 2 Nefia 31:5–20). Maka antoka ihany koa izy fa mahazo tsara ny fanekempihavanan’ny batisa sy manolo-tena mba hiaina araka izany ilay ankizy (jereo ny Môzià 18:8–10). Tsy voatery hampiasa lisitra manokana misy ireo fanontaniana apetraka izy. Tsy tafa sy dinika hamantarana ny fahamendrehana izany satria “Tsy mila fibebahana ny ankizy [madinika]” (Môrônia 8:11).
31.2.3.2
Ireo olona niova fo
Ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidy hanaovana batisa ireo niova fo. Noho izany antony izany, ny misiônera iray manompo amin’ny fotoana feno dia manao tafa sy dinika amin’ireo:
-
Olona 9 taona no ho miakatra izay tsy mbola natao batisa na noraisina ho mpikambana mihitsy. Jereo ny 31.2.3.1 mba hahalalana ny zavatra maningana mahakasika ireo izay manana fahasembanana ara-tsaina.
-
Ankizy 8 taona no ho miakatra izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny fianakavian’izy ireo.
-
Ankizy 8 taona no ho miakatra izay hatao batisa sy horaisina ho mpikambana koa ny rainy na ny reniny.
31.2.4
Tafa sy dinika ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.10.2.
31.2.5
Tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Tombontsoa masina ny fidirana ny tempoly sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy any. Io tombontsoa io dia natokana ho an’ireo izay vonona ara-panahy ary miezaka ny miaina ireo fenitry ny Tompo, ka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana no mamantatra izany.
Mba hanaovana io famantarana io dia manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary mampiasa ireo fanontaniana ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) (jereo koa ireo torolalana ao amin’ny 26.3).
31.2.6
Tafa sy dinika ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka
Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka. Izy koa no mihazona ny fanalahidin’ny fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo.
Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ny eveka araka ny torolalana hita ao amin’ny Rejisitry ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka.
31.3
Ireo fotoana hafa ahafahan’ireo mpitarika mihaona amin’ireo mpikambana
-
Mety hangataka ny hihaona amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana rehefa mila fitarihana ara-panahy izy ireo na manana olana manokana manavesatra azy ireo.
-
Mihaona amin’ireo mpikambana izay manana zavatra ilaina ara-batana ny eveka na ny olona iray izay nampiandraiketiny hanao izany (jereo ny 22.6).
-
Mihaona amin’ny ankizy tsirairay izay 11 taona ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà rehefa hiala ao amin’ny Kilonga mba hiakatra ao amin’ny kôlejin’ny diakona na ny kilasin’ny Zatovovavy izy.
31.3.1
Fihaonana amin’ny zatovo
Mihaona amin’ny zatovo tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny ny eveka na ny iray amin’ny mpanolotsainy. Farafaharatsiny ny iray amin’ireo fihaonana ireo dia tokony hiaraka amin’ny eveka. Amin’ny figadonan’ilay taona maha-feno 16 taona ilay zatovo dia tokony hatao miaraka amin’ny eveka ireo fihaonana anankiroa mandritra ny taona raha azo atao.
Ny filohan’ny Zatovovavy koa dia manana andraikitra ny hanompo ny zatovovavy tsirairay. Afaka manao izany izy amin’ny alalan’ny fihaonana amin’ny zatovovavy tsirairay (na miaraka amin’ny olon-dehibe iray hafa manatrika izany).
31.3.1.2
Ireo lohahevitra azo resahina
Ny tanjona voalohan’ireo fihaonana miaraka amin’ny zatovo dia ny hanorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanampy ny zatovo hanaraka Azy ireo. Tokony ho zavatra iainana ara-panahy izay mampahery ireo fihaonana ireo.
31.3.2
Fihaonana amin’ireo tanora tokan-tena
Ny eveka dia mametraka ho lohalaharana ny fivoaran’ireo tanora tokan-tena ao amin’ny paroasy sahaniny. Mihaona amin’ny tanora tokan-tena tsirairay indray mandeha isan-taona farafahakeliny izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany.
31.3.3
Fihaonana amin’ireo mpikambana mba hiresahana mikasika ny antso sy ny andraikitr’izy ireo
Ny fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà ary ireo mpitarika hafa dia mihaona amin’ireo mpikambana tsirairay izay manao tatitra amin’izy ireo mikasika ny antson’izy ireo.
Maneho fankasitrahana noho ny asa fanompoana ataon’ilay mpikambana ilay mpitarika ary manome fandrisihana.
31.3.6
Fanoroana hevitra sy fitsaboana atolotry ny matihanina
Tsy nantsoina mba ho mpanoro hevitra matihanina na hanolotra fitsaboana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny fanampiana atolotr’izy ireo dia ara-panahy, izay mifantoka amin’ilay herin’i Jesoa Kristy izay mampatanjaka sy mankahery ary manavotra. Ankoatra io fanampiana manan-danja sy azo avy amin’ny fanentanam-panahy io, dia mety hahasoa ny mpikambana ny mandray torohevitra avy amina manam-pahaizana matihanina raha misy eo an-toerana izany.
31.4
Fihaonana amin’ireo mpikambana amin’ny fomba virtoaly
Raha ny mahazatra dia mihaona mivantana amin’ny mpikambana ny mpitarika rehefa manao tafa sy dinika sy manolotra fanampiana ara-panahy sy manao fanompoana. Na izany aza, ho toy ny toe-javatra maningana, dia afaka mihaona amin’ny fomba virtoaly izy ireo rehefa tsy afaka mihaona mivantana.